1 ULB Nomena volotara mba ampiasaina tahaka ny tehina aho. Nolazaina tamiko hoe: "Mitsangàna ary refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary ireo izay mivavaka ao. BSB BSB: Then I was given a measuring rod like a staff and was told, “Go and measure the temple of God and the altar, and count the number of worshipers there.
2 ULB Fa aza refesina ny kianja eo ivelan'ny tempoly, fa nomena an'ireo Jentilisa izany. Hanitsaka ny tanàna masina mandritry ny roa amby efapolo volana izy ireo. BSB BSB: But exclude the courtyard outside the temple. Do not measure it, because it has been given over to the nations, and they will trample the holy city for 42 months.
3 ULB Homeko ireo vavolombeloko roa ny fahefana haminany mandritry ny 1, 260 andro, nitafy lamba fisaonana." BSB BSB: And I will empower my two witnesses, and they will prophesy for 1,260 days, clothed in sackcloth.”
4 ULB Ireo vavolombelona ireo dia hazon'oliva roa sy ny fitoeran-jiro roa izay nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany. BSB BSB: These witnesses are the two olive trees and the two lampstands that stand before the Lord of the earth.
5 ULB Raha misy olona misafidy handratra azy ireo, dia mivoaka afo ny vavan'izy ireo ka hihinana ireo fahavalon'izy ireo. Na iza na iza maniry ny handratra azy ireo dia tsy maintsy hovonoina amin'izany fomba izany. BSB BSB: If anyone wants to harm them, fire proceeds from their mouths and devours their enemies. In this way, anyone who wants to harm them must be killed.
6 ULB Ireo vavolombelona ireo dia manana fahefana hanidy ny lanitra mba tsy hilatsahan'ny orana mandritry ny andro haminanian'izy ireo. Manam-pahefana izy ireo hanova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin'ny karazana loza rehetra na oviana na oviana irian'izy ireo. BSB BSB: These witnesses have power to shut the sky so that no rain will fall during the days of their prophecy, and power to turn the waters into blood and to strike the earth with every kind of plague as often as they wish.
7 ULB Rehefa ho vita ny fijoroan'izy ireo vavolombelona, dia miakatra avy any anaty lavaka tsy hita noanoa ilay bibidia hiady hanohitra azy ireo. Handresy azy ireo Izy ary hamono azy ireo. BSB BSB: When the two witnesses have finished their testimony, the beast that comes up from the Abyss will wage war with them, and will overpower and kill them.
8 ULB Hiampatra eny amin'ny lalan'ny tanàn-dehibe ny fatin'izy ireo (izay antsoina ihany koa hoe Sodoma sy Egypta) izay namantsihana ny Tompon'izy ireo. BSB BSB: Their bodies will lie in the street of the great city—figuratively called Sodom and Egypt—where their Lord was also crucified.
9 ULB Hijery ny fatin'izy ireo mandritra ny telo andro sy tapany ny olona, ny foko, fiteny, ary ny firenena rehetra. Tsy ho avelan'izy ireo apetraka ao am-pasana ireo BSB BSB: For three and a half days all peoples and tribes and tongues and nations will view their bodies and will not permit them to be laid in a tomb.
10 ULB Ireo izay miaina eo ambonin'ny tany dia hifaly amin'izy ireo ary hankalaza. Hifandefa fanomezana mihintsy aza izy ireo satria nampijaly ireo izay miaina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo. BSB BSB: And those who dwell on the earth will gloat over them and celebrate and send one another gifts, because these two prophets had tormented them.
11 ULB Fa afaka telo andro sy tapany dia hiditra ao amin'izy ireo ny fofon'aina avy amin'Andriamanitra, ary hijoro amin'ny tongony izy ireo. Hilatsaka amin'ireo izay mahita azy ireo ny tahotra lehibe. BSB BSB: But after the three and a half days, the breath of life from God entered the two witnesses, and they stood on their feet, and great fear fell upon those who saw them.
12 ULB Avy eo dia handre feo mahery avy any an-danitra izy ireo miteny azy ireo hoe: "Miakara eto!" Avy eo dia hiakatra ho any an-danitra ao anaty rahona izy ireo, raha mbola mijery tany ireo fahavalon'izy ireo. BSB BSB: And the witnesses heard a loud voice from heaven saying, “Come up here.” And they went up to heaven in a cloud as their enemies watched them.
13 ULB Amin'izany ora izany dia hisy horohoron-tany mafy, ary hirodana ny ampahafolon'ny tanàna. Fito arivo ny olona ho faty amin'ilay horohorontany, ary ho raiki-tahotra ireo olona sisa tsy maty ary hanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra. BSB BSB: And in that hour there was a great earthquake, and a tenth of the city collapsed. Seven thousand were killed in the quake, and the rest were terrified and gave glory to the God of heaven.
14 ULB Lasa ny loza faharoa. Indro! tonga faingana ny loza fahatelo. BSB BSB: The second woe has passed. Behold, the third woe is coming shortly.
15 ULB Avy eo dia nampaneno ny trompetrany ny anjely fahafito, ary nisy feo mafy niteny tany an-danitra nanao hoe: "Ho lasa fanjakan'ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan'izao tontolo izao. Izy no hanjaka mandrakizay doria." BSB BSB: Then the seventh angel sounded his trumpet, and loud voices called out in heaven: “The kingdom of the world has become the kingdom of our Lord and of His Christ, and He will reign forever and ever.”
16 ULB Avy eo ireo loholona efatra amby roapolo izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'izy ireo teo anatrehan'Andriamanitra dia nampiankohoka ny tenan'izy ireo. Nankalaza an'Andriamanitra izy ireo. BSB BSB: And the twenty-four elders who sit on their thrones before God fell on their faces and worshiped God,
17 ULB Hoy izy ireo: "Manome fisaorana Anao izahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, ilay ankehitriny sy taloha, satria naka ny herinao lehibe ianao ary nanomboka nanjaka. BSB BSB: saying: “We give thanks to You, O Lord God Almighty, the One who is and who was, because You have taken Your great power and have begun to reign.
18 ULB Tezitra mafy ireo firenena, kanefa tonga ny fahatezeranao. Tonga ny fotoana hitsarana ny maty sy hamalianao soa ireo mpaminany mpanomponao, ireo izay mpino, sy ireo izay natahotra ny anaranao, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Tonga ny fotoana handringananao ireo izay manimba ny tany." BSB BSB: The nations were enraged, and Your wrath has come. The time has come to judge the dead and to reward Your servants the prophets, as well as the saints and those who fear Your name, both small and great—and to destroy those who destroy the earth.”
19 ULB Avy eo dia nisokatra ny tempolin'Andriamanitra tany an-danitra ary hita ny fiaran'ny fanekeny ao anatin'ny tempoliny. Nisy tsela-pahazavana, kotroka, kotrokorana, horohorontany, ary havandra vaventy tao. BSB BSB: Then the temple of God in heaven was opened, and the ark of His covenant appeared in His temple. And there were flashes of lightning, rumblings, peals of thunder, an earthquake, and a great hailstorm.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.