1 ULB Rehefa antitra Davida ary akaiky hifarana ny andro iainany, dia nataony mpanjaka hanapaka an'Israely i Solomona zanany lahy. BSB BSB: When David was old and full of years, he installed his son Solomon as king over Israel.
2 ULB Nangoniny niaraka ireo mpitarika ny Israely rehetra, niaraka tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita. BSB BSB: Then he gathered all the leaders of Israel, as well as the priests and Levites.
3 ULB Ireo Levita telo-polo taona no ho mihoatra no nisaina. Niisa valo arivo sy telo alina izy ireo. BSB BSB: The Levites thirty years of age or older were counted, and the total number of men was 38,000.
4 ULB "Amin'ireo, dia efatra arivo sy roa alina no niandraikitra ny asa tao an-tranon'i Yaveh, ary enina arivo ireo manam-boninahitra sy mpitsara. BSB BSB: “Of these,” said David, “24,000 are to oversee the work of the house of the LORD, 6,000 are to be officers and judges,
5 ULB Efatra arivo ny mpiandry vavahady, ary efatra arivo ny mpidera an'i Yaveh miaraka amin'ny fitaovana izay namboariko ho fanomezana fiderana," Hoy Davida. BSB BSB: 4,000 are to be gatekeepers, and 4,000 are to praise the LORD with the instruments I have made for giving praise.”
6 ULB Nozarainy ho vondrona izay mifanaraka amin'ireo zanaka lahin'i Levy izy ireo: Gersona, Kehata, ary Merary. BSB BSB: Then David divided the Levites into divisions according to the sons of Levi: Gershon, Kohath, and Merari.
7 ULB Avy amin'ireo foko taranak'i Gersona, no nisy an'i Ladana sy Simey. BSB BSB: The Gershonites: Ladan and Shimei.
8 ULB Telo ny zanaka lahin'i Ladana: Jehiela ilay mpitarika, Zetama, ary Joela. BSB BSB: The sons of Ladan: Jehiel the first, Zetham, and Joel—three in all.
9 ULB Telo ny zanaka lahin'i Simey: Selomota, Haziela, ary Harana. Ireo no mpitarika ireo fokon'i Ladana. BSB BSB: The sons of Shimei: Shelomoth, Haziel, and Haran—three in all. These were the heads of the families of Ladan.
10 ULB Efatra ny zanaka lahin'i Simey: Jahata, Ziza, Jeosy, ary Beria. BSB BSB: And the sons of Shimei: Jahath, Zina, Jeush, and Beriah. These were the sons of Shimei—four in all.
11 ULB Jahata no zokiny indrindra, ary Ziza no faharoa, fa Jeosy sy Beria kosa tsy mba nanana zanaka lahy maro, ka dia natao ho foko iray mitovy asa izy ireo. BSB BSB: Jahath was the first and Zizah was the second; but Jeush and Beriah did not have many sons, so they were counted as one family and received a single assignment.
12 ULB Efatra ny zanaka lahin'i Kehata: Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela. BSB BSB: The sons of Kohath: Amram, Izhar, Hebron, and Uzziel—four in all.
13 ULB Ireto avy ny zanaka lahin'i Amrama: Arona sy Mosesy. Voasafidy ho mpanokana ireo zava-masina indrindra i Arona, ka izy sy ireo taranany no hanolotra ny ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Yaveh, hanompo Azy ary hanome tso-drano amin'ny anarany mandrakizay. BSB BSB: The sons of Amram: Aaron and Moses. Aaron and his descendants were set apart forever to consecrate the most holy things, to burn incense before the LORD, to minister before Him, and to pronounce blessings in His name forever.
14 ULB Fa raha ny amin'i Mosesy ilay lehilahin'Andriamanitra kosa, dia natao ho Levita ireo zanany lahy. BSB BSB: As for Moses the man of God, his sons were named among the tribe of Levi.
15 ULB Ireo zanaka lahin'i Mosesy dia i Gersona sy Eliezera. BSB BSB: The sons of Moses: Gershom and Eliezer.
16 ULB Ny taranak'i Gersona dia i Seboela ilay zokony indrindra. BSB BSB: The descendants of Gershom: Shebuel was the first.
17 ULB Ny taranak'i Eliezera dia i Rehabia. Tsy nanan-janaka lahy hafa i Eliezera, kanefa Rehabia dia nanana taranaka maro. BSB BSB: The descendants of Eliezer: Rehabiah was the first. Eliezer did not have any other sons, but the sons of Rehabiah were very numerous.
