1 ULB Hoy Balama tamin'i Balaka: "Manorena alitara fito eto ho ahy ary manomàna ombilahy fito sy ondry fito." BSB BSB: Then Balaam said to Balak, “Build for me seven altars here, and prepare for me seven bulls and seven rams.”
2 ULB Koa dia nanao araka izay nangatahin'i Balama i Balaka. Dia nanolotra omby iray sy ondry iray teo amin'ireo alitara rehetra i Balaka sy Balama. BSB BSB: So Balak did as Balaam had instructed, and Balak and Balaam offered a bull and a ram on each altar.
3 ULB Dia hoy Balama tamin'i Balaka hoe: "Mijoroa eo akaikin'ny fanatitra doranao dia handeha aho. Mety ho avy hihaona amiko angamba Yaveh. Na inona na inona asehony ahy dia ho lazaiko aminao." Koa dia lasa nankany amin'ny tampon-kavoana tsy nisy hazo izy. BSB BSB: “Stay here by your burnt offering while I am gone,” Balaam said to Balak. “Perhaps the LORD will meet with me. And whatever He reveals to me, I will tell you.” So Balaam went off to a barren height,
4 ULB Rehefa teo amin'ny tampon-kavoana izy, dia nihaona taminy Andriamanitra, ary hoy Balama taminy: "Efa nanorina alitara fito aho, ary efa nanolotra ombilahy iray sy ondry iray avy teo amin'ny tsirairay." BSB BSB: and God met with him. “I have set up seven altars,” Balaam said, “and on each altar I have offered a bull and a ram.”
5 ULB Nametraka hafatra teo am-bavan'i Balama i Yaveh ka niteny hoe: "Miverena any amin'i Balaka ka miresaha aminy." BSB BSB: Then the LORD put a message in Balaam’s mouth, saying, “Return to Balak and give him this message.”
6 ULB Koa dia niverina tany amin'i Balaka i Balama, izay nitsangana teo akaikin'ny fanatitra dorany, ary ny mpitarika an'i Moaba rehetra dia niaraka taminy. BSB BSB: So he returned to Balak, who was standing there beside his burnt offering, with all the princes of Moab.
7 ULB Dia nanomboka nilaza ny faminaniany i Balama ka niteny hoe: "Efa nitondra ahy avy any amin'i Arama, mpanjakan'i Moaba avy any amin'ny tendrombohitra atsinanana i Balaka. 'Avia, ozony ho ahy Jakoba,' hoy izy. 'Avia, mihantsia an'Israely.' BSB BSB: And Balaam lifted up an oracle, saying: “Balak brought me from Aram, the king of Moab from the mountains of the east. ‘Come,’ he said, ‘put a curse on Jacob for me; come and denounce Israel!’
8 ULB Amin'ny fomba ahoana no hanozonako ireo izay tsy mbola nozonin'Andriamanitra? Amin'ny fomba ahoana no hanoherako ireo izay tsy notoherin'i Yaveh? BSB BSB: How can I curse those whom God has not cursed? How can I denounce those whom the LORD has not denounced?
9 ULB Avy eo an-tampon'ny vatolampy no ahitako Azy; avy eny amin'ny havoana no hijereko Azy. Indro, misy vahoaka izay mitoetra irery ary tsy mihevitra ny tenany ho firenena tsotra. BSB BSB: For I see them from atop the rocky cliffs, and I watch them from the hills. Behold, a people dwelling apart, not reckoning themselves among the nations.
10 ULB Iza no afaka manisa ny vovok'i Jakoba na manisa na dia ny ampahefatr'Israely aza? Aoka ho faty amin'ny fahafatesan'ny olo-marina aho, ary aoka ny fahataperan'ny aiko ho tahaka ny azy!" BSB BSB: Who can count the dust of Jacob or number even a fourth of Israel? Let me die the death of the righteous; let my end be like theirs!”
11 ULB Hoy Balaka tamin'i Balama: "Inona ity nataonao tamiko? Nentiko hanozona ny fahavaloko ianao, nefa indro, notahianao izy ireo." BSB BSB: Then Balak said to Balaam, “What have you done to me? I brought you here to curse my enemies, and behold, you have only blessed them!”
12 ULB Namaly i Balama ka niteny hoe: "Tsy tokony hitandrina ny hilaza izay apetrak'i Yaveh eo am-bavako ihany ve aho?" BSB BSB: But Balaam replied, “Should I not speak exactly what the LORD puts in my mouth?”
13 ULB Koa hoy Balaka taminy: "Mba miaraha amiko ho any an-toeran-kafa izay hahafahanao mahita azy ireo. Ho hitanao ny akaiky indrindra amin'ireo, fa tsy izy rehetra. Any no hanozonanao azy ireo ho ahy." BSB BSB: Then Balak said to him, “Please come with me to another place where you can see them. You will only see the outskirts of their camp—not all of them. And from there, curse them for me.”
14 ULB Koa dia nentiny tao amin'ny sahan'i Zofima i Balama, teo an-tampon'ny Tendrombohitr'i Pisga, ary nanorina alitara fito hafa izy. Nanolotra ombilahy iray sy ondry iray teo amin'ny alitara tsirairay izy. BSB BSB: So Balak took him to the field of Zophim, to the top of Pisgah, where he built seven altars and offered a bull and a ram on each altar.
