1 ULB ALEFA. Sambatra ireo izay tsy misy tsiny ny lalany, izay mandeha amin'ny lalàn'i Yaveh. BSB BSB: Blessed are those whose way is blameless, who walk in the Law of the LORD.
2 ULB Sambatra ireo izay mitandrina ny didy masiny, izay mitady Azy amin'ny fony ireo manontolo. BSB BSB: Blessed are those who keep His testimonies and seek Him with all their heart.
3 ULB Tsy mba manao ratsy izy ireo; fa mandeha amin'ny lalany. BSB BSB: They do no iniquity; they walk in His ways.
4 ULB Nandidy anay hihazona ny fampianaranao Ianao mba hitandremanay tsara izany. BSB BSB: You have ordained Your precepts, that we should keep them diligently.
5 ULB Endrey, te ho tafatoetra mafy amin'ny fitandremana ny didinao aho! BSB BSB: Oh, that my ways were committed to keeping Your statutes!
6 ULB Dia tsy ho menatra aho raha misaina ny amin'ireo didinao rehetra. BSB BSB: Then I would not be ashamed when I consider all Your commandments.
7 ULB Hanolotra fisaorana ho Anao amin'ny fo mahitsy aho rehefa mianatra ny lalà-marinao. BSB BSB: I will praise You with an upright heart when I learn Your righteous judgments.
8 ULB Hitandrina ny didinao aho; aza mamela ahy ho irery. BETA. BSB BSB: I will keep Your statutes; do not utterly forsake me.
9 ULB Ahoana no hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio? Amin'ny fankatoavana ny teninao. BSB BSB: How can a young man keep his way pure? By guarding it according to Your word.
10 ULB Amin'ny foko manontolo no hitadiavako Anao; aza mamela ahy hania hiala amin'ny didinao. BSB BSB: With all my heart I have sought You; do not let me stray from Your commandments.
11 ULB Noraketiko ato am-poko ny teninao mba tsy hanotako aminao. BSB BSB: I have hidden Your word in my heart that I might not sin against You.
12 ULB Deraina Ianao, ry Yaveh; ampianaro ny didinao aho. BSB BSB: Blessed are You, O LORD; teach me Your statutes.
13 ULB Tamin'ny vavako no nitoriako ny lalà-marina rehetra izay nasehonao. BSB BSB: With my lips I proclaim all the judgments of Your mouth.
14 ULB Miravoravo amin'ny lalan'ny didim-panekenao mihoatra noho ny amin'ny harena rehetra aho. BSB BSB: I rejoice in the way of Your testimonies as much as in all riches.
15 ULB Hisaintsaina ny fampianaranao aho ka hitandrina ny ireo lalanao. BSB BSB: I will meditate on Your precepts and regard Your ways.
16 ULB Mankamamy ny didinao aho; tsy hanadino ny teninao. GIMELA. BSB BSB: I will delight in Your statutes; I will not forget Your word.
17 ULB Manehoa halemem-panahy amin'ny mpanomponao mba hahavelomako sy hitandremako ny teninao. BSB BSB: Deal bountifully with Your servant, that I may live and keep Your word.
18 ULB Sokafy ny masoko mba hahitako ireo zava-mahatalanjona amin'ny lalànao. BSB BSB: Open my eyes that I may see wondrous things from Your law.
19 ULB Vahiny an-tany aho; aza mampiery ny didinao hiala amiko. BSB BSB: I am a stranger on the earth; do not hide Your commandments from me.
20 ULB Torotoron'ny fitadiavana fatratra ny hahalala ny lalà-marinao mandrakariva ny faniriako. BSB BSB: My soul is consumed with longing for Your judgments at all times.
21 ULB Mananatra ny mpirehareha, izay voaozona, ka maniasia miala amin'ny didinao Ianao. BSB BSB: You rebuke the arrogant—the cursed who stray from Your commandments.
22 ULB Alao amin'ny fahafam-baraka sy ny henatra aho, fa nanoa ny didim-panekenao aho. BSB BSB: Remove my scorn and contempt, for I have kept Your testimonies.
23 ULB Na dia manao teti-dratsy ka manendrikendrika ahy aza ireo mpanapaka, dia misaintsaina ny lalànao ny mpanomponao. BSB BSB: Though rulers sit and slander me, Your servant meditates on Your statutes.
