1 ULB Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Yaveh ny hitahiana an'Israely, dia tsy nandeha nanao sikidy, tahaka ny tamin'ny andro taloha izy. Fa kosa nijery nankany amin'ny tany efitra. BSB BSB: And when Balaam saw that it pleased the LORD to bless Israel, he did not seek omens as on previous occasions, but he turned his face toward the wilderness.
2 ULB Nanandratra ny masony izy ka nahita fa nitoby isaky ny fokony avy ny Israely, ary dia tonga tao aminy ny Fanahin'Andriamanitra. BSB BSB: When Balaam looked up and saw Israel encamped tribe by tribe, the Spirit of God came upon him,
4 ULB Miteny sy mandre ny tenin'Andriamanitra izy. Mahita fahitana avy amin'ilay Tsitoha izy, izay eo anoloany no hiankohofany amin'ny masony mihiratra. BSB BSB: the prophecy of one who hears the words of God, who sees a vision from the Almighty, who bows down with eyes wide open:
5 ULB Endrey ny hakanton'ny lainao, ry Jakoba, ny toerana izay itoeranao, ry Israely! BSB BSB: How lovely are your tents, O Jacob, your dwellings, O Israel!
6 ULB Tahaka ny lohasaha no fielezan'ireo, tahaka ny saha eny amoron'ny renirano, tahaka ny vahona izay nambolen'i Yaveh, tahaka ny sedera amoron-drano. BSB BSB: They spread out like palm groves, like gardens beside a stream, like aloes the LORD has planted, like cedars beside the waters.
7 ULB Mikoriana avy ao an-tsinin'izy ireo ny rano, ary ireo voa nafafiny dia tsara tondraka. Ny mpanjakan'izy ireo dia ho avo noho i Agaga, ary ny fanjakan'izy ireo dia homen-kaja. BSB BSB: Water will flow from his buckets, and his seed will have abundant water. His king will be greater than Agag, and his kingdom will be exalted.
8 ULB Andriamanitra no mitondra azy mivoaka an'i Egypta, amin'ny tanjaka tahaka ny ombidia. Hitelina ireo firenena izay manohitra azy ireo Izy. Hanorotoro ny taolan'izy ireo Izy. Hitifitra azy ireo amin'ny tsipìkany Izy. BSB BSB: God brought him out of Egypt with strength like a wild ox, to devour hostile nations and crush their bones, to pierce them with arrows.
9 ULB Mamitsaka tahaka ny liona Izy, tahaka ny liona vavy. Iza no ho sahy hanelingelina Azy? Izay mitahy azy dia voatahy; izay manozona azy dia voaozona." BSB BSB: He crouches, he lies down like a lion, like a lioness—who dares to rouse him? Blessed are those who bless you and cursed are those who curse you.”
10 ULB Nirehitra tamin'i Balama ny hatezeran'i Balaka ary namokona ny tanany tamim-pahatezerana izy. Hoy Balaka tamin'i Balama: "Miantso anao mba hanozona ny fahavaloko aho, fa indro, efa intelo nitahy azy ireo ianao. BSB BSB: Then Balak’s anger burned against Balaam, and he struck his hands together and said to Balaam, “I summoned you to curse my enemies, but behold, you have persisted in blessing them these three times.
11 ULB Koa ilaozy aho ankehitriny ka modia. Niteny ny hanome valisoa lehibe anao aho, kanefa Yaveh efa nanala anao tamin'ny fahazoana valisoa." BSB BSB: Therefore, flee at once to your home! I said I would reward you richly, but instead the LORD has denied your reward.”
12 ULB Ary hoy Balama namaly an'i Balaka hoe: "Nolazaiko tamin'ireo mpitondra hafatra izay nalefanao taty amiko fa: BSB BSB: Balaam answered Balak, “Did I not already tell the messengers you sent me
13 ULB 'Na dia nanome ny lapany feno volafotsy sy volamena ahy aza i Balaka, dia tsy afaka hihoatra ny tenin'i Yaveh sy ny zavatra ratsy na tsara, na ny zavatra tiako hatao aho. Izay nolazain'i Yaveh ahy ihany no azoko lazaina.' Tsy nolazaiko tamin'izy ireo ve izany? BSB BSB: that even if Balak were to give me his house full of silver and gold, I could not do anything of my own accord, good or bad, to go beyond the command of the LORD? I must speak whatever the LORD says.
