1 ULB Toy izao ireo teny izay nolazain'i Mosesy tamin' Israely rehetra tany an-dafin'i Jordana tany an'efitra, teny amin'ny lemaky ny lohasahan-driakan'ny onin'i Jordana tandrifin'i Sofa, teo anelanelan'i Parana, Tofela, Labana, Hazerota, ary Dizahaba. BSB BSB: These are the words that Moses spoke to all Israel in the wilderness east of the Jordan—in the Arabah opposite Suph—between Paran and Tophel, Laban, Hazeroth, and Dizahab.
2 ULB Lalana iraika ambin'ny folo andro avy any Horeba mandalo ny tendrombohitra Seira hatrany Kadesa-Barnea izany. BSB BSB: It is an eleven-day journey from Horeb to Kadesh-barnea by way of Mount Seir.
3 ULB Tamin'ny taona faha-efa-polo, faha-iraika ambin'ny folon'ny volana, andro voalohan'ny volana, dia niresaka tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy, nilaza tamin'izy ireo izay rehetra nandidian'i Yaveh ny mahakasika azy ireo. BSB BSB: In the fortieth year, on the first day of the eleventh month, Moses proclaimed to the Israelites all that the LORD had commanded him concerning them.
4 ULB Izany dia taorian'ny nanafihan'i Yaveh an'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita, izay nipetraka tao Hesbona, sy Oga mpanjakan'i Basana, izay nipetraka tao Astarta tany Edrehy. BSB BSB: This was after he had defeated Sihon king of the Amorites, who lived in Heshbon, and then at Edrei had defeated Og king of Bashan, who lived in Ashtaroth.
5 ULB Tany an-dafin'i Jordana, tao amin'ny tanin'i Moaba, i Mosesy no nanomboka nanambara ireo lalàn'Andriamanitra, manao hoe: BSB BSB: On the east side of the Jordan in the land of Moab, Moses began to explain this law, saying:
6 ULB "Niresaka tamintsika tany Horeba i Yaveh Andriamanitsika, manao hoe: 'Efa nipetraka naharitra teto amin'ity tendrombohitra ity ianareo. BSB BSB: The LORD our God said to us at Horeb: “You have stayed at this mountain long enough.
7 ULB Tohizo indray ny dianareo, ary mandehana any amin'ny tendrombohitr'ireo Amorita sy any amin'ireo toerana rehetra eny amin'ny lemaky ny lohasahan-driakan'ny Reniranon'i Jordana, eny amin'ny tendrombohitra, eny amin'ny faritra iva, ao Negreva, sy eny amorontsiraka—eny amin'ny tany Kananita, sy any Lebanona hatrany amin'ny loharano lehibe, dia Eofrata. BSB BSB: Resume your journey and go to the hill country of the Amorites; go to all the neighboring peoples in the Arabah, in the hill country, in the foothills, in the Negev, and along the seacoast to the land of the Canaanites and to Lebanon, as far as the great River Euphrates.
8 ULB Indro, efa nomeko anareo ny tany; mandehana ao ary lovao ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo— tamin'i Abrahama, tamin'Isaka, ary tamin'i Jakoba—fa omena azy ireo sy ireo taranany ao aoriany.' BSB BSB: See, I have placed the land before you. Enter and possess the land that the LORD swore He would give to your fathers Abraham, Isaac, and Jacob, and to their descendants after them.”
9 ULB Niresaka taminareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Tsy zakako irery ianareo. BSB BSB: At that time I said to you, “I cannot carry the burden for you alone.
10 ULB Efa nampitomboan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, ary, indro, ankehitriny ianareo dia maro toy ny kintana eny an-danitra. BSB BSB: The LORD your God has multiplied you, so that today you are as numerous as the stars in the sky.
11 ULB Yaveh, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo arivo eny ny habetsahanareo amin'izao, ary hitahy anareo, araky ny efa nampanantenainy anareo! BSB BSB: May the LORD, the God of your fathers, increase you a thousand times over and bless you as He has promised.