24 ULB Ny didim-panekenao no mamiko indrindra, ary ireo no mpanolo-tsaina ahy. DALETA. BSB BSB: Your testimonies are indeed my delight; they are my counselors.
25 ULB Miraikitra amin'ny vovoka ny aiko! Omeo fiainana amin'ny teninao aho. BSB BSB: My soul cleaves to the dust; revive me according to Your word.
26 ULB Nambarako taminao ny lalako, dia namaly ahy Ianao; ampianaro ny didinao aho. BSB BSB: I recounted my ways, and You answered me; teach me Your statutes.
27 ULB Ataovy mahatakatra ny lalan'ny fampianaranao aho, mba hahafahako mandinika ny fampianara-mahagaganao. BSB BSB: Make clear to me the way of Your precepts; then I will meditate on Your wonders.
28 ULB Difotry ny alahelo aho! Atanjaho amin'ny teninao aho. BSB BSB: My soul melts with sorrow; strengthen me according to Your word.
29 ULB Esory hiala amiko ny lalan'ny fitaka; ampianaro ahy am-pahasoavana ny lalànao. BSB BSB: Remove me from the path of deceit and graciously grant me Your law.
30 ULB Nofidiako ny lalan'ny fahatokiana; efa nitandrina ny lalà-marinao teo anatrehako lalandava aho. BSB BSB: I have chosen the way of truth; I have set Your ordinances before me.
31 ULB Ireo didim-panekenao no ifikirako; Yaveh o, aza avela hangahiahy aho. BSB BSB: I cling to Your testimonies, O LORD; let me not be put to shame.
32 ULB Hihazakazaka eo amin'ny lalan'ny didinao aho, fa ianao no manitatra ny foko hanao izay. HE. BSB BSB: I run in the path of Your commandments, for You will enlarge my heart.
33 ULB Ampianaro ny lalan'ny didinao aho, ry Yaveh, dia ho tandremako hatramin'ny farany izany. BSB BSB: Teach me, O LORD, the way of Your statutes, and I will keep them to the end.
34 ULB Omeo fahazavan-tsaina aho, dia hitandrina ny lalànao; izany no ho saintsainiko amin'ny foko manontolo. BSB BSB: Give me understanding that I may obey Your law, and follow it with all my heart.
35 ULB Tariho amin'ny lalan'ny didinao aho, fa mamiko ny mandeha amin'izany. BSB BSB: Direct me in the path of Your commandments, for there I find delight.
36 ULB Tariho any amin'ny didim-panekenao ny foko ary lavitry ny harena tsy marina. BSB BSB: Turn my heart to Your testimonies and not to covetous gain.
37 ULB Ahodino ny masoko tsy hijery zava-poana; velombelomy amin'ny lalanao indray aho. BSB BSB: Turn my eyes away from worthless things; revive me with Your word.
38 ULB Tanteraho ho an'ny mpanomponao ny fampanantenanao izay nataonao tamin'ireo izay manaja Anao. BSB BSB: Establish Your word to Your servant, to produce reverence for You.
39 ULB Esory lavitra ny faniratsirana atahorako mafy, fa tsara ny fitsarana marinao. BSB BSB: Turn away the disgrace I dread, for Your judgments are good.
40 ULB Indro, naniry fatratra ny fampianaranao aho; velombelomy amin'ny fahamarinanao aho. VAO. BSB BSB: How I long for Your precepts! Revive me in Your righteousness.
41 ULB Yaveh ô, omeo ahy ny fitiavanao tsy mety levona— ny famonjenao, araka ny fampanantenanao; BSB BSB: May Your loving devotion come to me, O LORD, Your salvation, according to Your promise.
42 ULB dia ho voavaliko ilay iray izay manamavo ahy, fa ny teninao no hitokiako. BSB BSB: Then I can answer him who taunts, for I trust in Your word.
43 ULB Aza esorina amin'ny vavako ny teny fahamarinana, fa efa niandry ny lalà-marinao aho. BSB BSB: Never take Your word of truth from my mouth, for I hope in Your judgments.
44 ULB Hitandrina ny lalànao hatrany aho, mandrakizay doria. BSB BSB: I will always obey Your law, forever and ever.
45 ULB Andeha am-pilaminana aho, fa mitady ny fampianaranao. BSB BSB: And I will walk in freedom, for I have sought Your precepts.
46 ULB Hilaza momba ny didy masinao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho ka tsy mba ho menatra. BSB BSB: I will speak of Your testimonies before kings, and I will not be ashamed.
