1 ULB Hoy Davida Mpanjaka tamin'ny fiangonana manontolo hoe: "Solomona zanako lahy, izay hany nofidian'Andriamanitra, dia mbola tanora sy tsy manana traikefa, nefa goavana ny asa. Fa ny tempoly dia tsy ho an'ny vahoaka fa ho an'i Yaveh Andriamanitra. BSB BSB: Then King David said to the whole assembly, “My son Solomon, the one whom God has chosen, is young and inexperienced. The task is great because this palace is not for man, but for the LORD God.
2 ULB Ka dia efa nanao izay fara heriko aho mba hamatsiana ny tempolin'ny Andriamanitro. Hanome volamena aho ho an'izay zavatra vitaina amin'ny volamena, volafotsy ho an'izay zavatra vitaina amin'ny volafotsy, varahina ho an'izay zavatra vitaina amin'ny varahina, vy ho an'izay zavatra vitaina amin'ny vy, ary hazo ho an'izay zavatra vitaina amin'ny hazo. Hanolotra vato beryla ihany koa aho, vato hahorina, vato ho an'ny asa voarafitra maro loko—karazana vato sarobidy rehetra—ary marmora fotsy maro be. BSB BSB: Now with all my ability I have made provision for the house of my God—gold for the gold articles, silver for the silver, bronze for the bronze, iron for the iron, and wood for the wood, as well as onyx for the settings, turquoise, stones of various colors, all kinds of precious stones, and slabs of marble—all in abundance.
3 ULB Indro, nohon'ny fankasitrahako ny ao tranon'ny Andriamanitro, dia homeko ho an'izany ny volamena sy ny volafotsy sarobidy fananako. Ataoko izao ho fanampin'izay rehetra efa nomaniko ho an'ity tempoly masina ity: BSB BSB: Moreover, because of my delight in the house of my God, I now give for it my personal treasures of gold and silver, over and above all that I have provided for this holy temple:
4 ULB talenta volamena avy any Ofira telo arivo, sy talenta volafotsy voadio fito arivo, mba hametrahana ireo rindrin'ireo fanorenana. BSB BSB: three thousand talents of gold (the gold of Ophir) and seven thousand talents of refined silver, to overlay the walls of the buildings,
5 ULB Hanome volamena ho an'ny zavatra ho vitaina amin'ny volamena aho, sy volafotsy ho an'ny zavatra ho vitaina amin'ny volafotsy, ary ireo zavatra ho an'ny karazan'asa rehetra izay ataon'ireo mpanao asa tanana. Iza ihany koa no te- handray anjara ho an'i Yaveh androany ary hanolo-tena ho Azy?" BSB BSB: for the gold work and the silver work, and for all the work to be done by the craftsmen. Now who is willing to consecrate himself to the LORD today?”
6 ULB Ary ireo fanatitra an-tsitrapo dia nataon'ireo mpitarika ny fianakavian'ny razamben'izy ireo, ireo mpitarik'ireo fokon'Israely, ireo mpifehy ireo an'arivony sy an-jatony, ary ireo manamboninahitra eo amin'ny asan'ny mpanjaka. BSB BSB: Then the leaders of the families, the officers of the tribes of Israel, the commanders of thousands and of hundreds, and the officials in charge of the king’s work gave willingly.
7 ULB Nanome talenta dimy arivo sy darika volamena iray alina, talenta volafotsy iray alina, talenta varahina valo arivo sy iray alina, ary talenta vy 100. 000 ho an'ny asan'ny tranon'Andriamanitra izy ireo. BSB BSB: Toward the service of God’s house they gave 5,000 talents and 10,000 darics of gold, 10,000 talents of silver, 18,000 talents of bronze, and 100,000 talents of iron.
8 ULB Ireo izay nanana vato sarobidy dia nanome izany tao amin'ny fitoeran-drakitry ny tranon'i Yaveh, teo ambany fanaraha-mason'i Jehiela, taranak'i Gersona. BSB BSB: Whoever had precious stones gave them to the treasury of the house of the LORD, under the care of Jehiel the Gershonite.
