1 ULB Ankehitriny, ry Israely, mihainoa ny lalàna sy ny didy izay ho ampianariko anareo, ho ataonareo; mba hahavelomanareo sy hidiranareo ka hakanareo ny tany izay homen'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razanareo anareo. BSB BSB: Hear now, O Israel, the statutes and ordinances I am teaching you to follow, so that you may live and may enter and take possession of the land that the LORD, the God of your fathers, is giving you.
2 ULB Aoka ianareo tsy hanampy ny teny izay handidiako anareo, na hanala amin'izany, mba hitandremanareo ireo lalàn'i Yaveh Andriamanitrareo izay handidiako anareo. BSB BSB: You must not add to or subtract from what I command you, so that you may keep the commandments of the LORD your God that I am giving you.
3 ULB Ny masonareo dia efa nahita izay nataon'i Yaveh noho Bala-Peora; satria ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora, dia noringanin'i Yaveh Andriamanitrao hiala teo aminao. BSB BSB: Your eyes have seen what the LORD did at Baal-peor, for the LORD your God destroyed from among you all who followed Baal of Peor.
4 ULB Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Yaveh Andriamanitrareo kosa dia mbola velona ankehitriny, ny rehetra aminareo. BSB BSB: But you who held fast to the LORD your God are alive to this day, every one of you.
5 ULB Indro, nampianatra didy aman-dalàna anareo aho, araka izay nandidian'i Yaveh Andriamanitro ahy, fa tokony hanao izany eo afovoan'ny tany izay hidiranareo mba ho azonareo ianareo. BSB BSB: See, I have taught you statutes and ordinances just as the LORD my God has commanded me, so that you may follow them in the land that you are about to enter and possess.
6 ULB Koa tandremo izany ka ataovy; fa izany no fahendrena sy fahazavan-tsainareo eo imason'ny olona izay handre momba ireo didy rehetra ireo ka hanao hoe: 'Azo antoka fa vahoaka hendry sady manam-pahalalana ity firenena lehibe ity.' BSB BSB: Observe them carefully, for this will show your wisdom and understanding in the sight of the peoples, who will hear of all these statutes and say, “Surely this great nation is a wise and understanding people.”
7 ULB Fa iza no firenena lehibe hafa izay manana andriamanitra akaiky azy tokoa, tahaka an'i Yaveh Andriamanitsika isaky ny miantso Azy isika? BSB BSB: For what nation is great enough to have a god as near to them as the LORD our God is to us whenever we call on Him?
8 ULB Iza no firenena lehibe hafa izay manana didy aman-dalàna marina tahaka ity lalàna izay apetrako eto anoloanareo anio ity? BSB BSB: And what nation is great enough to have righteous statutes and ordinances like this entire law I set before you today?
9 ULB Fa mitandrema ary ambeno tsara ny tenanao, mba tsy hanadinoinao ny zavatra izay hitan'ny masonao, ary mba tsy handao ny fonao amin'ny androm-piainanao manontolo izany. Fa kosa, ampahafantaro amin'ny zanakao sy ny zafinao izany. BSB BSB: Only be on your guard and diligently watch yourselves, so that you do not forget the things your eyes have seen, and so that they do not slip from your heart as long as you live. Teach them to your children and grandchildren.
10 ULB Tamin'ny andro izay nijoroanao teo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao tany Horeba, dia nilaza tamiko Yaveh hoe: 'Vorio ho Ahy ny vahoaka, ary Izaho hampandre azy ireo ny teniko, mba hianaran'izy ireo hahatahotra Ahy amin'ny andro-piainan'izy ireo rehetra eto an-tany, ka hahafahan'izy ireo mampianatra ny zanany.' BSB BSB: The day you stood before the LORD your God at Horeb, the LORD said to me, “Gather the people before Me to hear My words, so that they may learn to fear Me all the days they live on the earth, and that they may teach them to their children.”
11 ULB Dia nanakaiky ianareo ary nijoro teo am-pototry ny tendrombohitra. Nirehitra afo nanakatra ny halalin'ny lanitra ny tendrombohitra, niaraka tamin'ny aizina, rahona, ary aizim-pito matevina. BSB BSB: You came near and stood at the base of the mountain, a mountain blazing with fire to the heavens, with black clouds and deep darkness.
