1 ULB Novorian'i Davida ireo manam-boninahitry ny Israely rehetra tao Jerosalema: ireo manam-boninahitr'ireo foko, ireo manam-pahefan'ireo antoko izay nanompo ny mpanjaka tamin'ny asan'izy ireo voalahatra, ireo mpifehy an'arivo sy mpifehy an-jato, ireo mpitantana ny harena sy fananan'ny mpanjaka sy ny an'ireo zanany lahy rehetra, ary ireo manam-pahefana sy ireo lehilahy mpiady, anisan'izany ny mahay indrindra amin'izy ireo. BSB BSB: Now David summoned all the leaders of Israel to Jerusalem: the leaders of the tribes, the leaders of the divisions in the king’s service, the commanders of thousands and of hundreds, and the officials in charge of all the property and cattle of the king and his sons, along with the court officials and mighty men—every mighty man of valor.
2 ULB Dia nitsangana Davida mpanjaka ary nanao hoe: "Henoy aho, ry rahalahiko sy vahoakako. Fikasako ny hanamboatra tempoly ho an'ny fiaran'ny faneken'i Yaveh; fitoeran-tongotra ho an'Andriamanitsika, ary efa nanao fanomanana hanorenana izany aho. BSB BSB: Then King David rose to his feet and said, “Listen to me, my brothers and my people. It was in my heart to build a house as a resting place for the ark of the covenant of the LORD and as a footstool for our God. I had made preparations to build it,
3 ULB Nefa hoy Andriamanitra tamiko hoe: 'Tsy hanamboatra tempoly ho an'ny anarako ianao, satria lehilahin'ady ianao ary efa nandatsa-drà.' BSB BSB: but God said to me, ‘You are not to build a house for My Name, because you are a man of war who has shed blood.’
4 ULB Ary Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, efa nifidy ahy tamin'ny fianakavian-draiko rehetra ho mpanjaka eo amin'Israely mandrakizay. Efa nifidy ny fokon'i Joda ho mpitarika Izy. Nifidy ahy ho mpanjaka eo amin'ny Israely rehetra tao amin'ny fokon'i Joda, ary tao amin'ny ankohonan-draiko, avy tamin'ny zanaka lahin-draiko rehetra Izy. BSB BSB: Yet the LORD, the God of Israel, chose me out of all my father’s house to be king over Israel forever. For He chose Judah as leader, and from the house of Judah He chose my father’s household, and from my father’s sons He was pleased to make me king over all Israel.
5 ULB Avy amin'ireo zanaka lahy maro nomen'i Yaveh ahy, no nisafidianany an'i Solomona, zanako lahy, mba hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Yaveh, eo amin'Israely. BSB BSB: And of all my sons—for the LORD has given me many sons—He has chosen Solomon my son to sit on the throne of the kingdom of the LORD over Israel.
6 ULB Hoy Izy tamiko hoe: 'Hanamboatra ny tranoko sy ireo kianjako i Solomona zanakao lahy, satria efa nifidy azy ho zanako Aho, ary ho rainy Aho. BSB BSB: And He said to me, ‘Solomon your son is the one who will build My house and My courts, for I have chosen him as My son, and I will be his Father.
7 ULB Hametraka ny fanjakany mandrakizay Aho, raha mitoetra mankatoa ireo didiko sy lalàko, tahaka anao amin'izao izy.' BSB BSB: I will establish his kingdom forever, if he resolutely carries out My commandments and ordinances, as is being done this day.’
8 ULB Ary ankehitriny, eo imason'Israely rehetra, ity fiangonana ho an'i Yaveh ity, sy eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitsika, dia tandremonareo rehetra ary tano ireo didin'i Yaveh Andriamanitrareo rehetra. Ataovy izany mba hanananareo izany tany soa izany ka hametraka izany ho lovan'ireo zanakareo mandimby anareo mandrakizay. BSB BSB: So now in the sight of all Israel, the assembly of the LORD, and in the hearing of our God, keep and seek out all the commandments of the LORD your God, so that you may possess this good land and leave it as an inheritance to your descendants forever.
9 ULB Ary ny aminao, ry Solomona zanako, ankatoavy ny Andriamanitry ny rainao, ary manompoa Azy amin'ny fonao manontolo sy fanahy mazoto. Ataovy izany satria Yaveh mitady ny fo rehetra ary mahatakatra ny fahazotoan'ny eritreritry ny olona rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia ho hitanao Izy, nefa raha mandao Azy ianao, dia hanary anao mandrakizay Izy. BSB BSB: As for you, Solomon my son, know the God of your father and serve Him wholeheartedly and with a willing mind, for the LORD searches every heart and understands the intent of every thought. If you seek Him, He will be found by you; but if you forsake Him, He will reject you forever.
10 ULB Fantaro fa i Yaveh efa nifidy anao mba hanamboatra izany tempoly izany ho fitoerany masina. Mahatanjaha ka ataovy izany." BSB BSB: Consider now that the LORD has chosen you to build a house for the sanctuary. Be strong and do it.”
