1 ULB Ireo ohabolan'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely. BSB BSB: These are the proverbs of Solomon son of David, king of Israel,
2 ULB Ireto ohabolana ireto dia natao mba hampianatra fahendrena sy torolalana, hampianatra ireo tenin'ny fahalalana, BSB BSB: for gaining wisdom and discipline, for comprehending words of insight,
3 ULB hahazoanao torolalana mba hiaina amin'ny fanaovana ny marina, rariny, ary ny hitsiny. BSB BSB: and for receiving instruction in wise living and in righteousness, justice, and equity.
4 ULB Ireto ohabolana ireto ihany koa dia natao hanome fahendrena ho an'ny kely saina, ary hanome fahalalana sy fahamalinana ho an'ny tanora. BSB BSB: To impart prudence to the simple and knowledge and discretion to the young,
5 ULB Aoka ny olon-kendry hihaino ka hampitombo ny fahalalany, ary aoka ny olona mahay manavaka hahazo tari-dalana, BSB BSB: let the wise listen and gain instruction, and the discerning acquire wise counsel
6 ULB mba hahatakatra ireo ohabolana, ireo oham-pitenenana, sy ny tenin'ny olon-kendry mbamin'ireo ankamantany. BSB BSB: by understanding the proverbs and parables, the sayings and riddles of the wise.
7 ULB Ny tahotra an'i Yaveh no fiandoham-pahalalana— ny adala manamavo ny fahendrena sy ny fampianarana. BSB BSB: The fear of the LORD is the beginning of knowledge, but fools despise wisdom and discipline.
8 ULB Ry zanako, henoy ny fampianaran-drainao ary aza miala amin'ny fitsipiky ny reninao; BSB BSB: Listen, my son, to your father’s instruction, and do not forsake the teaching of your mother.
9 ULB ho fehiloha tsara tarehy ho an'ny lohanao ireny ary rado mihantona eo amin'ny tendanao. BSB BSB: For they are a garland of grace on your head and a pendant around your neck.
10 ULB Ry zanako, raha mitady haningotra anao ho amin'ny fahotan'izy ireo ny mpanota, dia aza manaiky hanaraka azy. BSB BSB: My son, if sinners entice you, do not yield to them.
11 ULB Raha hoy izy ireo hoe: "Avia hiaraka aminay, andeha isika hanotrika hamono olona, andeha isika hiafina ka hamely olona tsy manan-tsiny amin'ny tsy misy antony. BSB BSB: If they say, “Come along, let us lie in wait for blood, let us ambush the innocent without cause,
12 ULB Andeha hatelintsika velona ireny, tahaka ny fakàn'ny Fiainan-tsy Hita ireo izay salama, ary hanao azy ireo ho toy ireo izay milatsaka an-davaka. BSB BSB: let us swallow them alive like Sheol, and whole like those descending into the Pit.
13 ULB Ho hitantsika ireo karazan-javatra sarobidy rehetra; ho fenointsika amin'izay hangalarintsika amin'ny hafa ny tranontsika. BSB BSB: We will find all manner of precious goods; we will fill our houses with plunder.
14 ULB Atsipazo miaraka aminay ny filokanareo; hanana poketra iray ihany isika rehetra." BSB BSB: Throw in your lot with us; let us all share one purse”—
15 ULB Ry zanako, aza mandeha midina amin'izany lalana izany miaraka amin'izy ireo; aza avela hikasika izay halehany ny tongotrao; BSB BSB: my son, do not walk the road with them or set foot upon their path.
16 ULB mihazakazaka ho amin'ny ratsy ny tongony ary maika handatsa-drà izy ireo. BSB BSB: For their feet run to evil, and they are swift to shed blood.
17 ULB Fa tsy misy dikany ny hamelarana harato hamandrihana vorona raha mitazana ilay vorona. BSB BSB: How futile it is to spread the net where any bird can see it!