47 ULB Mamiko ny didinao, izay lalaiko fatratra. BSB BSB: I delight in Your commandments because I love them.
48 ULB Hanandratra ny tanako ho amin'ny didinao aho, izay tiako; hisaintsaina ny lalànao aho. ZAINA. BSB BSB: I lift up my hands to Your commandments, which I love, and I meditate on Your statutes.
49 ULB Tsarovy ny fampanantenanao tamin'ny mpanomponao satria nomenao fanantenana aho. BSB BSB: Remember Your word to Your servant, upon which You have given me hope.
50 ULB Izao no fiononana ho ahy amin'ny fahoriako: ny fampanantenanao no mbola nahavelona ahy. BSB BSB: This is my comfort in affliction, that Your promise has given me life.
51 ULB Nanesoeso ahy ny mpirehareha, kanefa tsy mba niala tamin'ny lalànao aho. BSB BSB: The arrogant utterly deride me, but I do not turn from Your law.
52 ULB Nieritreritra momba ny lalà-marinao fahizay aho, ry Yaveh, ka mampahery ny tenako. BSB BSB: I remember Your judgments of old, O LORD, and in them I find comfort.
53 ULB Nihazona ahy ny fahatezerana mahamay nohon'ny ratsy fanahy izay mandà ny lalànao. BSB BSB: Rage has taken hold of me because of the wicked who reject Your law.
54 ULB Ireo didinao no hirako tao amin'ny trano izay honenako vetivety foana. BSB BSB: Your statutes are songs to me in the house of my pilgrimage.
55 ULB Misaintsaina ny anaranao mandritra ny alina aho, ry Yaveh, ka mitandrina ny lalànao. BSB BSB: In the night, O LORD, I remember Your name, that I may keep Your law.
56 ULB Izany no fataoko satria nitandrina ireo fampianaranao aho. HETA. BSB BSB: This is my practice, for I obey Your precepts.
57 ULB Yaveh no anjarako; efa ninia ny hitandrina ny teninao aho. BSB BSB: The LORD is my portion; I have promised to keep Your words.
58 ULB Mitady fatratra ny sitrakao amin'ny foko manontolo aho; miantrà ahy, araka ny nampanantenain'ny teninao. BSB BSB: I have sought Your face with all my heart; be gracious to me according to Your promise.
59 ULB Nandinika ny lalako aho ary nampivily ny tongotro ho eo amin'ny didim-panekenao. BSB BSB: I considered my ways and turned my steps to Your testimonies.
60 ULB Maika aho sady tsy mitaredretra amin'ny fitandremana ny didinao. BSB BSB: I hurried without hesitating to keep Your commandments.
61 ULB Naningotra ahy ny tadin'ny ratsy fanahy; fa tsy nanadino ny lalànao aho. BSB BSB: Though the ropes of the wicked bind me, I do not forget Your law.
62 ULB Amin'ny misasak'alina no hitsanganako hanome fisaorana Anao nohon'ny lalànao marina. BSB BSB: At midnight I rise to give You thanks for Your righteous judgments.
63 ULB Naman'ireo rehetra izay manaja Anao aho, dia ireo rehetra izay mitandrina ny fampianaranao. BSB BSB: I am a friend to all who fear You, and to those who keep Your precepts.
64 ULB Heniky ny fanekena mahatokinao ny tany, ry Yaveh; ampianaro ny didinao aho. TETA. BSB BSB: The earth is filled with Your loving devotion, O LORD; teach me Your statutes.
65 ULB Nanao soa tamin'ny mpanomponao Ianao, ry Yaveh, tamin'ny alalan'ny teninao. BSB BSB: You are good to Your servant, O LORD, according to Your word.
66 ULB Ampianaro ahy ny fahaiza-manavaka tsara sy ny fahazavan-tsaina, fa efa nino ny didinao aho. BSB BSB: Teach me good judgment and knowledge, for I believe in Your commandments.
67 ULB Talohan'ny nampahoriana ahy dia nania aho, fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho. BSB BSB: Before I was afflicted, I went astray; but now I keep Your word.
68 ULB Tsara Ianao, ary Ianao ilay iray izay manao ny tsara; ampianaro ny didinao aho. BSB BSB: You are good, and You do what is good; teach me Your statutes.
