1 ULB Andriamanitra izay deraiko o, aza mangina, BSB BSB: For the choirmaster. A Psalm of David. O God of my praise, be not silent.
2 ULB Fa mamely ahy ny ratsy fanahy sy mpamitaka; milaza lainga manohitra ahy izy ireo. BSB BSB: For wicked and deceitful mouths open against me; they speak against me with lying tongues.
3 ULB Manodidina ahy izy ireo ka miteny zavatra fankahalana, ary mamely ahy tsy amin'ny antony izy ireo BSB BSB: They surround me with hateful words and attack me without cause.
4 ULB Endrikendrika no nataon'izy ireo ho setrin'ny fitiavako, fa izaho kosa mivavaka ho azy ireo. BSB BSB: In return for my love they accuse me, but I am a man of prayer.
5 ULB Novalian'izy ireo ratsy ny soa nataoko, ary halany ny fitiavako. BSB BSB: They repay me evil for good, and hatred for my love.
6 ULB Manendre lehilahy ratsy fanahy mba ho fahavalo tahaka ireny olona ireny; manendre mpiampanga hitsangana eo an-tananany ankavana. BSB BSB: Set over him a wicked man; let an accuser stand at his right hand.
7 ULB Rehefa ho tsaraina izy dia aoka ho meloka, ary aoka ny fivavahany heverina ho fahotana. BSB BSB: When he is tried, let him be found guilty, and may his prayer be regarded as sin.
8 ULB Aoka ho fohy ny androny; ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany. BSB BSB: May his days be few; may another take his position.
9 ULB Aoka ny zanany ho kamboty ray, ary aoka ny vadiny ho mpitondratena. BSB BSB: May his children be fatherless and his wife a widow.
10 ULB Aoka ny zanany hirenireny sy hitalaho, hangataka sakafo raha mandao ny fonenany simba izy ireo. BSB BSB: May his children wander as beggars, seeking sustenance far from their ruined homes.
11 ULB Aoka ho alain'ny tompon-trosa izay azy rehetra; ary aoka ny vahiny handroba izay azony. BSB BSB: May the creditor seize all he owns, and strangers plunder the fruits of his labor.
12 ULB Aoka tsy hisy na iray aza hampiseho hatsaram-panahy aminy; aoka tsy hisy hiantra ny zanany kamboty. BSB BSB: May there be no one to extend kindness to him, and no one to favor his fatherless children.
13 ULB Aoka ho ringana ny zanany; ary aoka ny anarany ho vonoina tsy ho amin'ny taranaka fara mandimby. BSB BSB: May his descendants be cut off; may their name be blotted out from the next generation.
14 ULB Aoka ho lazaina amin'i Yaveh ny helok'ireo razany; ary aoka tsy hoadinoina ny heloky ny reniny. BSB BSB: May the iniquity of his fathers be remembered before the LORD, and the sin of his mother never be blotted out.
15 ULB Aoka ho eo anatrehan'i Yaveh mandrakariva ny hadisoan'izy ireo; aoka hofoanan'i Yaveh amin'ny tany rehetra ny fahatsiarovana azy ireo. BSB BSB: May their sins always remain before the LORD, that He may cut off their memory from the earth.
16 ULB Aoka ataon'i Yaveh izany satria io lehilahy io dia tsy mba nampiseho famindram-po, fa kosa nampijaly ny ory, ny mahantra, ary ny kivy fo amin'ny fahafatesana. BSB BSB: For he never thought to show kindness, but pursued the poor and needy and brokenhearted, even to their death.
17 ULB Nitia ozona izy; hanody azy anie izany. Mankahala fitahiana izy; aoka tsy hisy fitahiana ho tonga aminy. BSB BSB: The cursing that he loved, may it fall on him; the blessing in which he refused to delight, may it be far from him.
18 ULB Mampitafy tena amin'ny ozona tahaka ny akanjony izy, ary fanozonana no mipàka any anatiny tahaka ny rano, tahaka ny diloilo ao anaty taolany. BSB BSB: The cursing that he wore like a coat, may it soak into his body like water, and into his bones like oil.
19 ULB Aoka ny ozony ho tahaka ny fitafiana izay handrakofany ny tenany, tahaka ny fehikibo izay anaovany mandrakariva. BSB BSB: May it be like a robe wrapped about him, like a belt tied forever around him.
20 ULB Aoka izany ho valisoa ho an'ireo mpiampanga avy amin'i Yaveh, ho an'izay miteny ratsy ny amiko. BSB BSB: May this be the LORD’s reward to my accusers, to those who speak evil against me.
21 ULB Yaveh Tompoko o, manaova amin-katsaram-panahy amiko noho ny amin'ny anaranao. Satria tsara ny famindram-ponao, vonjeo aho. BSB BSB: But You, O GOD, the Lord, deal kindly with me for the sake of Your name; deliver me by the goodness of Your loving devotion.
22 ULB Fa ory sy mahantra aho, ary ny foko dia voaratra ao anatiko. BSB BSB: For I am poor and needy; my heart is wounded within me.
23 ULB Mihena tahaka ny aloky ny hariva aho; ary nahintsana tahaka ny valala. BSB BSB: I am fading away like a lengthening shadow; I am shaken off like a locust.
24 ULB Reraky ny fifadian-kanina ny lohaliko; mihova ho taolana mifono hoditra aho. BSB BSB: My knees are weak from fasting, and my body grows lean and gaunt.
25 ULB Ataon'ireo mpiampanga ahy ho tsinontsinona aho; rehefa mahita ahy izy ireo dia mihifikifi-doha. BSB BSB: I am an object of scorn to my accusers; when they see me, they shake their heads.
26 ULB Ampio aho, ry Yaveh Andriamanitro; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho. BSB BSB: Help me, O LORD my God; save me according to Your loving devotion.
27 ULB Ary aoka ho fantatr'izy ireo fa izany no asanao, izay Ianao, Yaveh, no nanao izany. BSB BSB: Let them know that this is Your hand, that You, O LORD, have done it.
28 ULB Na dia manozona ahy aza izy ireo, dia mba tahio re aho; raha mamely izy ireo; aoka hitsanga-menatra, fa aoka ny mpanomponao hifaly. BSB BSB: Though they curse, You will bless. When they rise up, they will be put to shame, but Your servant will rejoice.
29 ULB Aoka hitafy henatra ireo fahavaloko; aoka hiakanjo ny fahamenarany ho tahaka ny tohitena izy ireo. BSB BSB: May my accusers be clothed with disgrace; may they wear their shame like a robe.
30 ULB Amin'ny vavako no hanolorako fisaorana lehibe ho an'i Yaveh; hidera Azy eo afovoan'ny olona aho. BSB BSB: With my mouth I will thank the LORD profusely; I will praise Him in the presence of many.
31 ULB Fa mitsangana eo an-tanana ankavanan'ny malahelo Izy, mba hamonjy azy amin'ireo izay mitsara azy. BSB BSB: For He stands at the right hand of the needy one, to save him from the condemners of his soul.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.