1 ULB Ry zanako, raha mandray ny teniko ianao ary raketinao ao aminao ireo didiko, BSB BSB: My son, if you accept my words and hide my commandments within you,
2 ULB dia aoka ny sofinao hitandrina tsara ny fahendrena ary atongilano ho amin'ny fahazavan-tsaina ny fonao. BSB BSB: if you incline your ear to wisdom and direct your heart to understanding,
3 ULB Raha mihiakiaka ho amin'ny fahazavan-tsaina ianao ary mampiaka-peo ho amin'izany, BSB BSB: if you truly call out to insight and lift your voice to understanding,
4 ULB raha mitady izany tahaka ny hitadiavanao volafotsy ianao ary mitady ny fahazavan-tsaina tahaka ny fitady harena miafina, BSB BSB: if you seek it like silver and search it out like hidden treasure,
5 ULB dia ho fantatrao ny tahotra an'i Yaveh ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra. BSB BSB: then you will discern the fear of the LORD and discover the knowledge of God.
6 ULB Fa manome fahendrena i Yaveh, avy amin'ny vavany no hiavian'ny fahalalana sy fahazavan-tsaina. BSB BSB: For the LORD gives wisdom; from His mouth come knowledge and understanding.
7 ULB Mitahiry ny fahendrena tsara ho an'ireo izay ankasitrahany Izy, Izy no ampingan'ireo izay mandeha amin'ny fahitsiana, BSB BSB: He stores up sound wisdom for the upright; He is a shield to those who walk with integrity,
8 ULB miambina ireo lalan'ny rariny Izy ary hiaro ny lalan'ireo izay mahatoky Azy. BSB BSB: to guard the paths of justice and protect the way of His saints.
9 ULB Dia ho tsapanao ny fahamarinana, ny rariny, sy ny hitsiny, ary ny lalana tsara rehetra. BSB BSB: Then you will discern righteousness and justice and equity—every good path.
10 ULB Fa hiditra ao am-ponao ny fahendrena, ary hahafinaritra ny fanahinao ny fahalalana. BSB BSB: For wisdom will enter your heart, and knowledge will delight your soul.
11 ULB Hiaro anao ny fahamalinana, ary hiambina anao ny fahazavan-tsaina. BSB BSB: Discretion will watch over you, and understanding will guard you,
12 ULB Hanavotra anao amin'ny lalan-dratsy ireo, amin'ireo izay miteny zava-dratsy, BSB BSB: to deliver you from the way of evil, from the man who speaks perversity,
13 ULB izay mandao ireo lalan'ny fahamarinana ary mandeha amin'ny lalan'ny fahamaizinana. BSB BSB: from those who leave the straight paths to walk in the ways of darkness,
14 ULB Mifaly izy ireo rehefa manao ratsy ary finaritra amin'ny fahavetavetan'ny ratsy. BSB BSB: from those who enjoy doing evil and rejoice in the twistedness of evil,
15 ULB Manaraka lala-meloka izy ireo, ary nampiasa ny fitaka hanafenana ny lalany. BSB BSB: whose paths are crooked and whose ways are devious.
16 ULB Fahendrena ary fahamalinana no hanavotra anao amin'ny vehivavy janga, amin'ny vehivavy ratsy fitondran-tena sy ny teniny mandoka. BSB BSB: It will rescue you from the forbidden woman, from the stranger with seductive words
17 ULB Mahafoy ny sakaizan'ny fahatanorany izy ary manadino ny fanekeny tamin'ny Andriamaniny. BSB BSB: who abandons the partner of her youth and forgets the covenant of her God.
18 ULB Fa ny tranony mitarika amin'ny fahafatesana ary ireo lalany hitondra anao ho amin'ireo izay any am-pasana. BSB BSB: For her house sinks down to death, and her tracks to the departed spirits.
19 ULB Izay rehetra miditra ao aminy dia tsy hiverina intsony ary tsy hahita ny lalan'ny fiainana izy ireo. BSB BSB: None who go to her return or negotiate the paths of life.
20 ULB Dia handeha amin'ny lalan'ny olona tsara ianao ary hanaraka ireo lalan'ny olo-marina. BSB BSB: So you will follow in the ways of the good, and keep to the paths of the righteous.
21 ULB Fa ireo manao ny marina no hanao fonenana eo amin'ny tany, ary ireo tsy mivadika no hitoetra ao amin'izany. BSB BSB: For the upright will inhabit the land, and the blameless will remain in it;
22 ULB Fa ny ratsy fanahy hofongorona eo amin'ny tany, ary ny tsy manam-pinoana hofongorona eo amin'izany. BSB BSB: but the wicked will be cut off from the land, and the unfaithful will be uprooted.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.