69 ULB Naningotra ahy tamin'ny lainga ny mpiavonavona, saingy mitandrina ny fampianaranao amin'ny foko manontolo aho. BSB BSB: Though the arrogant have smeared me with lies, I keep Your precepts with all my heart.
70 ULB Mihamafy ny fon'izy ireo, fa mamiko ny lalànao. BSB BSB: Their hearts are callous and insensitive, but I delight in Your law.
71 ULB Soa ho ahy ny nijaliako mba hianarako ny didinao. BSB BSB: It was good for me to be afflicted, that I might learn Your statutes.
72 ULB Ny fampianarana avy amin'ny vavanao dia sarobidy lavitra noho ny volamena sy volafotsy madinika an'arivony ho ahy. JODA. BSB BSB: The law from Your mouth is more precious to me than thousands of pieces of gold and silver.
73 ULB Ny tananao no nanao sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho mba hianarako ny didinao. BSB BSB: Your hands have made me and fashioned me; give me understanding to learn Your commandments.
74 ULB Ireo izay manaja Anao dia ho faly raha mahita ahy satria amin'ny teninao no ahitako fanantenana. BSB BSB: May those who fear You see me and rejoice, for I have hoped in Your word.
75 ULB Fantatro, ry Yaveh, fa marina ny lalànao, ary tamin'ny fahatokiana no nampahorianao ahy. BSB BSB: I know, O LORD, that Your judgments are righteous, and that in faithfulness You have afflicted me.
76 ULB Aoka ny fanekena mahatokinao no hampahery ahy, araka ny nampanantenanao tamin'ny mpanomponao. BSB BSB: May Your loving devotion comfort me, I pray, according to Your promise to Your servant.
77 ULB Menehoa fangorahana amiko mba ho velona aho, fa ny lalànao no mamiko. BSB BSB: May Your compassion come to me, that I may live, for Your law is my delight.
78 ULB Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nanendrikendrika ahy izy ireo; fa izaho kosa dia hisaintsaina ny fampianaranao. BSB BSB: May the arrogant be put to shame for subverting me with a lie; I will meditate on Your precepts.
79 ULB Hitodika amiko anie ireo izay manaja anao; dia ireo izay mahafantatra ny didim-panekenao. BSB BSB: May those who fear You turn to me, those who know Your testimonies.
80 ULB Tsy hisy tsiny anie ny foko nohon'ny lalàna mba tsy ho menatra aho. KAFA. BSB BSB: May my heart be blameless in Your statutes, that I may not be put to shame.
81 ULB Ketraky ny fiandrasana fatratra ny hamonjenao ahy aho! Ao amin'ny teninao no hananako fanantenana. BSB BSB: My soul faints for Your salvation; I wait for Your word.
82 ULB Maniry fatratra ny hahita ny fampanantenanao ny masoko; rahoviana Ianao no hampionona ahy? BSB BSB: My eyes fail, looking for Your promise; I ask, “When will You comfort me?”
83 ULB Fa nanjary tahaka ny sinin-divay hoditra anaty setroka aho; fa tsy mba manadino ny lalànao aho. BSB BSB: Though I am like a wineskin dried up by smoke, I do not forget Your statutes.
84 ULB Ho mandra-pahoviana no hiaretan'ny mpanomponao an'izao; rahoviana Ianao vao hitsara ireo izay manenjika ahy? BSB BSB: How many days must Your servant wait? When will You execute judgment on my persecutors?
85 ULB Nihady lavaka ho ahy ny mpirehareha, sady nanohitra ny lalànao. BSB BSB: The arrogant have dug pits for me in violation of Your law.
86 ULB Azo ianteherana ny didinao rehetra; manenjika ahy amin'ny tsy antony ireo olona ireo; ampio aho. BSB BSB: All Your commandments are faithful; I am persecuted without cause—help me!
87 ULB Efa saiky nanapitra ny aiko tety an-tany ireo, saingy tsy mahafoy ny fampianaranao aho. BSB BSB: They almost wiped me from the earth, but I have not forsaken Your precepts.
88 ULB Amin'ny fitiavanao tsy mivadika, velomy aho, mba hankatoavako ny didinao. LAMEDA. BSB BSB: Revive me according to Your loving devotion, that I may obey the testimony of Your mouth.
89 ULB Yaveh o, mitoetra mandrakizay ny teninao; miorina mafy any an-danitra ny teninao. BSB BSB: Your word, O LORD, is everlasting; it is firmly fixed in the heavens.
