1 ULB Ary niverina izahay ka nandeha tamin'ny lalana mankany Basana. Oga, ilay mpanjakan'i Basana, tonga sy nanafika anay, izy sy ireo vahoakany rehetra, mba hiady ao Edrehy. BSB BSB: Then we turned and went up the road to Bashan, and Og king of Bashan and his whole army came out to meet us in battle at Edrei.
2 ULB Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Aza matahotra azy; satria efa nomeko fandresena teo aminy ianareo ary efa nametraka ny vahoakany sy ny taniny rehetra teo ambany fahefanareo Aho. Ho ataonareo aminy izay nataonareo tamin'i Sihona, mpanjakan'i Amorita, izay mipetraka any Hesbona. BSB BSB: But the LORD said to me, “Do not fear him, for I have delivered him into your hand, along with all his people and his land. Do to him as you did to Sihon king of the Amorites, who lived in Heshbon.”
3 ULB Koa nomen'i Yaveh Andriamanitray anay ny fandresena an'i Oga mpanjakan'i Basana, ary ireo vahoakany rehetra dia natao teo ambany fahefanay. Novonoinay avokoa izy rehetra mandrapaha-tsy nisy tavela intsony ireo vahoakany. BSB BSB: So the LORD our God also delivered Og king of Bashan and his whole army into our hands. We struck them down until no survivor was left.
4 ULB Nalainay avokoa ireo tanànany rehetra tamin'izany fotoana izany; tsy nisy tanàna izay tsy nalainay tamin'izy ireo: tanàna enimpolo—ny faritr'i Argoba rehetra, ny fanjakan'i Oga ao Basana. BSB BSB: At that time we captured all sixty of his cities. There was not a single city we failed to take—the entire region of Argob, the kingdom of Og in Bashan.
5 ULB Ireo tanàna rehetra ireo dia voaaro tsara tamin'ny alalan'ny manda avo, vavahady, ary hidy mafy; afa-tsy vohitra maro izay tsy misy manda. BSB BSB: All these cities were fortified with high walls and gates and bars, and there were many more unwalled villages.
6 ULB Noravanay tanteraka izy ireo, toy ny nataonay tamin'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, noravaina tanteraka ireo tanàna rehetra—ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza. BSB BSB: We devoted them to destruction, as we had done to Sihon king of Heshbon, utterly destroying the men, women, and children of every city.
7 ULB Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tao amin'ireo tanàna ireo kosa, dia nalainay mba ho fanananay. BSB BSB: But all the livestock and plunder of the cities we carried off for ourselves.
8 ULB Tamin'izany fotoana izany no nakanay ny tany teo am-pelatanan'ireo mpanjaka roan'i Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, miainga eo amin'ny Lohasahan'i Arona hatrany amin'ny Tendrombohitra Hermona BSB BSB: At that time we took from the two kings of the Amorites the land across the Jordan, from the Arnon Valley as far as Mount Hermon—
9 ULB (Tendrombohitra Hermona izay nantsoin'ny Sidoniana hoe Siriona, ary nantsoin'ireo Amorita hoe Senira) BSB BSB: which the Sidonians call Sirion but the Amorites call Senir—
10 ULB sy ireo tanànan'ny tany lemaka rehetra, Gileada rehetra, ary ny Basana rehetra, ny lalana rehetra mankany Saleka sy Edrehy, ireo tanànan'ny fanjakan'i Oga ao Basana." BSB BSB: all the cities of the plateau, all of Gilead, and all of Bashan as far as the cities of Salecah and Edrei in the kingdom of Og.
11 ULB (Tamin'ireo sisa velona tamin'i Refaita, dia i Oga mpanjakan'i Basana irery ihany sisa no tavela. Indro! Ny fandriany dia fandriana vy. Moa tsy tany Raba, tany amin'izay nonenan'ireo taranak'i Amona ve izany? Sivy hakiho ny halavany ary efatra hakiho ny sakany, araka ny fomba fandrefesan'ny olona.) BSB BSB: (For only Og king of Bashan had remained of the remnant of the Rephaim. His bed of iron, nine cubits long and four cubits wide, is still in Rabbah of the Ammonites.)
12 ULB Ny tany izay nalainay ho fananana tamin'izany fotoana izany-tamin'i Aroera, izay teo amoron'ny Lohasahan'i Arnona, ny antsasaky ny havoan'ny tanànan'i Gileada, sy ireo tanànany- dia efa nomeko an'ireo Rebonita sy ireo Gedita. BSB BSB: So at that time we took possession of this land. To the Reubenites and Gadites I gave the land beyond Aroer along the Arnon Valley, and half the hill country of Gilead, along with its cities.
13 ULB Ny Gileada sisa tavela sy Basana rehetra, ilay fanjakan'i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny fokon'i Manase: ireo faritr'i Argoba rehetra, sy Basana rehetra. (Izany faritany izany ihany no antsoina hoe tanin'i Refaita.) BSB BSB: To the half-tribe of Manasseh I gave the rest of Gilead and all of Bashan, the kingdom of Og. (The entire region of Argob, the whole territory of Bashan, used to be called the land of the Rephaim.)
14 ULB Jaira, taranak'i Manase, dia naka ny faritr'i Argoba rehetra hatramin'i Gesorita sy Makatita. Ny faritra rehetra, eny fa na dia i Basana aza, dia nantsoiny tamin'ny anarany manokana hoe: Havota-jaira, mandraka androany.) BSB BSB: Jair, a descendant of Manasseh, took the whole region of Argob as far as the border of the Geshurites and Maacathites. He renamed Bashan after himself, Havvoth-jair, by which it is called to this day.