12 ULB Fa amin'ny fomba ahoana no hilanjako irery ny vesatrareo, ny enta-mavesatrareo, ary ny fifandiranareo? BSB BSB: But how can I bear your troubles, burdens, and disputes all by myself?
13 ULB Mangalà lehilahy hendry, lehilahy manam-pahalalana, ary lehilahy manan-daza amin'ny tsara isaky ny foko, ary hataoko ho lohanareo izy ireo.' BSB BSB: Choose for yourselves wise, understanding, and respected men from each of your tribes, and I will appoint them as your leaders.”
14 ULB Namaly ahy ianareo ary niteny hoe: 'Ny zavatra izay nolazainao dia tsara ho ataonay' BSB BSB: And you answered me and said, “What you propose to do is good.”
15 ULB Koa dia nalaiko ireo lohany eo amin'ny fokonareo, dia ireo lehilahy hendry, sy lehilahy manan-daza tsara, ka hanao azy ireo ho lohanareo, mpifehy ny arivo, mpifehy ny zato, mpifehy ny dimam-polo, mpifehy ny folo, ary manamboninahitra, isaky ny foko. BSB BSB: So I took the leaders of your tribes, wise and respected men, and appointed them as leaders over you—as commanders of thousands, of hundreds, of fifties, and of tens, and as officers for your tribes.
16 ULB Nandidy ireo mpitsara anareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Henoy ny fifamaliana eo amin'ireo rahalahinareo, ary mitsarà am-pahamarinana manoloana ny olona sy ny rahalahiny, ary ireo vahiny izay miaraka aminy. BSB BSB: At that time I charged your judges: “Hear the disputes between your brothers, and judge fairly between a man and his brother or a foreign resident.
17 ULB Tsy hampiseho fitanilànana na amin'iza na iza anaty fifandirana ianareo; hihaino ireo madinika ary hihaino ireo lehibe ihany koa ianareo. Tsy hatahotra ny endriky ny olona ianareo, satria an'Andriamanitra ny fitsarana. Ny fifandirana izay sarotra ho anareo, dia ho entinareo eto amiko, ka ho renesiko izany.' BSB BSB: Show no partiality in judging; hear both small and great alike. Do not be intimidated by anyone, for judgment belongs to God. And bring to me any case too difficult for you, and I will hear it.”
18 ULB Tamin'izany fotoana izany aho dia nandidy anareo ireo zavatra rehetra tokony hataonareo. BSB BSB: And at that time I commanded you all the things you were to do.
19 ULB Niala avy any Horeba isika ary nandeha nanerana ny efitra lehibe sy mampitahotra izay hitanareo, teny amin'ny lalanareo ho any amin'ny tendrombohitr'ireo Amorita, araky ny nandidian'i Yaveh Andriamanitsika antsika; ka tonga tao Kadesi-Barnea isika. BSB BSB: And just as the LORD our God had commanded us, we set out from Horeb and went toward the hill country of the Amorites, through all the vast and terrifying wilderness you have seen. When we reached Kadesh-barnea,
20 ULB Hoy aho taminareo hoe: 'Tonga ety amin'ny tany havoanan'ireo Amorita isika, izay omen'i Yaveh Andriamanitsika ho antsika. BSB BSB: I said: “You have reached the hill country of the Amorites, which the LORD our God is giving us.
21 ULB Indro, Yaveh Andriamanitrao dia efa nametraka ny tany manoloana anao; mandehana, mandovà, araka ny efa nolazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambenao taminao; aza matahotra na koa kivy.' BSB BSB: See, the LORD your God has placed the land before you. Go up and take possession of it as the LORD, the God of your fathers, has told you. Do not be afraid or discouraged.”
22 ULB Ianareo tsirairay avy dia nanatona ahy ary niteny hoe: 'Andao isika handefa lehilahy hialoha lalana antsika, mba hitadiavan'izy ireo ilay tany ho antsika, ary hitondra tatitra momba ny fomba hanafihantsika, sy momba ireo tanàna handehanantsika.' BSB BSB: Then all of you approached me and said, “Let us send men ahead of us to search out the land and bring us word of what route to follow and which cities to enter.”