90 ULB Maharitra ho an'ny taranaka rehetra ny fahatokianao; Ianao no nanorina ny tany, ary mitoetra izany. BSB BSB: Your faithfulness continues through all generations; You established the earth, and it endures.
91 ULB Mitohy mandrak'ankehitriny ny zavatra rehetra, araka izay voalazanao ao amin'ny lalà-marinao, fa mpanomponao ny zavatra rehetra. BSB BSB: Your ordinances stand to this day, for all things are servants to You.
92 ULB Raha tsy sitrako ny didinao, dia efa matin'ny fahoriako aho tahaka izay. BSB BSB: If Your law had not been my delight, then I would have perished in my affliction.
93 ULB Tsy ho adinoiko mandrakizay ny fampianaranao, fa tamin'ireo no namelomanao ahy. BSB BSB: I will never forget Your precepts, for by them You have revived me.
94 ULB Anao aho; vonjeo aho, fa mikatsaka ny fampianaranao. BSB BSB: I am Yours; save me, for I have sought Your precepts.
95 ULB Mivonona hamotika ahy ny ratsy fanahy, fa hikatsaka ny hahalala ny didim-panekenao aho. BSB BSB: The wicked wait to destroy me, but I will ponder Your testimonies.
96 ULB Hitako fa misy fetrany avokoa ny zava-drehetra, fa midadasika, tsy misy fetra ny didinao. MEMA. BSB BSB: I have seen a limit to all perfection, but Your commandment is without limit.
97 ULB Endrey ny fitiavako ny lalànao! Izany no saintsainiko tontolo andro. BSB BSB: Oh, how I love Your law! All day long it is my meditation.
98 ULB Mahendry ahy mihoatra ireo fahavaloko ny didinao, fa miaraka amiko mandrakariva ny didinao. BSB BSB: Your commandments make me wiser than my enemies, for they are always with me.
99 ULB Manana fahazavan-tsaina mihoatra ireo mpampianatro rehetra aho, fa misaintsaina ny didim-panekenao. BSB BSB: I have more insight than all my teachers, for Your testimonies are my meditation.
100 ULB Mahatakatra mihoatra ireo izay be taona no izaho aho; izany dia satria nitandrina ireo fampianaranao aho. BSB BSB: I discern more than the elders, for I obey Your precepts.
101 ULB Niaro ny tongotro hiala amin'ny lalan-dratsy rehetra aho mba hitandremako ny teninao. BSB BSB: I have kept my feet from every evil path, that I may keep Your word.
102 ULB Tsy nivily lalana niala tamin'ny lalà-marinao aho, fa Ianao no nampianatra ahy. BSB BSB: I have not departed from Your ordinances, for You Yourself have taught me.
103 ULB Endrey ny hamamin'ny teninao raha andramako, eny, mamy mihoatra ny tantely amin'ny vavako! BSB BSB: How sweet are Your words to my taste—sweeter than honey in my mouth!
104 ULB Amin'ny fampianaranao no ahazoako fahaiza-manavaka; noho izany dia halako ny lalan-diso rehetra. NONA. BSB BSB: I gain understanding from Your precepts; therefore I hate every false way.
105 ULB Fanilo ho an'ny tongotro ary jiro ho an'ny lalako ny teninao. BSB BSB: Your word is a lamp to my feet and a light to my path.
106 ULB Efa nianiana aho ary nohamafisiko izany, fa hitandrina ny lalà-marinao aho. BSB BSB: I have sworn and confirmed that I will keep Your righteous judgments.
107 ULB Tena ory tokoa aho; velomy aho, ry Yaveh, araka izay nampanantenainao tamin'ny teninao. BSB BSB: I am severely afflicted, O LORD; revive me through Your word.
108 ULB Yaveh o, mba ekeo re ny fanati-tsitrapo avy amin'ny vavako, ary ampianaro ny lalà-marinao aho. BSB BSB: Accept the freewill offerings of my mouth, O LORD, and teach me Your judgments.
109 ULB Eo an-tanako lalandava ny aiko, kanefa tsy mba manadino ny lalànao aho. BSB BSB: I constantly take my life in my hands, yet I do not forget Your law.
110 ULB Nanao vela-pandrika ho ahy ny ratsy fanahy, fa tsy naniasia hiala amin'ny fampianaranao aho. BSB BSB: The wicked have set a snare for me, but I have not strayed from Your precepts.
