1 ULB Izao no fanambaran'ny tenin'i Yaveh mahakasika ny tanin'i Hadraka sy Damaskosy. Fa ny mason'i Yaveh dia amin'ny olombelona rehetra, ary koa amin'ny fokon'Israely rehetra. BSB BSB: This is the burden of the word of the LORD against the land of Hadrach and Damascus its resting place—for the eyes of men and of all the tribes of Israel are upon the LORD—
2 ULB Ity fanambarana ity ihany koa dia mahakasika an'i Hamata, izay mifanolotra amin'i Damaskosy, ary mahakasika an'i Tyro sy Sidona izany, na dia tena hendry aza izy ireo. BSB BSB: and also against Hamath, which borders it, as well as Tyre and Sidon, though they are very shrewd.
3 ULB Efa nanorina fiarovana mafy ho an'ny tenany i Tyro ary nanangona volafotsy tahaka ny vovoka sy volamena voadio tahaka ny fotaka eny an-dalana. BSB BSB: Tyre has built herself a fortress; she has heaped up silver like dust, and gold like the dirt of the streets.
4 ULB Indro! hanafoana azy Andriamanitra ary hanimba ny tanjany an-dranomasina, mba ho levon'ny afo izy. BSB BSB: Behold, the Lord will impoverish her and cast her wealth into the sea, and she will be consumed by fire.
5 ULB Hahita i Askelona ka hatahotra! Hangovitra mafy ihany koa i Gaza! Ekrona, ho foana ny fanantenany! Ho faty any Gaza ny mpanjaka, ary i Askelona dia tsy hisy mponina intsony! BSB BSB: Ashkelon will see and fear; Gaza will writhe in agony, as will Ekron, for her hope will wither. There will cease to be a king in Gaza, and Ashkelon will be uninhabited.
6 ULB Hanao ny tranony ao Asdoda ireo vahiny, ary hanafoana ny fireharehan'ireo Filistina Aho. BSB BSB: A mixed race will occupy Ashdod, and I will cut off the pride of the Philistines.
7 ULB Fa hanala ny ràn'izy ireo avy eo amin'ny vavany Aho ary ny fahavetavetan'izy ireo eo anelanelan'ny nifiny. Ary dia ho lasa sisa ho an'ny Andriamanitsika tahaka ny foko any Joda izy ireo, ary Ekrona dia ho lasa tahaka ireo Jebosita. BSB BSB: I will remove the blood from their mouths and the abominations from between their teeth. Then they too will become a remnant for our God; they will become like a clan in Judah, and Ekron will be like the Jebusites.
8 ULB Hitoby manodidina ny taniko Aho mba hanohitra ireo miaramilan'ny fahavalo ka tsy hisy na iray aza afaka mandroso na miverina, fa tsy hisy mpampahory handalo eo amin'izany intsony. Fa ankehitriny dia hiambina ny taniko amin'ny masoko Aho! BSB BSB: But I will camp around My house because of an army, because of those who march to and fro, and never again will an oppressor overrun My people, for now I keep watch with My own eyes.
9 ULB Mihobia amin'ny fifaliam-be, ry zanaka vavin'i Ziona! Mihobia am-pifaliana, ry zanaka vavin'i Jerosalema! Indro! Tonga amim-pahamarinana aminao ny mpanjaka ary manavotra anao. Manetry tena izy ka mitaingina eo amin'ny boriky, eo ambony zana-boriky. BSB BSB: Rejoice greatly, O Daughter of Zion! Shout in triumph, O Daughter of Jerusalem! See, your King comes to you, righteous and victorious, humble and riding on a donkey, on a colt, the foal of a donkey. 10 ULB Ary ho foanako ny kalesy avy any Efraima sy ny soavaly avy any Jerosalema, ary ny tsipìka dia ho foanana amin'ny ady; fa hilaza fiadanana amin'ireo firenena izy, ary ny fanapahany dia ho avy amin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faravazan-tany! BSB BSB: And I will cut off the chariot from Ephraim and the horse from Jerusalem, and the bow of war will be broken. Then He will proclaim peace to the nations. His dominion will extend from sea to sea, and from the Euphrates to the ends of the earth.
11 ULB Raha ny aminareo, nohon'ny ràn'ny fanekeko ao aminareo, dia hafahako avy ao an-davaka izay tsy misy rano ireo gadranareo. BSB BSB: As for you, because of the blood of My covenant, I will release your prisoners from the waterless pit.
12 ULB Miverena any amin'ny fiarovana mafy, ry gadran'ny fanantenana! Eny na dia anio aza dia manambara Aho fa hanonitra avo roa heny aminareo, BSB BSB: Return to your stronghold, O prisoners of hope; even today I declare that I will restore to you double.
13 ULB fa efa nanenjana an'i Joda ho tsipìkako Aho. Efa namahana ny zana-tsipìkako tamin'ny Efraima Aho. Efa nanaitra ireo zanakareo lahy Aho, ry Ziona, hanohitra ireo zanakareo lahy, ry Grisia, ary efa nanao anareo tahaka ny sabatry ny mpiady Aho, ry Ziona! BSB BSB: For I will bend Judah as My bow and fit it with Ephraim. I will rouse your sons, O Zion, against the sons of Greece. I will make you like the sword of a mighty man.
14 ULB Hiseho amin'izy ireo i Yaveh, ary hitifitra tahaka ny tselatra ny tsipìkany! Fa Yaveh Tompoko hitsoka trompetra ary handroso avy amin'ny tafio-drivotra avy any Temana. BSB BSB: Then the LORD will appear over them, and His arrow will go forth like lightning. The Lord GOD will sound the ram’s horn and advance in the whirlwinds of the south.
15 ULB Yaveh tompon'ny maro no hiaro azy ireo, ary handevona azy ireo sy handresy ny vaton'antsamotadiny ireo. Ary dia hisotro izy ireo ary hidradradradra tahaka ny olona mamon'ny divay, ary ho feno divay tahaka ireo lovia izy ireo, tahaka ireo zoron'ny alitara. BSB BSB: The LORD of Hosts will shield them. They will destroy and conquer with slingstones; they will drink and roar as with wine. And they will be filled like sprinkling bowls, drenched like the corners of the altar.
16 ULB Koa amin'izany andro izany dia hamonjy azy ireo i Yaveh Andriamaniny; dia ho tahaka ny ondrin'ny vahoakany izy ireo, fa izy ireo no ho firavaky ny satro-boninahitra, hisandratra eo amin'ny taniny. BSB BSB: On that day the LORD their God will save them as the flock of His people; for like jewels in a crown they will sparkle over His land.
17 ULB Fa akory ny hasoany sy hatsaran-tarehin'izy ireo! Haniry eo amin'ny vary ny tovolahy ary ny virijiny eo amin'ny voaloboka mamy! BSB BSB: How lovely they will be, and how beautiful! Grain will make the young men flourish, and new wine, the young women.