1 ULB Ary niverina ka nanohy ny dianay nankany an'efitra mankany amin'ny Ranomasina Mena izahay, araka ny nolazain'i Yaveh tamiko; dia nandeha nihodidina ny tendrombohitra Seira nandritry ny andro maro izahay. BSB BSB: Then we turned back and headed for the wilderness by way of the Red Sea, as the LORD had instructed me, and for many days we wandered around Mount Seir.
2 ULB Ary niresaka tamiko i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: At this time the LORD said to me,
3 ULB 'Efa ampy ny fotoana lava nandehananareo nihodidina ity tendrombohitra ity; fa mandehana mianavaratra. BSB BSB: “You have been wandering around this hill country long enough; turn to the north
4 ULB Baikoy ny olona, manao hoe: "Mila mandalo ny sisin-tanin'ireo rahalahinareo ianareo, dia ny taranak'i Esao, izay monina any Seira; hatahotra anareo izy ireo. Noho izany mitandrema BSB BSB: and command the people: ‘You will pass through the territory of your brothers, the descendants of Esau, who live in Seir. They will be afraid of you, so you must be very careful.
5 ULB mba tsy hiady amin'izy ireo, fa tsy homeko amin'ny tanin'izy ireo ianareo, na dia tany eram-paladia hamindran'ny tongotra aza; satria efa nomeko an'i Esao ho fananana ny Tendrombohitra Seira. BSB BSB: Do not provoke them, for I will not give you any of their land, not even a footprint, because I have given Mount Seir to Esau as his possession.
6 ULB Vola no hividiananao sakafo amin'izy ireo, mba hahafahanao mihinana; vola ihany koa no hividiananao rano amin'izy ireo, mba hahafahanao misotro. BSB BSB: You are to pay them in silver for the food you eat and the water you drink.’”
7 ULB Satria Yaveh Andriamanitrao dia nitahy anao tamin'ny asan'ny tananao rehetra; efa fantany ny fandehananao amin'ity tany efitra lehibe ity. Satria niaraka taminao Yaveh Andriamanitrao nandritr'izay efa-polo taona izay, ka tsy ory na inona na inona ianao.'" BSB BSB: Indeed, the LORD your God has blessed you in all the work of your hands. He has watched over your journey through this vast wilderness. The LORD your God has been with you these forty years, and you have lacked nothing.
8 ULB Koa dia nandalo tany amin'ny tanin'ireo rahalahintsika isika, dia ny taranak'i Esao izay monina any Seira, lavitry ny lalan'i Araba, avy any Elata sy avy any Ezion-Gebera. Avy eo niverina isika ka nandalo teo amin'ny lalana mankany amin'ny tany efitr'i Moaba. BSB BSB: So we passed by our brothers, the descendants of Esau, who live in Seir. We turned away from the Arabah road, which comes up from Elath and Ezion-geber, and traveled along the road of the Wilderness of Moab.
10 ULB (Nonina tany ny Emima fahiny, izay firenena lehibe, maro an'isa, ary lava tahaka ny Anakita; BSB BSB: (The Emites used to live there, a people great and many, as tall as the Anakites.
11 ULB noraisina toy ny Refaita ihany koa ireo, tahaka an'ireo Anakita; fa nantsoin'ireo Moabita hoe Emima izy ireo. BSB BSB: Like the Anakites, they were also regarded as Rephaim, though the Moabites called them Emites.
12 ULB Nonina tany Seira ihany koa ireo Horita fahiny, saingy noroasin'ny taranak'i Esao izy ireo. Naringany tsy ho eo anoloany izy ireo ka nipetraka teo amin'ny toeran'izy ireo, tahaka ny nataon'Israely tamin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo.) BSB BSB: The Horites used to live in Seir, but the descendants of Esau drove them out. They destroyed the Horites from before them and settled in their place, just as Israel did in the land that the LORD gave them as their possession.)