111 ULB Ambarako ho lovako mandrakizay ny didim-panekenao. BSB BSB: Your testimonies are my heritage forever, for they are the joy of my heart.
112 ULB Tafatoetra amin'ny fanoavana ny didinao mandrakizay hatramin'ny farany indrindra ny foko. SAMEKA. BSB BSB: I have inclined my heart to perform Your statutes, even to the very end.
113 ULB Halako ireo miroroa-saina, fa tiako ny lalànao. BSB BSB: The double-minded I despise, but Your law I love.
114 ULB Ianao no toerana fiafenako sy ampingako; miandry ny teninao aho. BSB BSB: You are my hiding place and my shield; I put my hope in Your word.
115 ULB Mialà amiko, ianareo ry mpanao ratsy, mba hitandremako ny didin'Andriamanitro. BSB BSB: Depart from me, you evildoers, that I may obey the commandments of my God.
116 ULB Tohano amin'ny alalan'ny teninao aho mba ho velona ka tsy ho menatra amin'ny fanantenako. BSB BSB: Sustain me as You promised, that I may live; let me not be ashamed of my hope.
117 ULB Tohano aho, dia hiadana; hisaintsaina ny lalànao mandrakariva aho. BSB BSB: Uphold me, and I will be saved, that I may always regard Your statutes.
118 ULB Lavinao ireo rehetra maniasia miala amin'ny didinao, fa mpamitaka sady tsy azo itokiana ireny olona ireny. BSB BSB: You reject all who stray from Your statutes, for their deceitfulness is in vain.
119 ULB Esorinao tahaka ny tain-drendrika ny ratsy fanahin'ny tany rehetra; noho izany dia tiako ny didy masinao. BSB BSB: All the wicked on earth You discard like dross; therefore I love Your testimonies.
120 ULB Mangovingovitry ny tahotra Anao ny vatako, ary matahotra ny lalà-masinao aho. AINA. BSB BSB: My flesh trembles in awe of You; I stand in fear of Your judgments.
121 ULB Manao izay rariny sy marina aho; aza mahafoy ahy ho any amin'ny mpampahory ahy. BSB BSB: I have done what is just and right; do not leave me to my oppressors.
122 ULB Omeo antoka ny fanambinan'ny mpanomponao; aza avela hampahory ahy ny mpirehereha. BSB BSB: Ensure Your servant’s well-being; do not let the arrogant oppress me.
123 ULB Miha-reraka ny masoko eo am-piandrasana ny famonjenao sy ny teny marinao. BSB BSB: My eyes fail, looking for Your salvation, and for Your righteous promise.
124 ULB Asehoy ny mpanomponao ny fanekena mahatokinao, ary ampianaro ny didinao aho. BSB BSB: Deal with Your servant according to Your loving devotion, and teach me Your statutes.
125 ULB Mpanomponao aho; omeo fahazavan-tsaina aho mba hahalalako ny didim-panekenao. BSB BSB: I am Your servant; give me understanding, that I may know Your testimonies.
126 ULB Fotoana hiasan'i Yaveh izao, fa nandika ny lalànao ny olona. BSB BSB: It is time for the LORD to act, for they have broken Your law.
127 ULB Tiako mihoatra noho ny volamena ny didinao, mihoatra noho ny volamena tsara indrindra. BSB BSB: Therefore I love Your commandments more than gold, even the purest gold.
128 ULB Noho izany dia manaraka tsara ny fampianaranao rehetra aho, ary halako ny lalam-pitaka rehetra. PE. BSB BSB: Therefore I admire all Your precepts and hate every false way.
129 ULB Mahagaga ny fitsipikao, izany no antony hankatoavako ireo. BSB BSB: Wonderful are Your testimonies; therefore I obey them.
130 ULB Ny fampiharihariana ny teninao no manome fahazavana; manome fahazavan-tsaina ho an'izay tsy nampianarina izany. BSB BSB: The unfolding of Your words gives light; it informs the simple.
131 ULB Sokafako ny vavako ka misanasana, fa maniry mafy ny didinao aho. BSB BSB: I open my mouth and pant, longing for Your commandments.
132 ULB Mitodiha amiko ary mamindrà fo amiko, araka ny ataonao mandrakariva amin'ireo izay tia ny anaranao. BSB BSB: Turn to me and show me mercy, as You do to those who love Your name.
