1 ULB Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ireo raintsika dia tao ambanin'ny rahona avokoa ary namakivaky ny ranomasina. BSB BSB: I do not want you to be unaware, brothers, that our forefathers were all under the cloud, and that they all passed through the sea.
2 ULB Ny rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy tao amin'ny ranomasina, BSB BSB: They were all baptized into Moses in the cloud and in the sea.
3 ULB ary ny rehetra dia samy nihinana sakafom-panahy mitovy. BSB BSB: They all ate the same spiritual food
4 ULB Ny rehetra dia nisotro ranom-panahy mitovy. Fa izy ireo dia nisotro tamin'ny vatolampim-panahy izay nanaraka azy ireo, dia Kristy izany vatolampy izany. BSB BSB: and drank the same spiritual drink; for they drank from the spiritual rock that accompanied them, and that rock was Christ.
5 ULB Fa Andriamanitra dia tsy nankasitraka tsara ny ankamaroan'izy ireo, ary ny fatin'izy ireo dia naparitaka tany an'efitra. BSB BSB: Nevertheless, God was not pleased with most of them, for they were struck down in the wilderness.
6 ULB Ankehitriny ireny zavatra ireny dia ohatra ho antsika, mba tsy haniriantsika zava-dratsy toy ny nilan'izy ireo. BSB BSB: These things took place as examples to keep us from craving evil things as they did.
7 ULB Aza manompo sampy, toy ny sasany tamin'izy ireo. Izany dia araka izay voasoratra hoe: "Ireo olona nipetraka mba hihinana sy hisotro, ary nitsangana mba hilalao." BSB BSB: Do not be idolaters, as some of them were. As it is written: “The people sat down to eat and drink and got up to indulge in revelry.”
8 ULB Aoka isika tsy hijangajanga, toy ny nataon'ny maro tamin'izy ireo. Tao anatin'ny iray andro, dia olona telo arivo sy roa alina no maty nohon'ny amin'izany. BSB BSB: We should not commit sexual immorality, as some of them did, and in one day twenty-three thousand of them died.
9 ULB Aoka ihany koa isika tsy hitsapa an'i Kristy, toy ny nataon'ny maro tamin'izy ireo ka naringan'ireo menarana. BSB BSB: We should not test Christ, as some of them did, and were killed by snakes.
10 ULB Aza mimonomonona ihany koa, toy ny nataon'ny maro tamin'izy ireo ka naringan'ny anjelin'ny fahafatesana. BSB BSB: And do not complain, as some of them did, and were killed by the destroying angel.
11 ULB Ary ireny zavatra ireny no nitranga tamin'izy ireo mba ho ohatra ho antsika. Nosoratana mba ho fampianarana antsika izy ireny—ho amintsika izay niavian'ny fara-andro. BSB BSB: Now these things happened to them as examples and were written down as warnings for us, on whom the fulfillment of the ages has come.
12 ULB Noho izany aoka izay mieritreritra ny tenany ho efa mijoro mitandrina tsara mba tsy hianjera. BSB BSB: So the one who thinks he is standing firm should be careful not to fall.
13 ULB Tsy nisy fakam-panahy nahatratra anareo izay tsy iraisan'ny olombelona rehetra. Fa kosa, Andriamanitra dia mahatoky. Tsy hamela anareo ho alaim-panahy mihoatra izay zakanareo Izy. Miaraka amin'ny fakam-panahy dia hanome anareo ny lalana hitsoahana ihany koa Izy, mba hafahanareo miaritra izany. BSB BSB: No temptation has seized you except what is common to man. And God is faithful; He will not let you be tempted beyond what you can bear. But when you are tempted, He will also provide an escape, so that you can stand up under it.
14 ULB Noho izany, ry malalako, mandosira lavitry ny fanompoan-tsampy. BSB BSB: Therefore, my beloved, flee from idolatry.
15 ULB Miteny aminareo toy ny olona manan-tsaina aho, mba hafahanareo mitsara izay lazaiko. BSB BSB: I speak to reasonable people; judge for yourselves what I say.
16 ULB Ny kapoakan'ny fisaorana izay isaorantsika, moa ve izany tsy fiombonana amin'ny ràn'i Kristy? Ny mofo izay vakiantsika, moa ve izany tsy fiombonana amin'ny vatan'i Kristy? BSB BSB: Is not the cup of blessing that we bless a participation in the blood of Christ? And is not the bread that we break a participation in the body of Christ?
