1 ULB Dia nentin'izy ireo niditra ilay fiaran'Andriamanitra ary napetrak'izy ireo teo afovoan'ny lay izay nataon'i Davida ho an'izany. Avy eo nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihombonana teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo. BSB BSB: So they brought the ark of God and placed it inside the tent that David had pitched for it. And they presented burnt offerings and peace offerings before God.
2 ULB Rehefa vitan'i Davida ny soron'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihombonana, dia nitahy ny vahoaka tamin'ny anaran'i Yaveh izy. BSB BSB: When David had finished sacrificing the burnt offerings and peace offerings, he blessed the people in the name of the LORD.
3 ULB Nizarazara mofo, sombin-kena, ary mofo mamy misy voaloboka tamin'ireo Israelita rehetra, na lahy na vavy izy. BSB BSB: Then he distributed to every man and woman of Israel a loaf of bread, a date cake, and a raisin cake.
4 ULB Nanendry Levita sasantsasany mba hanompo eo anoloan'ilay fiaran'i Yaveh i Davida, ary mba hankalaza, hisaotra sy hidera an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. BSB BSB: David appointed some of the Levites to minister before the ark of the LORD, to celebrate, to give thanks, and to praise the LORD, the God of Israel.
5 ULB Ireo Levita ireo dia Asafa ilay mpitarika, ary faharoa manaraka azy i Zakaria, Jeiela, Semiramota, Jehiela, Matita, Eliaba, Benaia, Obed-Edoma, ary Jeiela. Ireo no nitendry lokanga sy harpa. Asafa no nampaneno ny kipantsona, izay maneno mafy. BSB BSB: Asaph was the chief, Zechariah was second, then Jeiel, Shemiramoth, Jehiel, Mattithiah, Eliab, Benaiah, Obed-edom, and Jeiel. They were to play the harps and lyres, while Asaph sounded the cymbals
6 ULB Benaia sy Jahaziela mpisorona no mpitsoka tsy tapaka ny trompetra, teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. BSB BSB: and the priests Benaiah and Jahaziel blew the trumpets regularly before the ark of the covenant of God.
7 ULB Ary tamin'izany andro izany Davida no nanendry voalohany an'i Asafa sy ireo rahalahiny mba hihira io hiran'ny fisaorana an'i Yaveh io. BSB BSB: On that day David first committed to Asaph and his associates this song of thanksgiving to the LORD:
8 ULB Tolory fisaorana i Yaveh, antsoy ny anarany; ampahafantaro eo amin'ireo firenena ny asany. BSB BSB: “Give thanks to the LORD; call upon His name; make known His deeds among the nations.
9 ULB Mihirà Azy, mihirà fiderana Azy; ambarao ireo asany mahagaga rehetra. BSB BSB: Sing to Him, sing praises to Him; tell of all His wonders.
10 ULB Mireharehà amin'ny anarany masina; aoka hifaly ny fon'ireo izay mitady an'i Yaveh. BSB BSB: Glory in His holy name; let the hearts of those who seek the LORD rejoice.
11 ULB Tadiavo Yaveh sy ny heriny; tadiavo mandrakariva ny fanatrehany. BSB BSB: Seek out the LORD and His strength; seek His face always.
12 ULB Tsarovy ireo zava-mahagaga nataony, ireo fahagagana sy ireo lalàna avy amin'ny vavany, BSB BSB: Remember the wonders He has done, His marvels, and the judgments He has pronounced,
13 ULB ry taranak'Israely mpanompony, ianareo vahoakan'i Jakoba, izay nofidiany. BSB BSB: O offspring of His servant Israel, O sons of Jacob, His chosen ones.
14 ULB Izy no Yaveh, Andriamanitsika. Amin'ny tany rehetra ireo lalàny. BSB BSB: He is the LORD our God; His judgments carry throughout the earth.
