1 ULB Ary rehefa tafapetraka tao amin'ny tranony ny mpanjaka, dia hoy izy tamin'i Natana mpaminany hoe: "Indro, monina anaty trano sedera aho, nefa ny fiaran'ny faneken'i Yaveh dia mijanona ao ambany lay." BSB BSB: After David had settled into his palace, he said to Nathan the prophet, “Here I am, living in a house of cedar, while the ark of the covenant of the LORD is under a tent.”
2 ULB Dia hoy Natana tamin'i Davida hoe: "Mandehana, ataovy izay ao am-ponao, fa momba anao Andriamanitra." BSB BSB: And Nathan replied to David, “Do all that is in your heart, for God is with you.”
3 ULB Nefa ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra, nanao hoe: BSB BSB: But that night the word of God came to Nathan, saying,
4 ULB "Mandehana ary lazao i Davida mpanompoko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Tsy hanorina trano ho Ahy mba honenako ianao. BSB BSB: “Go and tell My servant David that this is what the LORD says: You are not the one to build Me a house in which to dwell.
5 ULB Fa tsy mbola nonina tao anaty trano Aho nanomboka tamin'ny andro izay nitondrako an'Israely niakatra ka hatramin'izao andro izao. Fa kosa, nonina tao anaty lay Aho, dia tabernakely, tamin'ny toerana samihafa. BSB BSB: For I have not dwelt in a house from the day I brought Israel up out of Egypt until this day, but I have moved from tent to tent and dwelling to dwelling.
6 ULB Tamin'ny toerana rehetra izay efa nifindrako teo amin'Israely rehetra, moa ve Aho efa niteny na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely izay notendreko ho mpiandry ny vahoakako, nanao hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanorina trano sedera ho Ahy?""' BSB BSB: In all My journeys with all the Israelites, have I ever asked any of the leaders I appointed to shepherd My people, ‘Why haven’t you built Me a house of cedar?’
7 ULB "Ankehitriny ary, lazao Davida mpanompoko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tamin'ny tany fihinanam-bilona, avy tamin'ny fanarahana ondry, mba ho mpanapaka eo amin'Israely oloko ianao. BSB BSB: Now then, you are to tell My servant David that this is what the LORD of Hosts says: I took you from the pasture, from following the flock, to be the ruler over My people Israel.
8 ULB Nomba anao Aho na taiza na taiza nalehanao ary nandringana ireo fahavalonao tsy ho eo anolonao, ary homeko anarana, tahaka ny anaran'ireo izay lehibe eto ambonin'ny tany ianao. BSB BSB: I have been with you wherever you have gone, and I have cut off all your enemies from before you. Now I will make for you a name like that of the greatest in the land.
9 ULB Hanendry toerana iray ho an'Israely oloko Aho ary hametraka azy ireo ao, mba honenan'izy ireo ao amin'ny toeran'izy ireo manokana ary tsy hanana ahiahy intsony. Ireo olona ratsy fanahy dia tsy hampahory azy ireo, tahaka ny nataon'izy ireo taloha intsony, BSB BSB: And I will provide a place for My people Israel and will plant them so that they may dwell in a place of their own and be disturbed no more. No longer will the sons of wickedness oppress them as they did at the beginning
10 ULB tahaka ny nataon'izy ireo nanomboka tamin'ny andro izay nandidiako ireo mpitsara mba ho eo amin'Israely oloko. Avy eo hampilavo lefona ireo fahavalonao rehetra Aho. Fanampin'izany dia lazaiko aminao fa izaho, Yaveh, dia hanorina trano iray ho anao. BSB BSB: and have done since the day I appointed judges over My people Israel. And I will subdue all your enemies. Moreover, I declare to you that the LORD will build a house for you.
11 ULB Ho avy izany rehefa tanteraka ny fotoananao izay handehananao any amin'ireo razambenao, dia hanangana ireo taranaka mandimby anao Aho, ary ho an'iray amin'ireo taranakao, dia Izaho no hametraka ny fanjakany. BSB BSB: And when your days are fulfilled and you go to be with your fathers, I will raise up your descendant after you, one of your own sons, and I will establish his kingdom.
12 ULB Hanorina trano ho Ahy izy, ary Izaho hametraka ny seza fiandrianany mandrakizay. BSB BSB: He will build a house for Me, and I will establish his throne forever.
13 ULB Ho rainy Aho, ary izy ho zanako. Tsy ho esoriko aminy ny fahatokian'ny fanekeko, tahaka ny nanesorako an'izany tamin'i Saoly, izay nanapaka talohanao. BSB BSB: I will be his Father, and he will be My son. And I will never remove My loving devotion from him as I removed it from your predecessor.