23 ULB Nahafinaritra ahy ilay torohevitra; naka lehilahy roa ambin'ny folo teo aminareo aho, lehilahy iray isaky ny foko. BSB BSB: The plan seemed good to me, so I selected twelve men from among you, one from each tribe.
24 ULB Nitodi-doha izy ireo ary niakatra ho eny amin'ilay tanàna eny an-tendrombohitra, tonga tao amin'ny Lohasahan'i Eskola, ary nanao fisafoana tao. BSB BSB: They left and went up into the hill country, and came to the Valley of Eshcol and spied out the land.
25 ULB Naka ny sasan-tsasany tamin'ireo vokatra teo amin'ilay tany teny an-tanany izy ireo ary nitondra izany teo aminay. Nitondra teny ho anay koa izy ireo ka nanao hoe: 'Tany tsara izay omen'i Yaveh Andriamanintsika ho antsika izany.' BSB BSB: They took some of the fruit of the land in their hands, carried it down to us, and brought us word: “It is a good land that the LORD our God is giving us.”
26 ULB Kanefa ianareo nandà ny hanafika, fa nikomy nanohitra ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: But you were unwilling to go up; you rebelled against the command of the LORD your God.
27 ULB Nitaraina tao anaty lainareo ianareo ary niteny hoe: "Satria halan'i Yaveh isika dia nentiny nivoaka ny tany Egypta, mba hanolotra antsika eny am-pelatanan'ireo Amorita mba hamotika antsika. BSB BSB: You grumbled in your tents and said, “Because the LORD hates us, He has brought us out of the land of Egypt to deliver us into the hand of the Amorites to be annihilated.
28 ULB Aiza no azontsika aleha ankehitriny? Ny fontsika dia efa nampitahorin'ireo rahalahintsika hoe: 'Ngeza sady lava noho isika ireo vahoaka ireo; lehibe sy voaaro mafy manakatra ny lanitra ny tanànan'izy ireo; fanampin'izay, efa hitantsika tany ireo zanaky ny Anakita.'" BSB BSB: Where can we go? Our brothers have made our hearts melt, saying: ‘The people are larger and taller than we are; the cities are large, with walls up to the heavens. We even saw the descendants of the Anakim there.’”
29 ULB Dia hoy aho taminao hoe: 'Aza mihorohoro, na koa matahotra azy ireo. BSB BSB: So I said to you: “Do not be terrified or afraid of them!
30 ULB Yaveh Andriamanitrao, izay nandeha mialoha anao, dia hiady ho anao, tahaka ireo zavatra rehetra izay efa nataony teo imasonao ho anao tao Egypta, BSB BSB: The LORD your God, who goes before you, will fight for you, just as you saw Him do for you in Egypt
31 ULB ary koa tany an'efitra, izay nahitanao ny fomba nikarakaran'i Yaveh Andriamanitrao anao, toy ny ikarakaran'ny lehilahy iray ny zanany lahy, na taiza na taiza nalehanao mandra-pahatonganao teto amin'ity toerana ity.' BSB BSB: and in the wilderness, where the LORD your God carried you, as a man carries his son, all the way by which you traveled until you reached this place.”
32 ULB Kanefa na dia teo aza izany teny izany dia tsy nino an'i Yaveh Andriamanitrareo, BSB BSB: But in spite of all this, you did not trust the LORD your God,
33 ULB izay nialoha lalana anareo mba hitady toerana hitobianareo ianareo, tamin'ny afon'ny alina ary tamin'ny rahon'ny andro. BSB BSB: who went before you on the journey, in the fire by night and in the cloud by day, to seek out a place for you to camp and to show you the road to travel.
