1 ULB Hitsangana eo amin'ny fiambenako aho ary hampijanona ny tenako eo amin'ny tilikambo fiambenana, ary hijery tsara aho mba hahita izay holazainy amiko sy ny fomba hialako amin'ny fitarainako. BSB BSB: I will stand at my guard post and station myself on the ramparts. I will watch to see what He will say to me, and how I should answer when corrected.
2 ULB Namaly ahy Yaveh ary nilaza hoe: "Raketo izao fahitana izao, ary soraty mazava eo amin'ireo vato fisaka ka izay rehetra mamaky azy dia ho afaka hamaky azy ireo mora foana. BSB BSB: Then the LORD answered me: “Write down this vision and clearly inscribe it on tablets, so that a herald may run with it.
3 ULB Fa ho avy amin'ny fotoana ny fahitana ary hitranga ihany amin'ny farany fa tsy ho foana. Na dia tara aza izany, dia andraso. Fa tsy maintsy ho tonga izany ary tsy hitaredretra. BSB BSB: For the vision awaits an appointed time; it testifies of the end and does not lie. Though it lingers, wait for it, since it will surely come and will not delay.
4 ULB Indro! Izay manam-paniriana tsy marina ao anatiny dia mieboebo. Fa ny olo-marina dia ho velona noho ny finoany. BSB BSB: Look at the proud one; his soul is not upright—but the righteous will live by faith—
5 ULB Fa ny divay dia mpamadika ny zatovolahy mpiavonavona mba tsy hitoerany, fa hanitatra ny faniriany toy ny fasana, ary toy ny maty, izay tsy mety afa-po mihintsy. Angoniny ho azy ny firenena rehetra ary hangoniny ho azy ny vahoaka rehetra. BSB BSB: and wealth indeed betrays him. He is an arrogant man never at rest. He enlarges his appetite like Sheol, and like Death, he is never satisfied. He gathers all the nations to himself and collects all the peoples as his own.
6 ULB Tsy hamorona fomba fiteny hanesoana azy ary hira fanesoana momba azy ve izany rehetra izany, ka hanao hoe: "Loza ho an'izay mampitombo ny tsy azy! Fa mandra-pahoviana no hampitomboanao ny lanjan'ny antoka izay nalainao?" BSB BSB: Will not all of these take up a taunt against him, speaking with mockery and derision: ‘Woe to him who amasses what is not his and makes himself rich with many loans! How long will this go on?’
7 ULB Tsy hitsangana tampoka ve ireo izay manaikitra anao, ary hifoha ireo izay mampihorohoro anao? ho tonga lasibatra ho azy ireo ianao. BSB BSB: Will not your creditors suddenly arise and those who disturb you awaken? Then you will become their prey.
8 ULB Satria ianao nandroba vahoaka maro, ny vahoaka sisa rehetra dia handroba anao. Fa nandatsa-drà olombelona ianao ary nanao herisetra tamin'ny tany, sy ireo tanàna, ary ireo rehetra izay monina ao amin'ireo. BSB BSB: Because you have plundered many nations, the remnant of the people will plunder you—because of your bloodshed against man and your violence against the land, the city, and all their dwellers.
9 ULB "Loza ho an'izay fatra-pila harena amin'ny fanaovan-dratsy ho tombony ho an'ny ankohonany, mba hahafahany manorina ny akaniny amin'ny ambony mba hiarovany ny tenany eny ampelantanan'ny ratsy." BSB BSB: Woe to him who builds his house by unjust gain, to place his nest on high and escape the hand of disaster!
10 ULB Nizara fahamenarana ho an'ireo ankohonanao ianao tamin'ny nandringananao olona maro, ka nanota tamin'ny tenanao. BSB BSB: You have plotted shame for your house by cutting off many peoples and forfeiting your life.
11 ULB Fa hihiaka avy eo amin'ny manda ireo vato, ary ireo vatan-kazo no hamaly azy ireo, BSB BSB: For the stones will cry out from the wall, and the rafters will echo it from the woodwork.
12 ULB "Loza ho an'izay manangana tanàna amin'ny rà, ary izay manorina tanàn-dehibe amin'ny heloka." BSB BSB: Woe to him who builds a city with bloodshed and establishes a town by iniquity!
13 ULB Tsy avy amin'i Yaveh Tompon'ny maro ve no hiasan'ireo vahoaka amin'ny afo sy ny hisasaran'ireo firenena amin'ny zava-poana? BSB BSB: Is it not indeed from the LORD of Hosts that the labor of the people only feeds the fire, and the nations weary themselves in vain?
14 ULB Kanefa ny tany dia ho feno fahalalana ny voninahitr'i Yaveh tahaka ny rano mandrakotra ny ranomasina. BSB BSB: For the earth will be filled with the knowledge of the glory of the LORD as the waters cover the sea.
15 ULB "Loza ho an'izay mampisotro ny mpiara-monina aminy, ianao izay manisy ny poizinao mandra-pahamamonao azy ireo mba ahafahanao mijery ny fitanjahan'izy ireo." BSB BSB: Woe to him who gives drink to his neighbors, pouring it from the wineskin until they are drunk, in order to gaze at their nakedness!
16 ULB Ho feno fahamenarana ianao fa tsy voninahitra. Hisotro amin'izany ihany koa, ary hampiseho ny fitanjahanao. Hiverina hitodika aminao ny kapoakan'Yaveh eo an-tanany ankavanana, ary hanarona ny voninahitrao ny fahafaham-baraka. BSB BSB: You will be filled with shame instead of glory. You too must drink and expose your uncircumcision! The cup in the LORD’s right hand will come around to you, and utter disgrace will cover your glory.
17 ULB Ny herisetra natao an'i Libanona hanafotra anao ary hampihorohoro anao ny faharavan'ireo biby. Fa nandatsa-drà olona ianao ka nanao herisetra tamin'ny tany, ireo tanàna, sy izay rehetra monina ao amin'ireny. BSB BSB: For your violence against Lebanon will overwhelm you, and the destruction of animals will terrify you, because of your bloodshed against men and your violence against the land, the city, and all their dwellers.
18 ULB Inona no tombontsoanao amin'ny sary sokitra? Fa izay nisokitra izany, na izay manao sarin-javatra an'idina amin'ny vy, dia mpampianatra lainga; fa matoky ny asa-tanany ihany izy rehefa manamboatra ireo andriamanitra moana ireo. BSB BSB: What use is an idol, that a craftsman should carve it—or an image, a teacher of lies? For its maker trusts in his own creation; he makes idols that cannot speak.
19 ULB "Loza ho an'izay miteny amin'ny hazo hoe: Mifohaza!" na amin'ny vato mangina hoe: "Mitsangàna" moa mampianatra ve ireo zavatra ireo? indro, voapetaka volamena sy volafotsy izany, kanefa tsy misy fofon'aina akory amin'izany. BSB BSB: Woe to him who says to wood, ‘Awake!’ or to silent stone, ‘Arise!’ Can it give guidance? Behold, it is overlaid with gold and silver, yet there is no breath in it at all.”
20 ULB Fa Yaveh dia ao an-tempoliny masina! Manginà eo anatrehany, ry tany rehetra." BSB BSB: But the LORD is in His holy temple; let all the earth be silent before Him.