1 ULB Avy eo aho dia nahita anjely mahery hafa nidina avy any an-danitra. Tao anaty rahona izy, ary nisy avana teo ambonin'ny lohany. Ny tarehiny dia miendrika masoandro ary ny tongony dia tahaka ny andry afo. BSB BSB: Then I saw another mighty angel coming down from heaven, wrapped in a cloud, with a rainbow above his head. His face was like the sun, and his legs were like pillars of fire.
2 ULB Mitazona horonan-taratasy kely mivelatra amin'ny tanany izy, ary mametraka ny tongony havanana amin'ny ranomasina sy ny tongony havia amin'ny tany. BSB BSB: He held in his hand a small scroll, which lay open. He placed his right foot on the sea and his left foot on the land.
3 ULB Avy eo izy dia nihiaka tamin'ny feo mafy tahaka ny fieron'ny liona. Rehefa nihiaka izy, dia nikotroka mafy tamin'ny feony ny kotroka fito. BSB BSB: Then he cried out in a loud voice like the roar of a lion. And when he cried out, the seven thunders sounded their voices.
4 ULB Rehefa nikotroka ny kotroka fito, dia teo andalam-panoratana aho, fa nandre feo avy any an-danitra aho niteny hoe: "Tazomy ho tsiambaratelo izay nolazain'ny kotroka fito. Aza soratana izany." BSB BSB: When the seven thunders had spoken, I was about to put it in writing. But I heard a voice from heaven saying, “Seal up what the seven thunders have said, and do not write it down.”
5 ULB Avy eo ilay anjely hitako nitsangana teo ambony ranomasina sy teo amin'ny tany, nanandratra ny tanany havanana tany an-danitra. BSB BSB: Then the angel I had seen standing on the sea and on the land lifted up his right hand to heaven.
6 ULB Izy nianiana tamin'ilay iray izay velona mandrakizay doria, izay namorona ny lanitra sy izay rehetra ao anatin'izany, ny tany sy izay rehetra ao anatin'izany, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao anatin'izany, ary ilay anjely niteny hoe: "Tsy hisy fiandrasana intsony. BSB BSB: And he swore by Him who lives forever and ever, who created heaven and everything in it, the earth and everything in it, and the sea and everything in it: “There will be no more delay!
7 ULB Fa amin'ny andro iray rehefa hampaneno ny trompetrany ny anjely fahafito, dia ho tanteraka ny misterin'Andriamanitra, tahaka ny nanambarany tamin'ireo mpaminany mpanompony." BSB BSB: But in the days of the voice of the seventh angel, when he begins to sound his trumpet, the mystery of God will be fulfilled, just as He proclaimed to His servants the prophets.”
8 ULB Ilay feo izay reko avy any an-danitra niteny tamiko indray hoe: "Mandehana, alaivo ilay horonan-taratasy mivelatra izay eny an-tanan'ilay anjely mitsangana eo ambony ranomasina sy ambonin'ny tany." BSB BSB: Then the voice that I had heard from heaven spoke to me again, saying, “Go, take the small scroll that lies open in the hand of the angel standing on the sea and on the land.”
9 ULB Avy eo dia lasa nankany amin'ilay anjely aho ary niteny taminy mba hanome ahy ilay horonan-taratasy kely. Hoy izy tamiko: "Raiso ny horonan-taratasy ary hano izany. Hampangidy ny ao an-kibonao izany, fa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely izany." BSB BSB: And I went to the angel and said, “Give me the small scroll.” “Take it and eat it,” he said. “It will make your stomach bitter, but in your mouth it will be as sweet as honey.”
10 ULB Nalaiko tamin' ny tanan'ilay anjely ilay horonan-taratasy kely ary nohaniko izany. Mamy tahaka ny tantely tao am-bavako izany, fa taorinan'ny nihinanako azy, dia lasa nangidy ny tao an-kiboko. BSB BSB: So I took the small scroll from the angel’s hand and ate it, and it was as sweet as honey in my mouth. But when I had eaten it, my stomach turned bitter.
11 ULB Avy eo nisy olona iray niteny tamiko hoe: "Tsy maintsy maminany indray ianao momban'ireo olona maro, ireo firenena, ireo fiteny, ary ireo mpanjaka." BSB BSB: And they told me, “You must prophesy again about many peoples and nations and tongues and kings.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.