1 ULB Nisy fahavalo iray nitsangana nanohitra an'Israely ary nandrisika an'i Davida mba hanisa ny Israely. BSB BSB: Then Satan rose up against Israel and incited David to take a census of Israel.
2 ULB Hoy Davida tamin'i Joaba sy ireo mpifehy ny tafika hoe: "Mandehana, isao ny vahoakan'Israely avy ao Beri-sheba ka hatrany Dana ary tatero amiko, mba hahafantarako ny isan'izy ireo." BSB BSB: So David said to Joab and the commanders of the troops, “Go and count the Israelites from Beersheba to Dan and bring me a report, so that I may know their number.”
3 ULB Dia hoy Joaba hoe: "Hampitombo avo zato heny ny tafiny anie Yaveh. Kanefa ry tompoko ilay mpanjaka, moa tsy manompo ny tompoko izy rehetra? Nahoana no mila izany ny tompoko? Nahoana no mitondra heloka amin'Israely?" BSB BSB: But Joab replied, “May the LORD multiply His troops a hundred times over. My lord the king, are they not all servants of my lord? Why does my lord want to do this? Why should he bring guilt on Israel?”
4 ULB Kanefa tapitra ny tenin'ny mpanjaka amin'i Joaba. Koa dia lasa Joaba ary nandeha nanerana an'Israely rehetra. Avy eo dia niverina tao Jerosalema izy. BSB BSB: Nevertheless, the king’s word prevailed against Joab. So Joab departed and traveled throughout Israel, and then he returned to Jerusalem.
5 ULB Ary dia notaterin'i Joaba tamin'i Davida ny fitambaran'ny isan'ireo lehilahy mpiady. Nisy lehilahy 1. 100. 000 mitan-tsabatra tao Israely. Joda irery no nanana miaramila 470. 000. BSB BSB: And Joab reported to David the total number of the troops. In all Israel there were 1,100,000 men who drew the sword, including 470,000 in Judah.
6 ULB Fa Levy sy Benjamina dia tsy voaisa amin'izy ireo, satria naharikoriko an'i Joaba ny baikon'ny mpanjaka. BSB BSB: But Joab did not include Levi and Benjamin in the count, because the king’s command was detestable to him.
7 ULB Naha-tohina an'Andriamanitra ny fihetsiny, ka dia nanafika an'Israely Izy. BSB BSB: This command was also evil in the sight of God; so He struck Israel.
8 ULB Hoy Davida tamin' Andriamanitra hoe: "Nanota be aho tamin'ny fanaovana izany. Koa esory ny heloky ny mpanomponao, satria nanao adalana be aho." BSB BSB: Then David said to God, “I have sinned greatly because I have done this thing. Now I beg You to take away the iniquity of Your servant, for I have acted very foolishly.”
9 ULB Hoy Yaveh tamin'i Gada, mpaminanin'i Davida hoe: BSB BSB: And the LORD instructed Gad, David’s seer,
10 ULB "Mandehana lazao amin'i Davida hoe: 'Izao no ambaran'i Yaveh: Omeko safidy telo ianao. Misafidiana iray amin'ireo.'" BSB BSB: “Go and tell David that this is what the LORD says: ‘I am offering you three options. Choose one of them, and I will carry it out against you.’”
11 ULB Noho izany Gada dia nankany amin'i Davida ary niteny taminy hoe: "Izao no ambaran'i Yaveh: 'Misafidiana iray amin'ireto: BSB BSB: So Gad went and said to David, “This is what the LORD says: ‘You must choose
12 ULB mosary telo taona, sa telo volana enjehan'ireo fahavalo sy tratran'ny sabatr'izy ireo, sa telo andro amin'ny sabatr'i Yaveh, izany hoe, areti-mandringana ao amin'ny tany, miaraka amin'ny anjelin'i Yaveh mandrava manerana ny tanin'Israely rehetra.' Koa ankehitriny ary, tapao izay valin-teny tokony ho entiko any amin'ilay naniraka ahy." BSB BSB: between three years of famine, three months of being swept away before your enemies and overtaken by their swords, or three days of the sword of the LORD—days of plague upon the land, with the angel of the LORD ravaging every part of Israel.’ Now then, decide how I should reply to Him who sent me.”
13 ULB Dia hoy Davida tamin'i Gada hoe: "Ory loatra aho. Avelao aho hianjera eo an-tanan'i Yaveh toy izay eo an-tanan'ny olona, satria tena lehibe ny famindram-pony." BSB BSB: David answered Gad, “I am deeply distressed. Please, let me fall into the hand of the LORD, for His mercies are very great; but do not let me fall into the hands of men.”
14 ULB Noho izany dia nandefa loza tamin'Israely i Yaveh, ary olona fito alina no maty. BSB BSB: So the LORD sent a plague upon Israel, and seventy thousand men of Israel fell dead.
15 ULB Nandefa anjely tany Jerosalema i Yaveh mba handrava izany. Raha iny izy saika handrava azy iny, dia nijery Yaveh ary nanova ny fisainany tamin'ilay ratsy. Hoy Izy tamin'ilay anjely mpandrava hoe: "Ampy izay! Atsaharo ny tananao." Tamin'izany fotoana izany dia nitsangana teo amin'ny famoloan'i Araona ilay Jebosita ny anjelin'i Yaveh. BSB BSB: Then God sent an angel to destroy Jerusalem, but as the angel was doing so, the LORD saw it and relented from the calamity, and He said to the angel who was destroying the people, “Enough! Withdraw your hand now!” At that time the angel of the LORD was standing by the threshing floor of Ornan the Jebusite.
