1 ULB Vohay ny varavaranao, ry Libanona, mba handevonan'ny afo ny sederanao! BSB BSB: Open your doors, O Lebanon, that the fire may consume your cedars!
2 ULB Misaonà, ry hazo kypreso, fa efa nianjera ny hazo sedera! Ireo avo dia efa nofongorana! Misaonà, ianareo ry hazo terebintan'i Basana, fa efa ripaka ny ala mikitroka. BSB BSB: Wail, O cypress, for the cedar has fallen; the majestic trees are ruined! Wail, O oaks of Bashan, for the dense forest has been cut down!
3 ULB Midradradradra ireo mpiandry ondry, fa efa rava ny voninahitr'izy ireo! Mierona ny feon'ny zanaky ny liona, fa efa rava ny reharehan'ny Ony Jordana! BSB BSB: Listen to the wailing of the shepherds, for their glory is in ruins. Listen to the roaring of the young lions, for the thickets of the Jordan are destroyed.
4 ULB Fa izao no lazain'i Yaveh Andriamanitro: "Tahaka ny mpiandry ondry, miambina ny ondry izay ho vonoina! BSB BSB: This is what the LORD my God says: “Pasture the flock marked for slaughter,
5 ULB (mamono azy ireo ilay mividy azy ary tsy voasazy, ary ilay mivarotra azy ireo manao hoe: 'Isaorana anie Yaveh! Efa tonga mpanan-karena aho!' fa ireo mpiandry miasa ho an'ireo tompon'ondry dia tsy niantra azy ireo.) BSB BSB: whose buyers slaughter them without remorse. Those who sell them say, ‘Blessed be the LORD, for I am rich!’ Even their own shepherds have no compassion on them.
6 ULB Fa tsy hiantra ny mponin'ny tany intsony Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh. Indro! Ny tenako mihitsy no hamerina ny olona rehetra eo an-tanan'ny namany sy eo an-tanan'ny mpanjakany, ary handrava ny tany izy ireo ary tsy hisy na iray amin'izy ireo aza hafahako eo an-tanan'izy ireo." BSB BSB: For I will no longer have compassion on the people of the land, declares the LORD, but behold, I will cause each man to fall into the hands of his neighbor and his king, who will devastate the land, and I will not deliver it from their hands.”
7 ULB Koa dia lasa mpiandry ny ondry voalahatra ho vonoina Aho, ho an'ireo izay nitondra ny ondry. Nandray tehina roa Aho; ny tehina iray nantsoiko hoe "Fahasoavana" ary ilay hafa nantsoiko hoe "Fikambanana". Tamin'izany fomba izany no niandrasako ny ondry. BSB BSB: So I pastured the flock marked for slaughter, especially the afflicted of the flock. Then I took for myself two staffs, calling one Favor and the other Union, and I pastured the flock.
8 ULB Mpiandry ondry telo no novonoiko tao anatin'ny iray volana, satria tsy naharitra tamin'izy ireo aho, ary nankahala ahy rahateo izy ireo. BSB BSB: And in one month I dismissed three shepherds. My soul grew impatient with the flock, and their souls also detested me.
9 ULB Dia hoy aho tamin'ny tompon'ondry hoe: "Tsy hiasa ho mpiandry ondrinao intsony aho. Ny ondry izay maty—dia aleo ho faty, ny ondry izay ringana—dia aleo ho ringana. Aoka ny ondry izay sisa tavela samy hihinana ny nofon'ny namany." BSB BSB: Then I said, “I will no longer shepherd you. Let the dying die, and the perishing perish; and let those who remain devour one another’s flesh.”
10 ULB Dia noraisiko ny tehiko "Fahasoavana" ary nosimbaiko izany mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin'ireo fokoko rehetra. BSB BSB: Next I took my staff called Favor and cut it in two, revoking the covenant I had made with all the nations.
11 ULB Tamin'izany andro izany dia rava ilay fanekena, ka ireo izay nitondra ny ondry sy nijery Ahy dia nahafantatra fa niteny Yaveh. BSB BSB: It was revoked on that day, and so the afflicted of the flock who were watching me knew that it was the word of the LORD.
12 ULB Dia hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Raha toa ka tsara aminareo izany, dia aloavy ny karamako. Fa raha tsy izany, dia aoka ihany." Ka dia nolanjain'izy ireo ny karamako—sekely volafotsy telopolo. BSB BSB: Then I told them, “If it seems right to you, give me my wages; but if not, keep them.” So they weighed out my wages, thirty pieces of silver.
13 ULB Ary hoy Yaveh tamiko hoe: "Apetraho ao amin'ny fitoeran-drakitra ny volafotsy, ny sanda tsara indrindra izay nanombanan'izy ireo anao!" Ka dia nalaiko ny sekely volafotsy telopolo ary napetrako tao amin'ny fitoeran-drakotra tao an-tranon'i Yaveh. BSB BSB: And the LORD said to me, “Throw it to the potter”—this magnificent price at which they valued me. So I took the thirty pieces of silver and threw them to the potter in the house of the LORD.
14 ULB Avy eo nopotehiko ny tehiko faharoa, "Fikambanana," mba hamotehana ny firahalahian'i Joda sy Israely. BSB BSB: Then I cut in two my second staff called Union, breaking the brotherhood between Judah and Israel.
15 ULB Hoy Yaveh tamiko hoe: "Alaivo ho an'ny tenanao indray ny fitaovan'ny mpiandry ondry adala, BSB BSB: And the LORD said to me: “Take up once more the equipment of a foolish shepherd.
16 ULB fa indro, hametraka mpiandry ondry eo amin'ny tany Aho. Tsy hiraharaha ny ondry maty izy. Tsy hitady ny ondry very izy, na koa hanasitrana ny mandringa. Tsy hamahana ny ondry izay salama izy, fa hihinana ny nofon'ny ondry matavy ary hamiravira ny kitron'ireo. BSB BSB: For behold, I will raise up a shepherd in the land who will neither care for the lost, nor seek the young, nor heal the broken, nor sustain the healthy, but he will devour the flesh of the choice sheep and tear off their hooves.
17 ULB Loza ho an'ny mpiandry ondry tsy mendrika izay mahafoy ny ondry! Hamely ny sandriny sy ny masony an-kavanana anie ny sabatra! Halazo anie ny sandriny ary ho jamba ny masony ankavanana!" BSB BSB: Woe to the worthless shepherd, who deserts the flock! May a sword strike his arm and his right eye! May his arm be completely withered and his right eye utterly blinded!”