12 ULB Niteny taminareo avy tao afovoan'ny afo Yaveh; nandre ny feo niaraka tamin'ny teny ianareo, saingy tsy nahita endrika; nandre feo fotsiny ihany ianareo. BSB BSB: And the LORD spoke to you out of the fire. You heard the sound of the words but saw no form; there was only a voice.
13 ULB Nanambara taminareo ny fanekena izay nodidiany hampiharinareo Izy, dia ny Didy Folo. Nosoratany tamin'ny vato fisaka roa izany. BSB BSB: He declared to you His covenant, which He commanded you to follow—the Ten Commandments that He wrote on two tablets of stone.
14 ULB Nandidy ahy hampianatra anareo ny didy sy baiko Yaveh tamin'izany fotoana izany, mba hanaovanareo izany any amin'ny tany izay hiampitanareo ka halainareo ho fananana. BSB BSB: At that time the LORD commanded me to teach you the statutes and ordinances you are to follow in the land that you are crossing the Jordan to possess.
15 ULB Koa mitandrema tsara—fa tsy nahita karazan'endrika ianareo tamin'izany andro niresahan'i Yaveh taminareo tao Horeba avy teo afovoan'ny afo izany— BSB BSB: So since you saw no form of any kind on the day the LORD spoke to you out of the fire at Horeb, be careful
16 ULB mba tsy hanimba tena ianareo ka hanamboatra sary sokitra mitovy endrika amin'izay mety ho voahary rehetra, dia endrik'olona lahy na vavy, BSB BSB: that you do not act corruptly and make an idol for yourselves of any form or shape, whether in the likeness of a male or female,
17 ULB na mitovy endrika amin'izay mety ho biby rehetra eto an-tany, na mitovy endrika amin'izay mety ho biby manan'elatra ary manidina eny amin'ny habakabaka, BSB BSB: of any beast that is on the earth or bird that flies in the air,
18 ULB na mitovy endrika amin'ny zavatra rehetra izay mandady amin'ny tany, na mitovy endrika amin'ny trondro any anaty rano ambany tany. BSB BSB: or of any creature that crawls on the ground or fish that is in the waters below.
19 ULB Aoka ny masonao tsy hiandrandra ny lanitra ary hijery ny masoandro, ny volana, na ny kintana— ny zavatra rehetra eny amin'ny lanitra—ka ho voataona hivavaka amin'ireny sy hanompo an'ireny—ireo zavatra izay nanomezan'i Yaveh Andriamanitrao anjara ho an'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra. BSB BSB: When you look to the heavens and see the sun and moon and stars—all the host of heaven—do not be enticed to bow down and worship what the LORD your God has apportioned to all the nations under heaven.
20 ULB Fa Yaveh naka anareo ka nitondra anareo niala avy tao amin'ny fatana fandrendreham-by, dia avy tany Egypta, mba ho vahoaka izay lovany manokana, tahaka anareo ankehitriny. BSB BSB: Yet the LORD has taken you and brought you out of the iron furnace, out of Egypt, to be the people of His inheritance, as you are today.
21 ULB Tezitra tamiko Yaveh nohon'ny aminareo; nianiana Izy fa tsy hiampita an'i Jordana aho, ary tsy hiditra ao amin'izany tany soa izany, dia ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho lovanao. BSB BSB: The LORD, however, was angry with me on account of you, and He swore that I would not cross the Jordan to enter the good land that the LORD your God is giving you as an inheritance.
22 ULB Fa kosa, tsy maintsy ho faty eto amin'ity tany ity aho; tsy mahazo miampita an'i Jordana aho; fa ianareo kosa dia hiampita ary hahazo izany tany soa izany. BSB BSB: For I will not be crossing the Jordan, because I must die in this land. But you shall cross over and take possession of that good land.
23 ULB Tandremo tsara ny tenanareo, mba tsy hanadino ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nataony taminareo, ka hanamboatra sary sokitra mitovy endrika amin'izay rehetra nandraran'i Yaveh Andriamanitrao tsy ho ataonao. BSB BSB: Be careful that you do not forget the covenant of the LORD your God that He made with you; do not make an idol for yourselves in the form of anything He has forbidden you.
24 ULB Fa afo mandevona Yaveh Andriamanitrao, ary Andriamanitra saro-piaro. BSB BSB: For the LORD your God is a consuming fire, a jealous God.
