1 ULB Dia nitodika aho ary nampiandrandra ny masoko ka nahita kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary ireo tendrombohitra roa ireo dia vita avy tamin'ny varahina. BSB BSB: And again I lifted up my eyes and saw four chariots coming out from between two mountains—mountains of bronze.
2 ULB Ny kalesy voalohany dia nanana soavaly mena, ny kalesy faharoa nanana soavaly mainty, BSB BSB: The first chariot had red horses, the second black horses,
3 ULB ny kalesy fahatelo nanana soavaly fotsy ary ny kalesy fahefatra dia nanana soavaly sada fotsy. BSB BSB: the third white horses, and the fourth dappled horses—all of them strong.
4 ULB Dia namaly aho ka niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko hoe: "Inona ireo, ry tompoko?" BSB BSB: So I inquired of the angel who was speaking with me, “What are these, my lord?”
5 ULB Namaly ilay anjely ka niteny tamiko hoe: "Ireo no rivotra efatry ny lanitra izay nivoaka teo amin'ny toerana izay nitsanganan'izy ireo teo anoloan'ilay Tompon'ny tany rehetra. BSB BSB: And the angel told me, “These are the four spirits of heaven, going forth from their station before the Lord of all the earth.
6 ULB Ilay iray izay miaraka amin'ny soavaly mainty dia mivoaka mankany amin'ny firenena avaratra; ireo soavaly fotsy dia mivoaka mankany amin'ny firenena andrefana; ary ireo soavaly sada fotsy dia mivoaka mankany amin'ny firenena atsimo." BSB BSB: The one with the black horses is going toward the land of the north, the one with the white horses toward the west, and the one with the dappled horses toward the south.”
7 ULB Ireo soavaly matanjaka ireo dia nivoaka ary nitady handeha sy hirenireny eny amin'ny tany, ka hoy ilay anjely hoe: "Mandehana mirenireny eny amin'ny tany!" ary nandeha nirenireny eran'ny tany rehetra izy ireo. BSB BSB: As the strong horses went out, they were eager to go and patrol the earth; and the LORD said, “Go and patrol the earth.” So they patrolled the earth.
8 ULB Dia nitaraina tamiko izy ka niresaka tamiko ary nanao hoe: "Jereo ireo izay mivoaka ho any amin'ny firenena avaratra; hampitony ny fanahiko mahakasika ny firenena avaratra izy ireo." BSB BSB: Then the LORD summoned me and said, “Behold, those going to the land of the north have given rest to My Spirit in the land of the north.”
9 ULB Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: The word of the LORD also came to me, saying,
10 ULB "Makà fanatitra amin'ireo tany an-tsesitany—avy any Helday, Tobia, ary Jedaia—ary mandehana amin'izany andro izany ihany ary alaivo ao an-tranon'i Josia zanak'i Zefania, izay avy tany Babylona izany. BSB BSB: “Take an offering from the exiles—from Heldai, Tobijah, and Jedaiah, who have arrived from Babylon—and go that same day to the house of Josiah son of Zephaniah.
11 ULB Dia alaivo ny volafotsy sy volamena, manaova satro-boninahitra ary apetraho eo amin'ny lohan'i Josoa zanaka lahin'i Jozadaka, ilay mpisoronabe izany. BSB BSB: Take silver and gold, make an ornate crown, and set it on the head of the high priest, Joshua son of Jehozadak.
12 ULB Miresaha aminy ary lazao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ity lehilahy ity, ny anarany dia Rantsana! Hitombo eo amin'ny misy azy izy sady hanorina ny tempolin'i Yaveh! BSB BSB: And you are to tell him that this is what the LORD of Hosts says: ‘Here is a man whose name is the Branch, and He will branch out from His place and build the temple of the LORD.
13 ULB Izy no hanorina ny tempolin'i Yaveh ary hanangana avo ny famirapiratan' izany; dia hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany izy. Ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany izy ary hisy ny fahazavan-tsain'ny fiadanana eo amin'izy roa. BSB BSB: Yes, He will build the temple of the LORD; He will be clothed in splendor and will sit on His throne and rule. And He will be a priest on His throne, and there will be peaceful counsel between the two.’
14 ULB Hapetraka eo amin'ny tempolin'i Yaveh ny satro-boninahitra hanomezam-boninahitra an'i Helema, Tobia, sy Jedaia ary ho fahatsiarovana ny hatsaram-panahin'ny zanaka lahin'i Zefania. BSB BSB: The crown will reside in the temple of the LORD as a memorial to Helem, Tobijah, Jedaiah, and the gracious son of Zephaniah.
15 ULB Ary ireo izay lavitra dia ho tonga sy hanorina ny tempolin'i Yaveh, ka ho fantatrao fa Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy ho aminareo; fa hitranga izany raha tena mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo!"' BSB BSB: Even those far away will come and build the temple of the LORD, and you will know that the LORD of Hosts has sent Me to you. This will happen if you diligently obey the voice of the LORD your God.”