1 ULB Loza ho an'ny tanàna mpikomy! Voaloto ny tanàna mahery setra. BSB BSB: Woe to the city of oppressors, rebellious and defiled!
2 ULB Tsy nihaino ny feon'Andriamanitra izy, na nanaiky famaizana avy tamin'i Yaveh. Tsy natoky an'i Yaveh ary tsy nanatona an'Andriamaniny izy. BSB BSB: She heeded no voice; she accepted no correction. She does not trust in the LORD; she has not drawn near to her God.
3 ULB Liona mierona eo afovoany ireo andrian-dahiny. Ireo mpitsarany dia amboadia amin'ny hariva izay tsy mamela na inona na inona mba ho hanina ny maraina. BSB BSB: Her princes are roaring lions; her judges are evening wolves, leaving nothing for the morning.
4 ULB Lehilahy maditra sy mpamitaka ireo mpaminaniny. Efa nanimbazimba izay masina sy nanao herisetra tamin'ny lalàna ireo mpisorony. BSB BSB: Her prophets are reckless, faithless men. Her priests profane the sanctuary; they do violence to the law.
5 ULB Yaveh dia marina eo anivony. Tsy afaka manao ny tsy mety izy. Isa-maraina no hizarany ny fitsarany! Tsy ho takona ao anatin'ny hazavana izany, fa ny olona tsy marina dia tsy mahalala menatra. BSB BSB: The LORD within her is righteous; He does no wrong. He applies His justice morning by morning; He does not fail at dawn, yet the unjust know no shame.
6 ULB "Efa namotika firenena Aho; rava ireo fiarovana mafin'izy ireo. Noravaiko ireo lalany, mba tsy hisy na iza na iza handalo eo amin'izy ireo. Fongana ireo tanànany ka tsy misy olona monina ao amin'izy ireo. BSB BSB: “I have cut off the nations; their corner towers are destroyed. I have made their streets deserted with no one to pass through. Their cities are laid waste, with no man, no inhabitant.
7 ULB Niteny Aho hoe: "Hatahotra Ahy tokoa ianao." Hekeo ny famaizana ka tsy hiala amin'ny tranonao araka izay rehetra efa nomaniko ho atao aminao ianao." Saingy tamim-pahazotoana no nanombohan'izy ireo isa-maraina amin'ny fanaovana ny asa ratsin'izy ireo rehetra. BSB BSB: I said, ‘Surely you will fear Me and accept correction.’ Then her dwelling place would not be cut off despite all for which I punished her. But they rose early to corrupt all their deeds.
8 ULB Noho izany miandrasa Ahy— izany no fanambaran'i Yaveh— mandra-pahatongan'ny andro izay hitsanganako ho an'ny niharam-boina. Fa ny fanapahan-kevitro dia ny hanangona ireo firenena, hamory ireo fanjakana, ary handrarahako ny fahatezerako amin'izy ireo, ireo fahavinirako mafy rehetra, mba ho levon'ny afon'ny fahatezerako ireo tany rehetra. BSB BSB: Therefore wait for Me,” declares the LORD, “until the day I rise to testify. For My decision is to gather nations, to assemble kingdoms, to pour out upon them My indignation—all My burning anger. For all the earth will be consumed by the fire of My jealousy.
9 ULB Fa hanome molotra madio ho an'ny vahoaka Aho avy eo, mba hiantsoana azy rehetra amin'ny anaran'i Yaveh mba hanompo Ahy miaraka. BSB BSB: For then I will restore pure lips to the peoples, that all may call upon the name of the LORD and serve Him shoulder to shoulder.
10 ULB Avy any andafin'ireo onin'i Etiopia ireo mpidera Ahy— ny oloko izay voaely— no hitondra ireo fanatitra ho Ahy. BSB BSB: From beyond the rivers of Cush My worshipers, My scattered people, will bring Me an offering.
