1 ULB Ary Hirama mpanjakan'i Tyro nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Davida, sy hazo sedera, mpandrafitra, ary mpanao trano. Nanorina trano ho azy izy ireo. BSB BSB: Now Hiram king of Tyre sent envoys to David, along with cedar logs, stonemasons, and carpenters, to build a palace for him.
2 ULB Davida dia nahafantatra fa Yaveh no efa nametraka azy ho mpanjaka teo amin'Israely, ary ny fanjakany dia nasandratra ambony nohon'ny amin' Israely olony. BSB BSB: And David realized that the LORD had established him as king over Israel and had highly exalted his kingdom for the sake of His people Israel.
3 ULB Tao Jerosalema, dia naka vady maro Davida, ary niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy maro izy. BSB BSB: And David took more wives in Jerusalem and became the father of more sons and daughters.
4 ULB Ireto avy ny anaran' ireo zanaka naterany tany Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona, BSB BSB: These are the names of the children born to him in Jerusalem: Shammua, Shobab, Nathan, Solomon,
5 ULB Jibara, Elisoa, Elipeleta, BSB BSB: Ibhar, Elishua, Elpelet,
6 ULB Noga, Nafega, Jafia, BSB BSB: Nogah, Nepheg, Japhia,
7 ULB Elisama, Beliada ary Elifeleta. BSB BSB: Elishama, Beeliada, and Eliphelet.
8 ULB Ary rehefa ren'ireo Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'Israely rehetra Davida, dia nivoaka nitady azy izy rehetra. Nefa ren'i Davida izany ka nivoaka hanohitra azy ireo izy. BSB BSB: When the Philistines heard that David had been anointed king over all Israel, they all went in search of him; but David learned of this and went out to face them.
9 ULB Ary tonga ireo Filistina ka nanao fanafihana teny amin'ny Lohasahan'ny Refaïta. BSB BSB: Now the Philistines had come and raided the Valley of Rephaim.
10 ULB Avy eo Davida nangataka fanampiana tamin'Andriamanitra. Hoy izy hoe: "Tokony hiakatra hanafika ireo Filistina ve aho? Hanome fandresena eo amin'izy ireo ve ianao?" Dia hoy Yaveh taminy hoe: "Tafiho, fa tena hanome azy ireo ho anao Aho." BSB BSB: So David inquired of God, “Should I go up against the Philistines? Will You deliver them into my hand?” “Go,” replied the LORD, “for I will deliver them into your hand.”
11 ULB Dia niakatra nankao Bala-perazima izy ireo, ary tao no nandreseny azy ireo. Naneho hevitra izy hoe: "Ny tanako no namakian'i Yaveh ny fahavaloko hiparitaka toy ny tondra-drano." Ka lasa Bala-perazima no anaran'izany toerana izany. BSB BSB: So David and his men went up to Baal-perazim, where he defeated the Philistines and said, “Like a bursting flood, God has burst out against my enemies by my hand.” So they called that place Baal-perazim.
12 ULB Navelan'ireo Filistina teo ireo andriamaniny, ary nanome didy Davida fa tokony dorana ireo. BSB BSB: There the Philistines abandoned their gods, and David ordered that they be burned in the fire.
13 ULB Ary nanafika ny lohasaha indray ny Filistina. BSB BSB: Once again the Philistines raided the valley.
14 ULB Dia nangataka fanampiana tany amin'Andriamanitra indray Davida. Hoy Andriamanitra taminy hoe: "Tsy tokony hanafika azy ireo eo anoloana ianao, fa kosa hiodidina ao aorian'izy ireo ary ho tonga eo amin'izy ireo avy eo amin'ireo hazo balsama. BSB BSB: So David again inquired of God, who answered him, “Do not march up after them, but circle around them and attack them in front of the balsam trees.
15 ULB Rehefa renao ny feon'ny dia-be amin'ny fitsokan'ny rivotra avy eo amin'ireo tendron'ny hazo balsama, dia manafiha amin-kery. Manaova izany satria Andriamanitra efa hialoa lalana anao hanafika ny tafik'ireo Filistina." BSB BSB: As soon as you hear the sound of marching in the tops of the balsam trees, move out to battle, because this will mean that God has gone out before you to strike the camp of the Philistines.”
16 ULB Ka nataon'i Davida izay nandidian'Andriamanitra azy. Nandresy ny tafik'ireo Filistina tany Gibeona hatrany Gazera izy. BSB BSB: So David did as God had commanded him, and they struck down the army of the Philistines all the way from Gibeon to Gezer.
17 ULB Ary ny lazan'i Davida dia niely teo amin'ny tany rehetra, ary nahatonga ny firenena rehetra hatahotra azy Yaveh. BSB BSB: And David’s fame went out into every land, and the LORD caused all nations to fear him.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.