9 ULB Niravoravo ny vahoaka noho ireo fanatitra an-tsitrapo ireo, satria nandray anjara tamin'ny fony manontolo ho an'i Yaveh izy ireo. Faly dia faly ihany koa i Davida Mpanjaka. BSB BSB: And the people rejoiced at the willing response of their leaders, for they had given to the LORD freely and wholeheartedly. And King David also rejoiced greatly.
10 ULB Nisaotra an'i Yaveh teo anatrehan'ny fiangonana rehetra i Davida. Hoy izy hoe: "Ho deraina anie Ianao, ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely razambenay, mandrakizay doria. BSB BSB: Then David blessed the LORD in the sight of all the assembly and said: “May You be blessed, O LORD, God of our father Israel, from everlasting to everlasting.
11 ULB Anao, ry Yaveh, ny fahalebiazana, ny fahefana, ny voninahitra, ny fandresena, ary ny famirapiratana. Fa izay rehetra eny amin'ny lanitra sy eo ambonin'ny tany dia Anao. Anao ny fanjakana, ry Yaveh, asandratra ho mpanapaka eo amin'ny zava-drehetra Ianao. BSB BSB: Yours, O LORD, is the greatness and the power and the glory and the splendor and the majesty, for everything in heaven and on earth belongs to You. Yours, O LORD, is the kingdom, and You are exalted as head over all.
12 ULB Ny harena sy ny voninahitra dia samy avy aminao, ary manapaka amin'ny olona rehetra Ianao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery. Hanananao ny tanjaka sy ny hery mba hahalehibe ny olona sy hanome tanjaka ny olona na iza na iza. BSB BSB: Both riches and honor come from You, and You are the ruler over all. In Your hands are power and might to exalt and give strength to all.
13 ULB Koa ankehitriny, ry Andriamanitray, dia misaotra Anao sy midera ny anaranao be voninahitra izahay. BSB BSB: Now therefore, our God, we give You thanks, and we praise Your glorious name.
14 ULB Fa iza moa aho, ary iza ireo vahoakako, no tokony ho afaka hanolotra ireo zavatra ireo an-tsitrapo? Eny tokoa, ny zava-drehetra dia avy aminao, ka dia naverinay taminao tsotr'izao izay anao. BSB BSB: But who am I, and who are my people, that we should be able to give as generously as this? For everything comes from You, and from Your own hand we have given to You.
15 ULB Fa vahiny sy mpandalo tahaka ireo razambenay rehetra izahay, eo anatrehanao. Ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka, ary tsy misy fanantenana ny amin'ny fijanonana eto an-tany. BSB BSB: For we are foreigners and strangers in Your presence, as were all our forefathers. Our days on earth are like a shadow, without hope.
16 ULB Ry Yaveh Andriamanitray, ireo harena rehetra ireo izay voahangonay mba hananganana tempoly hanomezam-boninahitra ny anaranao masina— dia avy aminao ary Anao. BSB BSB: O LORD our God, from Your hand comes all this abundance that we have provided to build You a house for Your holy Name, and all of it belongs to You.
17 ULB Fantatro ihany koa, ry Andriamanitro, fa mandinika ny fo sy mankasitraka ny fahitsiana Ianao. Raha ny amiko, tamin'ny fahitsim-poko no efa nanolorako an-tsitrapo ireo zavatra rehetra ireo, ary ankehitriny mijery am-piravoravoana ireo vahoakanao izay manatrika an-tsitrapo eto manolotra fanomezana ho Anao aho. BSB BSB: I know, my God, that You test the heart and delight in uprightness. All these things I have given willingly and with an upright heart, and now I have seen Your people who are present here giving joyfully and willingly to You.
18 ULB Ry Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Israely— razambenay—raketo mandrakizay ao an-tsaina aman'eritreritr'ireo vahoakanao izany. Tariho ny fon'izy ireo hitodika aminao BSB BSB: O LORD, God of our fathers Abraham, Isaac, and Israel, keep this desire forever in the intentions of the hearts of Your people, and direct their hearts toward You.
19 ULB Omeo an'i Solomona zanako lahy ny fo feno faniriana hitandrina ireo didinao, ireo lalàn'ny fanekenao, ary ireo lalànao, mba hanatanterahana ireo fikasana rehetra ny amin'ny fananganana ny lapa izay efa novatsiako." BSB BSB: And give my son Solomon a whole heart to keep and carry out all Your commandments, decrees, and statutes, and to build Your palace for which I have made provision.”
