1 ULB Ankehitriny dia ireto avy ireo baiko, ireo didy, ary ireo lalàna izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrao ahy mba hampianarina anao, ka mba hahafahanao mitandrina ireo any amin'ny tany izay halehanao tandrifin'i Jordana izay ho fanananao; BSB BSB: These are the commandments and statutes and ordinances that the LORD your God has instructed me to teach you to follow in the land that you are about to enter and possess,
2 ULB mba hahafahanao manome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrao, amin'ny fitandremana ireo lalàna sy ny didy rehetra izay handidiako anao—ianao, ireo zanakao, ary ireo zanaky ny zanakao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba hitombo ny andro hiainanao. BSB BSB: so that you and your children and grandchildren may fear the LORD your God all the days of your lives by keeping all His statutes and commandments that I give you, and so that your days may be prolonged.
3 ULB Noho izany henoy ireo, ry Israely, ary tandremo ireo, mba hahasoa anao izany, mba hitomboanao fatratra, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, araka izay efa nampanantenain'i Yaveh, ilay Andriamanitrin'ny razambenao taminao ho atao. BSB BSB: Hear, O Israel, and be careful to observe them, so that you may prosper and multiply greatly in a land flowing with milk and honey, just as the LORD, the God of your fathers, has promised you.
5 ULB Hitia an'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo ianao, amin'ny fanahinao manontolo, ary amin'ny herinao manontolo. BSB BSB: And you shall love the LORD your God with all your heart and with all your soul and with all your strength.
6 ULB Ireo teny izay handidiko anao anio dia ho ao amin'ny fonao; BSB BSB: These words I am commanding you today are to be upon your hearts.
7 ULB ary hampianatra tsara an'ireo amin'ny zanakao ianao; hiresaka momba ireo ianao rehefa mipetraka ao an-tranonao, rehefa mandeha eny an-dalana, rehefa mandry, ary rehefa mifoha. BSB BSB: And you shall teach them diligently to your children and speak of them when you sit at home and when you walk along the road, when you lie down and when you get up.
8 ULB Hamatotra ireo ianao mba ho famantarana eo amin'ny tananao, ary atao toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonao ireo. BSB BSB: Tie them as reminders on your hands and bind them on your foreheads.
9 ULB Hanoratra izany eo amin'ny tolàm-baravaran'ny tranonao sy ny vavahadinao ianao. BSB BSB: Write them on the doorposts of your houses and on your gates.
10 ULB Rehefa mitondra anao any amin'ny tany izay nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrao tamin'ireo razambenao, Abrahama, Isaka, sy Jakoba, fa homeny anao ianao, miaraka amin'ny tanàna lehibe sy tena tsara izay tsy nahorinao, BSB BSB: And when the LORD your God brings you into the land He swore to your fathers, to Abraham, Isaac, and Jacob, that He would give you—a land with great and splendid cities that you did not build,
11 ULB sy trano maro feno karazana zavatra tsara izay tsy nataonao, famorian-drano izay tsy nohadianao, ary tanim-boaloboka sy hazon'oliva izay tsy nambolenao, hihinana ianao ka ho afa-po— BSB BSB: with houses full of every good thing with which you did not fill them, with wells that you did not dig, and with vineyards and olive groves that you did not plant—and when you eat and are satisfied,
12 ULB ary mitandrema ianao mba tsy hanadino an'i Yaveh, izay nitondra anao hiala tao amin'ny tany Egypta, hivoaka ny trano fanandevozana. BSB BSB: be careful not to forget the LORD who brought you out of the land of Egypt, out of the house of slavery.
13 ULB Hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrao ianao; izy no ho tompoinao, ary hianiana amin'ny anarany ianao. BSB BSB: Fear the LORD your God, serve Him only, and take your oaths in His name.
14 ULB Tsy hanompo andriamanitra hafa ianao, ireo andriamanitry ny olona izay manodidina anao rehetra— BSB BSB: Do not follow other gods, the gods of the peoples around you.
15 ULB satria Yaveh Andriamanitrao izay eo afovoanao dia Andriamanitra saro-piaro—fa raha manao izany ianao, dia hirehitra aminao ny fahatezeran'i Yaveh Andriamanitrao, ary handringana anao amin'ny tany rehetra Izy. BSB BSB: For the LORD your God, who is among you, is a jealous God. Otherwise the anger of the LORD your God will be kindled against you, and He will wipe you off the face of the earth.
16 ULB Tsy hitsapa an'i Yaveh Andriamanitrao tahaka ny nitsapanao azy tany Masaha ianao. BSB BSB: Do not test the LORD your God as you tested Him at Massah.
17 ULB Ianao dia hitandrina tsara ireo baikon'i Yaveh Andriamanitrao, ireo didiny, sy ireo lalàny, izay nandidiny anao. BSB BSB: You are to diligently keep the commandments of the LORD your God and the testimonies and statutes He has given you.
18 ULB Hanao izay marina sy tsara eo imason'i Yaveh ianao, mba hahasoa anao izany, ary mba hahafahanao miditra sy manana ny tany tsara izay efa nianianan'i Yaveh tamin'ireo razanao, BSB BSB: Do what is right and good in the sight of the LORD, so that it may be well with you and that you may enter and possess the good land that the LORD your God swore to give your fathers,
19 ULB mba hanalana ireo fahavalonao rehetra tsy ho eo anoloanao, araka ny efa nolazain'i Yaveh. BSB BSB: driving out all your enemies before you, as the LORD has said.
20 ULB Rehefa manontany anao ny zanakao lahy amin'ny fotoana ho avy, manoa hoe: 'Inona avy ireo lalàn'ny fanekena, ireo fitsipika, ary ireo lalàna hafa izay nandidian'i Yaveh Andriamanitsika anao?' BSB BSB: In the future, when your son asks, “What is the meaning of the decrees and statutes and ordinances that the LORD our God has commanded you?”
21 ULB dia hilaza ny zanakao lahy ianao hoe: 'Andevon'i Farao tany Egypta isika; nitondra antsika niala ny tany Egypta tamin'ny tanana mahery Izy, BSB BSB: then you are to tell him, “We were slaves of Pharaoh in Egypt, but the LORD brought us out of Egypt with a mighty hand.
22 ULB ary nampiseho famantarana sy fahagagana, lehibe sy mahery vaika, tamin'i Egypta, tamin'i Farao, ary tamin'ny tranony rehetra, teo imasontsika Izy; BSB BSB: Before our eyes the LORD inflicted great and devastating signs and wonders on Egypt, on Pharaoh, and on all his household.
23 ULB ary nitondra antsika niala tany, mba hitondrany antsika hiditra ao, mba hanomezana antsika ny tany izay efa nampanantenainy an'ireo razantsika. BSB BSB: But He brought us out from there to lead us in and give us the land that He had sworn to our fathers.
24 ULB Yaveh dia nandidy antsika mandrakariva mba hitandrina ireo lalàna rehetra, mba hatahotra an'i Yaveh Andriamanitsika hahasoa antsika, mba hahavelona antsika hatrany, tahaka antsika amin'izao. BSB BSB: And the LORD commanded us to observe all these statutes and to fear the LORD our God, that we may always be prosperous and preserved, as we are to this day.
25 ULB Raha mitandrina ireo didy rehetra ireo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitsika isika, araka izay nandidiny antsika, dia ho fahamarinantsika izany.' BSB BSB: And if we are careful to observe every one of these commandments before the LORD our God, as He has commanded us, then that will be our righteousness.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.