16 ULB Nijery ambony Davida ary nahita ilay anjelin'i Yaveh nijoro teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra, nisy sabatra voatsoaka nanondro an'i Jerosalema teny an-tanany. Avy eo Davida sy ireo loholona, nitafy akanjo fisaonana, nampiankohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany. BSB BSB: When David lifted up his eyes and saw the angel of the LORD standing between heaven and earth, with a drawn sword in his hand stretched out over Jerusalem, David and the elders, clothed in sackcloth, fell facedown.
17 ULB Dia hoy Davida tamin'Andriamanitra hoe: "Moa tsy izaho no nandidy ny hanisàna ireo tafika? Nanao izany zavatra ratsy izany aho. Fa ireo ondry ireo, inona no nataon'izy ireo? Ry Yaveh Andriamanitro! Aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako, fa aza avela hitoetra amin'ny vahoakanao ny loza." BSB BSB: And David said to God, “Was it not I who gave the order to count the people? I am the one who has sinned and acted wickedly. But these sheep, what have they done? O LORD my God, please let Your hand fall upon me and my father’s house, but do not let this plague remain upon Your people.”
18 ULB Dia nandidy an'i Gada ny anjelin'i Yaveh mba hilaza amin'i Davida, fa tokony hiakatra sy hanorina alitara ho an'i Yaveh eo amin'ny famoloan'i Araona ilay Jebosita i Davida. BSB BSB: Then the angel of the LORD ordered Gad to tell David to go up and build an altar to the LORD on the threshing floor of Ornan the Jebusite.
19 ULB Noho izany dia lasa niakatra Davida araky ny toromarika nasain'i Gada nataony amin'ny anaran'i Yaveh. BSB BSB: So David went up at the word that Gad had spoken in the name of the LORD.
20 ULB Raha mbola nitoto vary i Araona, dia nitodika izy ary nahita ilay anjely. Dia niafina izy ireo sy ireo zanany lahy efatra. BSB BSB: Now Ornan was threshing wheat when he turned and saw the angel; and his four sons who were with him hid themselves.
21 ULB Rehefa tonga tany amin'i Araona i Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida. Nandao ny famoloana izy ary nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany teo amin'i Davida. BSB BSB: David came to Ornan, and when Ornan looked out and saw David, he left the threshing floor and bowed facedown before David.
22 ULB Dia hoy Davida tamin'i Araona hoe: "Amidio amiko ity famoloana ity, mba hafahako manorina alitara ho an'i Yaveh. Ho aloako ny vidiny feno, mba hiala amin'ny vahoaka ny loza." BSB BSB: Then David said to Ornan, “Grant me the site of this threshing floor, that I may build an altar to the LORD. Sell it to me for the full price, so that the plague upon the people may be halted.”
23 ULB Hoy Araona tamin'i Davida hoe: "Alaivo ho anao izany, ry tompoko ilay mpanjaka. Ataovy aminy izay hitanao fa tsara eo imasonao. Indro, hanome omby ho anao ho fanatitra dorana aho, ny fivelesam-bary ho kitay, ary ny vary ho fanatitra voa; homeko anao avokoa izany." BSB BSB: Ornan said to David, “Take it! May my lord the king do whatever seems good to him. Look, I will give the oxen for the burnt offerings, the threshing sledges for the wood, and the wheat for the grain offering—I will give it all.”
24 ULB Dia hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona hoe: "Tsia, mihizingizina hividy izany amin'ny vidiny feno aho. Tsy haka izay anao sy hanolotra izany ho fanatitra dorana amin'i Yaveh aho raha omena ahy fotsiny izany." BSB BSB: “No,” replied King David, “I insist on paying the full price, for I will not take for the LORD what belongs to you, nor will I offer burnt offerings that cost me nothing.”
25 ULB Noho izany dia nandoa enin-jato sekely volamena ho an'ilay toerana i Davida. BSB BSB: So David paid Ornan six hundred shekels of gold for the site.
26 ULB Nanorina alitara ho an'i Yaveh teo Davida ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihombonana teo amin'izany. Niantso an'i Yaveh izy, izay namaly azy tamin'ny afo avy any an-danitra ho eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana. BSB BSB: And there he built an altar to the LORD and offered burnt offerings and peace offerings. He called upon the LORD, who answered him with fire from heaven on the altar of burnt offering.
27 ULB Avy eo Yaveh nanome baiko an'ilay anjely, ary namerina ny sabany tao amin'ny fitoerany ilay anjely. BSB BSB: Then the LORD spoke to the angel, who put his sword back into its sheath.
28 ULB Rehefa hitan'i Davida fa namaly azy teo amin'ilay famoloan'i Araona ilay Jebosita i Yaveh, dia nanao ny sorona teo izy tamin'io fotoana io ihany. BSB BSB: At that time, when David saw that the LORD had answered him at the threshing floor of Ornan the Jebusite, he offered sacrifices there.
29 ULB Ary tamin'izany fotona izany, ny tabernakelin'i Yaveh, izay nataon'i Mosesy tany an'efitra, sy ny alitara ho an'ny fanatitra dorana, dia tany amin'ireo tany avo tany Gibeona. BSB BSB: For the tabernacle of the LORD that Moses had made in the wilderness and the altar of burnt offering were presently at the high place in Gibeon,
30 ULB Kanefa, tsy afaka nandeha tany mba hangataka ny tari-dalan'Andriamanitra i Davida, satria natahotra ny sabatry ny anjelin'i Yaveh izy. BSB BSB: but David could not go before it to inquire of God, because he was afraid of the sword of the angel of the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.