17 ULB Satria iray ihany ny mofo, isika izay maro dia vatana iray. Isika rehetra dia mandray amin'ny mofo iray ihany. BSB BSB: Because there is one loaf, we who are many are one body; for we all partake of the one loaf.
18 ULB Jereo ireo vahoakan'Israely: moa ve ireo izay mihinana ireo fanatitra tsy mpandray anjara eo amin'ny alitara? BSB BSB: Consider the people of Israel: Are not those who eat the sacrifices fellow partakers in the altar?
19 ULB Inona ary no ho lazaiko? Hoe tsy misy dikany ve izany ny sampy? Sa ny sakafo izay natao fanatitra tamin'ny sampy no tsy misy dikany? BSB BSB: Am I suggesting, then, that food sacrificed to an idol is anything, or that an idol is anything?
20 ULB Fa miresaka momban'ny zavatra izay ataon'ireo Jentilisa mpanompo sampy fanatitra aho, fa omen'izy ireo an'ireo demonia ireny zavatra ireny fa tsy an' Andriamanitra. Tsy tiako ianareo ho mpiombona amin'ny demonia! BSB BSB: No, but the sacrifices of pagans are offered to demons, not to God. And I do not want you to be participants with demons.
21 ULB Tsy afaka misotro ny kapoakan' ny Tompo sy ny kapoakan'ny demonia ianareo. Tsy afaka miray eo amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatr'ireo demonia ianareo. BSB BSB: You cannot drink the cup of the Lord and the cup of demons too; you cannot partake in the table of the Lord and the table of demons too.
22 ULB Sa manao izay mahasaro-piaro ny Tompo ve isika? Mahery noho Izy ve isika? BSB BSB: Are we trying to provoke the Lord to jealousy? Are we stronger than He?
23 ULB "Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna," fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa. "Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna," fa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso ny olona. BSB BSB: “Everything is permissible,” but not everything is beneficial. “Everything is permissible,” but not everything is edifying.
24 ULB Tsy misy tokony hitady ny tombontosoany manokana. Fa kosa, ny tsirairay dia tokony hitady ny tombotsoan'ny namany. BSB BSB: No one should seek his own good, but the good of others.
25 ULB Afaka mihinana izay rehetra amidy eny an-tsena ianareo, fa aza manontany ny fieritreretana. BSB BSB: Eat anything sold in the meat market without raising questions of conscience,
26 ULB Fa "An'ny Tompo ny tany, sy izay rehetra misy eo aminy." BSB BSB: for, “The earth is the Lord’s, and the fullness thereof.”
27 ULB Raha misy tsy mpino manasa anareo hisakafo, ka maniry ny handeha ianareo, dia hano izay rehetra mipetraka eo anoloanareo ka aza mametra-panontaniana ny amin'ny fieritreretana. BSB BSB: If an unbeliever invites you to a meal and you want to go, eat anything set before you without raising questions of conscience.
28 ULB Fa raha misy miteny aminao hoe: "Ity sakafo ity dia avy amin'ny fanatitry ny mpanompo sampy," dia aza mihinana izany. Izany dia ho an'ilay nampahafantatra anareo, sy ho an'ny fieritreretana. BSB BSB: But if someone tells you, “This food was offered to idols,” then do not eat it, for the sake of the one who told you and for the sake of conscience—
29 ULB Tsy miteny aho hoe ny fieritreretanao manokana, fa ny fieritreretan'ny olon-kafa. Nahoana ny fahafahako no tokony ho tsarain'ny fieritreretan'ny hafa? BSB BSB: the other one’s conscience, I mean, not your own. For why should my freedom be determined by someone else’s conscience?
30 ULB Raha mandray anjara amin'ny sakafo am-pankasitrahana aho, nahoana no tevatevaina amin'izay nanomezako fisaorana? BSB BSB: If I partake in the meal with thankfulness, why am I denounced because of that for which I give thanks?
31 ULB Noho izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr' Andriamanitra avokoa. BSB BSB: So whether you eat or drink or whatever you do, do it all to the glory of God.
32 ULB Aza manome fanafintohinana ny Jiosy na ny Grika, na ny fiangonan'Andriamanitra. BSB BSB: Do not become a stumbling block, whether to Jews or Greeks or the church of God—
33 ULB Miezaka ny hahafaly ny olon-drehetra amin'ny zavatra rehetra aho. Tsy mitady ny tombontsoako aho, fa ny an'ny maro. Ataoko izany mba ho voavonjy izy ireo. BSB BSB: as I also try to please everyone in all I do. For I am not seeking my own good, but the good of many, that they may be saved.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.