1 ULB Nampaneno ny trompetrany ny anjely fahadimy. Nahita kintana avy any an-danitra aho izay nianjera teny amin'ny tany. Ilay kintana no nomena ny fanalahidin'ilay lavaka tsy hita noanoa. BSB BSB: Then the fifth angel sounded his trumpet, and I saw a star that had fallen from heaven to earth, and it was given the key to the pit of the Abyss.
2 ULB Nosokafany ilay lavaka tsy hita noanoa, ary niakatra ny setroka nivoaka tao amin'ny lavaka toy ny setroka avy amin'ny lafaoro lehibe. Nivadika maloka ny masoandro sy ny rivotra nohon'ny setroka nivoaka tao an-davaka. BSB BSB: The star opened the pit of the Abyss, and smoke rose out of it like the smoke of a great furnace, and the sun and the air were darkened by the smoke from the pit.
3 ULB Avy amin'ny setroka no nahatongavan'ireo valala teto ambonin'ny tany, ary nomena hery tahaka ny an'ny maingoka teto ambonin'ny tany izy ireo. BSB BSB: And out of the smoke, locusts descended on the earth, and they were given power like that of the scorpions of the earth.
4 ULB Notenenina izy ireo tsy hanimba ny ahitra teto ambonin'ny tany na ireo zava-maniry maitso na hazo, fa ireo olona izay tsy manana tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handrin'izy ireo ihany. BSB BSB: They were told not to harm the grass of the earth or any plant or tree, but only those who did not have the seal of God on their foreheads.
5 ULB Tsy nahazo alalana ny hamono ireo olona ireo izy ireo, fa hampijaly azy ireo mandritra ny dimy volana ihany. Ny fanaintainan'izy ireo dia ho toy ny tsindron'ny maingoka rehefa mamely olona. BSB BSB: The locusts were not given power to kill them, but only to torment them for five months, and their torment was like the stinging of a scorpion.
6 ULB Amin'ireo andro ireo dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita izany. Haniry ny ho faty mafy izy ireo, nefa handositra azy ireo ny fahafatesana. BSB BSB: In those days men will seek death and will not find it; they will long to die, but death will escape them.
7 ULB Toy ny soavaly nomanina tamin'ny ady ireo valala. Tamin'ny lohan'izy ireo dia nisy zavatra toy ny satro-boninahitra volamena, ary ny tavan'izy ireo dia toy ny tavan'olombelona. BSB BSB: And the locusts looked like horses prepared for battle, with something like crowns of gold on their heads; and their faces were like the faces of men.
8 ULB Nanana volo toy ny volom-behivavy izy ireo, ary ny nifin' izy ireo dia toy ny nifin'ny ireo liona. BSB BSB: They had hair like that of women, and teeth like those of lions.
9 ULB Nanana fiarovan-tratra toy ny fiarovan-tratra vy izy ireo, ary ny feon'ny elatr'izy ireo dia toy ny feon'ny kalesy sy soavaly maro mihazakazaka ho any amin'ny ady. BSB BSB: They also had breastplates like breastplates of iron, and the sound of their wings was like the roar of many horses and chariots rushing into battle.
10 ULB Nanana rambo nisy fanindromana toy ny maingoka izy ireo; ao amin'ny rambon'izy ireo no misy ny hery hanimba ny olona mandritra ny dimy volana. BSB BSB: They had tails with stingers like scorpions, which had the power to injure people for five months.
11 ULB Nanana mpanjaka izy ireo dia ilay anjelin'ilay lavaka tsy hita noanoa. Ny anarany tamin'ny teny Hebreo dia Abadona, ary ny anarany tamin'ny teny grika dia i Apolyona. BSB BSB: They were ruled by a king, the angel of the Abyss. His name in Hebrew is Abaddon, and in Greek it is Apollyon.
12 ULB Lasa ny loza voalohany. Indro! aorian'izao dia mbola hisy loza roa ho avy. BSB BSB: The first woe has passed. Behold, two woes are still to follow.
13 ULB Nampaneno ny trompetrany ilay anjely fahaenina, ary naheno ny feo nivoaka tamin'ny tandroky ny alitara volamena izay efa nisy teo anatrehan'Andriamanitra aho. BSB BSB: Then the sixth angel sounded his trumpet, and I heard a voice from the four horns of the golden altar before God
14 ULB Ary niteny tamin'ilay anjely fahaenina ilay feo manao hoe: "Avotsory ireo anjely efatra izay mifatotra any amin'ilay renirano lehiben' ny Eofrata." BSB BSB: saying to the sixth angel with the trumpet, “Release the four angels who are bound at the great river Euphrates.”
15 ULB Ireo anjely efatra izay efa nomanina tamin'izany ora izany, izany andro izany, izany volana izany, ary izany taona izany, dia navotsotra mba hamono ny ampahatelon'ny olombelona. BSB BSB: So the four angels who had been prepared for this hour and day and month and year were released to kill a third of mankind.
16 ULB Ny isan'ireo miramila nitaingin-tsoavaly dia 200, 000, 000. Naheno ireo isa ireo aho. BSB BSB: And the number of mounted troops was two hundred million; I heard their number.
17 ULB Toy izany no fomba nahitako ireo soavaly tao amin'ny fahitako sy ireo izay nitaingina teo amin'izy ireo: Ireo fiarovan-tratran'izy ireo dia mirehitra mena, manga antitra ary solifara mavo. Nitovy tamin'ny lohan'ireo liona ny lohan'ireo soavaly, ary ny nivoaka avy tao am-bavan'izy ireo dia afo, setroka, ary solifara. BSB BSB: Now the horses and riders in my vision looked like this: The riders had breastplates the colors of fire, sapphire, and sulfur. The heads of the horses were like the heads of lions, and out of their mouths proceeded fire, smoke, and sulfur.
18 ULB Ary ny ampahatelon'ireo olona dia matin'ireo loza telo: ny afo, ny setroka, ary ny solifara izay nivoaka avy tao am-bavan'izy ireo. BSB BSB: A third of mankind was killed by the three plagues of fire, smoke, and sulfur that proceeded from their mouths.
19 ULB Fa ny herin'ireo soavaly dia avy tao amin'ny vavan'izy ireo sy tamin'ny rambon'izy ireo- fa ny rambon'izy ireo dia toy ny bibilava, ary nanana loha izay afaka mandratra olona izy ireo. BSB BSB: For the power of the horses was in their mouths and in their tails; indeed, their tails were like snakes, having heads with which to inflict harm.
20 ULB Ny ambin'ireo olombelona, ireo izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka tamin'asa izay vitan'izy ireo, na nijanona nanompo ireo demony sy sampy volamena, volafotsy, varahana, vato, ary hazo- ireo zavatra izay tsy hita maso, re, na mandeha. BSB BSB: Now the rest of mankind who were not killed by these plagues still did not repent of the works of their hands. They did not stop worshiping demons and idols of gold, silver, bronze, stone, and wood, which cannot see or hear or walk.
21 ULB Izy ireo dia mbola tsy nibebaka tamin'ny asa famonoana, ny famosavian'izy ireo, ny fijangajangana na ireo asa fangalaran'izy ireo. BSB BSB: Furthermore, they did not repent of their murder, sorcery, sexual immorality, and theft.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.