1 ULB Indro! Ho tonga ny andron'i Yaveh rehefa hozaraina eo afovoanareo ny babonareo. BSB BSB: Behold, a day of the LORD is coming when your plunder will be divided in your presence.
2 ULB Fa hangoniko hanohitra an'i Jerosalema amin'ny ady ny firenena rehetra ka ho voababo ny tanàna. Ireo trano dia ho voababo ary ny vehivavy ho voaholana. Ny antsasaky ny tanàna dia ho voababo, fa ny sisa tavela amin'ireo olona dia tsy ho esorina eo amin'ny tanàna. BSB BSB: For I will gather all the nations for battle against Jerusalem, and the city will be captured, the houses looted, and the women ravished. Half of the city will go into exile, but the rest of the people will not be removed from the city.
3 ULB Fa i Yaveh dia hivoaka ary hiady amin'ireo firenena tahaka Azy rehefa miady amin'ny andron'ny ady. BSB BSB: Then the LORD will go out to fight against those nations, as He fights in the day of battle.
4 ULB Amin'izany andro izany ny tongony dia hitsangana eo ambonin'ny Tendrombohitr'i Oliva, izay eo akaikin'i Jerosalema any atsinanana. Ny Tendrombohitr'i Oliva dia hitresaka roa ary ho sarahan'ny lohasaha lehibe ary ny antsasaky ny tendrombohitra dia hiverina manoloana ny avaratra ary ny antsasany manoloana ny atsimo. BSB BSB: On that day His feet will stand on the Mount of Olives, east of Jerusalem, and the Mount of Olives will be split in two from east to west, forming a great valley, with half the mountain moving to the north and half to the south.
6 ULB Amin'izany andro izany dia tsy hisy hazavana, fa tsy hisy na hatsiaka na fanala. BSB BSB: On that day there will be no light, no cold or frost.
7 ULB Amin'izany andro izany, andro izay Yaveh irery ihany no mahafantatra, dia tsy hisy andro na alina intsony, fa ny hariva dia ho lasa fotoan'ny hazavana. BSB BSB: It will be a unique day known only to the LORD, without day or night; but when evening comes, there will be light.
8 ULB Amin'izany andro izany ny rano velona dia hikoriana hivoaka an'i Jerosalema. Ny antsasak'ireo dia hikoriana amin'ny ranomasina atsinanana ary ny antsasany amin'ny ranomasina andrefana, amin'ny fahavaratra sy amin'ny ririnina. BSB BSB: And on that day living water will flow out from Jerusalem, half of it toward the Eastern Sea and the other half toward the Western Sea, in summer and winter alike.
9 ULB Ho mpanjaka amin'ny tany rehetra i Yaveh. Amin'izany andro izany dia hisy Yaveh, Ilay Andriamanitra tokana, ary ny anarany irery ihany. BSB BSB: On that day the LORD will become King over all the earth—the LORD alone, and His name alone.
10 ULB Ny tany rehetra dia ho tahaka an'i Araba, manomboka ao Geba ka hatrany Rimona atsimon'i Jerosalema. Ho hasandatra hatrany i Jerosalema ary hipetraka amin'ny toerany manokana, hatrany amin'ny Vavahadin'i Benjamina ka hatrany amin'ny toerana izay nisy ny vavahady voalohany, hatrany amin'ny Vavahady an-jorony, ary hatrany amin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatrany amin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka. BSB BSB: All the land from Geba to Rimmon south of Jerusalem will be turned into a plain, but Jerusalem will be raised up and will remain in her place, from the Benjamin Gate to the site of the First Gate to the Corner Gate, and from the Tower of Hananel to the royal winepresses.
11 ULB Ny vahoaka dia hipetraka any Jerosalema ary tsy hisy faharavana tanteraka avy amin'Andriamanitra hanohitra azy ireo intsony. Hiaina tsy amin'ahiahy i Jerosalema. BSB BSB: People will live there, and never again will there be an utter destruction. So Jerusalem will dwell securely.