15 ULB Nomeko an'i Makira i Gileada. BSB BSB: To Machir I gave Gilead,
16 ULB Ireo Robenita sy ireo Gadita dia nomeko ny tany manomboka eo Gileada ka hatrany amin'ny Lohasahan'i Arnona—ny afovoan'ilay lohasaha no fari-tanin'ilay faritra—ary hatrany amin'ny Renirano Jaboka, izay fari-tanin'ny taranak'i Amona. BSB BSB: and to the Reubenites and Gadites I gave the territory from Gilead to the Arnon Valley (the middle of the valley was the border) and up to the Jabbok River, the border of the Ammonites.
17 ULB Fari-taniny hafa ihany koa ny tany lemaky ny lohasahan-dreniranon'i Jordana, manomboka eo Kireneta hatrany amin'ny Ranomasin'i Araba (izany hoe: ilay Ranomasin-tsira) hatrany amin'ireo hantsan'ny Tendrombohitra Pisga atsinanana. BSB BSB: The Jordan River in the Arabah bordered it from Chinnereth to the Sea of the Arabah (the Salt Sea) with the slopes of Pisgah to the east.
18 ULB Nandidy anareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Yaveh Andriamanitrareo dia efa nanome anareo ity tany ity mba ho lova; ianareo, izay voaomana ho an'ny ady rehetra, dia hitam-piadiana hita eo anoloan'ireo rahalahinareo, ireo olon'Israely. BSB BSB: At that time I commanded you: “The LORD your God has given you this land to possess. All your men of valor are to cross over, armed for battle, ahead of your brothers, the Israelites.
19 ULB Fa ireo vadinareo, ireo zanakareo, sy ireo biby fiompinareo (Fantatro fa manana biby fiompy maro be ianareo), dia hipetraka amin'ireo tanànanareo izay efa nomeko anareo, BSB BSB: But your wives, your children, and your livestock—I know that you have much livestock—may remain in the cities I have given you,
20 ULB mandra-panomen'i Yaveh fitsaharana an'ireo rahalahinareo, tahaka ny nataony anareo, mandra-pananan'izy ireo ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo azy ireo any an-dafin'i Jordana; avy eo ianareo, ianareo rehetra, hiverina ho any amin'ny fanananareo manokana izay efa nomeko anareo.' BSB BSB: until the LORD gives rest to your brothers as He has to you, and they too have taken possession of the land that the LORD your God is giving them across the Jordan. Then each of you may return to the possession I have given you.”
21 ULB Nandidy an'i Josoa aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: "Ireo masonao dia efa nahita izay rehetra nataon'i Yaveh tamin'ireo mpanjaka roa ireo; Yaveh dia hanao toy izany amin'ireo fanjakana rehetra izay hitànareo. BSB BSB: And at that time I commanded Joshua: “Your own eyes have seen all that the LORD your God has done to these two kings. The LORD will do the same to all the kingdoms you are about to enter.
22 ULB Tsy hatahotra azy ireo ianareo, satria Yaveh Andriamanitrareo no ilay iray izay hiady ho anareo." BSB BSB: Do not be afraid of them, for the LORD your God Himself will fight for you.”
23 ULB Nitalaho tamin'i Yaveh aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: BSB BSB: At that time I also pleaded with the LORD:
24 ULB "O ry Tompo Yaveh, nanomboka nampiseho ny halebiazanao sy ny tananao mahery tamin'ny mpanomponao Ianao; fa aiza any an-danitra na ety an-tany no misy andriamanitra afaka manao ireo asa toy ny efa natanao, sy ireo asa mahery tahaka izany? BSB BSB: “O Lord GOD, You have begun to show Your greatness and power to Your servant. For what god in heaven or on earth can perform such works and mighty acts as Yours?
25 ULB Avelao aho hita, mitalaho aminao aho, ka hahita ny tany tsara izay any an-dafin'i Jordana, ny havoana tsaran'ny tanàna, ary Lebanona ihany koa." BSB BSB: Please let me cross over and see the good land beyond the Jordan—that pleasant hill country as well as Lebanon!”
26 ULB Fa tezitra tamiko Yaveh noho ianao; tsy nihaino ahy Izy. Hoy i Yaveh tamiko: "Aoka ho ampy anao ity-aza miresaka betsaka amiko momba izany olana izany: BSB BSB: But the LORD was angry with me on account of you, and He would not listen to me. “That is enough,” the LORD said to me. “Do not speak to Me again about this matter.
27 ULB miakara any an-tampon'i Pisga ary ampijereo any andrefana, any avaratra, any atsimo, ary any antsinanana ny masonao; jereo amin'ny masonao, satria tsy hita an'i Jordana ianao. BSB BSB: Go to the top of Pisgah and look to the west and north and south and east. See the land with your own eyes, for you will not cross this Jordan.
28 ULB Fa kosa, ampianaro i Josoa ary ampaherezo sy hatanjaho izy, satria izy no handeha manoloana ny olony, ary izy no hahatonga azy ireo handova ny tany izay ho hitanao." BSB BSB: But commission Joshua, encourage him, and strengthen him, for he will cross over ahead of the people and enable them to inherit the land that you will see.”
29 ULB Noho izany dia nijanona tao amin'ny lohasaha ampitan'i Beti-Peora izahay. BSB BSB: So we stayed in the valley opposite Beth-peor.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.