1 ULB Dia nitodika aho ka nampiandrandra ny masoko, ka nahita, indro, horonan-taratasy manidina! BSB BSB: Again I lifted up my eyes and saw before me a flying scroll.
2 ULB Hoy ilay anjely tamiko hoe: "Inona no hitanao?" Dia namaly aho hoe: "Horonan-taratasy manidina no itako, roapolo hakiho ny halavany ary folo hakiho ny sakany." BSB BSB: “What do you see?” asked the angel. “I see a flying scroll,” I replied, “twenty cubits long and ten cubits wide.”
3 ULB Dia hoy izy tamiko hoe: "Ity no ozona izay mivoaka manerana izao tontolo izao, fa ny mpangalatra rehetra dia ho fongorina manomboka izao izay mifototra amin'izay lazainy amin'ny andaniny, ary izay rehetra milaza fianianana diso dia ho fongorina izay mifototra amin'izay lazainy amin'ny ankilany, araka ny tenin'izy ireo. BSB BSB: Then he told me, “This is the curse that is going out over the face of all the land, for according to one side of the scroll, every thief will be removed; and according to the other side, every perjurer will be removed.
4 ULB "Ho havoakako izany—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—koa hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao amin'ny tranon'izay mianiana diso amin'ny anarako izany. Hitoetra ao an-tranony izany ary hanimba ny hazony sy ireo vatony." BSB BSB: I will send it out, declares the LORD of Hosts, and it will enter the house of the thief and the house of him who swears falsely by My name. It will remain inside his house and destroy it, down to its timbers and stones.”
5 ULB Dia nivoaka ilay anjely izay niresaka tamiko ary niteny tamiko hoe: "Asandrato ny masonao ka jereo izay tonga eo" BSB BSB: Then the angel who was speaking with me came forward and told me, “Now lift up your eyes and see what is approaching.”
6 ULB Dia hoy aho hoe: "Inona iny?" Dia hoy izy hoe: "Harona misy efaha iny tonga iny. Ity no helok'izy ireo amin'ny tany manontolo." BSB BSB: “What is it?” I asked. And he replied, “A measuring basket is going forth.” Then he continued, “This is their iniquity in all the land.”
7 ULB Dia nalàna tamin'ny harona ny firaka fandrakofana ary nisy vehivavy tao ambanin'izany izay nipetraka tao! BSB BSB: And behold, the cover of lead was raised, and there was a woman sitting inside the basket.
8 ULB Dia niteny ilay anjely hoe: "Faharatsiana ity!" Natsipiny tao anaty harona indray izy, ary natsipiny teo amin'ny fisokafany ilay firaka fandrakofana. BSB BSB: “This is Wickedness,” he said. And he shoved her down into the basket, pushing down the lead cover over its opening.
9 ULB Nampiandrandra ny masoko aho ary nahita vehivavy roa manatona ahy, ary ny rivotra dia teny amin'ny elatr'izy ireo—fa nanana elatra tahaka ny elatry ny vano izy ireo. Nampisandratra ny harona teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra izy ireo. BSB BSB: Then I lifted up my eyes and saw two women approaching, with the wind in their wings. Their wings were like those of a stork, and they lifted up the basket between heaven and earth.
10 ULB Ka niteny tamin'ilay anjely izay niresaka tamiko aho hoe: "Ho entin'izy ireo mankaiza ny harona?" BSB BSB: “Where are they taking the basket?” I asked the angel who was speaking with me.
11 ULB Dia hoy izy tamiko hoe: "Hanamboarana tempoly any amin'ny tanin'i Sinara ho an'izany, ka rehefa vonona ny tempoly, dia hampitoerina any eo amin'ny fototra voahomana ho azy ilay harona." BSB BSB: “To build a house for it in the land of Shinar,” he told me. “And when it is ready, the basket will be set there on its pedestal.”