14 ULB Koa indro ankehitriny, hiverina any amin'ny vahoakako aho. Kanefa mamelà ahy ianao hampitandrina anao izay hataon'ireo vahoaka ireo amin'ny vahoakanao amin'ny andro ho avy." BSB BSB: Now I am going back to my people, but come, let me warn you what this people will do to your people in the days to come.”
15 ULB Nanomboka izao faminaniana izao i Balama. Hoy izy hoe: "Balama zanak'i Beora no miteny, ilay lehilahy izay mahiratra. BSB BSB: Then Balaam lifted up an oracle, saying, “This is the prophecy of Balaam son of Beor, the prophecy of a man whose eyes are open,
16 ULB Izao no faminanian'ilay olona izay mahare teny avy amin'Andriamanitra, izay manana fahalalana avy amin'ilay Avo Indrindra, izay manana fahitana avy amin'ilay Tsitoha, izay eo anoloany no iankohofany amin'ny fahiratana. BSB BSB: the prophecy of one who hears the words of God, who has knowledge from the Most High, who sees a vision from the Almighty, who bows down with eyes wide open:
17 ULB Mahita Azy aho, fa tsy eto Izy izao. Mijery Azy aho, fa tsy eto akaiky Izy. Hisy kintana hivoaka avy amin'i Jakoba, ary tehim-panjakana hisandratra avy amin'Israely. Hanorotoro ny mpitarik'i Moaba izy ary hamotika ny taranak'i Seta rehetra. BSB BSB: I see him, but not now; I behold him, but not near. A star will come forth from Jacob, and a scepter will arise from Israel. He will crush the skulls of Moab and strike down all the sons of Sheth.
18 ULB Ary dia ho lasa fananan'i Israely i Edoma, ary Seira ihany koa dia ho lasa fananan'izy ireo, ireo fahavalon'Israely, izay ho resen'i Israely amin-kery. BSB BSB: Edom will become a possession, as will Seir, his enemy; but Israel will perform with valor.
19 ULB Avy amin'i Jakoba no hiavian'ny mpanjaka izay hanana ny fanapahana, ary hamotika ireo sisa tsy maty ao amin'ny tanànan'izy ireo Izy." BSB BSB: A ruler will come from Jacob and destroy the survivors of the city.”
20 ULB Dia nijery an'i Amaleka i Balama ary nanomboka ny faminaniany. Hoy izy hoe: "Amaleka dia efa lehibe indrindra teo amin'ireo firenena taloha, kanefa dia ho fahapotehana no ho fiafarany." BSB BSB: Then Balaam saw Amalek and lifted up an oracle, saying: “Amalek was first among the nations, but his end is destruction.”
21 ULB Avy eo dia nijery tany amin'ireo Kenita i Balama ary nanomboka ny faminaniany. Hoy izy hoe: "Ny toerana izay ipetrahanareo dia mahery, ary ny akaninareo dia ao amin'ny harambato. BSB BSB: Next he saw the Kenites and lifted up an oracle, saying: “Your dwelling place is secure, and your nest is set in a cliff.
22 ULB Na dia izany aza anefa dia ho potika i Kaina rehefa mitondra anao ho babo i Asyria." BSB BSB: Yet Kain will be destroyed when Asshur takes you captive.”
23 ULB Ary nanomboka ny faminaniany farany i Balama. Hoy izy hoe: "Loza! Iza no ho velona rehefa hanao izany Andriamanitra? BSB BSB: Once more Balaam lifted up an oracle, saying: “Ah, who can live unless God has ordained it?
24 ULB Hisy sambo ho tonga avy any amin'ny sisin'i Kitima; hanafika an'i Asyria sy handresy an'i Ebera izy ireo, kanefa, dia ho fahapotehana ihany koa no hiafaran'izy ireo." BSB BSB: Ships will come from the coasts of Cyprus; they will subdue Asshur and Eber, but they too will perish forever.”
25 ULB Avy eo dia niakatra i Balama ary lasa. Nody tany an-tranony izy, ary lasa ihany koa i Balaka. BSB BSB: Then Balaam arose and returned to his homeland, and Balak also went on his way.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.