15 ULB Ataovy ao an-tsaina mandrakariva ny fanekeny, dia ny teny izay nandidiany an'ireo taranaka arivo hifandimby. BSB BSB: Remember His covenant forever, the word He ordained for a thousand generations—
16 ULB Mahatsiaro ny fanekena izay nataony tamin'i Abrahama, sy ny voadiny tamin'Isaka Izy. BSB BSB: the covenant He made with Abraham, and the oath He swore to Isaac.
17 ULB Izany no nohamafisiny tamin'i Jakoba toy ny fitsipika, ary tamin'Israely toy ny fanekena mandrakizay. BSB BSB: He confirmed it to Jacob as a decree, to Israel as an everlasting covenant:
18 ULB Hoy Izy hoe: "Hanome anareo ny tanin'i Kanana ho anjara lovanareo Aho." BSB BSB: ‘I will give you the land of Canaan as the portion of your inheritance.’
19 ULB Niteny izany Aho raha mbola vitsy an'isa ianareo, tena vitsy tokoa, ary vahiny tao amin'ny tany. BSB BSB: When they were few in number, few indeed, and strangers in the land,
20 ULB Nandeha tamin'ny firenena ho amin'ny firenena izy ireo, avy amin'ny fanjakana iray mankany amin'ny hafa. BSB BSB: they wandered from nation to nation, from one kingdom to another.
21 ULB Tsy nisy na iza na iza navelany hampahory azy ireo; ireo mpanjaka dia nosaziany nohon'ny amin'izy ireo. BSB BSB: He let no man oppress them; He rebuked kings on their behalf:
22 ULB Hoy Izy hoe: "Aza mikasika an'ireo izay voahosotro, ary aza manisy ratsy an'ireo mpaminaniko." BSB BSB: ‘Do not touch My anointed ones! Do no harm to My prophets!’
23 ULB Mihirà ho an'i Yaveh, ry tany rehetra; hambarao isan'andro isan'andro ny famonjeny. BSB BSB: Sing to the LORD, all the earth. Proclaim His salvation day after day.
24 ULB Hambarao eo amin'ireo firenena ny voninahiny, ary eo amin'ireo firenena rehetra ireo asany mahagaga. BSB BSB: Declare His glory among the nations, His wonders among all peoples.
25 ULB Fa lehibe Yaveh ka tokony ho deraina indrindra, ary tokony hatahorana ambonin'ireo andriamanin-kafa rehetra Izy. BSB BSB: For great is the LORD, and greatly to be praised; He is to be feared above all gods.
26 ULB Satria sampy ireo andriamanitry ny firenena rehetra, fa Yaveh no nanao ny lanitra. BSB BSB: For all the gods of the nations are idols, but it is the LORD who made the heavens.
27 ULB Eo amin'ny fanatrehany ny famirapiratana sy ny voninahitra. Ary eo amin'ny toerany ny hery sy ny hafaliana. BSB BSB: Splendor and majesty are before Him; strength and joy fill His dwelling.
28 ULB Manomeza an'i Yaveh, ry fokon'ny vahoaka, manomeza voninahitra sy hery an'i Yaveh; BSB BSB: Ascribe to the LORD, O families of the nations, ascribe to the LORD glory and strength.
29 ULB omeo an'i Yaveh ny voninahitra mendrika ny anarany. Mitondrà fanatitra ary mankanesa eo anatrehany. Miankohofa amin'i Yaveh amin'ny famirapiratany masina. BSB BSB: Ascribe to the LORD the glory due His name; bring an offering and come before Him. Worship the LORD in the splendor of His holiness;
30 ULB Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. Izao tontolo izao ihany koa dia efa naorina; tsy afaka hozongozonina izany. BSB BSB: tremble before Him, all the earth. The world is firmly established; it cannot be moved.
31 ULB Aoka ho faly ny lanitra, ary aoka hiravo ny tany; aoka izy ireo hiteny eo amin'ireo firenena hoe: "Manjaka Yaveh." BSB BSB: Let the heavens be glad, and the earth rejoice. Let them say among the nations, ‘The LORD reigns!’
