1 ULB "Amin'izany andro izany dia hisy loharano hisokatra ho an'ny ankohonan'i Davida sy ireo mponin'i Jerosalema, nohon'ny fahotan'izy ireo sy ny tsy fahadiovan'izy ireo. BSB BSB: “On that day a fountain will be opened to the house of David and the people of Jerusalem, to cleanse them from sin and impurity.
2 ULB Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—no hanafoanako ny anaran'ireo sampy amin'ny tany mba tsy ho tsaroana intsony izy ireo. Hampivoaka ireo mpaminany tsy marina sy ny fanahy maloton'izy ireo amin'ny tany ihany koa Aho. BSB BSB: And on that day, declares the LORD of Hosts, I will erase the names of the idols from the land, and they will no longer be remembered. I will also remove the prophets and the spirit of impurity from the land.
3 ULB Raha misy olona manohy maminany, dia hiteny aminy ny rainy sy ny reniny izay niteraka azy hoe: 'Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Yaveh!' Avy eo ny ray sy ny reny izay niteraka azy handefona azy rehefa maminany izy. BSB BSB: And if anyone still prophesies, his father and mother who bore him will say to him, ‘You shall not remain alive, because you have spoken falsely in the name of the LORD.’ When he prophesies, his father and mother who bore him will pierce him through.
4 ULB Amin'izany andro izany ny mpaminany tsirairay dia ho menatra amin'ny fahitany rehefa eo am-paminaniana izy. Ireo mpaminany ireo dia tsy hanao lamba voloina, mba hamitahana ny olona intsony. BSB BSB: And on that day every prophet who prophesies will be ashamed of his vision, and he will not put on a hairy cloak in order to deceive.
5 ULB Fa ny tsirairay hiteny hoe: 'Tsy mpaminany aho! Lehilahy miasa tany aho, satria ny tany no lasa asako raha mbola tovolahy aho!' BSB BSB: He will say, ‘I am not a prophet; I work the land, for I was purchased as a servant in my youth.’
6 ULB Fa hisy olona iray hiteny aminy hoe: 'Inona ireo ratra eo anelanelan'ireo sandrinao ireo?' ary hamaly izy hoe: 'Naratra niaraka tamin'ireo izay tao amin'ny tranon'ireo namako aho."' BSB BSB: If someone asks him, ‘What are these wounds on your chest?’ he will answer, ‘These are the wounds I received in the house of my friends.’
7 ULB "Ry sabatra! Asandrato amin'ny mpiandry ondriko, ilay lehilahy izay mitsangana eto akaikiko ny tenanao—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro. Veleso ny mpiandry ondry, dia hiparitaka ireo ondry! Fa hamerina ny tanako hanohitra ireo madinika Aho. BSB BSB: Awake, O sword, against My Shepherd, against the man who is My Companion, declares the LORD of Hosts. Strike the Shepherd, and the sheep will be scattered, and I will turn My hand against the little ones.
8 ULB Ary manerana ny tany rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh—dia hisy roa ampahatelon'izany hofoanana! Ho levona ireo olona ireo; iray ampahatelony ihany no hijanona any. BSB BSB: And in all the land, declares the LORD, two-thirds will be cut off and perish, but a third will be left in it.
9 ULB Ho entiko amin'ny afo io ampahatelony io ary ho dioviko tahaka ny manadio volafotsy izy ireo; ho zahako tahaka ny volamena voazaha izy ireo. Hiantso ny anarako izy ireo, ka hamaly azy ireo Aho ary hanao hoe: 'Ity no oloko!' ary hiteny izy ireo hoe: 'Yaveh no Andriamanitro!"" BSB BSB: This third I will bring through the fire; I will refine them like silver and test them like gold. They will call on My name, and I will answer them. I will say, ‘They are My people,’ and they will say, ‘The LORD is our God.’”