13 ULB '"Ankehitriny mitsangàna ary mandehana any amin'ny lohasahan-driaka Zareda.' BSB BSB: “Now arise and cross over the Brook of Zered.” So we crossed over the Brook of Zered.
14 ULB Ary ny andro nandehananay avy any Kadesi-Barnea hatrany amin'ny lohasahan-driaka Zareda, dia naharitra valo amby telo-polo taona. Tamin'izany andro izany no nahalasa ireo lehilahy mpiady tamin'io taranaka io teo amin'ny olona, araka ny nianianan'i Yaveh tamin'izy ireo. BSB BSB: The time we spent traveling from Kadesh-barnea until we crossed over the Brook of Zered was thirty-eight years, until that entire generation of fighting men had perished from the camp, as the LORD had sworn to them.
15 ULB Fanampin'izany, nanohitra izany taranaka izany ny tanan'i Yaveh mba handringanana azy ireo tsy ho eo amin'ny olona mandra-pahafatin'izy ireo. BSB BSB: Indeed, the LORD’s hand was against them, to eliminate them from the camp, until they had all perished.
16 ULB Ka dia izao no nitranga, rehefa maty ireo lehilahy mpiady ka niala teo amin'ireo olona, BSB BSB: Now when all the fighting men among the people had died,
17 ULB dia niresaka tamiko i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: the LORD said to me,
18 ULB 'Ankehitriny ianao dia handalo an'i Ara, moron'i Moaba. BSB BSB: “Today you are going to cross the border of Moab at Ar.
20 ULB (Izany ihany koa dia raisina ho tanin'i Refaita. Efa nonina tao ireo Refaita fahiny—fa ireo Amonita niantso azy ireo hoe Zamzomita— BSB BSB: (That too was regarded as the land of the Rephaim, who used to live there, though the Ammonites called them Zamzummites.
21 ULB firenena lehibe, maro an'isa, ary lava tahaka ireo Anakita. Fa Yaveh nandringana azy ireo tsy ho eo anoloan'ireo Amonita, ary noroasiny izy ireo ka nipetraka teo amin'ny toeran'izy ireo. BSB BSB: They were a people great and many, as tall as the Anakites. But the LORD destroyed them from before the Ammonites, who drove them out and settled in their place,
22 ULB Toy izany koa no nataon'i Yaveh tamin'i vahoakan'i Esao, izay nonina tany Seira, rehefa nandringana ireo Horita tsy ho eo anoloany izy ireo, ka nandroaka azy ireo ny taranak'i Esao ary nipetraka teo amin'ny toeran'izy ireo mandrak'ankehitriny. BSB BSB: just as He had done for the descendants of Esau who lived in Seir, when He destroyed the Horites from before them. They drove them out and have lived in their place to this day.
24 ULB '"Ankehitriny mitsangàna, mandehana amin'ny dianareo, ary mandalova any amin'ny lohasahan'i Arnona; indro, natolotro eo am-pelatananao i Sihona ilay Amonita, mpanjakan'i Hesbona, sy ny taniny. Santaro ny fanananao, ary miadia aminy. BSB BSB: “Arise, set out, and cross the Arnon Valley. See, I have delivered into your hand Sihon the Amorite, king of Heshbon, and his land. Begin to take possession of it and engage him in battle.
25 ULB Ankehitriny dia hanomboka hametraka ny tahotra sy horohoro anao eo amin'ireo olona izay ambanin'ny lanitra iray manontolo aho; handre vaovao momba anao izy ireo ary hangovitra sy hangorohoro nohon'ny aminao.' BSB BSB: This very day I will begin to put the dread and fear of you upon all the nations under heaven. They will hear the reports of you and tremble in anguish because of you.”
