1 ULB Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrona ny Israely rehetra ary niteny hoe: "Indro, nofonao sy taolanao izahay. BSB BSB: Then all Israel came together to David at Hebron and said, “Here we are, your own flesh and blood.
2 ULB Vao tsy ela akory, raha nanjaka teo aminay Saoly, dia ianao no nitarika ny tafika Israelita. Yaveh Andriamanitrao niteny taminao hoe: 'Ho mpiandry an'Israely vahoakako ianao, ary ianao no ho tonga mpanapaka eo amin'Israely vahoakako."' BSB BSB: Even in times past, while Saul was king, you were the one who led Israel out and brought them back. And the LORD your God said, ‘You will shepherd My people Israel, and you will be ruler over them.’”
3 ULB Noho izany dia tonga tany amin'ny mpanjakan'Israely tao Hebrona ireo loholon'Israely rehetra, ary Davida nanao fanekena tamin'izy ireo teo anoloan'i Yaveh. Nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'Israely izy ireo. Tamin'izany fomba izany, dia tanteraka ny tenin'i Yaveh izay nambaran'i Samoela. BSB BSB: So all the elders of Israel came to the king at Hebron, where David made a covenant with them before the LORD. And they anointed him king over Israel, according to the word of the LORD through Samuel.
4 ULB Nandeha tany Jerosalema i Davida sy ny Israely rehetra (izany dia, Jebosa). Ary ireo Jebosita, mponina tao amin'ny tany, no teo. BSB BSB: Then David and all the Israelites marched to Jerusalem (that is, Jebus), where the Jebusites inhabited the land.
5 ULB Hoy ireo mponina tao Jebosa tamin'i Davida hoe: "Tsy ho tonga eto ianao." Fa Davida naka ny fiarovana mafin'i Ziona, izay, ny tanànan'i Davida. BSB BSB: The people of Jebus said to David, “You will never get in here.” Nevertheless, David captured the fortress of Zion (that is, the City of David).
6 ULB Hoy Davida hoe: "Na iza na iza manafika ireo Jebosita voalohany dia ho tonga mpifehy." Koa Joaba zanaka lahin'i Zeroia no nanafika voalohany, ary dia natao ho mpifehy izy. BSB BSB: Now David had said, “Whoever is the first to strike down a Jebusite will become chief commander.” And Joab son of Zeruiah went up first, and he became the chief.
7 ULB Ary nanomboka nonina tao amin'ilay fiarovana mafy i Davida. Ka dia nantsoin'izy ireo hoe tanànan'i Davida izany. BSB BSB: So David took up residence in the fortress; that is why it was called the City of David.
8 ULB Nanamafy ny tanàna manodidina izy nanomboka tany Milo hatrany amin'ny rindrina manodidina. Namafisin'i Joaba ny sisa ambiny tamin'ny tanàna. BSB BSB: He built up the city around it, from the supporting terraces to the surrounding wall, while Joab restored the rest of the city.
9 ULB Tonga lehibe dia lehibe i Davida satria nomba azy Yaveh tompon'ny maro. BSB BSB: And David became greater and greater, for the LORD of Hosts was with him.
10 ULB Ireto avy ireo mpitarika nananan'i Davida, izay nampiseho ny tenan'izy ireo ho natanjaka niaraka taminy teo amin'ny fanjakany, niaraka tamin'ireo Israely rehetra, mba hanao azy ho mpanjaka, nankatoa ny tenin'i Yaveh mahakasika an'Israely. BSB BSB: Now these were the chiefs of David’s mighty men, who, together with all Israel, bolstered and strengthened his kingdom, according to the word of the LORD concerning Israel.
11 ULB Ity no lisitr'ireo miaramila sangan'i Davida: Jasobeama, ilay zanaka lahin'i Hakmony, no mpifehy ny telo-polo. Namono telon-jato lahy tamin'ny lefony tanaty ady iray izy. BSB BSB: This is the list of David’s mighty men: Jashobeam son of Hachmoni was chief of the officers; he wielded his spear against three hundred men, whom he killed at one time.
12 ULB Ny nanaraka azy dia i Eleazara zanaka lahin'i Dodo, ilay Ahohita, izay iray tamin'ireo telo lahy mahery. BSB BSB: Next in command was Eleazar son of Dodo the Ahohite, one of the three mighty men.
13 ULB Niaraka tamin'i Davida izy tao Efesa-damina, ary tany ireo Filistina no nitambatra ho amin'ny ady, izay nisy ny saham-bary hordea sy ireo tafika nandositra avy tany Filistina. BSB BSB: He was with David at Pas-dammim when the Philistines gathered there for battle. At a place with a field full of barley, the troops fled from the Philistines.
