1 ULB Taorian'izany Davida dia nanafika ny Filistina ary nandresy azy ireo. Nalàny teo amin'ny fifehezan'ny Filistina i Gata sy ny tanànany. BSB BSB: Some time later, David defeated the Philistines, subdued them, and took Gath and its villages from the hand of the Philistines.
2 ULB Ary nandresy an'i Moaba izy avy eo, ary dia lasa mpanompon'i Davida ny Moabita ary nandoa hetra taminy. BSB BSB: David also defeated the Moabites, and they became subject to David and brought him tribute.
3 ULB Dia resin'i Davida i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba tao Hamata, raha mbola nandeha mba hametraka ny lalàny teo amoron'ny reniranon'i Eofrata i Hadarezera. BSB BSB: As far as Hamath, David also defeated King Hadadezer of Zobah, who had marched out to establish his dominion along the Euphrates River.
4 ULB Nisambotra kalesy arivo, sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo, ary mpandeha an-tongotra roa alina i Davida. Notraingoin'i Davida ireo soavalin'ny kalesy rehetra, fa nanokana izay mahampy kalesy zato izy. BSB BSB: David captured from him a thousand chariots, seven thousand charioteers, and twenty thousand foot soldiers, and he hamstrung all the horses except a hundred he kept for the chariots.
5 ULB Nony tonga mba hanampy an'i Hadarezera mpanjakan'i Zoba ireo Syriana avy any Damaskosy, dia namono lehilahy Syriana roa arivo sy roa alina Davida. BSB BSB: When the Arameans of Damascus came to help King Hadadezer of Zobah, David struck down twenty-two thousand of their men.
6 ULB Avy eo dia nametraka miaramila tany Syria any Damaskosy i Davida, ka lasa mpanompon'i Davida ny Syriana ary nandoa hetra taminy. Nomen'i Yaveh fandresena i Davida na taiza na taiza nalehany. BSB BSB: Then he placed garrisons in Aram of Damascus, and the Arameans became subject to David and brought him tribute. So the LORD made David victorious wherever he went.
7 ULB Nalain'i Davida ireo ampinga volamena rehetra teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ary nentiny tany Jerosalema. BSB BSB: And David took the gold shields that belonged to the officers of Hadadezer and brought them to Jerusalem.
8 ULB Tany Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, dia naka varahina betsaka i Davida. Izany varahina izany no nanaovan'i Solomona ny ranomasim-barahina, ny andry, sy ny fitaovana varahina taty aoriana. BSB BSB: And from Tibhath and Cun, cities of Hadadezer, David took a large amount of bronze, with which Solomon made the bronze Sea, the pillars, and various bronze articles.
9 ULB Nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa resin'i Davida ny tafik'i Hadarezera mpanjakan'i Zoba rehetra, BSB BSB: When King Tou of Hamath heard that David had defeated the entire army of Hadadezer king of Zobah,
10 ULB dia nalefan'i Toy tany amin'i Davida i Hadorama zanany lahy mba hiarahaba sy hisaotra azy, satria Davida niady tamin'i Hadarezera sy nandresy azy, ary satria nanangana ady tamin'i Toy i Hadarezera. Ary Hadorama dia nitondra zavatra vita tamin'ny volafotsy, volamena, ary varahina niaraka taminy. BSB BSB: he sent his son Hadoram to greet King David and bless him for fighting and defeating Hadadezer, who had been at war with Tou. Hadoram brought all kinds of articles of gold and silver and bronze,
11 ULB Natokan'i Davida mpanjaka ho an'i Yaveh ireo zavatra ireo, niaraka tamin'ny volafotsy sy volamena izay noentiny avy tamin'ny firenena rehetra: Edoma, Moaba, ny vahoakan'i Amona, ireo Filistina, ary ny Amalekita. BSB BSB: and King David dedicated these to the LORD, along with the silver and gold he had carried off from all these nations—from Edom and Moab, and from the Ammonites, Philistines, and Amalekites.
12 ULB Namono Edomita valo arivo sy iray alina i Abisay zanaka lahin'i Zeroia tao amin'ny Lohasahan-tsira. BSB BSB: Moreover, Abishai son of Zeruiah struck down eighteen thousand Edomites in the Valley of Salt.
13 ULB Nametrahany miaramila tao Edoma, ary dia lasa mpanompon'i Davida ireo Edomita rehetra. Nomen'i Yaveh fandresena i Davida na taiza na taiza nalehany. BSB BSB: He placed garrisons in Edom, and all the Edomites were subject to David. So the LORD made David victorious wherever he went.
14 ULB Nanjaka teo amin'Israely rehetra Davida, ary nampihatra ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny vahoakany rehetra izy. BSB BSB: Thus David reigned over all Israel and administered justice and righteousness for all his people:
15 ULB Joaba zanaka lahin'i Zeroia no mpifehy ny tafika, ary Josafata zanaka lahin'i Ahiloda no mpitan-tsorata. BSB BSB: Joab son of Zeruiah was over the army; Jehoshaphat son of Ahilud was the recorder;
16 ULB Zadoka zanaka lahin'i Ahitoba sy Abimeleka zanaka lahin'i Abiatara no mpisorona, ary Saosa no mpanora-dalàna. BSB BSB: Zadok son of Ahitub and Ahimelech son of Abiathar were priests; Shavsha was the scribe;
17 ULB Benaia zanaka lahin'i Joiada no nifehy ireo Keretita sy Peletita, ary ireo zanaka lahin'i Davida no mpanolotsaina mitarika ny mpanjaka. BSB BSB: Benaiah son of Jehoiada was over the Cherethites and Pelethites; and David’s sons were chief officials at the king’s side.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.