1 ULB Ary ireo mpitarika ny fianakavian-drazamben'ny fianakaviam-ben'i Gileada zanak'i Makira (izay zanak'i Manase), izay avy amin'ireo fokon'ny taranak'i Josefa, dia tonga ka niteny teo anoloan'i Mosesy sy teo anoloan'ireo mpitarika izay lohan'ny fianakavian-drazamben'ny vahoakan'ny Israely. BSB BSB: Now the family heads of the clan of Gilead son of Machir son of Manasseh, one of the clans of Joseph, approached Moses and the leaders who were the heads of the Israelite families and addressed them,
2 ULB Hoy izy ireo: "Yaveh no nandidy anao, ry tomponay, mba hanome anjara tany ho an'ny vahoakan'ny Israely amin'ny filokana. Nodidian'i Yaveh ianao mba hanome ny anjaran'i Zelofada rahalahinay ho an'ireo zanany vavy. BSB BSB: saying, “When the LORD commanded my lord to give the land as an inheritance to the Israelites by lot, He also commanded him to give the inheritance of our brother Zelophehad to his daughters.
3 ULB Nefa raha manambady lehilahy avy amin'ny fokon'ny vahoakan'ny Israely hafa ireo zanany vavy, dia hesorina tsy ho anjaran'ny razambentsika ny anjaran'izy ireo. Hanampy ny anjaran'ireo foko izay andehanan'izy ireo izany. Amin'izany, dia hesorina tsy ho anjara voatendry ho lovantsika izany. BSB BSB: But if they marry any of the men from the other tribes of Israel, their inheritance will be withdrawn from the portion of our fathers and added to the tribe into which they marry. So our allotted inheritance would be taken away.
4 ULB Amin'izany, rehefa tonga ny taon-Jobilin'ny vahoakan'ny Israely, dia hikambana amin'ny anjaran'ny foko izay nandehanan'izy ireo ny anjarany. Ka izany, no hanalana ny anjaran'izy ireo amin'ny anjaran'ny fokon-drazambentsika. BSB BSB: And when the Jubilee for the Israelites comes, their inheritance will be added to the tribe into which they marry and taken away from the tribe of our fathers.”
5 ULB Dia nanome baiko ny vahoakan'ny Israely, tamin'ny tenin'i Yaveh i Mosesy. Hoy izy: "Marina ny voalazan'ny fokon'ny taranak'i Josefa. BSB BSB: So at the word of the LORD, Moses commanded the Israelites: “The tribe of the sons of Joseph speaks correctly.
6 ULB Izany no andidian'i Yaveh mahakasika ireo zanaka vavin'i Zelofada. Hoy Izy: 'Avelao izy ireo hanambady izay heveriny fa tsara, nefa hanambady izay ao amin'ny fokon-drainy ihany izy ireo.' BSB BSB: This is what the LORD has commanded concerning the daughters of Zelophehad: They may marry anyone they please, provided they marry within a clan of the tribe of their father.
7 ULB Tsy misy anjaran'ny vahoakan'ny Israely hiova foko ho amin'ny foko hafa. Ny tsirairay amin'ny vahoakan'ny Israely dia hitana ny anjaran'ny fokon-drazambeny. BSB BSB: No inheritance in Israel may be transferred from tribe to tribe, because each of the Israelites is to retain the inheritance of the tribe of his fathers.
8 ULB Ny vehivavin'ny vahoakan'ny Israely tsirairay izay manan-jara ao amin'ny fokony dia tsy maintsy manambady olona avy amin'ireo fianakaviamben'ny fokon-drainy. Izany dia mba hananan'ny tsirairay amin'ny vahoakan'ny Israely lova avy amin'ireo razambeny. BSB BSB: Every daughter who possesses an inheritance from any Israelite tribe must marry within a clan of the tribe of her father, so that every Israelite will possess the inheritance of his fathers.
9 ULB Tsy tokony hisy anjara hifindra tanana ho an'ny foko hafa. Ny olon-drehetra amin'ireo fokon'ny vahoakan'ny Israely dia hitana ny lovany ihany." BSB BSB: No inheritance may be transferred from one tribe to another, for each tribe of Israel must retain its inheritance.”
10 ULB Dia nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ireo zanakavavin'i Zelofad. BSB BSB: So the daughters of Zelophehad did as the LORD had commanded Moses.
11 ULB Mahala, Tirza, Hogla, Milka, ary Noa, ireo zanakavavin'i Zelofada, dia nanambady ny taranak'i Manase. BSB BSB: Mahlah, Tirzah, Hoglah, Milcah, and Noah, the daughters of Zelophehad, were married to cousins on their father’s side.
12 ULB Nanambady tao amin'ireo fianakaviamben'ireo taranak'i Manase zanak'i Josefa izy ireo. Ka izany, no nitoeran'ny lovan'izy ireo tao amin'ny foko izay an'ireo fianakaviamben-drain'izy ireo. BSB BSB: They married within the clans of the descendants of Manasseh son of Joseph, and their inheritance remained within the tribe of their father’s clan.
13 ULB Ireo no didy sy lalàna izay nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy ho an'ny vahoakan'ny Israely teo amin'ireo lemak'i Moaba amoron'i Jordana tao Jeriko. BSB BSB: These are the commandments and ordinances that the LORD gave the Israelites through Moses on the plains of Moab by the Jordan across from Jericho.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.