1 ULB Angony ny tenanareo ary mitambara, ry firenena tsy manan-kenatra— BSB BSB: Gather yourselves, gather together, O shameful nation,
2 ULB dieny mbola tsy mihatra ny didy ary dieny mbola tsy mielina toy ny akofa ny andro, dieny mbola tsy tonga aminareo ny firehetan'ny fahatezerana mafin'i Yaveh, dieny mbola tsy tonga aminareo ny andron'ny fahatezeran'i Yaveh. BSB BSB: before the decree takes effect and the day passes like chaff, before the burning anger of the LORD comes upon you, before the Day of the LORD’s anger comes upon you.
3 ULB Mikatsaha an'i Yaveh, ry vahoaka mendrika rehetra ambonin'ny tany izay mankatò ireo didiny! Katsaho ny fahamarinana. Katsaho ny fanetren-tena, ary dia mety ho voaharo ianareo amin'ny andron'ny fahatezeran'i Yaveh. BSB BSB: Seek the LORD, all you humble of the earth who carry out His justice. Seek righteousness; seek humility. Perhaps you will be sheltered on the day of the LORD’s anger.
4 ULB Fa i Gaza dia ho lao, ary Askelona ho rava. Handroaka an'i Asdoda amin'ny mitataovovonana izy ireo, ary hamongotra an'i Ekrona! BSB BSB: For Gaza will be abandoned, and Ashkelon left in ruins. Ashdod will be driven out at noon, and Ekron will be uprooted.
5 ULB Loza ho an'ireo mponina any amoron-tsiraka, dia ny firenen'ireo Keretita! Efa niteny nanohitra anareo i Yaveh, ry Kanana, tanin'ireo Filistina. Handringana anareo ambara-pahafoana ny mponina Aho. BSB BSB: Woe to the dwellers of the seacoast, O nation of the Cherethites! The word of the LORD is against you, O Canaan, land of the Philistines: “I will destroy you, and no one will be left.”
6 ULB Ary dia ho lasa ahitra ho an'ireo mpiandry ondry sy ho an'ny valan'ondry ny moron-tsiraka. BSB BSB: So the seacoast will become a land of pastures, with wells for shepherds and folds for sheep.
7 ULB Ireo faritra amoron-tsiraka dia ho an'ireo sisan'ny ankohonan'i Joda, izay hiandry ny ondry aman'osiny ao. Ao amin'ny ankohonan'i Askelona no handrian'ireo vahoakan'izy ireo amin'ny hariva, fa Yaveh Andriamanitr'izy ireo no hikarakara azy ireo sy hamerina ny fananany. BSB BSB: The coast will belong to the remnant of the house of Judah; there they will find pasture. They will lie down in the evening among the houses of Ashkelon, for the LORD their God will attend to them and restore their captives.
8 ULB "Efa reko ny teny ratsin'i Moaba sy ny latsan'ireo vahoakan'i Amona raha niteny ratsy ireo vahoakako sy nanitsakitsaka ny faritaniny izy ireo. BSB BSB: “I have heard the reproach of Moab and the insults of the Ammonites, who have taunted My people and threatened their borders.
9 ULB Noho izany, raha velona koa Aho—izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, —ho tahaka an'i Sodoma i Moaba, ary ireo vahoakan'i Amona ho tahaka an'i Gomora; dia ho toeran'ny alan'amiana sy lava-tsira, tany lao mandrakizay. Fa ny sisa amin'ireo vahoakako kosa hambabo azy ireo, ary ireo sisa amin'ny fireneko hahalasa azy ireo ho fananana." BSB BSB: Therefore, as surely as I live,” declares the LORD of Hosts, the God of Israel, “surely Moab will be like Sodom and the Ammonites like Gomorrah—a place of weeds and salt pits, a perpetual wasteland. The remnant of My people will plunder them; the remainder of My nation will dispossess them.”
10 ULB Izany no hihatra amin'i Moaba sy Amona nohon'ny fireharehany, satria niteny ratsy sy nanaraby ny vahoakan'i Yaveh Tompon'ny maro izy ireo. BSB BSB: This they shall have in return for their pride, for taunting and mocking the people of the LORD of Hosts.
11 ULB Ary hatahotra an'i Yaveh izy ireo, satria hiteny ratsy ny andriamanitra rehetran'ny tany Izy. Hanompo Azy ny olon-drehetra, ny olon-drehetra avy amin'ny toerany, avy amin'ny moron-tsiraka rehetra. BSB BSB: The LORD will be terrifying to them when He starves all the gods of the earth. Then the nations of every shore will bow in worship to Him, each in its own place.
12 ULB Ianareo ihany koa ry Kosita dia ho voalefon'ny sabatro, BSB BSB: “You too, O Cushites, will be slain by My sword.”
13 ULB ary ny tanan'i Yaveh no hanafika ny avaratra ka hamotika an'i Asyria, ka dia ho lasa tany karakaina tahaka ny tany efitra i Ninive. BSB BSB: And He will stretch out His hand against the north and destroy Assyria; He will make Nineveh a desolation, as dry as a desert.
14 ULB Ary handry ao ny omby, ny biby rehetran'ireo firenena, ny vorondolon'ny efitra sy ny sokina dia handry eo amin'ny tendron'ny andriny. Hisy antso hihira avy eo am-baravarankely; ho eo an-tokonana ny faharavana; ho sarona ireo andry sedera voasokiny. BSB BSB: Herds will lie down in her midst, creatures of every kind. Both the desert owl and screech owl will roost atop her pillars. Their calls will sound from the window, but desolation will lie on the threshold, for He will expose the beams of cedar.
15 ULB Izany ilay tanàna niravoravo izay niaina tsy nisy tahotra, izay nanao anakam-po taminy hoe; "Izaho no izy, ary tsy misy toa ahy." Indrisy fa tonga mahatsiravina izy, toerana natao mba handrian'ny biby. Izay rehetra mandalo eo aminy dia hisitrisitra ary hamokona ny totohondriny aminy. BSB BSB: This carefree city that dwells securely, that thinks to herself: “I am it, and there is none besides me,” what a ruin she has become, a resting place for beasts. Everyone who passes by her hisses and shakes his fist.