11 ULB Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra amin'ny asa ratsinareo rehetra izay nataonareo tamiko ianareo, satria amin'izany fotoana izany dia hofongoriko eo aminareo ireo izay mankalaza ny fieboebonareo, ary satria tsy hanao fihetsika an'avona any amin'ny tendrombohitro masina intsony ianareo. BSB BSB: On that day you will not be put to shame for any of the deeds by which you have transgressed against Me. For then I will remove from among you those who rejoice in their pride, and you will never again be haughty on My holy mountain.
12 ULB Fa handao anao tahaka ny olona manetry tena sy mahantra Aho, ary hialoka ao amin'ny anaran'i Yaveh ianareo. BSB BSB: But I will leave within you a meek and humble people, and they will trust in the name of the LORD.
13 ULB Tsy hanao ny tsy rariny na hiteny lainga intsony ireo sisa tavela ao Israely, ary tsy ahitana lela mpamitaka ao am-bavan'izy ireo; ka hihinana sy handry izy ireo, ary tsy hisy na iza na iza hampitahotra azy ireo." BSB BSB: The remnant of Israel will no longer do wrong or speak lies, nor will a deceitful tongue be found in their mouths. But they will feed and lie down, with no one to make them tremble.”
14 ULB Mihirà, ry zanaka vavin'i Ziona! Mihiakà, ry Israely. Miravoravoa ary mifalia amin'ny fonao rehetra, ry zanaka vavin'i Jerosalema. BSB BSB: Sing for joy, O Daughter of Zion; shout aloud, O Israel! Be glad and rejoice with all your heart, O Daughter of Jerusalem!
15 ULB Nanaisotra ireo famaizanao Yaveh; nandroaka ireo fahavalonao Izy! Yaveh no mpanjakan'Israely eo aminao. Tsy hatahotra ny ratsy intsony ianao! BSB BSB: The LORD has taken away your punishment; He has turned back your enemy. Israel’s King, the LORD, is among you; no longer will you fear any harm.
16 ULB Amin'izany andro izany dia hiteny amin'i Jerosalema izy ireo hoe: "Aza matahotra, ry Ziona. Aza mamela ny tananao hangozohozo. BSB BSB: On that day they will say to Jerusalem: “Do not fear, O Zion; do not let your hands fall limp.
17 ULB Ao aminao i Yaveh Andriamanitrao, dia ilay mahery mpamonjy anao. Hankalaza eo aminao Izy ary am-pifaliana no hanginany eo aminao ao amin'ny fitiavany. Hiravoravo eo aminao Izy ary hanao hiakam-pifaliana, BSB BSB: The LORD your God is among you; He is mighty to save. He will rejoice over you with gladness; He will quiet you with His love; He will rejoice over you with singing.”
18 ULB tahaka ny tamin'ireo andro firavoravoana efa voatondro. Hanala ny loza eo aminao Aho; tsy hitondra henatra amin'izany intsony ianao. BSB BSB: “I will gather those among you who grieve over the appointed feasts, so that you will no longer suffer reproach.
19 ULB Indro, hifanandrina amin'ny mpampahory anao rehetra Aho. Amin'izany fotoana izany, hamonjy ireo mandringa ary hanangona ireo noroahina Aho. Hataoko tahaka ny fiderana izy ireo, ary hanova ny henatr'izy ireo ho laza maneran-tany rehetra Aho. BSB BSB: Behold, at that time, I will deal with all who afflict you. I will save the lame and gather the scattered; and I will appoint praise and fame for the disgraced throughout the earth.
20 ULB Amin'izany fotoana izany dia hitarika anareo Aho; hangoniko miaraka ianareo. Ho ataoko manaja sy midera anareo ireo firenena rehetra maneran-tany, rehefa hitanareo fa namerina anao amin'ny laoniny Aho," hoy Yaveh. BSB BSB: At that time I will bring you in; yes, at that time I will gather you. For I will give you fame and praise among all the peoples of the earth when I restore your captives before your very eyes,” says the LORD.