18 ULB Ny zanaka lahin'i Jizara dia i Selomita ilay mpitarika. BSB BSB: The sons of Izhar: Shelomith was the first.
19 ULB Ny taranak'i Hebrona dia i Jeria, zokiny indrindra, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no fahefatra. BSB BSB: The sons of Hebron: Jeriah was the first, Amariah the second, Jahaziel the third, and Jekameam the fourth.
20 ULB Ireo zanaka lahin'i Oziela dia i Mika zokiny indrindra, ary Isiah no faharoa. BSB BSB: The sons of Uzziel: Micah was the first and Isshiah the second.
21 ULB Ireo zanaka lahin'i Merary dia i Maly sy Mosy. Ireo zanaka lahin'i Maly dia i Eleazara sy Kisy. BSB BSB: The sons of Merari: Mahli and Mushi. The sons of Mahli: Eleazar and Kish.
22 ULB Maty tsy mba nitera-dahy i Eleazara. Zanaka vavy ihany no nananany. Ireo zanaka lahin'i Kisy dia nanambady azy ireo. BSB BSB: Eleazar died without having any sons; he had only daughters. Their cousins, the sons of Kish, married them.
23 ULB Ireo zanak'i Mosy telo lahy dia i Maly, Edera, ary Jeremota. BSB BSB: The sons of Mushi: Mahli, Eder, and Jeremoth—three in all.
24 ULB Ireo no taranak'i Levy araka ny fokon'izy ireo. Izy ireo no mpitarika, voaisa ary voatanisa araka ny anaran'ny foko izay nanao ny asa fanompoana tao an-tranon'i Yaveh, manomboka eo amin'ny roapolo taona no ho miakatra. BSB BSB: These were the descendants of Levi by their families—the heads of families, registered individually by name—those twenty years of age or older who worked in the service of the house of the LORD.
25 ULB Fa hoy Davida hoe: "Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia efa nanome fitsaharana ho an'ny olony. Nataony ao Jerosalema mandrakizay ny tranony. BSB BSB: For David had said, “The LORD, the God of Israel, has given rest to His people and has come to dwell in Jerusalem forever.
26 ULB Tsy hitondra ny tabernakely sy ireo fitaovana fampiasa amin'ny fanompoana rehetra intsony ireo Levita." BSB BSB: So now the Levites no longer need to carry the tabernacle or any of the articles for its service.”
27 ULB Fa tamin'ny alalan'ny tenin'i Davida farany no nanisana ireo Levita, roapolo taona no ho miakatra. BSB BSB: For according to the final instructions of David, the Levites twenty years of age or older were counted,
28 ULB Ny raharahan'izy ireo dia manatrika ireo taranak'i Arona amin'ny asa ao an-tranon'i Yaveh. Izy ireo dia mikarakara ireo kianja, ireo efitrano, ny fomba fanadiovana ireo zavatra rehetra izay an'i Yaveh, ary ny asa fanompoana hafa ao an-tranon'Andriamanitra. BSB BSB: but their duty was to assist the descendants of Aaron with the service of the house of the LORD, being responsible for the courts and chambers, the purification of all the holy things, and the work of the service of the house of God,
29 ULB Izy ireo ihany koa no mikarakara ny mofon'ny fanatrehana, ny koba tsara toto ho vary fanatitra, ny mofo manify tsy misy masirasira, fanatitra voahendy, fanatitra mifangaro diloilo, ary ny famarana ny habetsahana sy haben-javatra rehetra. BSB BSB: as well as for the rows of the showbread, the fine flour for the grain offering, the wafers of unleavened bread, the baking, the mixing, and all measurements of quantity and size.
30 ULB Nitsangana isa-maraina ihany koa izy ireo mba hisaotra sy hidera an'i Yaveh. Nataon'izy ireo ihany koa izany ny hariva BSB BSB: They were also to stand every morning to give thanks and praise to the LORD, and likewise in the evening.
31 ULB ary na oviana na oviana no manatitra fanatitra dorana ho an'i Yaveh, na amin'ny Sabata na amin'ny fankalazana ny voaloham-bolana sy amin'ny andro fanasana. Ny isa raikitra, izay voatendrin'ny didy, dia tsy maintsy aseho eo anatrehan'i Yaveh mandrakariva. BSB BSB: Whenever burnt offerings were presented to the LORD on the Sabbaths, New Moons, and appointed feasts, they were to serve regularly before the LORD in the numbers prescribed for them.
32 ULB Izy ireo no nisahana ny trano lay fihaonana, ny toerana masina, ary nanampy ireo taranak'i Arona naman'izy ireo tamin'ny fanompoana tao an-tranon'i Yaveh. BSB BSB: So the Levites were to carry out the responsibilities for the Tent of Meeting and the Holy Place, and, under their brothers the descendants of Aaron, the service of the house of the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.