25 ULB Rehefa manan-janaka aman-jafy ianao, ary rehefa nitoetra ela tao amin'ny tany, ary raha manimba ny tenanao ka manao sary sokitra araka ny endrik'izay mety ho zavatra rehetra, ary manao izay ratsy eo imason'i Yaveh Andriamanitrao, mba hampihetsika ny fahatezerany— BSB BSB: After you have children and grandchildren and you have been in the land a long time, if you then act corruptly and make an idol of any form—doing evil in the sight of the LORD your God and provoking Him to anger—
26 ULB dia miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa ho ringana hiala eo amin'ny tany izay hitànareo an'i Jordana ho fanananareo tokoa ianareo; tsy ho lava andro ao ianareo, fa ho ringana tanteraka. BSB BSB: I call heaven and earth as witnesses against you this day that you will quickly perish from the land that you are crossing the Jordan to possess. You will not live long upon it, but will be utterly destroyed.
27 ULB Ho aparitak'i Yaveh eo amin'ny vahoaka ianareo, ka ho avela vitsy an'isa eo amin'ireo firenena, izay hitondran'i Yaveh anareo ianareo. BSB BSB: Then the LORD will scatter you among the peoples, and only a few of you will survive among the nations to which the LORD will drive you.
28 ULB Any ianareo no hanompo andriamanitra hafa, izay asan'ny tanan'olombelona, vita amin'ny hazo sy vato, izay sady tsy mahita, no tsy mandre, no tsy mihinana, na manimbolo. BSB BSB: And there you will serve man-made gods of wood and stone, which cannot see or hear or eat or smell.
29 ULB Fa avy any ianareo no hitady an'i Yaveh Andriamanitrareo, ka hahita Azy, rehefa mitady Azy amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo. BSB BSB: But if from there you will seek the LORD your God, you will find Him if you seek Him with all your heart and with all your soul.
30 ULB Rehefa ory ianareo, ary rehefa tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia hiverina amin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo ka hihaino ny feony any aoriana any. BSB BSB: When you are in distress and all these things have happened to you, then in later days you will return to the LORD your God and listen to His voice.
31 ULB Fa Andriamanitra mpamindra fo Yaveh Andriamanitrareo; tsy handao na handringana anareo Izy, na hanadino ny faneken'ny razanareo izay nianianany tamin'izy ireo. BSB BSB: For the LORD your God is a merciful God; He will not abandon you or destroy you or forget the covenant with your fathers, which He swore to them by oath.
32 ULB Fa izao dia hevero ny andro lasa, izay talohanareo: nanomboka tamin'ny andro izay naharian'Andriamanitra ny olombelona teto an-tany, ary nanomboka tamin'ny ilan'ny lanitra ka hatreo amin'ny ilany hafa, hevero raha nisy tahaka izany zavatra lehibe izany, ary moa ve nisy zavatra tahaka izany mbola re? BSB BSB: Indeed, ask now from one end of the heavens to the other about the days that long preceded you, from the day that God created man on earth: Has anything as great as this ever happened or been reported?
33 ULB Moa ve efa nisy vahoaka nandre ny feon'Andriamanitra niteny avy teo afovoan'ny afo, tahaka ny nandrenesanareo, ka velona? BSB BSB: Has a people ever heard the voice of God speaking out of the fire, as you have, and lived?
34 ULB Na moa ve Andriamanitra efa nitady ny handeha ka haka firenena ho Azy avy eo afovoan'ny firenena hafa, amin'ny alalan'ny fitsapana, famantarana, ary amin'ny fahagagana, sy ady, amin'ny tanana mahery, sy sandry mitsotra, ary amin'ny horororo lehibe, tahaka ny zava-drehetra izay nataon'i Yaveh teo imasonareo ho anareo tany Egytpta? BSB BSB: Or has any god tried to take as his own a nation out of another nation—by trials, signs, wonders, and war, by a strong hand and an outstretched arm, and by great terrors—as the LORD your God did for you in Egypt, before your eyes?
35 ULB Ianao no nampisehoana ireny zavatra ireny, mba hahafantaranao fa Yaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa ankoatra Azy. BSB BSB: You were shown these things so that you would know that the LORD is God; there is no other besides Him.
36 ULB Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony, mba hahafahany mampianatra anao; teto an-tany no nampisehoany anao ny afony lehibe; nandre ny feony avy teo afovoan'ny afo ianao. BSB BSB: He let you hear His voice from heaven to discipline you, and on earth He showed you His great fire, and you heard His words out of the fire.