26 ULB Naniraka mpitondra hafatra avy any an'efitr'i Kedemota aho hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, niaraka tamin'ny teny fihavanana, manao hoe: BSB BSB: So from the Wilderness of Kedemoth I sent messengers with an offer of peace to Sihon king of Heshbon, saying,
27 ULB 'Avelao aho handalo eo amin'ny taninao; fa manaraka ny lalambe ny handehanako; ary tsy hivily hiankavia na hiankavanana aho. BSB BSB: “Let us pass through your land; we will stay on the main road. We will not turn to the right or to the left.
28 ULB Vola no hividianako sakafo aminao, mba hahafahako mihinana; vola no hividianako rano, mba hahafahako misotro; avelao fotsiny aho handeha; BSB BSB: You can sell us food to eat and water to drink in exchange for silver. Only let us pass through on foot,
29 ULB araka ny nataon'ny taranak'i Esao izay monina any Seira, sy ireo Moabita izay monina any Ara tamiko; mandra-pitako an'i Jordana mankany amin'ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitray ho anay.' BSB BSB: just as the descendants of Esau who live in Seir and the Moabites who live in Ar did for us, until we cross the Jordan into the land that the LORD our God is giving us.”
30 ULB Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, dia tsy hamela antsika handalo eo aminy; satria Yaveh Andriamanitrao dia nanamafy ny sainy sy nanamafy ny fony, mba hahafahany mandresy azy amin'ny herinao, izay efa nataony ankehitriny. BSB BSB: But Sihon king of Heshbon would not let us pass through, for the LORD your God had made his spirit stubborn and his heart obstinate, that He might deliver him into your hand, as is the case this day.
31 ULB Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Indro, efa nanomboka nanolotra an'i Sihona sy ny taniny teo anoloanareo Aho; santaro ny fananana izany, mba hahafahanareo mandova ny taniny.' BSB BSB: Then the LORD said to me, “See, I have begun to deliver Sihon and his land over to you. Now begin to conquer and possess his land.”
32 ULB Avy eo Sihona tonga nanohitra antsika, izy sy ireo vahoakany rehetra, mba hiady any Jahaza. BSB BSB: So Sihon and his whole army came out for battle against us at Jahaz.
33 ULB Fa natolotr'i Yaveh Andriamanitsika tamintsika izy ka resintsika; novonointsika ho faty izy, sy ireo zanany lahy, ary ireo vahoakany. BSB BSB: And the LORD our God delivered him over to us, and we defeated him and his sons and his whole army.
34 ULB Nalaintsika avokoa ny tanànany rehetra tamin'izany fotoana izany ary naringantsika tanteraka ny tanàna rehetra—ireo lahy sy vavy ary ireo madinika; tsy nisy navelantsika ho velona. BSB BSB: At that time we captured all his cities and devoted to destruction the people of every city, including women and children. We left no survivors.
35 ULB Ny biby fiompy izay azontsika, niaraka tamin'ireo fananana tao amin'ilay tanàna ihany no nalaintsika. BSB BSB: We carried off for ourselves only the livestock and the plunder from the cities we captured.
36 ULB Hatrany Aroera, izay any amin'ny sisin'ny lohasahan'i Arnona, ka hatrany amin'ny tanàna izay any amin'ny lohasaha, ka hatrany amin'ny lalana rehetra mankany Gileada, dia tsy nisy tanàna avo loatra ho antsika. Yaveh Andriamanitsika dia nanome fandresena ho antsika tamin'ireo fahavalo teo anoloantsika. BSB BSB: From Aroer on the rim of the Arnon Valley, along with the city in the valley, even as far as Gilead, not one city had walls too high for us. The LORD our God gave us all of them.
37 ULB Tany amin'ilay tanànan'ireo taranak'i Amona ihany no tsy nandehananao, mbamin'ireo sisin'ny renirano Jaboka rehetra, sy ireo tanànan'ny havoana—na taiza na taiza noraràn'i Yaveh Andriamanitray tsy ho alehantsika. BSB BSB: But you did not go near the land of the Ammonites, or the land along the banks of the Jabbok River, or the cities of the hill country, or any place that the LORD our God had forbidden.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.