1 ULB Mangataha orana amin'i Yaveh amin'ny vanim-potoan'ny oran-dohataona—Yaveh izay manao kotrokorana—ary manome orana mivatravatra ho an'ny olon-drehetra sy ny zava-maitso eny an-tsaha. BSB BSB: Ask the LORD for rain in springtime; the LORD makes the storm clouds, and He will give everyone showers of rain and crops in the field.
2 ULB Fa ireo sampy ao an-tokatrano dia miteny lainga; ny mpisikidy manao sary an-tsaina lainga; miteny nofy fitaka izy ireo ary manome fampiononana foana, ka mirenireny toy ny ondry ary mijaly nohon'ny tsy fisian'ny mpiandry izy ireo. BSB BSB: For idols speak deceit and diviners see illusions; they tell false dreams and offer empty comfort. Therefore the people wander like sheep, oppressed for lack of a shepherd.
3 ULB Ny hatezerako dia mirehitra amin'ireo mpiandry ondry; ireo osilahy— mpitarika—no ho faiziko. Yaveh tompon'ny maro ihany koa dia hanatrika ireo ondriny, dia ny taranak'i Joda, ary hanao azy ireo toy ny soavaly fentiny any amin'ny ady! BSB BSB: “My anger burns against the shepherds, and I will punish the leaders. For the LORD of Hosts attends to His flock, the house of Judah; He will make them like His royal steed in battle.
4 ULB Avy amin'izy ireo no hiavian'ny vato fehizoro; avy amin'izy ireo no hiavian'ny fihantonan-javatry ny lay; avy amin'izy ireo no hiavian'ny tsipìka fiadiana; avy amin'izy ireo no hiavian'ny mpitarika rehetra hiaraka. BSB BSB: The cornerstone will come from Judah, the tent peg from him, as well as the battle bow and every ruler together.
5 ULB Ho toy ny mpiady izay manitsaka ny fahavalony eo amin'ny fotaky ny lalana amin'ny ady izy ireo; hiady izy ireo, satria Yaveh no momba azy ireo, ary hahamenatra ireo izay mitaingina soavalin'ady izy ireo. BSB BSB: They will be like mighty men in battle, trampling the enemy in the mire of the streets. They will fight because the LORD is with them, and they will put the horsemen to shame.
6 ULB Hampahery ny taranak'i Joda Aho ary hamonjy ny taranak'i Josefa; fa hamerina azy ireo amin'ny laoniny Aho ka hamindra fo amin'izy ireo. Ho toy ny hoe tsy nolaviko izy ireo, satria Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo, ary hamaly azy ireo Aho. BSB BSB: I will strengthen the house of Judah and save the house of Joseph. I will restore them because I have compassion on them, and they will be as though I had not rejected them. For I am the LORD their God, and I will answer them.
7 ULB Dia ho toy ny mpiady i Efraima, ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fon'izy ireo; hahita izany ireo zanany ka hifaly. Hifaly Amiko ny fon'izy ireo! BSB BSB: Ephraim will be like a mighty man, and their hearts will be glad as with wine. Their children will see it and be joyful; their hearts will rejoice in the LORD.
8 ULB Hisioka ho azy ireo Aho ary hanangona azy ireo, satria hamonjy azy ireo Aho, ary ho tonga lehibe tahaka ny teo aloha izy ireo! BSB BSB: I will whistle for them to gather, for I have redeemed them; and they will be as numerous as they once were.
9 ULB Namafy azy ireo teny amin'ireo olona Aho, nefa hahatsiaro Ahy any amin'ireo firenena lavitra izy ireo, ka ho velona sy hiverina izy ireo sy ny zanany. BSB BSB: Though I sow them among the nations, they will remember Me in distant lands; they and their children will live and return.
10 ULB Fa hampody azy ireo avy any amin'ny tany Egypta Aho ary hanangona azy ireo avy any Asyria. Hitondra azy ireo any amin'ny tanin'ny Gileada sy Libanona Aho mandra-paha tsy hisy efitrano ho azy ireo intsony. BSB BSB: I will bring them back from Egypt and gather them from Assyria. I will bring them to Gilead and Lebanon until no more room is found for them.
11 ULB Hamakivaky ny ranomasim-pahorian'izy ireo Aho; hamely ireo onjan'izany ranomasina izany Aho ary hanamaina ny lalin'i Neily rehetra. Hahetry ny voninahitr'i Asyria, ary ny tehim-panjakan'i Egypta hiala amin'ireo Egyptiana. BSB BSB: They will pass through the sea of distress and strike the waves of the sea; all the depths of the Nile will dry up. The pride of Assyria will be brought down, and the scepter of Egypt will depart.
12 ULB Hanamafy orina azy ireo amiko Aho, ary handeha amin'ny anarako izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: I will strengthen them in the LORD, and in His name they will walk,” declares the LORD.