18 ULB Mikotrika hamono ny tenany ihany ireny olona ireny— manao vela-pandrika ho an'ny tenany izy ireo. BSB BSB: But they lie in wait for their own blood; they ambush their own lives.
19 ULB Toy izany koa ny lalan'ny olona rehetra izay mahazo harena amin'ny tsy rariny; ny harena azo amin'ny tsy rariny manaisotra ny ain'ireo izay mifikitra amin'izany. BSB BSB: Such is the fate of all who are greedy, whose unjust gain takes the lives of its possessors.
20 ULB Mivazavaza eny an-dalana ny fahendrena, mampiakatra ny feony eny ankalamanjana izy; BSB BSB: Wisdom calls out in the street, she lifts her voice in the square;
21 ULB eny amin'ireo loha-lalana mikotaba no hitabatabany, eny amin'ny fidirana eny amin'ny vavahadin'ny tanàna no hitenenany hoe: BSB BSB: in the main concourse she cries aloud, at the city gates she makes her speech:
22 ULB "Ho mandra-pahoviana, ianareo ry olona kely saina, no hitia ny habadoana? Ho mandra-pahoviana, ianareo ry mpandrabiraby, no hankamamy ny fandrabirabiana, ary ho mandra-pahoviana, ianareo ry adala, no hankahala ny fahalalana? BSB BSB: “How long, O simple ones, will you love your simple ways? How long will scoffers delight in their scorn and fools hate knowledge?
23 ULB Tandremo tsara ny fananarako; hararako aminareo ny fihevitro; hataoko fantatrareo ny teniko. BSB BSB: If you had repented at my rebuke, then surely I would have poured out my spirit on you; I would have made my words known to you.
24 ULB Efa niantso aho, ary nandà ny hihaino ianareo; naninjitra ny tanako aho, saingy tsy nisy niraharaha. BSB BSB: Because you refused my call, and no one took my outstretched hand,
25 ULB Fa nodianareo fanina ny fampianarako rehetra ary tsy nohenoinareo ny fananarako. BSB BSB: because you neglected all my counsel, and wanted none of my correction,
26 ULB Hihomehy ny lozanareo aho, handatsa anareo aho rehefa tonga ny horohoro— BSB BSB: in turn I will mock your calamity; I will sneer when terror strikes you,
27 ULB rehefa tonga tahaka ny tafiotra ny fandringanana mampatahotra ary mifaoka anareo tahaka ny tadio ny loza, rehefa tonga aminareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana. BSB BSB: when your dread comes like a storm, and your destruction like a whirlwind, when distress and anguish overwhelm you.
28 ULB Dia hiantso ahy izy ireo, fa tsy hamaly aho; hiantso ahy fatratra izy ireo, fa tsy hahita ahy. BSB BSB: Then they will call on me, but I will not answer; they will earnestly seek me, but will not find me.
29 ULB Satria mankahala fahalalana izy ireo ary tsy nifidy ny tahotra an'i Yaveh, BSB BSB: For they hated knowledge and chose not to fear the LORD.
30 ULB tsy nanaraka ny fampianarako izy ireo, ary nanamavo ny fananarako rehetra. BSB BSB: They accepted none of my counsel; they despised all my reproof.
31 ULB Hihinana ny vokatry ny lalany izy ireo, ary ny vokatry ny teti-dratsin'izy ireo no hameno azy. BSB BSB: So they will eat the fruit of their own way, and be filled with their own devices.
32 ULB Fa voavono ny kely saina rehefa mivily, ary hamotika azy ny tsy firarahian'ny adala. BSB BSB: For the waywardness of the simple will slay them, and the complacency of fools will destroy them.
33 ULB Fa na iza na iza mihaino ahy dia hiaina am-pilaminana ary ho voaaro tsy hatahotra loza." BSB BSB: But whoever listens to me will dwell in safety, secure from the fear of evil.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.