1 ULB Ary nasehon'ilay anjely ahy ilay onin'ny ranon'ny fiainana, madio tahaka ny kristaly. Izany dia mikoriana avy any amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry BSB BSB: Then the angel showed me a river of the water of life, as clear as crystal, flowing from the throne of God and of the Lamb
2 ULB mamakivaky eo afovoan'ny lalan'ny tanàna. Ary ny andaniny roa amin'ny ony dia samy misy ilay hazon'ny fiainana, mamoa karazana voa roa ambin'ny folo, ary izany dia mamoa ny voany isam-bolana. Ny ravin'izany hazo izany dia natao hanasitrana ny firenena rehetra. BSB BSB: down the middle of the main street of the city. On either side of the river stood a tree of life, bearing twelve kinds of fruit and yielding a fresh crop for each month. And the leaves of the tree are for the healing of the nations.
3 ULB Ka tsy hisy intsony ny voahozona. Ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry dia ho ao amin'ny tanàna, ary ireo mpanompony dia hanompo Azy. BSB BSB: No longer will there be any curse. The throne of God and of the Lamb will be within the city, and His servants will worship Him.
4 ULB Hahita ny Endriny izy ireo, ary ny Anarany dia ho eo amin'ny handrin'izy ireo. BSB BSB: They will see His face, and His name will be on their foreheads.
5 ULB Ka tsy hisy alina intsony; izy ireo dia tsy mila fahazavan'ny jiro na ny masoandro intsony satria ny Tompo Andriamanitra no hazava eo amin'izy ireo. Ary hanjaka mandrakizay doria izy ireo. BSB BSB: There will be no more night in the city, and they will have no need for the light of a lamp or of the sun. For the Lord God will shine on them, and they will reign forever and ever.
6 ULB Hoy ilay anjely tamiko: "Ireo teny ireo dia azo atokisana sy marina. Ny tompo, ilay Andriamanitr'ireo fanahin'ireo mpaminany, dia nandefa ny anjeliny mba hampiseho izay zavatra tsy maintsy hitranga tsy ho ela amin'ireo mpanompony." BSB BSB: Then the angel said to me, “These words are faithful and true. The Lord, the God of the spirits of the prophets, has sent His angel to show His servants what must soon take place.”
7 ULB Indro! Efa akaiky ny fihaviako! Sambatra izay mankàto ireo tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity." BSB BSB: “Behold, I am coming soon. Blessed is the one who keeps the words of prophecy in this book.”
8 ULB Izaho, Jaona, ilay iray izay nandre sy nahita ireo zavatra ireo. Rehefa nandre sy nahita izany aho, dia niankohoka teo amin'ny tongotr'ilay anjely ny tenako mba hidera azy, ilay anjely izay nampiseho ahy ireo zavatra ireo. BSB BSB: And I, John, am the one who heard and saw these things. And when I had heard and seen them, I fell down to worship at the feet of the angel who had shown me these things.
9 ULB Hoy izy tamiko: "Aza manao izany! Fa mpanompo namanao miaraka aminao aho, miaraka amin'ireo mpaminany rahalahinao, ary miaraka amin'ireo izay mankàto ireo tenin'ity boky ity. Miderà an'Andriamanitra!" BSB BSB: But he said to me, “Do not do that! I am a fellow servant with you and your brothers the prophets, and with those who keep the words of this book. Worship God!”
10 ULB Hoy izy tamiko: "Aza asiana tombo-kase ireo tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny fotoana. BSB BSB: Then he told me, “Do not seal up the words of prophecy in this book, because the time is near.
11 ULB Izay manao ny tsy marina, avelao izy hanohy ny tsy fahamarinana. Izay maloto fiaina, avelao izy hanohy ny fiainany maloto. Izay marina, avelao izy hanohy ny fanaovana ny marina. Izay masina, avelao izy hanohy ny fahamasinana." BSB BSB: Let the unrighteous continue to be unrighteous, and the vile continue to be vile; let the righteous continue to practice righteousness, and the holy continue to be holy.”
12 ULB "Indro! Efa akaiky ny fihaviako. Ny valisoako dia miaraka amiko, mba hamaliako ny tsirairay araka ny zava-bitany. BSB BSB: “Behold, I am coming soon, and My reward is with Me, to give to each one according to what he has done.
13 ULB Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. BSB BSB: I am the Alpha and the Omega, the First and the Last, the Beginning and the End.”
14 ULB Sambatra ireo izay manasa ny akanjon'izy ireo mba hahazo alalana mihinana avy amin'ny hazon'ny fiainana sy hiditra ao amin'ny tanàna avy eo amin'ny vavahady. BSB BSB: Blessed are those who wash their robes, so that they may have the right to the tree of life and may enter the city by its gates.
15 ULB Fa any ivelany ireo alika, ireo mpanao ody, ireo mpijangajanga, ireo mpamono olona, ireo mpanompo sampy, ary izay rehetra tia mandainga sy ireo mpandainga. BSB BSB: But outside are the dogs, the sorcerers, the sexually immoral, the murderers, the idolaters, and everyone who loves and practices falsehood.
16 ULB Izaho, Jesosy, dia nandefa ny anjeliko mba hanambara aminareo ireo zavatra ho an'ireo fiangonana. Izaho no fakany sy taranak'i Davida, ilay kintana mamirapiratra maraina." BSB BSB: “I, Jesus, have sent My angel to give you this testimony for the churches. I am the Root and the Offspring of David, the bright Morning Star.”
17 ULB Ny Fanahy sy ny Ampakarina manao hoe: "Avia!" Aoka izay mandre hiteny hoe: "Avia!" Na iza na iza mangetaheta, aoka izy hanatona, ary na iza na iza maniry izany, aoka izy hahazo maimaim-poana ny ranon'ny fiainana. BSB BSB: The Spirit and the bride say, “Come!” Let the one who hears say, “Come!” And let the one who is thirsty come, and the one who desires the water of life drink freely.
18 ULB Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: "Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy loza ho azy izay voasoratra ao amin'ity boky ity. BSB BSB: I testify to everyone who hears the words of prophecy in this book: If anyone adds to them, God will add to him the plagues described in this book.
19 ULB Raha misy manaisotra ny teny faminaniana amin'ity boky ity, Andriamanitra dia hanaisotra ny anjarany amin'ny hazon'ny fiainana sy ny tanàna masina izay voasoratra ao anatin'ity boky ity." BSB BSB: And if anyone takes away from the words of this book of prophecy, God will take away his share in the tree of life and the holy city, which are described in this book.
20 ULB Hoy ilay iray izay manambara ireo zavatra ireo: "Eny! Efa akaiky ny fihaviako." Amena! Tongava, ry Tompo Jesosy! BSB BSB: He who testifies to these things says, “Yes, I am coming soon.” Amen. Come, Lord Jesus!
21 ULB Ho amin'ny olona rehetra anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy. Amena. BSB BSB: The grace of the Lord Jesus be with all the saints. Amen.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.