1 ULB Dia niantso ny Israely rehetra i Mosesy ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Ry Israely, henoy, ireo lalàna sy didy izay ho lazaiko ao an-tsofinareo anio, mba hahafahanareo hianatra sy hitandrina izany. BSB BSB: Then Moses summoned all Israel and said to them: Hear, O Israel, the statutes and ordinances that I declare in your hearing this day. Learn them and observe them carefully.
2 ULB Yaveh Andriamanitsika nanao fifanekena tamintsika tao Horeba. BSB BSB: The LORD our God made a covenant with us at Horeb.
3 ULB Tsy nanao izany fanekena izany tamin'ireo razambetsika Yaveh, fa tamintsika, dia isika rehetra velona eto anio. BSB BSB: He did not make this covenant with our fathers, but with all of us who are alive here today.
4 ULB Niresaka mivantana taminareo teo amin'ny tendrombohitra avy tao afovoan'ny afo i Yaveh BSB BSB: The LORD spoke with you face to face out of the fire on the mountain.
5 ULB (Nitsangana teo anelanelanareo sy Yaveh aho tamin'izany fotoana izany, mba hanambara aminareo ny teniny; fa natahotra ianareo nohon'ny afo, ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra ianareo). Dia hoy Yaveh hoe: BSB BSB: At that time I was standing between the LORD and you to declare to you the word of the LORD, because you were afraid of the fire and would not go up the mountain. And He said:
6 ULB 'Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo hiala tao amin'ny tany Egypta, hivoaka ny trano fanandevozana. BSB BSB: “I am the LORD your God, who brought you out of the land of Egypt, out of the house of slavery.
7 ULB Tsy hanana andriamanitra hafa eo anoloako ianareo. BSB BSB: You shall have no other gods before Me.
8 ULB Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anareo ianareo na endri-javatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ety ambany, na izay anaty rano ety ambany. BSB BSB: You shall not make for yourself an idol in the form of anything in the heavens above, on the earth below, or in the waters beneath.
9 ULB Aza miankohoka amin'ireo ianao na manompo azy ireo, fa Izaho, Yaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro. Mamaly ny faharatsian'ireo razambe Aho amin'ny famaizako ireo zaza madinika, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra an'izay mankahala Ahy, BSB BSB: You shall not bow down to them or worship them; for I, the LORD your God, am a jealous God, visiting the iniquity of the fathers on their children to the third and fourth generations of those who hate Me,
10 ULB ary haneho tsy fivadiam-panekena kosa amin'ireo olona an'arivony, amin'ireo izay tia Ahy sy mitandrina ireo didiko. BSB BSB: but showing loving devotion to a thousand generations of those who love Me and keep My commandments.
11 ULB Tsy ho hampiasanao amin'ny tsy antony ny anaran'i Yaveh Adriamanitrao, fa i Yaveh dia handray azy ho meloka amin'ny fampiasana fahatany ny anarany. BSB BSB: You shall not take the name of the LORD your God in vain, for the LORD will not leave anyone unpunished who takes His name in vain.
12 ULB Tandremo ny andro sabata mba hanamasinana azy, arak'izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao. BSB BSB: Observe the Sabbath day by keeping it holy, as the LORD your God has commanded you.
13 ULB fa enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra; BSB BSB: Six days you shall labor and do all your work,
14 ULB fa ny andro fahafito kosa dia Sabata ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Amin'izany dia tsy hiasa ianao—na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompo lahinao, na ny mpanompo vavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay anatin'ny vavahadinao. Natao izany mba hitsaharan'ny mpanomponao lahy sy ny mpanomponao vavy tahaka anao. BSB BSB: but the seventh day is a Sabbath to the LORD your God, on which you must not do any work—neither you, nor your son or daughter, nor your manservant or maidservant, nor your ox or donkey or any of your livestock, nor the foreigner within your gates, so that your manservant and maidservant may rest as you do.
15 ULB Dia ho tsaroanao fa mpanompo tany amin'ny tany Egypta ianao, ary Yaveh Andriamanitrao no namoaka anao tany tamin'ny alalan'ny tanana mahery sy faninjirana ny sandry. Noho izany no nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao mba hitandrina ny andro Sabata. BSB BSB: Remember that you were a slave in the land of Egypt, and that the LORD your God brought you out of there with a mighty hand and an outstretched arm. That is why the LORD your God has commanded you to keep the Sabbath day.
16 ULB Manajà ny rainao sy reninao, araka izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao ho hataonao, dia ho ela velona any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao ho anao ianao, ka dia hahasambatra anao anie izany. BSB BSB: Honor your father and your mother, as the LORD your God has commanded you, so that your days may be long and that it may go well with you in the land that the LORD your God is giving you.
17 ULB Aza mamono olona. BSB BSB: You shall not murder.
18 ULB Aza mijangajanga. BSB BSB: You shall not commit adultery.
19 ULB Aza mangalatra. BSB BSB: You shall not steal.
20 ULB Aza manao vavolombelona diso amin'ny mpiara-belona aminao. BSB BSB: You shall not bear false witness against your neighbor.