32 ULB Aoka hierona ny ranomasina, ary izay mameno izany dia hihiaka am-pifaliana. Aoka ho ravo ireo saha, sy izay rehetra eo amin'ireo. BSB BSB: Let the sea resound, and all that fills it; let the fields exult, and all that is in them.
33 ULB Ary aoka ireo hazo ao an'ala hihiaka am-pifaliana eo anatrehan'i Yaveh, fa ho avy hitsara ny tany Izy. BSB BSB: Then the trees of the forest will sing for joy before the LORD, for He is coming to judge the earth.
34 ULB Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, satria maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. BSB BSB: Give thanks to the LORD, for He is good; His loving devotion endures forever.
35 ULB Avy eo milazà hoe: "Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjenay. Hangony miaraka izahay ary vonjeo amin'ireo firenena hafa, mba ho afaka hanolotra fisaorana ho an'ny anaranao masina sy voninahitra amin'ny fiderana Anao izahay." BSB BSB: Then cry out: ‘Save us, O God of our salvation; gather and deliver us from the nations, that we may give thanks to Your holy name, that we may glory in Your praise.’
36 ULB Ho deraina mandrakizay mandrakizay anie i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. Hoy ny olona rehetra hoe: "Amena" ary nidera an'i Yaveh. BSB BSB: Blessed be the LORD, the God of Israel, from everlasting to everlasting.” Then all the people said, “Amen!” and “Praise the LORD!”
37 ULB Noho izany Davida dia namela an'i Asafa sy ireo rahalahiny teo anatrehan'ilay fiaran'ny faneken'i Yaveh, mba hanompo mandrakariva eo anatrehan'ilay fiara, araka izay takian'ny asa isan'andro isan'andro. BSB BSB: So David left Asaph and his associates there before the ark of the covenant of the LORD, to minister there regularly according to the daily requirements,
38 ULB Anisan'izany i Obed-edoma miaraka amin'ireo havany valo amby enim-polo. Obed-Edoma zanaka lahin'i Jedotona, miaraka amin'i Hosa, no mpiandry vavahady. BSB BSB: along with Obed-edom and his sixty-eight relatives. Obed-edom son of Jeduthun, and also Hosah, were to be gatekeepers.
39 ULB Zadoka ilay mpisorona sy ireo mpisorona namany dia teo amin'ny toerana avo tao Gibeona mba hanompo eo anoloan'ny tabernakelin'i Yave. BSB BSB: And David left Zadok the priest and his fellow priests before the tabernacle of the LORD at the high place in Gibeon
40 ULB Hanolotra fanatitra dorana mandrakariva amin'ny maraina sy hariva ho an'i Yaveh eo ambonin'ny alitara ho an'ny fandorana fanatitra izy ireo, araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Yaveh, izay nomeny ho didy ho an'Israely. BSB BSB: to regularly present burnt offerings to the LORD on the altar of burnt offerings, morning and evening, according to all that was written in the Law of the LORD, which He had commanded Israel to keep.
41 ULB Hemana sy Jedotona dia niaraka tamin'izy ireo, niaraka tamin'ireo ambiny izay nosafidiana tamin'ny anarana, mba hanolotra fisaorana an'i Yaveh, satria maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. BSB BSB: With them were Heman, Jeduthun, and the rest of those chosen and designated by name to give thanks to the LORD, for “His loving devotion endures forever.”
42 ULB Hemana sy Jedotona no mpiandraikitra ny tranon'ireo izay mitsoka trompetra, kipantsona, ary zava-maneno hafa ho an'ny hira masina. Ireo zanaka lahin'i Jedotona no niandry ny vavahady. BSB BSB: Heman and Jeduthun had with them trumpets and cymbals for the music and instruments for the songs of God. And the sons of Jeduthun were stationed at the gate.
43 ULB Avy eo ny olona rehetra niverina tany an-tranon'izy ireo avy, ary Davida niverina mba hitahy ny ankohonany. BSB BSB: Then all the people departed for their homes, and David returned home to bless his household.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.