14 ULB Nitsangana teo afovoan'ny saha izy ireo. Niaro izany izy ireo ary nandringana ireo Filistina ary Yaveh nanavotra azy ireo tamin'ny fandresena lehibe. BSB BSB: But Eleazar and David stationed themselves in the middle of the field and defended it. They struck down the Philistines, and the LORD brought about a great victory.
15 ULB Avy eo telo tamin'ireo telo-polo mpitarika no nidina ho any amin'ny vatolampy tany amin'i Davida, tao amin'ny zohin'i Adolama. Ny tafik'ireo Filistina dia nitoby tao amin'ny Lohasahan'i Refaita. BSB BSB: Three of the thirty chief men went down to David, to the rock at the cave of Adullam, while a company of Philistines was encamped in the Valley of Rephaim.
16 ULB Tamin'izany ora izany Davida dia tao amin'ny fiarovana mafiny, zohy iray, raha nitoby tao Betlehema ireo Filistina. BSB BSB: At that time David was in the stronghold, and the garrison of the Philistines was at Bethlehem.
17 ULB Naniry rano Davida ka nanao hoe: "Raha mba misy olona manome rano ahy ho sotroina avy ao amin'ny lava-drano ao Betlehema, ilay lava-drano izay akaikin'ny vavahady!" BSB BSB: David longed for water and said, “Oh, that someone would get me a drink of water from the well near the gate of Bethlehem!”
18 ULB Koa dia namakivaky teo amin'ny tafik'ireo Filistina ireo lehilahy mahery telo ary nanovo rano avy tao amin'ny lava-dranon'i Betlehema, ilay lava-drano teo amin'ny vavahady. Ary naka ny rano izy ireo ka nitondra izany ho any amin'i Davida, saingy nandà ny hisotro izany izy. Fa kosa, nararany ho an'i Yaveh izany. BSB BSB: So the Three broke through the Philistine camp, drew water from the well at the gate of Bethlehem, and brought it back to David. But he refused to drink it; instead, he poured it out to the LORD,
19 ULB Ary hoy izy hoe: "Sanatria amiko ny hisotro izany, ry Yaveh. Tokony hisotro ny ràn'ireo lehilahy izay nanao vy very ny ain'izy ireo ve aho?" Satria nanao vy very ny ainy izy ireo, nandà ny hisotro izany izy. Izany no zavatra nataon'ireo lehilahy mahery telo. BSB BSB: saying, “Far be it from me, my God, to do this! How can I drink the blood of these men who risked their lives?” Because they had brought it at the risk of their lives, David refused to drink it. Such were the exploits of the three mighty men.
20 ULB Abisay rahalahin'i Joaba, no kapiteny teo amin'izy telo. Ary nampiasa ny lefony indray mandeha izy teo amin'ny olona telo-jato ary namono azy ireo. Nalaza niaraka tamin'ireo Telo izy. BSB BSB: Now Abishai, the brother of Joab, was chief of the Three, and he wielded his spear against three hundred men, killed them, and won a name along with the Three.
21 ULB Tamin'ireo Telo, dia izy no nomem-boninahitra avo roa heny ary lasa kapitenin'izy ireo. Na dia tsy anisan'izy ireo aza izy. BSB BSB: He was doubly honored above the Three, and he became their commander, even though he was not included among the Three.
22 ULB Benaia zanaka lahin'i Joiada dia lehilahy natanjaka izay nanao asa lehibe. Izy no namono ireo roa lahy zanak'i Ariela avy any Moaba. BSB BSB: And Benaiah son of Jehoiada was a man of valor from Kabzeel, a man of many exploits. He struck down two champions of Moab, and on a snowy day he went down into a pit and killed a lion.
23 ULB Nidina tao amin'ny lavaka ihany koa izy ary namono liona raha nilatsaka ny oram-panala. Namono Egyptiana iray aza izy, lehilahy dimy hakiho ny halavany. Ilay Egyptiana nanana lefona tahaka ny andrin'ny mpanenona, nefa tehina ihany no nentiny nidina teo aminy. Nisambotra ny lefona teny an-tanan'ilay Egyptiana izy ary namono azy tamin'ny lefony ihany. BSB BSB: He also struck down an Egyptian, a huge man five cubits tall. Although the Egyptian had a spear like a weaver’s beam in his hand, Benaiah went against him with a club, snatched the spear from his hand, and killed the Egyptian with his own spear.
24 ULB Benaia zanaka lahin'i Joiada no nanao ireo asa lehibe ireo, ary nalaza toy ireo telo lahy mahery izy. BSB BSB: These were the exploits of Benaiah son of Jehoiada, who won a name along with the three mighty men.
