1 ULB Nandeha mandra-pitobin'izy ireo tao amin'ireo lemak'i Moaba akaikin'i Jeriko, teny ampitan'ny Reniranon'i Jordana miala eo amin'ny tanàna ny vahoakan'Israely. BSB BSB: Then the Israelites traveled on and camped in the plains of Moab near the Jordan, across from Jericho.
2 ULB Nahita izay rehetra nataon'ny Israely tamin'ireo Amorita i Balaka zanak'i Zipora. BSB BSB: Now Balak son of Zippor saw all that Israel had done to the Amorites,
3 ULB Natahotra mafy ny vahoakan'ny Israely i Moaba satria maro loatra izy ireo, ka nihorohoro tamin'ny vahoakan'ny Israely i Moaba. BSB BSB: and Moab was terrified of the people because they were numerous. Indeed, Moab dreaded the Israelites.
4 ULB Niteny tamin'ireo loholon'ny Midiana ny mpanjakan'ny Moaba hoe: "Hihinana ny rehetra izay manodidina antsika tahaka ny omby mihinam-bilona eny an-tsaha ireo maro ireo." Ary i Balaka zanak'i Zipora no mpanjakan'i Moaba tamin'izany fotoana izany." BSB BSB: So the Moabites said to the elders of Midian, “This horde will devour everything around us, as an ox licks up the grass of the field.” Since Balak son of Zippor was king of Moab at that time,
6 ULB Ka tongava re ankehitriny ka ozony ho ahy izany firenena izany, satria mahery loatra amiko izy ireo. Angamba mba afaka hanafika azy ireo sy handroaka azy ireo amin'ny tany aho. Fantatro fa na iza na iza tahianao dia ho voatahy, ary na iza na iza hozoninao, dia ho voaozona." BSB BSB: So please come now and put a curse on this people, because they are too mighty for me. Perhaps I may be able to defeat them and drive them out of the land; for I know that those you bless are blessed, and those you curse are cursed.”
7 ULB Dia lasa ireo loholon'i Moaba sy ireo loholon'i Midiana, nitondra ny saran'ny sikidy. Tonga teo amin'i Balama izy ireo ka niteny taminy ireo tenin'i Balaka. BSB BSB: The elders of Moab and Midian departed with the fees for divination in hand. They came to Balaam and relayed to him the words of Balak.
8 ULB Hoy Balama tamin'izy ireo: "Mitoera eto anio alina. Hilaza aminareo izay lazain'i Yaveh amiko aho." Dia nitoetra tao amin'i Balama io alina io ireo mpitarik'i Moaba. BSB BSB: “Spend the night here,” Balaam replied, “and I will give you the answer that the LORD speaks to me.” So the princes of Moab stayed with Balaam.
9 ULB Tonga teo amin'i Balama Andriamanitra ka nanao hoe: "Iza ireo lehilahy izay tonga eto aminao ireo?" BSB BSB: Then God came to Balaam and asked, “Who are these men with you?”
10 ULB Namaly an'Andriamanitra i Balama hoe: "Balaka zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no naniraka azy ireo hankaty amiko. Hoy izy: BSB BSB: And Balaam said to God, “Balak son of Zippor, king of Moab, sent me this message:
11 ULB 'Indro, ny vahoaka izay tonga avy any Egypta dia mandrakotra ny velaran'ny taniko. Ankehitriny tongava ary ozony izy ireo ho ahy. Angamba hahavita hiady amin'izy ireo sy handroaka azy ireo aho." BSB BSB: ‘Behold, a people has come out of Egypt, and they cover the face of the land. Now come and put a curse on them for me. Perhaps I may be able to fight against them and drive them away.’”
12 ULB Namaly an'i Balama Andriamanitra hoe: "Tsy handeha miaraka amin'ireo lehilahy ireo ianao. Tsy hanozona ny vahoakan'ny Israely ianao satria efa voatahy izy ireo." BSB BSB: But God said to Balaam, “Do not go with them. You are not to curse this people, for they are blessed.”
13 ULB Nitsangana i Balama ny maraina ka niteny tamin'ireo mpitarik'i Balaka hoe: "Miverena any amin'ny taninareo satria mandà ny hamela ahy hiaraka aminareo Yaveh." BSB BSB: So Balaam got up the next morning and said to Balak’s princes, “Go back to your homeland, because the LORD has refused to let me go with you.”
14 ULB Dia lasa ireo mpitarik'i Moaba ka niverina tany amin'i Balaka. Hoy izy ireo: "Nandà tsy hiaraka aminay i Balama." BSB BSB: And the princes of Moab arose, returned to Balak, and said, “Balaam refused to come with us.”
15 ULB Naniraka mpitarika maro izay be voninahitra kokoa noho ilay vondrona voalohany indray i Balaka. BSB BSB: Then Balak sent other princes, more numerous and more distinguished than the first messengers.