15 ULB Avy eo dia hoy Balama tamin'i Balaka: "Mijoroa eto akaikin'ny fanatitra doranao eto, raha mbola mihaona amin'i Yaveh eny ambony eny aho." BSB BSB: Balaam said to Balak, “Stay here beside your burnt offering while I meet the LORD over there.”
16 ULB Koa dia nihaona tamin'i Balama i Yaveh ary nametraka hafatra teo am-bavany. Hoy Izy hoe: "Miverena any amin'i Balaka ary halefao aminy ny hafatro." BSB BSB: And the LORD met with Balaam and put a message in his mouth, saying, “Return to Balak and speak what I tell you.”
17 ULB Niverina tany aminy i Balama, ary indro, nitsangana teo akaikin'ny fanatitra dorany izy, ary niaraka taminy ireo mpitarik'i Moaba. Dia hoy Balaka taminy: "Inona no nolazain'i Yaveh?" BSB BSB: So he returned to Balak, who was standing there by his burnt offering with the princes of Moab. “What did the LORD say?” Balak asked.
18 ULB Natombok'i Balama ny faminaniany. Hoy izy hoe: "Mitsangàna, ry Balaka, ary mandrenesa. Mihainoa ahy, ianao ry zanak'i Zipora. BSB BSB: Then Balaam lifted up an oracle, saying: “Arise, O Balak, and listen; give ear to me, O son of Zippor.
19 ULB Tsy olona Andriamanitra, ka hoe handainga, na olombeloana, ka hoe hiova hevitra. Efa nampanantena zavatra ka tsy nanao izany ve Izy? Efa niteny ve Izy fa hanao zavatra ka tsy notanterahiny izany? BSB BSB: God is not a man, that He should lie, or a son of man, that He should change His mind. Does He speak and not act? Does He promise and not fulfill?
20 ULB Indro, efa nodidiana aho mba hitahy. Efa nanome fitahiana Andriamanitra, ary tsy afaka hamadika izany aho. BSB BSB: I have indeed received a command to bless; He has blessed, and I cannot change it.
21 ULB Tsy nahita ady sarotra tao amin'i Jakoba na fahoriana tao amin'Israely Izy. Momba azy ireo Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary eo amin'izy ireo ny hiakiaka ho an'ny mpanjakany. BSB BSB: He considers no disaster for Jacob; He sees no trouble for Israel. The LORD their God is with them, and the shout of the King is among them.
22 ULB Andriamanitra no nitondra azy ireo avy tany Egypta tamin'ny hery tahaka ny an'ny ombidia. BSB BSB: God brought them out of Egypt with strength like a wild ox.
23 ULB Tsy misy mosavy izay mihatra amin'i Jakoba, ary tsy misy zara-vintana hanisy ratsy an'Israely. Fa kosa, aoka ho lazaina ny amin'i Jakoba sy Israely hoe: "Jereo izay nataon'Andriamanitra!" BSB BSB: For there is no spell against Jacob and no divination against Israel. It will now be said of Jacob and Israel, ‘What great things God has done!’
24 ULB Indro, mitsangana tahaka ny liom-bavy ny olona, tahaka ny fivoahan'ny liona ka mamely. Tsy mandrimandry izy raha tsy efa mihinana ny hazany ary misotro ny ràn'izay novonoiny." BSB BSB: Behold, the people rise like a lioness; they rouse themselves like a lion, not resting until they devour their prey and drink the blood of the slain.”
25 ULB Dia hoy Balaka tamin'i Balama: "Aza manozona azy ireo na mitahy azy ireo akory." BSB BSB: Now Balak said to Balaam, “Then neither curse them at all nor bless them at all!”
26 ULB Fa namaly Balama ka niteny tamin'i Balaka hoe: "Tsy efa nilaza taminao ve aho fa tsy maintsy milaza izay rehetra asain'i Yaveh lazaiko?" BSB BSB: But Balaam replied, “Did I not tell you that whatever the LORD says, I must do?”
27 ULB Koa dia namaly an'i Balama i Balaka hoe: "Avia ary, hoentiko any amin'ny toeran-kafa ianao. Angamba mety hahafaly an'Andriamanitra ny hanozonanao azy ireo ho ahy any." BSB BSB: “Please come,” said Balak, “I will take you to another place. Perhaps it will please God that you curse them for me from there.”
28 ULB Koa nentin'i Balaka teny amin'ny tampon'ny Tendrombohitra Peora, izay mahatazana ny tany efitra i Balama. BSB BSB: And Balak took Balaam to the top of Peor, which overlooks the wasteland.
29 ULB Hoy Balama tamin'i Balaka: "Manorena alitara fito eto ary manomàna ombilahy fito sy ondry fito." BSB BSB: Then Balaam said, “Build for me seven altars here, and prepare for me seven bulls and seven rams.”
30 ULB Koa dia nanao araka izay nolazain'i Balama i Balaka; nanolotra ombilahy iray sy ondry iray teo amin'ny alitara tsirairay izy. BSB BSB: So Balak did as Balaam had instructed, and he offered a bull and a ram on each altar.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.