1 ULB Ny vavak'i Habakoka mpaminany: BSB BSB: This is a prayer of Habakkuk the prophet, according to Shigionoth:
2 ULB Ry Yaveh, efa reko ny tatitrao, ary raiki-tahotra aho. Ry Yaveh, velomy eo afovoan'ireo fotoana ireo ny asanao; hampahafantaro eo afovoan'ireo fotoana ireo izany; tadidio ny hanana famindram-po amin'ny fahaviniranao. BSB BSB: O LORD, I have heard the report of You; I stand in awe, O LORD, of Your deeds. Revive them in these years; make them known in these years. In Your wrath, remember mercy!
4 ULB Ireo taratra roan'ny tanany dia mamirapiratra tahaka ny tselatra, izay niafenan'ny heriny. BSB BSB: His radiance was like the sunlight; rays flashed from His hand, where His power is hidden.
5 ULB Aretina mahafaty no nandeha teo anoloany, ary areti-mandringana no nanaraka ny tongony. BSB BSB: Plague went before Him, and fever followed in His steps.
6 ULB Nitsangana Izy ka nandrefy ny tany; nijery Izy ka nanozongozona ireo firenena. Na dia ireo tendrombohitra maharitra mandrakizay aza torotoro, ary nietry ny havoana tsy manam-pahataperana. Tsy manam-pahataperana ny lalany. BSB BSB: He stood and measured the earth; He looked and startled the nations; the ancient mountains crumbled; the perpetual hills collapsed. His ways are everlasting.
7 ULB Nahita ireo lain'i Kosana azom-pahoriana aho, ary ny fanamboarana ny lamban'ireo lay tany amin'ny tanin'ny Midiana nihovitrovitra. BSB BSB: I saw the tents of Cushan in distress; the curtains of Midian were trembling.
8 ULB Tezitra tamin'ireo ony ve Yaveh? Moa ny fahaviniranao ve tamin'ireo ony, na ny fahatezeranao tamin'ireo ranomasina, rehefa nitaingina ireo soavalinao ianao sy ireo kalesim-pandresenao? BSB BSB: Were You angry at the rivers, O LORD? Was Your wrath against the streams? Did You rage against the sea when You rode on Your horses, on Your chariots of salvation?
9 ULB Nitondra ny tsipìkanao tsy niaraka tamin'ny fitoerany ianao; nametraka zana-tsipìka tamin'ny tsipìkanao ianao! Sela. Nizara ny tany tamin'ireo ony Ianao. BSB BSB: You brandished Your bow; You called for many arrows. Selah You split the earth with rivers.
10 ULB Nahita anao ireo tendrombohitra ka nanaintaina. Oram-be mivatravatra no nandalo teo amin'izy ireo; nanandratra hiaka ny ranomasina lalina. Nampiakatra ireo onjany izany. BSB BSB: The mountains saw You and quaked; torrents of water swept by. The deep roared with its voice and lifted its hands on high.
11 ULB Ny masoandro sy ny volana nitoetra teo ambony teo amin'ireo fitoerany avo tamin'ny hazavan'ny zana-tsipìkanao ka nandositra izy ireo, tamin'ny famirapiratan'ny tara-pahazavan'ny lefonao. BSB BSB: Sun and moon stood still in their places at the flash of Your flying arrows, at the brightness of Your shining spear.
12 ULB Nandeha namakivaky ny tany tamim-pahatezerana Ianao. Tamin'ny fahavinirana no nanosihosenao ireo firenena. BSB BSB: You marched across the earth with fury; You threshed the nations in wrath.
13 ULB Nivoaka ho amin'ny famonjena ny vahoakanao ianao, ho amin'ny famonjena ilay voahositrao. Manorotoro ny lohan'ny ankohonan'ny ratsy fanahy mba hampiharihary ny fototry ny hatony. Sela BSB BSB: You went forth for the salvation of Your people, to save Your anointed. You crushed the head of the house of the wicked and stripped him from head to toe. Selah
14 ULB Notrobaranao tamin'ny zana-tsipìkany ihany ny lohan'ireo mpiadiny raha avy toy ny tafiotra hanely anay izy ireo, ny fifalian'izy ireo dia toy ny an'izay mandevona ny mahantra any amin'ny toerana miafina. BSB BSB: With his own spear You pierced his head, when his warriors stormed out to scatter us, gloating as though ready to secretly devour the weak.
15 ULB Efa nandeha namakivaky ny ranomasina tamin'ny soavalinao ianao, ary nampisavovona ireo rano be. BSB BSB: You trampled the sea with Your horses, churning the great waters.
16 ULB Nandre aho, ary nihorohoro ny tao anatiko! Nipararetra tamin'ny feo ny molotro. Tonga tamin'ny taolako ny fahalovana, ary nangovitra ny tenako raha niandry amim-pahanginana ny androm-pahoriana hiavian'ireo olona izay handroba anay. BSB BSB: I heard and trembled within; my lips quivered at the sound. Decay entered my bones; I trembled where I stood. Yet I must wait patiently for the day of distress to come upon the people who invade us.
17 ULB Na dia tsy mamontsina aza ny hazon'aviavy ary tsy misy vokatra ny tahom-boaloboka; ary na dia mandiso fanantenana aza ny hazo oliva ary tsy mamokatra hanina ireo saha; ary na dia haringana aza ny ondry ao am-bala ary tsy misy biby fiompy ao am-pihinanana, dia izao no hataoko. BSB BSB: Though the fig tree does not bud and no fruit is on the vines, though the olive crop fails and the fields produce no food, though the sheep are cut off from the fold and no cattle are in the stalls,
18 ULB Mbola hiravoravo ao amin'i Yaveh aho. Hifaly aho noho ny famonjen'Andriamanitra ahy. BSB BSB: yet I will exult in the LORD; I will rejoice in the God of my salvation!
19 ULB Ny Tompo Yaveh no heriko ary manao ny tongotro tahaka ny an'ny diera Izy. Mampandroso ahy any amin'ireo toerako avo Izy. —Ho an'ny lehiben'ny mpihira, amin'ny fitaovan-dokangako. BSB BSB: GOD the Lord is my strength; He makes my feet like those of a deer; He makes me walk upon the heights! For the choirmaster. With stringed instruments.