1 ULB Miderà an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh, ianareo any an-danitra; miderà Azy, ianareo any amin'ny avo. BSB BSB: Hallelujah! Praise the LORD from the heavens; praise Him in the highest places.
2 ULB Miderà azy, ry anjeliny rehetra; miderà Azy, ry miaramilany rehetra. BSB BSB: Praise Him, all His angels; praise Him, all His heavenly hosts.
3 ULB Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mamiratra rehetra. BSB BSB: Praise Him, O sun and moon; praise Him, all you shining stars.
4 ULB Miderà Azy, ry avo indrindra amin'ny lanitra ary ianareo rano izay eny ambanin'ny habakabaka. BSB BSB: Praise Him, O highest heavens, and you waters above the skies.
5 ULB Aoka hidera ny anaran'i Yaveh ireo, fa Izy no nanome ny didy, ary dia nohariana ireo. BSB BSB: Let them praise the name of the LORD, for He gave the command and they were created.
6 ULB Nampitoetra azy ireo mandrakizay doria Izy; Nomeny lalàna ireo ka tsy hiova mihintsy. BSB BSB: He established them forever and ever; He issued a decree that will never pass away.
7 ULB Miderà Azy ety an-tany, ianareo dragona sy lalin'ny ranomasimbe rehetra, BSB BSB: Praise the LORD from the earth, all great sea creatures and ocean depths,
8 ULB ny afo sy havandra, ny oram-panala sy ny zavona, ny rivo-mahery manatanteraka ny teniny. BSB BSB: lightning and hail, snow and clouds, powerful wind fulfilling His word,
9 ULB Miderà Azy, ry tendrombohitra sy havoana rehetra, ry hazo mamoa sy sedera rehetra, BSB BSB: mountains and all hills, fruit trees and all cedars,
10 ULB ry bibidia sy ny voafolaka, ireo zava-manan'aina izay mandady ary ireo voro-manidina. BSB BSB: wild animals and all cattle, crawling creatures and flying birds,
11 ULB Miderà an'i Yaveh, ry mpanjakan'ny tany sy ny firenena rehetra, ry andriana sy izay manapaka eo amin'ny tany, BSB BSB: kings of the earth and all peoples, princes and all rulers of the earth,
12 ULB ry tovolahy sy tovovavy, ny antitra sy ny tanora. BSB BSB: young men and maidens, old and young together.
13 ULB Aoka hidera ny anaran'i Yaveh ireo, fa ny anarany irery ihany no asandratra ary ny voninahiny hihitatra amin'ny tany sy ny lanitra. BSB BSB: Let them praise the name of the LORD, for His name alone is exalted; His splendor is above the earth and the heavens.
14 ULB Efa nanandratra ny tandroky ny olony ho fiderana ho an'ny olony mahatoky Izy, dia ny Israelita, ilay vahoaka akaiky Azy. Miderà an'i Yaveh. BSB BSB: He has raised up a horn for His people, the praise of all His saints, of Israel, a people near to Him. Hallelujah!
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.