1 ULB Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. BSB BSB: Give thanks to the LORD, for He is good; His loving devotion endures forever.
2 ULB Aoka Israely hiteny hoe: "Maharitra mandrakizay ny famindram-pony." BSB BSB: Let Israel say, “His loving devotion endures forever.”
3 ULB Aoka ny ankohonan'i Arona hilaza hoe: "Ny fanekeny mahatoky dia maharitra mandrakizay," BSB BSB: Let the house of Aaron say, “His loving devotion endures forever.”
4 ULB Aoka ireo izay manompo an'i Yaveh hilaza hoe: "Maharitra mandrakizay ny famindram-pony." BSB BSB: Let those who fear the LORD say, “His loving devotion endures forever.”
5 ULB Niantso an'i Yaveh tao anaty fahoriako aho; namaly ahy Yaveh ary nanafaka ahy. BSB BSB: In my distress I called to the LORD, and He answered and set me free.
6 ULB Momba ahy Yaveh: tsy hatahotra aho; hanao inona amiko ny olombelona? BSB BSB: The LORD is on my side; I will not be afraid. What can man do to me?
7 ULB Mpamonjy eo anilako Yaveh; hahita fandresena amin'ireo izay mankahala ahy aho. BSB BSB: The LORD is on my side; He is my helper. Therefore I will look in triumph on those who hate me.
8 ULB Tsara kokoa ny mialoka eo amin'i Yaveh toy izay mametraka fitokiana amin'olombelona. BSB BSB: It is better to take refuge in the LORD than to trust in man.
9 ULB Tsara kokoa ny mitoetra ao amin'i Yaveh toy izay mametraka fitokiana amin'ny andrian-dahy. BSB BSB: It is better to take refuge in the LORD than to trust in princes.
10 ULB Ny firenena rehetra nanodidina ahy; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: All the nations surrounded me, but in the name of the LORD I cut them off.
11 ULB Nanodidina ahy izy ireo; eny, nanodidina ahy izy ireo; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: They surrounded me on every side, but in the name of the LORD I cut them off.
12 ULB Nanodidina ahy toy ny tantely izy ireo; nanjavona haingana toy ny afo teo amin'ny tsilo izy ireo; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: They swarmed around me like bees, but they were extinguished like burning thorns; in the name of the LORD I cut them off.
13 ULB Nanafika ahy izy ireo mba handavo ahy, saingy nanampy ahy i Yaveh. BSB BSB: I was pushed so hard I was falling, but the LORD helped me.
14 ULB Yaveh no heriko sy fifaliako, ary Izy ilay tokana mpanavotra ahy. BSB BSB: The LORD is my strength and my song, and He has become my salvation.
15 ULB Heno ao amin'ny lain'ny fahamarinana ny hiakam-pifalian'ny fandresena; nandresy ny tanan-kavanan'i Yaveh. BSB BSB: Shouts of joy and salvation resound in the tents of the righteous: “The right hand of the LORD performs with valor!
16 ULB Asandratra ny tanan-kavanan'i Yaveh; mandresy ny tanan-kavanan'i Yaveh. BSB BSB: The right hand of the LORD is exalted! The right hand of the LORD performs with valor!”
17 ULB Tsy ho faty aho, fa ho velona ary hanambara ireo asan'i Yaveh. BSB BSB: I will not die, but I will live and proclaim what the LORD has done.
18 ULB Efa nosazian'i Yaveh mafy aho; saingy tsy nanolotra ahy ho faty Izy. BSB BSB: The LORD disciplined me severely, but He has not given me over to death.
19 ULB Sokafy ho ahy ireo vavahadin'ny fahamarinana; hiditra ao amin'izany aho ary hisaotra an'i Yaveh. BSB BSB: Open to me the gates of righteousness, that I may enter and give thanks to the LORD.
20 ULB Izany no vavahadin'i Yaveh; ny olo-marina no miditra ao. BSB BSB: This is the gate of the LORD; the righteous shall enter through it.
21 ULB Hisaotra Anao aho, satria namaly ahy Ianao, ary tonga famonjena ho ahy Ianao. BSB BSB: I will give You thanks, for You have answered me, and You have become my salvation.
22 ULB Ilay vato izay nolavin'ny mpanao trano dia tonga vato fehizoro. BSB BSB: The stone the builders rejected has become the cornerstone.
23 ULB Izany no nataon'i Yaveh; mahagaga eo imasontsika izany. BSB BSB: This is from the LORD, and it is marvelous in our eyes.
24 ULB Ity ilay andro izay nataon'i Yaveh; hifaly sy ho ravoravo amin'izany isika. BSB BSB: This is the day that the LORD has made; we will rejoice and be glad in it.
25 ULB Miangavy ry Yaveh, omeo fandresena izahay! Miangavy ry Yaveh, omeo fahombiazana izahay! BSB BSB: O LORD, save us, we pray. We beseech You, O LORD, cause us to prosper!
26 ULB Ho tahiana izy izay ho avy amin'ny anaran'i Yaveh; ho tahianay amin'ny tranon'i Yaveh ianao. BSB BSB: Blessed is he who comes in the name of the LORD. From the house of the LORD we bless you.
27 ULB Yaveh no Andriamanitra, ary efa nanome fahazavana ho anay Izy; namatotra ilay sorona tamin'ireo tady teo amin'ireo tandroky ny alitara. BSB BSB: The LORD is God; He has made His light to shine upon us. Bind the festal sacrifice with cords to the horns of the altar.
28 ULB Ianao no Andriamanitro, ary hisaotra Anao aho; Ianao no Andriamanitro; hanandratra Anao aho. BSB BSB: You are my God, and I will give You thanks. You are my God, and I will exalt You.
29 ULB Oh, misaora an'i Yaveh; fa tsara Izy; fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. BSB BSB: Give thanks to the LORD, for He is good; His loving devotion endures forever.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.