12 ULB Izao no ho loza izay hamelezan'i Yaveh an'ireo vahoaka rehetra niady nanohitra an'i Jerosalema: ny nofon'izy ireo dia ho lo na dia mitsangana amin'ny tongony aza izy ireo. Ny mason'izy ireo dia ho lo ao amin'ny faladian'izy ireo ary ny lelan'izy ireo ho lo ao am-bavan'izy ireo. BSB BSB: And this will be the plague with which the LORD strikes all the peoples who have warred against Jerusalem: Their flesh will rot while they stand on their feet, their eyes will rot in their sockets, and their tongues will rot in their mouths.
13 ULB Amin'izany andro izany ny tahotra lehibe avy amin'i Yaveh dia ho tonga amin'izy ireo. Ny tsirairay dia hihazona ny tanan'ny hafa, ary ny tanan'ny iray dia hisandratra hamely ny tanan'ny iray hafa. BSB BSB: On that day a great panic from the LORD will come upon them, so that each will seize the hand of another, and the hand of one will rise against the other.
14 ULB Joda ihany koa dia hiady hanohitra an'i Jerosalema. Hanangona ny haren'ireo firenena manodidina rehetra izy ireo—volamena, volafotsy, ary fitafiana tsara maro be. BSB BSB: Judah will also fight at Jerusalem, and the wealth of all the surrounding nations will be collected—gold, silver, and apparel in great abundance.
15 ULB Ny loza ihany koa dia ho amin'ireo soavaly sy ireo ampondra, ireo rameva sy ireo boriky, ary ireo biby rehetra ao amin'ireo toby ireo ihany koa dia hijaly amin'izany loza izany ihany. BSB BSB: And a similar plague will strike the horses and mules, camels and donkeys, and all the animals in those camps.
16 ULB Ary izao no hiseho, izay rehetra tavela ao amin'ireo firenena izay tonga manohitra an'i Jerosalema dia hiakatra isan-taona kosa mba hidera ny mpanjaka, dia i Yaveh tompon'ny maro, ary hitandrina ny Firavoravoan'ny Fialofana. BSB BSB: Then all the survivors from the nations that came against Jerusalem will go up year after year to worship the King, the LORD of Hosts, and to celebrate the Feast of Tabernacles.
17 ULB Raha tsy mandeha miakatra ho any Jerosalema mba hidera an'ilay mpanjaka, dia i Yaveh tompon'ny maro, ny olona avy amin'ireo firenena rehetran'ny tany, dia tsy hitondra orana amin'izy ireo i Yaveh. BSB BSB: And should any of the families of the earth not go up to Jerusalem to worship the King, the LORD of Hosts, then the rain will not fall on them.
18 ULB Raha tsy miakatra ny firenen'i Egypta, dia tsy hahazo orana izy ireo. Hisy areti-mandringana avy amin'i Yaveh izay hamely ireo firenena izay tsy hiakatra mba hitàna ny Firavoravoan'ny Fialofana. BSB BSB: And if the people of Egypt will not go up and enter in, then the rain will not fall on them; this will be the plague with which the LORD strikes the nations who do not go up to celebrate the Feast of Tabernacles.
19 ULB Izany no ho famaizana ho an'i Egypta ary famaizana ho an'ny firenena rehetra izay tsy miakatra mba hitàna ny Firavoravoan'ny Fialofana. BSB BSB: This will be the punishment of Egypt and of all the nations that do not go up to celebrate the Feast of Tabernacles.
20 ULB Fa amin'izany andro izany, ny lakolosin'ireo soavaly dia hiteny hoe: "Atokany ho an'i Yaveh," ary ireo koveta ao amin'ny tranon'i Yaveh dia ho tahaka ny lovia boribory eo anatrehan'ny alitara. BSB BSB: On that day, HOLY TO THE LORD will be inscribed on the bells of the horses, and the cooking pots in the house of the LORD will be like the sprinkling bowls before the altar.
21 ULB Fa ny vilany tanimanga rehetra ao Jerosalema sy Joda dia ho atokana ho an'i Yaveh tompon'ny maro ary izay rehetra mitondra sorona dia hihinana amin'ireo ary hampangotraka ao anatin'ireo. Amin'izany andro izany ireo mpivarotra dia tsy ho ao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro intsony. BSB BSB: Indeed, every pot in Jerusalem and Judah will be holy to the LORD of Hosts, and all who sacrifice will come and take some pots and cook in them. And on that day there will no longer be a Canaanite in the house of the LORD of Hosts.