34 ULB Ren'i Yaveh ny feon'ny teninareo ary dia tezitra Izy; nianiana Izy ary niteny hoe: BSB BSB: When the LORD heard your words, He grew angry and swore an oath, saying,
35 ULB 'Azo antoka fa tsy hisy iray amin'ireto olona avy amin'ny taranaka ratsy ireto hahita ilay tany tsara izay nianianako fa homeko ireo razanareo, BSB BSB: “Not one of the men of this evil generation shall see the good land I swore to give your fathers,
36 ULB ankoatran'i Kaleba zanak'i Jefone; hahita izany izy. Homeko azy, sy ireo zanany ny tany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tanteraka an'i Yaveh izy.' BSB BSB: except Caleb son of Jephunneh. He will see it, and I will give him and his descendants the land on which he has set foot, because he followed the LORD wholeheartedly.”
37 ULB Tezitra tamiko nohon'ny aminareo ihany koa i Yave, manao hoe: 'Ianao ihany koa dia tsy ho any; BSB BSB: The LORD was also angry with me on your account, and He said, “Not even you shall enter the land.
38 ULB Josoa zanaka lahin'i Nona, izay mijoro eo anoloanao, dia handeha any; hampaherezo izy, satria izy no hitarika an'i Israely handova izany. BSB BSB: Joshua son of Nun, who stands before you, will enter it. Encourage him, for he will enable Israel to inherit the land.
39 ULB Fanampin'izany, ireo zafikelinao, ireo izay nolazainao fa ho babo, izay tsy manana fahalalana ny amin'ny tsara sy ratsy ankehitriny—dia ho any izy ireo. Omeko azy ireo izany, ary ho lovainy izany. BSB BSB: And the little ones you said would become captives—your children who on that day did not know good from evil—will enter the land that I will give them, and they will possess it.
40 ULB Fa raha ny aminao, miverena ary mandehana any an'efitra manaraka ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.' BSB BSB: But you are to turn back and head for the wilderness along the route to the Red Sea.”
41 ULB Ary namaly ianareo ka niteny tamiko hoe: 'Nanota tamin'i Yaveh izahay; hijoro sy hiady izahay, ary hanaraka izay rehetra efa nandidin'i Yaveh Andriamanitsika ho ataontsika.' Ny lehilahy rehetra teo aminareo dia nampiditra ny fitaovam-piadiny, ary ianareo nivonona hanafika ilay tany havoana. BSB BSB: “We have sinned against the LORD,” you replied. “We will go up and fight, as the LORD our God has commanded us.” Then each of you put on his weapons of war, thinking it easy to go up into the hill country.
42 ULB Hoy Yaveh tamiko hoe: "Lazao azy ireo hoe: "Aza manafika ary aza miady, satria tsy hiaraka aminareo Aho, ary ho resin'ireo fahavalonareo ianareo.' BSB BSB: But the LORD said to me, “Tell them not to go up and fight, for I am not with you to keep you from defeat by your enemies.”
43 ULB Toy izany no nitenenako anareo, kanefa tsy nohenoinareo. Nanohitra ny didin'i Yaveh ianareo; nirehareha ianareo ary nanafika ilay tany havoana. BSB BSB: So I spoke to you, but you would not listen. You rebelled against the command of the LORD and presumptuously went up into the hill country.
44 ULB Fa ireo Amorita, izay nipetraka teny amin'io tany havoana io, dia nivoaka nanohitra anareo ary nanenjika anareo toy ny tantely, ary namely anareo tao Seira, hatrany Horma. BSB BSB: Then the Amorites who lived in the hills came out against you and chased you like a swarm of bees. They routed you from Seir all the way to Hormah.
45 ULB Niverina ary nitomany teo anatrehan'i Yaveh ianao; kanefa i Yaveh tsy nihaino ny feonao, na nijery anao. BSB BSB: And you returned and wept before the LORD, but He would not listen to your voice or give ear to you.
46 ULB Koa dia nijanona tao Kadesa nandritra ny andro maro ianao, araka ireo andro izay nijanonanao tany. BSB BSB: For this reason you stayed in Kadesh for a long time—a very long time.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.