21 ULB Aza mitsiriritra ny vadin'ny mpiara-belona aminareo, aza mitsiriritra ny tranon'ny mpiara-belona aminareo, ny sahany, na ny mpanompo lahiny, na ny mpanompo vaviny, ny ombiny, na ny borikiny, na izay rehetra an'ny mpiara-belona aminareo.' BSB BSB: You shall not covet your neighbor’s wife. You shall not covet your neighbor’s house or field, or his manservant or maidservant, or his ox or donkey, or anything that belongs to your neighbor.”
22 ULB Ireo teny ireo no nambaran'i Yaveh tamin'ny feo avo tamin'ny fiangonanareo rehetra teny amin'ny tendrombohitra avy ao afovoan'ny afo, ny rahona, ary ny aizim-pito; dia tsy nanisy teny fanampiny intsony izy. Nosoratany tamin'ny vato fisaka roa izany ka natolony ahy. BSB BSB: The LORD spoke these commandments in a loud voice to your whole assembly out of the fire, the cloud, and the deep darkness on the mountain; He added nothing more. And He wrote them on two tablets of stone and gave them to me.
23 ULB Dia nitranga izao, rehefa nandre ny feo avy ao afovoan'ny aizina ianareo, raha mbola nirehitra ny tendrombohitra, dia nanakaiky ahy ianareo—ireo loholonareo rehetra sy ireo mpitarika ny fokonareo. BSB BSB: And when you heard the voice out of the darkness while the mountain was blazing with fire, all the heads of your tribes and your elders approached me,
24 ULB Hoy ianareo hoe: 'Indro, Yaveh Andriamanitsika efa naneho tamintsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany, ary efa rentsika ny feony avy eo afovoan'ny afo; hitantsika androany fa rehefa miteny amin'ny olona i Yaveh, dia afaka ny ho velona izy ireo. BSB BSB: and you said, “Behold, the LORD our God has shown us His glory and greatness, and we have heard His voice out of the fire. Today we have seen that a man can live even if God speaks with him.
25 ULB Fa nahoana isika no tokony ho faty? Satria handevona antsika izany afo lehibe izany; fa raha tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony isika, dia ho faty. BSB BSB: But now, why should we die? For this great fire will consume us, and we will die, if we hear the voice of the LORD our God any longer.
26 ULB Fa iza ankoatra antsika no eo amin'ny nofo rehetra izay efa nandre ny feon'ilay Andriamanitra velona niteny avy teo afovoan'ny afo ka velona, tahaka izay efa nataontsika? BSB BSB: For who of all flesh has heard the voice of the living God speaking out of the fire, as we have, and survived?
27 ULB Raha ny aminareo, dia tokony handeha sy hihaino izay rehetra ambaran'i Yaveh Andriamanintsika ianareo, hamerina aminay izay rehetra lazain'i Yaveh Andriamanintsika aminareo; hihaino sy hankatoa izany izahay.' BSB BSB: Go near and listen to all that the LORD our God says. Then you can tell us everything the LORD our God tells you; we will listen and obey.”
28 ULB Ren'i Yaveh ny teninareo raha niresaka tamiko ianareo. Hoy Izy tamiko hoe: 'Efa reko ny tenin'ireo vahoaka ireo, dia izay nolazainy taminao. Tsara izay nambaran'izy ireo. BSB BSB: And the LORD heard the words you spoke to me, and He said to me, “I have heard the words that these people have spoken to you. They have done well in all that they have spoken.
29 ULB Endrey, raha mba misy fo tokoa izy ireo, dia hanaja Ahy sy hitandrina mandrakariva ny didiko rehetra, dia hahasoa azy ireo sy ireo taranany mandrakizay izany! BSB BSB: If only they had such a heart to fear Me and keep all My commandments always, so that it might be well with them and with their children forever.
30 ULB Ndeha lazao amin'izy ireo hoe: "Miverena any an-dainareo." BSB BSB: Go and tell them: ‘Return to your tents.’
31 ULB Fa raha ny aminao, mitsangàna eto anatrehako, dia hambarako aminao ny didy rehetra, ny lalàna, sy ireo fitsipika izay ho ampianarinao azy ireo, mba hitandreman'izy ireo izany any amin'ny tany izay homeko azy ireo ho fananana.' BSB BSB: But you stand here with Me, that I may speak to you all the commandments and statutes and ordinances you are to teach them to follow in the land that I am giving them to possess.”
32 ULB Ho tandremanao, noho izany, izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao; mba tsy hivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia ianao. BSB BSB: So be careful to do as the LORD your God has commanded you; you are not to turn aside to the right or to the left.
33 ULB Handeha amin'ny lalana rehetra izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao, mba ho velona ianao, ka hahasoa anao izany, ary mba hahalava ny andro iainanao any amin'ny tany izay ho fanananao. BSB BSB: You must walk in all the ways that the LORD your God has commanded you, so that you may live and prosper and prolong your days in the land that you will possess.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.