16 ULB Tonga tany amin'i Balama izy ireo ka nanao taminy hoe: "Izao no lazain'i Balaka zanak'i Zipora: 'Aoka re tsy hisy na inona na inona hanakana anao tsy hiaraka aminay, BSB BSB: They came to Balaam and said, “This is what Balak son of Zippor says: ‘Please let nothing hinder you from coming to me,
17 ULB satria handoa tsara lavitra sy hanome voninahitra lehibe ho anao aho, ary hanao izay rehetra lazainao ataoko. Koa mba tongava re ka ozony ho ahy izany vahoaka izany.'" BSB BSB: for I will honor you richly and do whatever you say. So please come and put a curse on this people for me!’”
18 ULB Namaly Balama ka nanao tamin'ireo lehilahin'i Balaka hoe: "Na dia hanome ahy ny lapany feno volafotsy sy volamena aza i Balaka, dia tsy hihoatra ny tenin'i Yaveh, Andriamanitro, ka andatsaka na ampitombo izay lazainy amiko aho. BSB BSB: But Balaam replied to the servants of Balak, “If Balak were to give me his house full of silver and gold, I could not do anything small or great to go beyond the command of the LORD my God.
19 ULB Koa ankehitriny, mba miandrasa eto ihany koa re anio alina, mba ahafantarako ny zavatra bebe kokoa izay lazain'i Yaveh amiko." BSB BSB: So now, please stay here overnight as the others did, that I may find out what else the LORD has to tell me.”
20 ULB Tonga tamin'i Balama ny alina Andriamanitra ka nanao taminy hoe: "Satria tonga mba hiantso anao ireo lehilahy ireo, dia mitsangàna ka miaraha amin'izy ireo. Nefa izay lazaiko anao ho ataonao ihany no ataovy." BSB BSB: That night God came to Balaam and said, “Since these men have come to summon you, get up and go with them, but you must only do what I tell you.”
21 ULB Nifoha maraina i Balama, nanisy lasely ny borikiny, ka nandeha niaraka tamin'ireo mpitarik'i Moaba. BSB BSB: So in the morning Balaam got up, saddled his donkey, and went with the princes of Moab.
22 ULB Nefa satria nandeha izy, dia nirehitra ny fahatezeran'Andriamanitra. Nipetraka teo an-dalana toy ny mpifahavalo amin'i Balama, izay nitaingina ny borikiny ny anjelin'i Yaveh. Niaraka taminy ihany koa ny mpanompon'i Balama roa. BSB BSB: Then God’s anger was kindled because Balaam was going along, and the angel of the LORD stood in the road to oppose him. Balaam was riding his donkey, and his two servants were with him.
23 ULB Nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo an-dalana ilay boriky ary nisy sabatra voatsoaka teny an-tanany. Niala tamin'ny lalana ilay boriky ka nankany an-tsaha. Nikapoka ny borikiny mba hamerina azy amin'ny lalana i Balama. BSB BSB: When the donkey saw the angel of the LORD standing in the road with a drawn sword in his hand, she turned off the path and went into a field. So Balaam beat her to return her to the path.
24 ULB Dia nijoro teo amin'ny faritra tery tamin'ny lalana anelanelan'ny tanimboaloboka maro ilay anjely, ary nisy fefy teo andaniny ary fefy iray hafa teo ankilany. BSB BSB: Then the angel of the LORD stood in a narrow passage between two vineyards, with walls on either side.
25 ULB Nahita ny anjelin'i Yaveh indray ilay boriky. Nikisina ny rindrina izy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'izany. Nokapohin'i Balama indray izy. BSB BSB: And the donkey saw the angel of the LORD and pressed herself against the wall, crushing Balaam’s foot against it. So he beat her once again.
26 ULB Nandroso ihany ilay anjelin'i Yaveh ary nitsangana teo amin'ny toerana tery hafa izay tsy misy lalana iviliana ny andaniny sy ny ankilany. BSB BSB: And the angel of the LORD moved on ahead and stood in a narrow place where there was no room to turn to the right or left.
27 ULB Nahita ny anjelin'i Yaveh ilay boriky, ka nidaboka tamin'ny tany tao ambanin'i Balama. Nirehitra ny fahatezeran'i Balama, ka nokapohiny tamin'ny tehiny ilay boriky. BSB BSB: When the donkey saw the angel of the LORD, she lay down under Balaam, and he became furious and beat her with his staff.
28 ULB Dia nanokatra ny vavan'ilay boriky i Yaveh mba hiteny izy. Hoy izy tamin'i Balama: "Inona no nataoko anao ka nahatonga anao hikapoka ahy izay intelo izay?" BSB BSB: Then the LORD opened the donkey’s mouth, and she said to Balaam, “What have I done to you that you have beaten me these three times?”