14 ULB Hapetrako ho eo amin'ny tranoko sy ho eo amin'ny fanjakako mandrakizay izy, ary ny seza fiandrianany dia hitoetra mandrakizay."' BSB BSB: But I will set him over My house and My kingdom forever, and his throne will be established forever.”
15 ULB Dia niresaka tamin'i Davida i Natana ary nitatitra ireo teny rehetra ireo tany aminy, ka niresaka taminy momban'ilay fahitana iray manontolo izy. BSB BSB: So Nathan relayed to David all the words of this entire revelation.
16 ULB Dia niditra Davida mpanjaka ary nipetraka teo anoloan'i Yaveh; hoy izy hoe: "Iza moa aho, ry Yaveh Andriamanitra, ary inona ny fianakaviko, no dia nentinao ho amin'izao tanjona izao aho? BSB BSB: Then King David went in, sat before the LORD, and said, “Who am I, O LORD God, and what is my house, that You have brought me this far?
17 ULB Fa zavatra kely teo imasonao izany, ry Andriamanitra. Niresaka ny amin'ny fianakavian'ny mpanomponao izay mbola ho avy Ianao, ary nampiseho ahy ireo taranaka ho avy, ry Yaveh Andriamanitra. BSB BSB: And as if this was a small thing in Your eyes, O God, You have spoken about the future of the house of Your servant and have regarded me as a man of great distinction, O LORD God.
18 ULB Inona intsony no azoko, izaho Davida, lazaina aminao? Nomenao voninahitra ny mpanomponao. Nomenao fankatoavana manokana ny mpanomponao. BSB BSB: What more can David say to You for honoring Your servant? For You know Your servant,
19 ULB Ry Yaveh, nohon'ny amin'ny mpanomponao, sy mba hahatanteraka ny tanjona manokana, no nanaovanao izao zava-dehibe izao mba hampiharihariana ireo asanao lehibe rehetra. BSB BSB: O LORD. For the sake of Your servant and according to Your own heart, You have accomplished this great thing and made known all these great promises.
20 ULB Ry Yaveh, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay efa renay mandrakariva. BSB BSB: O LORD, there is none like You, and there is no God but You, according to everything we have heard with our own ears.
21 ULB Fa iza no firenena eto ambonin'ny tany tahaka ny Israely olonao, izay navotanao, Andriamanitra, avy any Egypta mba ho vahoaka ho Anao, mba hanao anarana ho anao amin'ireo asa lehibe sy mahagaga? Ireo firenena dia noroahinao tsy ho eo anoloan'ny vahoakanao, izay navotanao tamin'i Egypta. BSB BSB: And who is like Your people Israel—the one nation on earth whom God went out to redeem as a people for Himself? You made a name for Yourself through great and awesome wonders by driving out nations from before Your people, whom You redeemed from Egypt.
22 ULB Nataonao ho vahoakanao manokana mandrakizay i Israely, ary Ianao, ry Yaveh, dia tonga Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: For You have made Your people Israel Your very own forever, and You, O LORD, have become their God.
23 ULB Koa ankehitriny, ry Yaveh, hitoetra mandrakizay anie ny fampanantenana izay nataonao mahakasika ny mpanomponao sy ny fianakaviany. Ataovy araka izay efa nolazainao. BSB BSB: And now, O LORD, let the word You have spoken concerning Your servant and his house be established forever. Do as You have promised,
24 ULB Hitoetra mandrakizay anie ny anaranao ary ho lehibe, ka hilaza ny olona hoe: "Yaveh tompon'ny maro no Andriamanitr'Israely,' raha apetraka eo anatrehanao, ny tranoko, Davida mpanomponao. BSB BSB: so that Your name will be established and magnified forever when it is said, ‘The LORD of Hosts, the God of Israel, is God over Israel.’ And may the house of Your servant David be established before You.
25 ULB Fa Ianao, ry Andriamanitro, dia efa nampiseho tamin'ny mpanomponao fa hanorina trano ho azy Ianao. Izany no antony, nahitako, izaho mpanomponao, faharisihana hivavaka aminao. BSB BSB: For You, my God, have revealed to Your servant that You will build a house for him. Therefore Your servant has found the courage to pray before You.
26 ULB Koa ankehitriny, ry Yaveh, Ianao no Andriamanitra, ary efa nanao izany fampanantenana tsara izany tamin'ny mpanomponao: BSB BSB: And now, O LORD, You are God! And You have promised this goodness to Your servant.
27 ULB Ary sitrakao ny hitahy ny tranon'ny mpanomponao, mba hitoizan'izany mandrakizay eo anatrehanao. Ianao, ry Yaveh, no nitahy izany, ka ho voatahy mandrakizay izany." BSB BSB: So now You have been pleased to bless the house of Your servant, that it may continue forever before You. For You, O LORD, have blessed it, and it will be blessed forever.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.