1 ULB Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Zefania zanaka lahin'i Kosy zanaka lahin'i Gedalia zanaka lahin'i Amaria zanaka lahin'i Hezekia, tamin'ny andron'i Josia zanaka lahin'i Amona, mpanjakan'ny Joda. BSB BSB: This is the word of the LORD that came to Zephaniah son of Cushi, the son of Gedaliah, the son of Amariah, the son of Hezekiah, in the days of Josiah son of Amon king of Judah:
2 ULB "Hamotika ny zava-drehetra tsy ho eo ambonin'ny velaran-tany tokoa Aho_izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “I will completely sweep away everything from the face of the earth,” declares the LORD.
3 ULB Handringana ny olona sy ny biby Aho; handringana ny voron'ny lanitra sy ny trondron-dranomasina Aho, ho eo amin'ireo ratsy fanahy ny faharavana. Fa haringako tsy ho eo ambonin'ny tany ny olona_izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “I will sweep away man and beast; I will sweep away the birds of the air, and the fish of the sea, and the idols with their wicked worshipers. I will cut off mankind from the face of the earth,” declares the LORD.
4 ULB Haninjitra ny tanako eo amin'i Joda sy amin'ireo mponin'ny Jerosalema rehetra Aho. Haringako tsy ho amin'ity tany ity ireo sisan'i Bala sy ireo anaran'olona mpanompo sampy eo amin'ireo mpisorona, BSB BSB: “I will stretch out My hand against Judah and against all who dwell in Jerusalem. I will cut off from this place every remnant of Baal, the names of the idolatrous and pagan priests—
5 ULB ireo olona izay manompo ireo tena eny amin'ny lanitra eo an-tampon-trano, ary ireo olona manompo sy mianiana amin'i Yaveh kanefa sady mianiana amin'ny mpanjakan'izy ireo. BSB BSB: those who bow on the rooftops to worship the host of heaven, those who bow down and swear by the LORD but also swear by Milcom,
6 ULB Handringana ireo izay efa nivily tamin'ny fanarahana an'i Yaveh ihany koa Aho, ireo izay tsy nikatsaka an'i Yaveh na nanontany ny tari-dalany." BSB BSB: and those who turn back from following the LORD, neither seeking the LORD nor inquiring of Him.”
7 ULB Aza miteny eo anatrehan'i Yaveh Tompo! Fa efa akaiky ny andron'i Yaveh; efa nanomana fanatitra sy efa nanokana ireo vahininy Izy. BSB BSB: Be silent in the presence of the Lord GOD, for the Day of the LORD is near. Indeed, the LORD has prepared a sacrifice; He has consecrated His guests.
8 ULB "Izany dia hitranga amin'ny andron'ny soron'i Yaveh, hanasazy ireo andrian-dahy sy ireo zanaka mpanjaka, ary ireo rehetra mitafy fitafiana vahiny Aho. BSB BSB: “On the Day of the LORD’s sacrifice I will punish the princes, the sons of the king, and all who are dressed in foreign apparel.
9 ULB Amin'izany andro izany dia hanasazy ireo rehetra izay mandingana ny tokonana Aho, dia ireo izay mameno ny tranon'ny tompony amin'ny herisetra sy fitak. BSB BSB: On that day I will punish all who leap over the threshold, who fill the house of their master with violence and deceit.
10 ULB Koa amin'izany andro izany—izao no fanambaran'i Yaveh—fa hisy feo mitaraina avy eo am-Bavahadin-kazandrano, fidradradradràna avy eo amin'ny Tanàna Ambany, ary fidabohana lehibe avy amin'ireo havoana. BSB BSB: On that day,” declares the LORD, “a cry will go up from the Fish Gate, a wail from the Second District, and a loud crashing from the hills.
11 ULB Midradradradrà, ry mponin'ny Maktesy, fa ho ringana ireo mpandranto rehetra; ho lany ringana ireo izay nivesatra volafotsy. BSB BSB: Wail, O dwellers of the Hollow, for all your merchants will be silenced; all who weigh out silver will be cut off.
12 ULB Ary amin'izany andro izany dia hitady an'i Jerosalema amin'ny fanilo Aho ary hanasazy ireo olona babon'ny divainy sy manao anakam-po hoe: "Tsy hanao na inona na inona i Yaveh, na soa na ratsy." BSB BSB: And at that time I will search Jerusalem with lamps and punish the men settled in complacency, who say to themselves, ‘The LORD will do nothing, either good or bad.’
13 ULB Ho lasa babo ny harenan'izy ireo, ary ho lao ny tranon'izy ireo! Hanorina trano izy ireo kanefa tsy hitoetra ao amin'ireo, ary hamboly voaloboka kanefa tsy hisotro ny divain'ireo. BSB BSB: Their wealth will be plundered and their houses laid waste. They will build houses but not inhabit them, and plant vineyards but never drink their wine.
14 ULB Efa antomotra ny andro lehiben'i Yaveh, antomotra sady mihafaingana tokoa! Ny feon'ny andron'i Yaveh dia ho tahaka ny mpiady mitaraina mafy! BSB BSB: The great Day of the LORD is near—near and coming quickly. Listen, the Day of the LORD! Then the cry of the mighty will be bitter.
15 ULB Izany andro izany dia ho andron'ny fahatezerana, andron'ny fahoriana sy fahalevonana, andron'ny tafio-drivotra sy fanafoanana, andron'ny fahamaizinana sy fanjombonana, andron'ny rahona sy haizim-pito. BSB BSB: That day will be a day of wrath, a day of trouble and distress, a day of destruction and desolation, a day of darkness and gloom, a day of clouds and blackness,
16 ULB Izany dia ho andron'ny trompetra sy fanairana hanohitra ireo tanàna mimanda sy ireo tilikambo avo. BSB BSB: a day of horn blast and battle cry against the fortified cities, and against the high corner towers.
17 ULB Fa hitondra fahoriana eo amin'ny olombelona Aho, ka hirenireny toy olona jamba izy ireo satria efa nanota tamin'i Yaveh. Hararaka toy ny vovoka ny ràn'izy ireo, ary ny ao anatin'izy ireo dia ho toy ny zezika. BSB BSB: I will bring such distress on mankind that they will walk like the blind, because they have sinned against the LORD. Their blood will be poured out like dust and their flesh like dung.
18 ULB Na ny volafotsin'izy ireo na ny volamenany dia tsy afaka hamonjy azy ireo amin'ny androm-pahatezeran'i Yaveh. Ho levon'ny afon'ny fahasarotam-piarony ny tany rehetra, fa hitondra fahafonganana feno, mahatsiravina amin'ny mponin'ny tany rehetra Izy." BSB BSB: Neither their silver nor their gold will be able to deliver them on the Day of the LORD’s wrath. The whole earth will be consumed by the fire of His jealousy.” For indeed, He will make a sudden end of all who dwell on the earth.