20 ULB Hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra hoe: "Ankehitriny misaora an'i Yaveh Andriamanitrareo." Ny fiangonana rehetra, nisaotra an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razamben'izy ireo, nanondrika ny lohany ka nanompo an'i Yaveh ary niankohoka teo anoloan'ny mpanjaka. BSB BSB: Then David said to the whole assembly, “Bless the LORD your God.” So the whole assembly blessed the LORD, the God of their fathers. They bowed down and paid homage to the LORD and to the king.
21 ULB Ny ampitso, dia nanao sorona ho an'i Yaveh sy nanolotra fanatitra dorana ho Azy izy ireo. Nanolotra omby arivo, ondry lahy arivo, ary zanak'ondry arivo, niaraka tamin'ny fanatitra sotroina sy sorona be dia be ho an'Israely rehetra izy ireo. BSB BSB: The next day they offered sacrifices and presented burnt offerings to the LORD: a thousand bulls, a thousand rams, and a thousand lambs, along with their drink offerings, and other sacrifices in abundance for all Israel.
22 ULB Tamin'izany andro izany, dia nihinana sy nisotro teo anatrehan'i Yaveh tamin'ny fankalazana lehibe izy ireo. Nataon'izy ireo mpanjaka fanindroany indray i Solomona, zanak'i Davida, ary nanosotra azy ho mpanapaka tamin'ny alalan'ny fahefan'i Yaveh. Nanosotra an'i Zadoka ho mpisorona ihany koa izy ireo. BSB BSB: That day they ate and drank with great joy in the presence of the LORD. Then, for a second time, they designated David’s son Solomon as king, anointing him before the LORD as ruler, and Zadok as the priest.
23 ULB Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Yaveh ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy. Nambinina izy, ary ny Israely rehetra nankatoa azy. BSB BSB: So Solomon sat on the throne of the LORD as king in place of his father David. He prospered, and all Israel obeyed him.
24 ULB Ireo mpitarika rehetra, miaramila, ary ireo zanaka lahin'i Davida dia nanome fankatoavana an'i Solomona Mpanjaka. BSB BSB: All the officials and mighty men, as well as all of King David’s sons, pledged their allegiance to King Solomon.
25 ULB Nomen'i Yaveh voninahitra tamim-palehibiazana teo anatrehan'Israely rehetra i Solomona ary nomeny fahefana lehibe noho izay efa nomeny an'ireo mpanjaka teo alohany tao Israely. BSB BSB: The LORD highly exalted Solomon in the sight of all Israel and bestowed on him royal majesty such as had not been bestowed on any king in Israel before him.
26 ULB Nanjaka teo amin'Israely rehetra i Davida zanaka lahin'i Jese. BSB BSB: David son of Jesse was king over all Israel.
27 ULB Mpanjakan'Israely nandritry ny efa-polo taona i Davida. Nanapaka an'i Hebrona nandritry ny fito taona ary Jerosalema nandritry ny telo amby telopolo taona izy. BSB BSB: The length of David’s reign over Israel was forty years—seven years in Hebron and thirty-three years in Jerusalem.
28 ULB Maty izy rehefa tratra antitra tsara, rehefa niaina andro lava, tamin'ny harena sy voninahitra. Nandimby azy i Solomona zanany. BSB BSB: He died at a ripe old age, full of years, riches, and honor, and his son Solomon reigned in his place.
29 ULB Voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpaminany, ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany, ary ao amin'ny bokin'i Gada mpaminany ireo zava-bitan'i Davida Mpanjaka. BSB BSB: Now the acts of King David, from first to last, are indeed written in the Chronicles of Samuel the Seer, the Chronicles of Nathan the Prophet, and the Chronicles of Gad the Seer,
30 ULB Voarakitra ao ireo asan'ny fanapahany, ireo zava-bitany sy ireo zava-niseho izay nahakasika azy, Israely, ary ireo fanjakan'ny tany hafa rehetra. BSB BSB: together with all the details of his reign, his might, and the circumstances that came upon him and Israel and all the kingdoms of the lands.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.