25 ULB Tamin'ny ankapobeny dia izy no be voninahitra mihoatra noho ireo miaramila telo-polo. Nefa tsy nanam-boninahitra firy izy mihoatra ireo miaramila telo lahy tena sangany. Nefa napetrak'i Davida hiandraikitra ny fiambenana azy manokana izy. BSB BSB: He was most honored among the Thirty, but he did not become one of the Three. And David appointed him over his guard.
26 ULB Ireo lehilahy mahery dia Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana zanak'i Dodo avy any Betlehema, BSB BSB: Now these were the mighty men: Asahel the brother of Joab, Elhanan son of Dodo of Bethlehem,
27 ULB Samota ilay Harorita, Haleza ilay Pelonita, BSB BSB: Shammoth the Harorite, Helez the Pelonite,
28 ULB Ira zanaka lahin'Ikesy ilay Tekoita, Abiezera ilay Anatotita, BSB BSB: Ira son of Ikkesh the Tekoite, Abiezer the Anathothite,
29 ULB Sibekay ilay Hosatita, Ely ilay Ahohita, BSB BSB: Sibbecai the Hushathite, Ilai the Ahohite,
30 ULB Maharay ilay Netofatita, Heleda zanaka lahin'i Bana ilay Netofatita, BSB BSB: Maharai the Netophathite, Heled son of Baanah the Netophathite,
31 ULB Itahy zanaka lahin'i Ribay avy tao Gibean'ny taranak'i Benjamina, Benaia ilay Piratnita, BSB BSB: Ithai son of Ribai from Gibeah of the Benjamites, Benaiah the Pirathonite,
32 ULB Horay any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, Abiela ilay Arbatita, BSB BSB: Hurai from the brooks of Gaash, Abiel the Arbathite,
33 ULB Azmaveta ilay Baharomita, Eliaba ilay Salbonita, BSB BSB: Azmaveth the Baharumite, Eliahba the Shaalbonite,
34 ULB ireo zanaka lahin'i Hasema ilay Gizonita, Jonatana zanaka lahin'i Sage ilay Hararita, BSB BSB: the sons of Hashem the Gizonite, Jonathan son of Shagee the Hararite,
35 ULB Ahiama zanaka lahin'i Sakara ilay Hararita, Elifala zanaka lahin'i Ora, BSB BSB: Ahiam son of Sachar the Hararite, Eliphal son of Ur,
36 ULB Hefera ilay Mekeratita, Ahia ilay Pelonita, BSB BSB: Hepher the Mecherathite, Ahijah the Pelonite,
37 ULB Hezro ilay Karmelita, Naray zanaka lahin'i Ezbay, BSB BSB: Hezro the Carmelite, Naarai son of Ezbai,
38 ULB Joela rahalahin'i Natana, Mibara zanaka lahin'i Hagry, BSB BSB: Joel the brother of Nathan, Mibhar son of Hagri,
39 ULB Zaleta ilay Amonita, Naharay ilay Berotita (ilay mpitondra ny fiarovan'i Joaba zanaka lahin'i Zeroia), BSB BSB: Zelek the Ammonite, Naharai the Beerothite, the armor-bearer of Joab son of Zeruiah,
40 ULB Ira ilay Jitrita, Gareba ilay Jitrita, BSB BSB: Ira the Ithrite, Gareb the Ithrite,
41 ULB Oria ilay Hetita, Zabada zanaka lahin'i Ahelay, BSB BSB: Uriah the Hittite, Zabad son of Ahlai,
42 ULB Adina zanaka lahin'i Siza ilay Robenita (lehiben'ny Robenita) ary telo-polo lahy niaraka taminy, BSB BSB: Adina son of Shiza the Reubenite, chief of the Reubenites, and the thirty with him,
43 ULB Hanana zanaka lahin'i Maka, sy Josafata ilay Mitnita, BSB BSB: Hanan son of Maacah, Joshaphat the Mithnite,
44 ULB Ozia ilay Astartita, Sama sy Jeiela zanaka lahin'i Hotama ilay Aroerita, BSB BSB: Uzzia the Ashterathite, Shama and Jeiel the sons of Hotham the Aroerite,
45 ULB Jediaela zanaka lahin'i Simry, Joha (ilay Tizita rahalahiny), BSB BSB: Jediael son of Shimri and his brother Joha the Tizite,
46 ULB Eliala ilay Mahavita, Jeribay sy Josavia zanaka lahin'i Elnama, Jitma ilay Moabita, BSB BSB: Eliel the Mahavite, Jeribai and Joshaviah, the sons of Elnaam, Ithmah the Moabite,
47 ULB Eliala, Obeda, ary Jasiela ilay Mezobaita. BSB BSB: Eliel, Obed, and Jaasiel the Mezobaite.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.