29 ULB Namaly ilay boriky i Balama hoe: "Satria niadaladala tamiko ianao. Tokony mba nisy sabatra tety an-tanako. Fa raha nisy, dia efa matiko ianao ankehitriny." BSB BSB: Balaam answered the donkey, “You have made a fool of me! If I had a sword in my hand, I would kill you right now!”
30 ULB Hoy ilay boriky tamin'i Balama: "Moa ve tsy izaho ilay borikinao izay notaingenanao nandritra ny fiainanao rehetra mandraka ankehitriny? Moa ve efa nanam-pahazarana nanao zavatra tahaka izao taminao aho taloha?" Hoy Balama hoe: "Tsia." BSB BSB: But the donkey said to Balaam, “Am I not the donkey you have ridden all your life until today? Have I ever treated you this way before?” “No,” he replied.
31 ULB Dia nosokafan'i Yaveh ny mason'i Balama, ka nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo amin'ny lalana ary misy sabatra voatsoaka teny an-tanany izy. Nanondrika ny lohany ka niankohoka i Balama. BSB BSB: Then the LORD opened Balaam’s eyes, and he saw the angel of the LORD standing in the road with a drawn sword in his hand. And Balaam bowed low and fell facedown.
32 ULB Hoy ilay anjelin'i Yaveh taminy: "Nahoana no nikapoka ny borikinao izay intelo izay ianao? Indro, tonga tahaka ny mpifahavalo aminao aho satria ratsy ny zavatra nataonao teo anoloako. BSB BSB: The angel of the LORD asked him, “Why have you beaten your donkey these three times? Behold, I have come out to oppose you, because your way is perverse before me.
33 ULB Nahita ahy ny boriky ka niala ahy izay intelo izay. Raha tsy niala ahy izy, dia efa novonoiko tokoa ianao fa hamelona azy aho." BSB BSB: The donkey saw me and turned away from me these three times. If she had not turned away, then by now I would surely have killed you and let her live.”
34 ULB Hoy Balama tamin'ilay anjelin'i Yaveh: "Nanota aho. Tsy fantatro fa nijoro teo anoloako teo an-dalana ianao. Koa ankehitriny, raha tsy mahafaly anao izany, dia hiverina aho." BSB BSB: “I have sinned,” Balaam said to the angel of the LORD, “for I did not realize that you were standing in the road to confront me. And now, if this is displeasing in your sight, I will go back home.”
35 ULB Nefa hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Balama: "Mandrosoa miaraka amin'ireo lehilahy. Nefa ireo teny izay lazaiko anao ihany no hoteneninao." Dia niaraka tamin'ireo mpitarik'i Balaka i Balama. BSB BSB: But the angel of the LORD said to Balaam, “Go with the men, but you are to speak only what I tell you.” So Balaam went with the princes of Balak.
36 ULB Rehefa ren'i Balaka fa tamy i Balama, dia nivoaka hitsena azy tao an-tanànan'i Moaba tao Arnona izy, izay tao amin'ny faritany. BSB BSB: When Balak heard that Balaam was coming, he went out to meet him at the Moabite city on the Arnon border, at the edge of his territory.
37 ULB Hoy Balaka tamin'i Balama: "Moa ve tsy naniraka lehilahy mba hiantso anao aho? Nahoana ianao no tsy tonga teto amiko? Moa ve tsy afaka manome voninahitra anao aho?" BSB BSB: And he said to Balaam, “Did I not send you an urgent summons? Why did you not come to me? Am I really not able to reward you richly?”
38 ULB Dia namaly an'i Balaka i Balama hoe: "Indro, efa tonga eto aminao aho. Moa ve manana fahefana hilaza zavatra aho ankehitriny? Ireo teny izay apetrak'i Yaveh ao am-bavako ihany no azoko lazaina." BSB BSB: “See, I have come to you,” Balaam replied, “but can I say just anything? I must speak only the word that God puts in my mouth.”
39 ULB Niaraka tamin'i Balaka i Balama, ary tonga tao Kiriata-hozota izy ireo. BSB BSB: So Balaam accompanied Balak, and they came to Kiriath-huzoth.
40 ULB Dia nanao sorona omby sy ondry i Balaka ka nanome hena ho an'i Balama sy ireo mpitarika izay niaraka taminy. BSB BSB: Balak sacrificed cattle and sheep, and he gave portions to Balaam and the princes who were with him.
41 ULB Ny maraina, dia nitondra an'i Balama niakatra tany amin'ny toerana avon'i Bala i Balaka. Ny ampahan'ireo Israelita tao an-tobin'izy ireo ihany no hitan'i Balama avy teny. BSB BSB: The next morning, Balak took Balaam and brought him up to Bamoth-baal. From there he could see the outskirts of the camp of the people.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.