1 ULB Nitoetra tany Sitima ny Israely, ary nanomboka nijangajanga tamin'ireo vehivavin'i Moaba ireo lehilahy, BSB BSB: While Israel was staying in Shittim, the men began to indulge in sexual immorality with the daughters of Moab,
2 ULB fa ireo Moabita nanasa ny vahoaka ho amin'ny sorona ho an'ireo andriamanitr'izy ireo. Ka dia nihinana sy niankohoka tamin'ireo andriamanitry ny Moabita ny vahoaka. BSB BSB: who also invited them to the sacrifices for their gods. And the people ate and bowed down to these gods.
3 ULB Nanatevin-daharana tamin'ny fanompoana an'i Bala Peora ireo lehilahin'Israely, ka nirehitra tamin'Israely ny hatezeran'i Yaveh. BSB BSB: So Israel joined in worshiping Baal of Peor, and the anger of the LORD burned against them.
4 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Vonoy avokoa ireo mpitariky ny vahoaka ka ahantòny eo anatrehako izy ireo mba hampiharihariana azy ireo amin'ny andro, izany dia mba hiala amin'Israely ny firehitry ny hatezerako." BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Take all the leaders of the people and execute them in broad daylight before the LORD, so that His fierce anger may turn away from Israel.”
5 ULB Koa dia hoy Mosesy tamin'ireo mpitariky ny Israely hoe: "Ny tsirairay aminareo dia tsy maintsy hamono ny olony izay nanatevin-daharana tamin'ny fanompoana an'i Bala Peora." BSB BSB: So Moses told the judges of Israel, “Each of you must kill all of his men who have joined in worshiping Baal of Peor.”
6 ULB Avy eo dia nanatona ny iray tamin'ireo lehilahin'Israely ka nitondra vehivavy Midianita iray tamin'ny fianakaviany. Niseho teo imason'i Mosesy sy ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra izany, raha mbola nitomany teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana izy ireo. BSB BSB: Just then an Israelite man brought to his family a Midianite woman in the sight of Moses and the whole congregation of Israel while they were weeping at the entrance to the Tent of Meeting.
7 ULB Nony hitan'i Finehasa zanaka lahin'i Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona izany, dia nitsangana avy teo amin'ny fivondronana izy ary nandray lefona teny an-tanany. BSB BSB: On seeing this, Phinehas son of Eleazar, the son of Aaron the priest, got up from the assembly, took a spear in his hand,
8 ULB Nanaraka ireo lehilahy Israelita tao anaty trano-lay izy ka nanatsatoka ny lefona tamin'ny vatan'izy roa ireo, na ilay lehilahy Israelita na ilay vehivavy. Koa dia nitsahatra ny areti-mandringana izay nalefan'Andriamanitra tamin'ny vahoakan'Israely. BSB BSB: followed the Israelite into the tent, and drove the spear through both of them—through the Israelite and on through the belly of the woman. So the plague against the Israelites was halted,
9 ULB Niisa efatra arivo sy roa alina ireo matin'ny areti-mandringana. BSB BSB: but those who died in the plague numbered 24,000.
10 ULB Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
11 ULB "I Finehasa zanaka lahin'i Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona, efa nanaisotra ny fahatezerako tamin'ny vahoakan'Israely satria liana tamin'ny zotom-poko tamin'izy ireo izy. Koa dia tsy nitelina ny vahoakan'Israely tamin'ny fahasiahako Aho. BSB BSB: “Phinehas son of Eleazar, the son of Aaron the priest, has turned My wrath away from the Israelites; for he was zealous for My sake among them, so that I did not consume the Israelites in My zeal.
12 ULB Noho izany lazao hoe: 'Yaveh miteny hoe: "Indro, manome fanekem-pihavanana an'i Finehasa Aho. BSB BSB: Declare, therefore, that I am granting him My covenant of peace.
13 ULB Ho azy sy ny taranany mandimby azy, ho fifanekem-pisoronana tsy manam-pahataperana izany satria nanana zotom-po ho Ahy, Andriamaniny izy. Efa nanonitra ho an'ny vahoakan'Israely izy."'" BSB BSB: It will be a covenant of permanent priesthood for him and his descendants, because he was zealous for his God and made atonement for the Israelites.”
14 ULB Ny anaran'ilay lehilahy Israelita izay novonoina niaraka tamin'ilay vehivavy Midianita dia Zimry zanak'i Salo, mpitariky ny fianakavian-drazana tamin'ireo Simeonita. BSB BSB: The name of the Israelite who was slain with the Midianite woman was Zimri son of Salu, the leader of a Simeonite family.
15 ULB Ny anaran'ilay vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby zanak'i Zora, izay loholon'ny foko sy fianakaviana tany Midiana. BSB BSB: And the name of the slain Midianite woman was Cozbi, the daughter of Zur, a tribal chief of a Midianite family.
16 ULB Ka dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
17 ULB "Raiso tahaka ny fahavalo ny Midianita ka tafiho izy reo, BSB BSB: “Attack the Midianites and strike them dead.
18 ULB satria izy ireo nandray anareo toy ny fahavalo tamin'ny fitak'izy ireo. Nitarika anareo tamin'ny ratsy izy ireo ny momban'i Peora sy ny momban'i Kosby anabavin'izy ireo, ilay zanaky ny mpitarika tany Midiana, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana tamin'ny raharahan'i Peora." BSB BSB: For they assailed you deceitfully when they seduced you in the matter of Peor and their sister Cozbi, the daughter of the Midianite leader, the woman who was killed on the day the plague came because of Peor.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.