133 ULB Ampizory amin'ny teninao ny tongotro; aza avela hisy fahotana hanapaka ahy. BSB BSB: Order my steps in Your word; let no sin rule over me.
134 ULB Avoty amin'ny fampahorian'ny olombelona aho mba hitandremako ny fampianaranao. BSB BSB: Redeem me from the oppression of man, that I may keep Your precepts.
135 ULB Aoka hamirapiratra amin'ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny didinao. BSB BSB: Make Your face shine upon Your servant, and teach me Your statutes.
136 ULB Ranomaso mandriaka no miraradraraka amin'ny masoko satria tsy mitandrina ny lalànao ny olona. TSADE. BSB BSB: My eyes shed streams of tears because Your law is not obeyed.
137 ULB Marina Ianao, ry Yaveh, ary rariny ny didinao. BSB BSB: Righteous are You, O LORD, and upright are Your judgments.
138 ULB Nomenao am-pahamarinana sy am-pahatokiana ny didim-panekenao. BSB BSB: The testimonies You have laid down are righteous and altogether faithful.
139 ULB Nandravarava ahy ny hatezerana satria manadino ny teninao ny mpifanandrina amiko. BSB BSB: My zeal has consumed me because my foes forget Your words.
140 ULB Efa voazaha-toetra tsara ny teninao, ary tian'ny mpanomponao izany. BSB BSB: Your promise is completely pure; therefore Your servant loves it.
141 ULB Tsy dia misy dikany aho sady namavoina, kanefa tsy mba manadino ny fampianaranao aho. BSB BSB: I am lowly and despised, but I do not forget Your precepts.
142 ULB Marina mandrakizay ny fitsaranao, ary mendri-pitokiana ny lalànao. BSB BSB: Your righteousness is everlasting and Your law is true.
143 ULB Na nahazo ahy aza ny fahoriana sy ny fangirifiriana, dia mbola mamiko hatrany ny didinao. BSB BSB: Trouble and distress have found me, but Your commandments are my delight.
144 ULB Marina mandrakizay ny didim-panekenao; omeo fahazavan-tsaina aho mba ho velona. KOFA. BSB BSB: Your testimonies are righteous forever. Give me understanding, that I may live.
145 ULB Nihiakiaka tamin'ny foko manontolo aho hoe: "Valio aho, ry Yaveh, dia hitana ny lalànao. BSB BSB: I call with all my heart; answer me, O LORD! I will obey Your statutes.
146 ULB Miantso Anao aho; vonjeo aho, dia hitandrina ny didim-panekenao." BSB BSB: I call to You; save me, that I may keep Your testimonies.
147 ULB Mifoha mialohan'ny mangiran-dratsy aho ary mihiaka famonjena. Ao amin'ny teninao ny fanantenako. BSB BSB: I rise before dawn and cry for help; in Your word I have put my hope.
148 ULB Mihiratra mialohan'ny hiovan'ny fiambenan'ny alina ny masoko mba hisaintsainako ny teninao. BSB BSB: My eyes anticipate the watches of night, that I may meditate on Your word.
149 ULB Mandrenesa ny feoko amin'ny fanekana mahatokinao; velomy aho, ry Yaveh, araka ny nampanantenainao tao amin'ny lalà-marinao. BSB BSB: Hear my voice, O LORD, according to Your loving devotion; give me life according to Your justice.
150 ULB Miha-manakaiky ahy ireo izay manenjika ahy, saingy lavitry ny lalànao ireo. BSB BSB: Those who follow after wickedness draw near; they are far from Your law.
151 ULB Akaiky Ianao, ry Yaveh, ary azo itokiana ny didinao rehetra. BSB BSB: You are near, O LORD, and all Your commandments are true.
152 ULB Nianatra avy tamin'ny didim-panekenao izay napetrakao tamin'ny toerany mandrakizay hatry ny elabe aho. RESY. BSB BSB: Long ago I learned from Your testimonies that You have established them forever.
153 ULB Jereo ny fahoriako ka ampio aho, fa tsy mba manadino ny lalànao aho. BSB BSB: Look upon my affliction and rescue me, for I have not forgotten Your law.
154 ULB Misoloa vava ahy ka avoty aho; tano aho, araka izay nampanantenainao tamin'ny teninao. BSB BSB: Defend my cause and redeem me; revive me according to Your word.