37 ULB Satria tia an'ireo razambenao Izy, dia nifidy ny taranaka izay nandimby azy ireo, ka nitondra anao nivoaka an'i Egypta teo amin'ny fanatrehany, tamin'ny heriny lehibe; BSB BSB: Because He loved your fathers, He chose their descendants after them and brought you out of Egypt by His presence and great power,
38 ULB mba handroahana ny firenena lehibe sy matanjaka noho ianao hiala eo anoloanao, ka hampiditra anao ao, mba hanomezana anao ny tanin'izy ireo ho lova, tahaka ny androany. BSB BSB: to drive out before you nations greater and mightier than you, and to bring you into their land and give it to you for your inheritance, as it is this day.
39 ULB Koa fantaro ary anio, ary ataovy ao am-ponao izao, fa Yaveh no Andriamanitra any an-danitra any ambony sy ety an-tany ety ambany; ary tsy misy hafa. BSB BSB: Know therefore this day and take to heart that the LORD is God in heaven above and on the earth below; there is no other.
40 ULB Hitandrina ny didiny sy ny lalàny izay handidiako anao anio ianao, mba ho lavorary ny aminao sy ny taranaka mandimby anao, ary mba hahalava ny andro hiainanao ao amin'ny tany izay omen'i Yaveh anao mandrakizay." BSB BSB: Keep His statutes and commandments, which I am giving you today, so that you and your children after you may prosper, and that you may live long in the land that the LORD your God is giving you for all time.
41 ULB Avy eo dia nisafidy tanàna telo avy teny amin'ny ilany antsinanan'i Jordana i Mosesy, BSB BSB: Then Moses set aside three cities across the Jordan to the east
42 ULB mba hahafahan'ny olona mandositra any amin'ny iray amin'ireo raha sendra mamono olon-kafa tsinahy izy, kanefa mbola tsy fahavalony tany aloha tany. Ny fandosirana any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo no mety hahatafavoaka velona azy. BSB BSB: to which a manslayer could flee after killing his neighbor unintentionally without prior malice. To save one’s own life, he could flee to one of these cities:
43 ULB Bezera tany an-tany efitra, tany amin'ny tany lemaka, any Robenita; Ramota tao Gileada, an'ny Gadita; ary Golana tany Basana, an'ny Manasita izany. BSB BSB: Bezer in the wilderness on the plateau belonging to the Reubenites, Ramoth in Gilead belonging to the Gadites, or Golan in Bashan belonging to the Manassites.
44 ULB Izany no lalàna izay napetrak'i Mosesy teo anoloan'ireo vahoakan'Israely; BSB BSB: This is the law that Moses set before the Israelites.
45 ULB ireo no fanekem-pihavanana, lalàna, ary didy hafa izay nambarany tamin'ny vahoakan'Israely rehefa nivoaka avy tao Egypta izy ireo, BSB BSB: These are the testimonies, statutes, and ordinances that Moses proclaimed to them after they had come out of Egypt,
46 ULB rehefa teny atsinanan'i Jordana izy ireo, tany amin'ny lohasaha nanandrify an'i Beta-Peora, tany amin'ny tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona, ilay noresen'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely rehefa nivoaka an'i Egypta izy ireo. BSB BSB: while they were in the valley across the Jordan facing Beth-peor in the land of Sihon king of the Amorites, who lived in Heshbon and was defeated by Moses and the Israelites after they had come out of Egypt.
47 ULB Nalain'izy ireo ho fananany ny taniny, sy ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana—ireo no mpanjakan'ny Amorita anankiroa, izay tany an-dafin'i Jordana niantsinanana. BSB BSB: They took possession of the land belonging to Sihon and to Og king of Bashan—the two Amorite kings across the Jordan to the east—
48 ULB Nanomboka avy tany Aroera, teo amoron'ny lohasahan'i Arnona, ka hatrany amin'ny Tendrombohitra Siona (na Tendrombohitra Hermona) izany fari-tany izany, BSB BSB: extending from Aroer on the rim of the Arnon Valley as far as Mount Siyon (that is, Hermon),
49 ULB ary tafiditra tao amin'izany ny lemaky ny lohasahan-driakan'i Jordana rehetra, miantsinanana mankany an-dafin'i Jordana, mankany amin'ny Ranomasin'i Araba, ka hatrany amin'ny hantsan'ny Tendrombohitra Pisga. BSB BSB: including all the Arabah on the east side of the Jordan and as far as the Sea of the Arabah, below the slopes of Pisgah.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.