11 ULB Dia nomen'i Davida an'i Solomona zanany ny sarin'ny fidiran'ny tempoly, ny fananganana ny tempoly, ireo trano fitehirizana, ireo efitra farany ambony, ireo efitra anatiny, ary ny efitra misy ny rakotra fanavotana. BSB BSB: Then David gave his son Solomon the plans for the portico of the temple, its buildings, storehouses, upper rooms, inner rooms, and the room for the mercy seat.
12 ULB Nomeny azy ireo rafitra nataony sary ho an'ireo kianjan'ny tranon'i Yaveh, ireo efitra manodidina rehetra, ireo trano fitehirizana ao an-tranon'Andriamanitra, ary ireo fitehirizan-drakitra ho an'ireo zavatra izay an'i Yaveh. BSB BSB: The plans contained everything David had in mind for the courts of the house of the LORD, for all the surrounding rooms, for the treasuries of the house of God and of the dedicated things,
13 ULB Nanome azy ireo fitsipika ho an'ireo fizaran'ireo mpisorona sy ireo Levita, ho an'ireo andraikitra voatendry ho an'ny fanompoana ao amin'ny tranon'i Yaveh, ary ho an'ireo zavatra rehetra ho an'ny fanompoana ao an-tranon'i Yaveh izy. BSB BSB: for the divisions of the priests and Levites, for all the work of service in the house of the LORD, and for all the articles of service in the house of the LORD:
14 ULB Nomeny azy ny lanjan'ny fanaka volamena rehetra ho an'ny fanompoana isan-karazany rehetra ary ny fanaka volafotsy rehetra, ho an'ny zavatra rehetra ho an'ny karazam-panompoana rehetra. BSB BSB: the weight of all the gold articles for every kind of service; the weight of all the silver articles for every kind of service;
15 ULB Ireo antsipirihany ireo dia nomena tamin'ny lanja, anisan'izany ny antsipirihan'ireo fanaovan-jiro volamena sy ireo jiro volamena, ny antsipirihan'ny lanja ho an'ny fanaovan-jiro rehetra, ho an'ireo jiro, ho an'ireo fanaovan-jiro volafotsy, ary ny antsipirihany ho an'ny fampiasana manokana ny fanaovan-jiro rehetra. BSB BSB: the weight of the gold lampstands and their lamps, including the weight of each lampstand and its lamps; the weight of each silver lampstand and its lamps, according to the use of each lampstand;
16 ULB Nomeny ho an'ireo latabatry ny mofon'ny fanatrehana, ho an'ny latabatra rehetra ny lanjan'ny volamena, ary ny lanjan'ny volafotsy ho an'ireo latabatra volafotsy. BSB BSB: the weight of gold for each table of showbread, and of silver for the silver tables;
17 ULB Nomeny ho an'ireo sotro fihinanan-kena, ireo koveta, ary ireo kapoaka ny lanjan'ny volamena tsy mifangaro. Nomeny ny lanjan'ny lovia volamena tsirairay, ary ny lanjan'ny lovia volafotsy tsirairay. BSB BSB: the weight of the pure gold for the forks, sprinkling bowls, and pitchers; the weight of each gold dish; the weight of each silver bowl;
18 ULB Nomeny ho an'ny alitara fandorana ditin-kazo manitra ny lanjan'ny volamena voadio, ary ny an'ny volamena ho an'ny sarin'ny kerobima izay mamelatra ireo elany ka manarona ny fiaran'ny faneken'i Yaveh. BSB BSB: the weight of the refined gold for the altar of incense; and the plans for the chariot of the gold cherubim that spread their wings and overshadowed the ark of the covenant of the LORD.
19 ULB Hoy Davida hoe: "Efa nataoko an-tsoratra izany rehetra izany araka ny nanoroan'i Yaveh ahy sy nampahazoany ahy momba ny sary." BSB BSB: “All this,” said David, “all the details of this plan, the LORD has made clear to me in writing by His hand upon me.”
20 ULB Hoy Davida tamin'i Solomona zanany hoe: "Mahatanjaha ary manàna herim-po. Ataovy ny asa. Aza matahotra na miahiahy, fa Yaveh Andriamanitra, Andriamanitro, dia momba anao. Tsy hamela anao Izy na handao anao mandra-pahavitan'ny asa rehetra ho an'ny fanompoana ao amin'ny tempolin'i Yaveh. BSB BSB: David also said to Solomon his son, “Be strong and courageous, and do it. Do not be afraid or discouraged, for the LORD God, my God, is with you. He will neither fail you nor forsake you before all the work for the service of the house of the LORD is finished.
21 ULB Indro, ireto ireo fizaran'ireo mpisorona sy ireo Levita ho an'ny fanompoana rehetra ao an-tempolin' Andriamanitra. Hiaraka aminao izy ireo, miaraka amin'ny lehilahy manam-piniavana sy tena mahay avokoa, mba hanampy anao amin'ny asa sy hanatanteraka ny fanompoana. Ireo manam-boninahitra sy ny vahoaka rehetra dia vonona ny hanaraka ireo baikonao." BSB BSB: The divisions of the priests and Levites are ready for all the service of the house of God, and every willing man of every skill will be at your disposal for the work. The officials and all the people are fully at your command.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.