1 ULB Tamin'i Dariosa mpanjaka no mpanapaka nandritry ny efa-taona, tamin'ny andro fahefatra nanjakan'i Kisleva (izay volana fahasivy), dia tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Yaveh. BSB BSB: In the fourth year of King Darius, the word of the LORD came to Zechariah on the fourth day of the ninth month, the month of Chislev.
2 ULB Nandefa an'i Serezera sy Regema-meleka ary ireo olony ny vahoakan'i Betela mba hiangavy anoloan'ny tavan'i Yaveh. BSB BSB: Now the people of Bethel had sent Sharezer and Regem-melech, along with their men, to plead before the LORD
3 ULB Niresaka tamin'ireo mpisorona izay tao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro sy tamin'ireo mpaminany izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Tokony hisaona amin'ny alalan'ny fifadian-kanina ve aho amin'ny volana fahadimy, tahaka izay efa nataoko taona maro ireny?" BSB BSB: by asking the priests of the house of the LORD of Hosts, as well as the prophets, “Should I weep and fast in the fifth month, as I have done these many years?”
4 ULB Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD of Hosts came to me, saying,
5 ULB "Mitenena amin'ny mponin'ny tany rehetra sy amin'ireo mpisorona ka ataovy hoe: 'Raha nifady hanina sy nisaona tamin'ny volana fahadimy sy fahafito ianareo nandritr'izay fito taona izay, moa ve nifady hanina ho Ahy marina ianareo? BSB BSB: “Ask all the people of the land and the priests, ‘When you fasted and mourned in the fifth and seventh months for these seventy years, was it really for Me that you fasted?
6 ULB Raha nihinana sy nisotro ianareo, moa ve tsy nisotro sy nihinana ho an'ny tenanareo ianareo? BSB BSB: And when you were eating and drinking, were you not doing so simply for yourselves?
7 ULB Moa ve tsy ireo teny ireo ihany no nambaran'i Yaveh tamin'ny vavan'ireo mpaminany taloha, raha mbola nonina tao Jerosalema sy ireo tanàna nanodidina tamin'ny fanambinana ary nitoetra tao Negeva, sy ireo lemaka amoron-tsiraka any andrefana ianareo?"' BSB BSB: Are these not the words that the LORD proclaimed through the earlier prophets, when Jerusalem and its surrounding towns were populous and prosperous, and the Negev and the foothills were inhabited?’”
8 ULB Tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Zechariah, saying,
9 ULB "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: 'Mitsarà amin'ny fitsarana marina, fanekena mahatoky, ary famindram-po. Aoka ny olona tsirairay hanao izany amin'ny rahalahiny. BSB BSB: “This is what the LORD of Hosts says: ‘Administer true justice. Show loving devotion and compassion to one another.
10 ULB Ny amin'ny mpitondratena sy kamboty, ny vahiny, ary ny olona mahantra—aza mampahory azy ireo, ary aoka tsy hisy aminareo hitetika hanisy ratsy ny hafa ao am-ponareo.' BSB BSB: Do not oppress the widow or the fatherless, the foreigner or the poor. And do not plot evil in your hearts against one another.’
11 ULB Nefa nandà ny hihaino izy ireo ary nanamafy ny sorok'izy ireo. Nanakatona ny sofiny izy ireo mba tsy handre. BSB BSB: But they refused to pay attention and turned a stubborn shoulder; they stopped up their ears from hearing.
12 ULB Nanamafy ny fony tahaka ny vato izy ireo mba tsy handre ny lalàna na ireo tenin'i Yaveh tompon'ny maro. Nandefa ireo hafatra ireo ho an'ny vahoaka tamin'ny alalan'ny Fanahiny tamin'ny fotoana taloha, tamin'ny alalan'ny vavan'ireo mpaminany Izy. Nefa nandà ny hihaino ny vahoaka, ka tezitra mafy tamin'izy ireo Yaveh tompon'ny maro. BSB BSB: They made their hearts like flint and would not listen to the law or to the words that the LORD of Hosts had sent by His Spirit through the earlier prophets. Therefore great anger came from the LORD of Hosts.
13 ULB Ary rehefa niantso Izy, dia tsy nihaino izy ireo. Tahaka izany ihany," hoy Yaveh tompon'ny maro, "no hiantsoan'izy ireo mafy Ahy, fa tsy hihaino Aho. BSB BSB: And just as I had called and they would not listen, so when they called I would not listen, says the LORD of Hosts.
14 ULB Fa haeliko amin'ny tadio any amin'ireo firenena rehetra izay tsy mbola hitany izy ireo, ary ho lao manaraka azy ireo ny tany. Fa tsy misy olona handalo amin'ny tany na hiverina ao amin'izany satria efa namadika ny tanin'izy ireo mahafinaritra ho tany ngazana ny vahoaka." BSB BSB: But I scattered them with a whirlwind among all the nations that they had not known, and the land was left desolate behind them so that no one could come or go. Thus they turned the pleasant land into a desolation.”