155 ULB Lavitra an'ireo ratsy fanahy ny famonjena, fa tsy tia ny didinao ireo. BSB BSB: Salvation is far from the wicked because they do not seek Your statutes.
156 ULB Lehibe ny famindram-ponao, ry Yaveh o; velomy aho, araka ny ataonao mandrakariva. BSB BSB: Great are Your mercies, O LORD; revive me according to Your ordinances.
157 ULB Maro ny mpanenjika ahy sy ny fahavaloko, kanefa tsy niala tamin'ny didim-panekenao aho. BSB BSB: Though my persecutors and foes are many, I have not turned from Your testimonies.
158 ULB Feno rikoriko ny fijeriko an'ireo mpamadika satria tsy mitandrina ny teninao izy ireo. BSB BSB: I look on the faithless with loathing because they do not keep Your word.
159 ULB Endrey ny fitiavako ny fampianaranao; velomy aho, ry Yaveh, araka ny nampanantenainao tamin'ny fanekena mahatokinao. BSB BSB: Consider how I love Your precepts, O LORD; give me life according to Your loving devotion.
160 ULB Fahamarinana no loharanon'ny teninao; maharitra mandrakizay ny lalà-marinao tsirairay. SINA. BSB BSB: The entirety of Your word is truth, and all Your righteous judgments endure forever.
161 ULB Manenjika tsy ahoan-tsy ahoana ireo andriana; dia mangorohoro ny foko, matahotra ny tsy hanoa ny teninao. BSB BSB: Rulers persecute me without cause, but my heart fears only Your word.
162 ULB Miravoravo amin'ny teninao tahaka ny olona iray izay mahazo babo lehibe aho. BSB BSB: I rejoice in Your promise like one who finds great spoil.
163 ULB Halako sady hamavoiko ny fitaka, fa tiako ny lalànao. BSB BSB: I hate and abhor falsehood, but Your law I love.
164 ULB Impito isan'andro no hiderako Anao nohon'ny lalà-marinao. BSB BSB: Seven times a day I praise You for Your righteous judgments.
165 ULB Fiadanana lehibe no hananan'ireo izay tia ny lalànao; tsy misy mahatafintohina azy ireo. BSB BSB: Abundant peace belongs to those who love Your law; nothing can make them stumble.
166 ULB Miandry ny famonjenao aho, ry Yaveh, ary manoa ny didinao. BSB BSB: I wait for Your salvation, O LORD, and I carry out Your commandments.
167 ULB Mitandrina ny didy masinao aho, ary tiako fatratra ireo. BSB BSB: I obey Your testimonies and love them greatly.
168 ULB Mihazona ny fampianaranao sy ny didy masinao aho, fa fantatrao izay rehetra ataoko. TAV. BSB BSB: I obey Your precepts and Your testimonies, for all my ways are before You.
169 ULB Mihainoa ny antso vonjiko, ry Yaveh; omeo fahazavan-tsaina ao amin'ny teninao aho. BSB BSB: May my cry come before You, O LORD; give me understanding according to Your word.
170 ULB Ho tonga eo aminao anie ny fangatahako; ampio aho, araka ny efa nampanantenainao tamin'ny teninao. BSB BSB: May my plea come before You; rescue me according to Your promise.
171 ULB Hiboiboika fiderana anie ny molotro, fa ampianarinao ahy ny didinao. BSB BSB: My lips pour forth praise, for You teach me Your statutes.
172 ULB Aoka ny lelako hihira ny amin'ny teninao, fa marina avokoa ny didinao rehetra. BSB BSB: My tongue sings of Your word, for all Your commandments are righteous.
173 ULB Hanampy ahy anie ny tananao, fa nifidy ny fampianaranao aho. BSB BSB: May Your hand be ready to help me, for I have chosen Your precepts.
174 ULB Maniry fatratra ny fanavotanao aho, ry Yaveh, ary ny lalànao no mamiko. BSB BSB: I long for Your salvation, O LORD, and Your law is my delight.
175 ULB Ho velona anie aho ka hidera anao, ary hanampy ahy anie ny lalà-marinao. BSB BSB: Let me live to praise You; may Your judgments sustain me.
176 ULB Efa nirenireny tahaka ny ondry very aho; tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba nanadino ny didinao aho. BSB BSB: I have strayed like a lost sheep; seek Your servant, for I have not forgotten Your commandments.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.