1 ULB Avy eo Davida nilaza hoe: "Eto no hisy ny tranon'i Yaveh Andriamanitra, miaraka amin'ny alitara ho an'ny fanatitra doran'Israely." BSB BSB: Then David said, “Here shall be the house of the LORD God, as well as the altar of burnt offering for Israel.”
2 ULB Koa nandidy ireo mpanompony i Davida mba hanangona miaraka ireo vahiny izay monina any amin'ny tanin'Israely. Notendreny izy ireo mba ho mpamaky vato, mba hamaky ireo vato karangana, mba hanorenana ny tranon'Andriamanitra. BSB BSB: So David gave orders to gather the foreigners in the land of Israel, from whom he appointed stonecutters to prepare finished stones for building the house of God.
3 ULB Nanome vy maro be ho fantsiky ny varavarana mba ho eo amin'ny vavahady, ary amin'ireo vy fanitsiana i Davida. Nanome varahina maro noho izay azo lanjaina ihany koa izy, BSB BSB: David provided a large quantity of iron to make the nails for the doors of the gateways and for the fittings, together with more bronze than could be weighed
4 ULB ary hazo sedera maro tsy tambo isaina. (Nitondra hazo sedera maro be ho an'i Davida mba hisaina ireo Sidoniana sy ireo Tyriana.) BSB BSB: and more cedar logs than could be counted; for the Sidonians and Tyrians had brought a large quantity of cedar logs to David.
5 ULB Hoy Davida hoe: "Solomona zanako lahy dia tanora sady tsy manam-pahaizana, ary ilay trano izay tokony hamboarina ho an' i Yaveh dia tsy maintsy mahatalanjona, mba halaza sy ho be voninahitra eo amin'ireo tany hafa rehetra. Koa hikarakara ny fanorenana izany aho." Noho izany dia nanao fanomanana lehibe i Davida talohan'ny nahafatesany. BSB BSB: And David said, “My son Solomon is young and inexperienced, and the house to be built for the LORD must be exceedingly magnificent—famous and glorious throughout all lands. Therefore I must make preparations for it.” So David made lavish preparations before his death.
6 ULB Avy eo dia niantso an'i Solomona zanany izy ary nandidy azy hanorina trano ho an'i Yaveh, Ilay Andriamanitr'Israely. BSB BSB: Then David called for his son Solomon and instructed him to build a house for the LORD, the God of Israel.
7 ULB Hoy Davida tamin'i Solomona hoe: "Ry zanako, fikasako ny hanorenako trano, ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamanitro. BSB BSB: “My son,” said David to Solomon, “it was in my heart to build a house for the Name of the LORD my God,
8 ULB Kanefa Yaveh nanatona ahy ary niteny hoe: 'Efa nandatsaka rà maro ary efa niady ady maro ianao. Tsy hanorina trano ho an'ny anarako ianao, satria efa nandatsaka rà maro teto an-tany teo imasoko ianao. BSB BSB: but this word of the LORD came to me: ‘You have shed much blood and waged great wars. You are not to build a house for My Name because you have shed so much blood on the ground before Me.
9 ULB Na dia izany aza, hanana zanaka lahy iray tia fihavanana ianao. Hanome azy fialan-tsasatra amin'ireo fahavalony rehetra amin'ny lafiny rehetra Aho. Fa ny anarany dia ho atao hoe Solomona, ary hanome azy fiadanana sy fahanginana ho an'Israely amin'ireo androny Aho. BSB BSB: But a son will be born to you who will be a man of rest. I will give him rest from all his enemies on every side; for his name will be Solomon, and I will grant to Israel peace and quiet during his reign.
10 ULB Hanorina trano ho an'ny anarako izy. Ho zanako izy, ary ho rainy Aho. Hametraka ny seza fiandrian'ny fanjakany eo amin'Israely mandrakizay Aho.' BSB BSB: He is the one who will build a house for My Name. He will be My son, and I will be his Father. And I will establish the throne of his kingdom over Israel forever.’
11 ULB Ankehitriny, ry zanako, homba anao anie Yaveh ary hampahomby anao. BSB BSB: Now, my son, may the LORD be with you, and may you succeed in building the house of the LORD your God, as He said you would.
12 ULB Hanorina ny tranon'i Yaveh Andriamanitrao anie ianao, araka ny nolazainy fa hataonao. Hanome anao saina sy fahazavan-tsaina ihany koa anie Yaveh, mba hankatoavanao ny lalàn'i Yaveh Andriamanitrao, rehefa mametraka anao hiasa eo amin'Israely Izy. BSB BSB: Above all, may the LORD give you insight and understanding when He puts you in command over Israel, so that you may keep the Law of the LORD your God.
13 ULB Dia hahomby ianao, raha mankatoa tsara ireo lalàna sy ireo didy izay nomen'i Yaveh tamin'i Mosesy mahakasika ny Israely. Mahereza ary manàna herim-po. Aza matahotra na kivy. BSB BSB: Then you will succeed, if you carefully follow the statutes and ordinances that the LORD commanded Moses for Israel. Be strong and courageous. Do not be afraid or discouraged.
14 ULB Ary, indro, ny fihezahana lehibe izay efa nomaniko ho an'ny tranon'i Yaveh izay talenta volamena 100. 000, talenta volafotsy iray tapitrisa, ary varahina sy vy maro be. Efa nanome hazo sy vato ihany koa aho. Tsy maintsy hanampy bebe kokoa an'ireo rehetra ireo ianao. BSB BSB: Now behold, I have taken great pains to provide for the house of the LORD—100,000 talents of gold, 1,000,000 talents of silver, and bronze and iron too great to be weighed. I have also provided timber and stone, and you may add to them.
15 ULB Manana mpiasa maro miaraka aminao ianao: mpamaky vato, mpanao trano, mpandrafitra, ary ireo mpanao asa-tanana mahay maro isan-karazany, BSB BSB: You also have many workers: stonecutters, masons, carpenters, and men skilled in every kind of work—
16 ULB izay afaka miasa amin'ny volamena, volafotsy, varahina, ary vy. Ka atomboy ny asa, ary homba anao anie Yaveh." BSB BSB: in gold and silver, bronze and iron—craftsmen beyond number. Now begin the work, and may the LORD be with you.”
17 ULB Nandidy ireo mpitariky ny Israely rehetra ihany koa Davida mba hanampy an'i Solomona zanany lahy, manao hoe: BSB BSB: Then David ordered all the leaders of Israel to help his son Solomon:
18 ULB "Momba anareo Yaveh Andriamanitrareo ary efa nanome fiadanana anareo tamin'ny lafiny rehetra. Efa nanome ireo mponin'ny faritra teto am-pelatanako Izy. Milavo lefona eo anatrehan'i Yaveh sy ny olony ny faritra. BSB BSB: “Is not the LORD your God with you, and has He not granted you rest on every side? For He has given the inhabitants of the land into my hand, and the land has been subdued before the LORD and His people.
19 ULB Ankehitriny mitadiava an'i Yaveh Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra. Mitsangàna ary aoreno ny toerana masin'i Yaveh Andriamanitra. Ka afaka mitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh sy ireo zavatra izay an'Andriamanitra ao an-trano izay naorina ho an'ny anaran'i Yaveh ianareo." BSB BSB: Now set your heart and soul to seek the LORD your God. Begin building the sanctuary of the LORD God, so that you may bring the ark of the covenant of the LORD and the holy articles of God into the temple that will be built for the Name of the LORD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.