1 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, nanao hoe: BSB BSB: Again the word of the LORD of Hosts came to me, saying:
2 ULB "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Tia fatratra an'i Ziona amin'ny zotom-po lehibe Aho ary saropiaro nohon'ny aminy amin'ny hatezerana lehibe Aho! BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “I am jealous for Zion with great zeal; I am jealous for her with great fervor.”
3 ULB Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: hiverina any Ziona Aho ary hitoetra ao afovoan'i Jerosalema, fa efa nantsoina hoe ilay Tanànan'ny Fahamarinana i Jerosalema ary ny tendrombohitr'i Yaveh tompon'ny maro dia ho antsoina hoe Ilay Tendrombohitra Masina! BSB BSB: This is what the LORD says: “I will return to Zion and dwell in Jerusalem. Then Jerusalem will be called the City of Truth, and the mountain of the LORD of Hosts will be called the Holy Mountain.”
4 ULB Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Lahy antitra sy vavy antitra indray no ho eny an-dalam-ben'i Jerosalema, ary ny olona tsirairay hila tehana ho eny an-tanany satria efa niha-antitra izy. BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “Old men and old women will again sit along the streets of Jerusalem, each with a staff in hand because of great age.
5 ULB Ho feno tovolahy sy tovovavy milalao eny amin'ireo lalam-ben'ny tanàna. BSB BSB: And the streets of the city will be filled with boys and girls playing there.”
6 ULB Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Amin'izany andro izany raha misy zavatra tsy hay atao eo imason'ireo vahoaka sisa tavela, dia tokony tsy ho hay atao eo imasoko koa ve izany? —izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “If this is impossible in the eyes of the remnant of this people in these days, should it also be impossible in My eyes?” declares the LORD of Hosts.
7 ULB Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Indro, eo an-dalam-panavotana ny oloko amin'ny tany fiposahan'ny masoandro Aho ary eo amin'ny tany filentehan'ny masoandro! BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “I will save My people from the land of the east and from the land of the west.
8 ULB Fa hitondra azy ireo hiverina Aho, ary honina ao afovoan'i Jerosalema izy ireo, mba ho vahoakako indray izy ireo, ary ho Andriamanitr'izy ireo amin'ny marina sy amin'ny fahamarinana Aho! BSB BSB: I will bring them back to dwell in Jerusalem, where they will be My people, and I will be their faithful and righteous God.”
9 ULB Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ianao izay manohy mihaino ireo teny mitovy izay nivoaka avy tamin'ny vavan'ny mpaminany rehefa napetraka ny fototry ny tranoko—ity tranoko ity, Yaveh tompon'ny maro: Atanjaho ireo tananao mba ho voatsangana ny tempol. BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “Let your hands be strong, you who now hear these words spoken by the prophets who were present when the foundations were laid to rebuild the temple, the house of the LORD of Hosts.
10 ULB Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy vokatra voaangon'ny olona, tsy nisy tombony na ho an'ny olona na ho an'ny biby, ary tsy nisy fiadanana ho an'izay olona mivoaka na miditra avy tamin'ireo fahavalo. Efa nametraka ny olona tsirairay hanohitra ny namany Aho. BSB BSB: For before those days neither man nor beast received wages, nor was there safety from the enemy for anyone who came or went, for I had turned every man against his neighbor.
11 ULB Fa ankehitriny izany dia tsy ho toy ny tamin'ny andro fahiny, homba ny sisan'ity vahoaka ity Aho— izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro. BSB BSB: But now I will not treat the remnant of this people as I did in the past,” declares the LORD of Hosts.
12 ULB Fa hafafy ny voan'ny fiadanana; dia hanome ny voany ny hazo voaloboka ary ny tany hanome ny vokam-pamboleny; hanome ny andony ny lanitra, fa hampandovaiko izany zavatra rehetra izany ny sisa amin'ity vahoaka ity. BSB BSB: “For the seed will be prosperous, the vine will yield its fruit, the ground will yield its produce, and the skies will give their dew. To the remnant of this people I will give all these things as an inheritance.
13 ULB Ohatra ho an'ireo firenen'ny ozona hafa ianareo, ry taranak'i Joda sy taranak'Israely. Koa dia hamonjy anareo Aho ary ho fitahiana ianareo. Aza matahotra; aoka hatanjaka ny tananareo! BSB BSB: As you have been a curse among the nations, O house of Judah and house of Israel, so I will save you, and you will be a blessing. Do not be afraid; let your hands be strong.”
14 ULB Fa izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: tahaka ny nanomanako hanao ratsy aminareo rehefa nampatezitra Ahy ireo razambenareo—hoy Yaveh tompon'ny maro—ary tsy nilefitra Aho, BSB BSB: For this is what the LORD of Hosts says: “Just as I resolved to bring disaster upon you when your fathers provoked Me to anger, and I did not relent,” says the LORD of Hosts,
15 ULB no hanomanako hanao zavatra tsara indray ho an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda ihany koa amin'izany andro izany! Aza matahotra! BSB BSB: “so now I have resolved to do good again to Jerusalem and Judah. Do not be afraid.
16 ULB Ireto no zavatra izay tsy maintsy hataonareo: Milazà ny marina, ny olona tsirairay amin'ny namany. Mitsarà amin'ny marina, rariny, ary fiadanana eo amin'ny vavahadinareo. BSB BSB: These are the things you must do: Speak truth to one another, render true and sound judgments in your gates,
17 ULB Aza manao fikasan-dratsy ao am-ponareo amin'ny hafa, ary aza mitia fianianan-diso—satria mankahala ireo zavatra ireo Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: do not plot evil in your hearts against your neighbor, and do not love to swear falsely, for I hate all these things,” declares the LORD.
18 ULB Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, manao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD of Hosts came to me, saying,
19 ULB "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra, volana fahadimy, volana fahafito, ary ny volana fahafolo dia ho lasa fotoanan'ny fifaliana, firavoravoana, ary fotoana mahafinaritra ho an'ny tarakan'i Joda! Noho izany tiavo ny fahamarinana sy ny fiadanana! BSB BSB: “This is what the LORD of Hosts says: The fasts of the fourth, the fifth, the seventh, and the tenth months will become times of joy and gladness, cheerful feasts for the house of Judah. Therefore you are to love both truth and peace.”
20 ULB Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ho tonga indray ny vahoaka, na dia ireo izay monina amin'ireo tanàna maro samihafa aza. BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “Peoples will yet come—the residents of many cities—
21 ULB Handeha ho any amin'ny tanàna hafa ny mponin'ny tanàna iray ka hanao hoe: "Aoka handeha faingana eo anoloan'i Yaveh isika ka hitady an'i Yaveh tompon'ny maro! Handeha ihany koa isika. BSB BSB: and the residents of one city will go to another, saying: ‘Let us go at once to plead before the LORD and to seek the LORD of Hosts. I myself am going.’
22 ULB Vahoaka maro sy firenena mahery maro no ho tonga hitady an'i Yaveh tompon'ny maro any Jerosalema ary hiangavy ny fankasitrahan'i Yaveh! BSB BSB: And many peoples and strong nations will come to seek the LORD of Hosts in Jerusalem and to plead before the LORD.”
23 ULB Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia lehilahy folo avy amin'ny fiteny sy firenena rehetra no hiazona ny sisin'ny akanjonao ary hiteny hoe: 'Aoka hiaraka aminao izahay, fa efa renay fa momba anao Andriamanitra!'" BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “In those days ten men from the nations of every tongue will tightly grasp the robe of a Jew, saying, ‘Let us go with you, for we have heard that God is with you.’”