1 ULB Ity dia fanambarana ny tenin'i Yaveh mahakasika an'Israely—fanambaran'i Yaveh, izay nanandratra ireo habakabaka sy nametraka ny fototry ny tany, izay mamolavola ny fanahin'olombelona ao anatin'ny olona hoe: BSB BSB: This is the burden of the word of the LORD concerning Israel. Thus declares the LORD, who stretches out the heavens and lays the foundation of the earth, who forms the spirit of man within him:
2 ULB "Indro, eo an-dalam-panaovana an'i Jerosalema anaty kapoaka Aho hahatonga ireo vahoaka rehetra manodidina azy hivembena. Dia ho tahaka izany ihany koa ny an'i Joda mandritry ny fahirano an'i Jerosalema. BSB BSB: “Behold, I will make Jerusalem a cup of drunkenness to all the surrounding peoples. Judah will be besieged, as well as Jerusalem.
3 ULB Amin'izany andro izany, hataoko ho vato mavesatra ho an'ny olon-drehetra i Jerosalema. Izay manandrana ny hanainga izany vato izany dia handratra mafy ny tenany, ka hitambatra hanohitra izany tanàna izany ireo firenen'ny tany rehetra. BSB BSB: On that day, when all the nations of the earth gather against her, I will make Jerusalem a heavy stone for all the peoples; all who would heave it away will be severely injured.
4 ULB Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—hamely ny soavaly tsirairay amin'ny horohoro Aho ary ny mpitaingina azy amin'ny fahaverezan-tsaina. Hijery am-pankasitrahana ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavalin'ireo tafika amin'ny fahajambana. BSB BSB: On that day, declares the LORD, I will strike every horse with panic, and every rider with madness. I will keep a watchful eye on the house of Judah, but I will strike with blindness all the horses of the nations.
5 ULB Avy eo ireo mpitarik'i Joda hiteny anakampo hoe: 'Ireo mponin'i Jerosalema no tanjatsika noho i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'izy ireo.' BSB BSB: Then the leaders of Judah will say in their hearts: ‘The people of Jerusalem are my strength, for the LORD of Hosts is their God.’
6 ULB Amin'izany andro izany dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo ary tahaka ny fanilo eny amin'ny amboara ireo mpitarika ny Jod, fa izy ireo no handevona ireo firenena rehetra manodidina eo ankavanany sy eo ankaviany. Hitoetra eo amin'ny toerany indray i Jerosalema." BSB BSB: On that day I will make the clans of Judah like a firepot in a woodpile, like a flaming torch among the sheaves; they will consume all the peoples around them on the right and on the left, while the people of Jerusalem remain secure there.
7 ULB Hamonjy ireo lain'i Joda i Yaveh, mba tsy ho lehibe noho ny sisa tavela amin'i Joda ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitr'ireo izay monina ao Jerosalema. BSB BSB: The LORD will save the tents of Judah first, so that the glory of the house of David and of the people of Jerusalem may not be greater than that of Judah.
8 ULB Amin'izany andro izany dia ho mpiaro ireo mponin'i Jerosalema i Yaveh, ary amin'izany andro izany ireo izay ketraka amin'izy ireo dia ho tahaka an'i Davida, ary ny taranak'i Davida dia ho tahaka an'Andriamanitra, tahaka ny anjelin'i Yaveh eo anoloan'izy ireo. BSB BSB: On that day the LORD will defend the people of Jerusalem, so that the weakest among them will be like David, and the house of David will be like God, like the angel of the LORD going before them.
9 ULB "Amin'izany andro izany dia hanomboka handringana ireo firenena rehetra izay tonga hanohitra an'i Jerosalema Aho. BSB BSB: So on that day I will set out to destroy all the nations that come against Jerusalem.
10 ULB Nefa handraraka ny fanahin'ny fangoraham-po sy fitarainana amin'ny taranak'i Davida sy ireo mponin'i Jerosalema Aho, mba hitodihan'izy ireo Amiko, ilay Iray izay nolefonin'izy ireo. Hisaona nohon'ny Amiko, tahaka ny olona misaona nohon'ny amin'ny zanany lahy tokana izy ireo; hisaona ho Azy tahaka ireo izay misaona nohon'ny fahafatesan'ny voalohan-janaka izy ireo. BSB BSB: Then I will pour out on the house of David and on the people of Jerusalem a spirit of grace and prayer, and they will look on Me, the One they have pierced. They will mourn for Him as one mourns for an only child, and grieve bitterly for Him as one grieves for a firstborn son.
11 ULB Amin'izany andro izany ny fisaonana ao Jerosalema dia ho tahaka ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lemak'i Megido. BSB BSB: On that day the wailing in Jerusalem will be as great as the wailing of Hadad-rimmon in the plain of Megiddo.
12 ULB Hisaona ny tany, ny fianakaviambe tsirairay hitokana amin'ireo fianakaviambe hafa. Ny fianakaviamben'ny taranak'i Davida hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. Ny fianakaviamben'ny taranak'i Natana hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. BSB BSB: The land will mourn, each clan on its own: the clan of the house of David and their wives, the clan of the house of Nathan and their wives,
13 ULB Ny fianakaviamben'ny taranak'i Levy hitokana ary ireo vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. Ny fianakaviamben'ireo Simeita hitokana ary ny vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy. BSB BSB: the clan of the house of Levi and their wives, the clan of Shimei and their wives,
14 ULB Ny fianakaviambe tsirairay amin'ireo fianakaviambe tafajanona—ny fianakaviana tsirairay dia samy hitsitokatokana ary ny vadin'izy ireo hitokana amin'ireo lehilahy." BSB BSB: and all the remaining clans and their wives.