1 ULB Alao tahaka aho, toa ahy mpaka tahaka an'i Kristy. BSB BSB: You are to imitate me, just as I imitate Christ.
2 ULB Ary midera anareo aho satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo. Midera anareo aho satria mitazona mafy ny fombafomba araka izay nanolorako azy ireo teo aminareo ianareo. BSB BSB: Now I commend you for remembering me in everything and for maintaining the traditions, just as I passed them on to you.
3 ULB Ary tiako ho azonareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra, fa ny lahy no lohan'ny vavy, ary Andriamanitra no lohan'i Kristy. BSB BSB: But I want you to understand that the head of every man is Christ, and the head of the woman is man, and the head of Christ is God.
4 ULB Ary manala voninahitra ny lohany ireo lehilahy izay mivavaka na maminany ka misaron-doha. BSB BSB: Every man who prays or prophesies with his head covered dishonors his head.
6 ULB Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia tokony tapahina ho fohy ny volony. Raha mahamenatra ny vehivavy ny manapaka ny volony na ny manaratra ny lohany, dia aoka izy hanarona ny lohany. BSB BSB: If a woman does not cover her head, she should have her hair cut off. And if it is shameful for a woman to have her hair cut or shaved off, she should cover her head.
7 ULB Fa tsy tokony hanarona ny lohany ny lehilahy, satria izy no sary sy voninahitr'Andriamanitra. Fa ny vehivavy dia voninahitry ny lehilahy. BSB BSB: A man ought not to cover his head, since he is the image and glory of God; but the woman is the glory of man.
8 ULB Fa ny lehilahy dia tsy natao avy tamin'ny vehivavy. Fa kosa, ny vehivavy no natao avy tamin'ny lehilahy. BSB BSB: For man did not come from woman, but woman from man.
9 ULB Fa tsy misy lehilahy noforonina ho an'ny vehivavy. Fa kosa, ny vehivavy no noforonina ho an'ny lehilahy. BSB BSB: Neither was man created for woman, but woman for man.
10 ULB Izany no tokony hananan'ny vehivavy ny mariky ny fahefana eo amin'ny lohany, noho ireo anjely. BSB BSB: For this reason a woman ought to have a sign of authority on her head, because of the angels.
11 ULB Na izany aza, ao amin'ny Tompo, tsy mahaleo-tena amin'ny lehilahy ny vehivavy, na ny lehilahy mahaleo-tena amin'ny vehivavy. BSB BSB: In the Lord, however, woman is not independent of man, nor is man independent of woman.
12 ULB Fa raha avy amin'ny lehilahy ny vehivavy, dia ny lehilahy koa dia avy amin'ny vehivavy. Ary avy amin'Andriamanitra ny zava-drehetra. BSB BSB: For just as woman came from man, so also man is born of woman. But everything comes from God.
13 ULB Tsarao ny tenanareo: Mety amin'ny vehivavy ve ny mivavaka amin'Andriamanitra tsy misaron-doha? BSB BSB: Judge for yourselves: Is it proper for a woman to pray to God with her head uncovered?
14 ULB Tsy ny natiora mihitsy aza ve no mampianatra anareo fa raha ny lehilahy no lava volo, dia fahafaham-baraka ho azy izany? BSB BSB: Doesn’t nature itself teach you that if a man has long hair, it is a disgrace to him,
15 ULB Tsy mampianatra anareo ve ny natiora fa raha ny vehivavy no lava volo, dia voninahitra ho azy izany? Fa nomena azy ny volony mba hanaronana azy. BSB BSB: but that if a woman has long hair, it is her glory? For long hair is given to her as a covering.
16 ULB Fa raha misy te-hiady hevitra amin'izany, dia tsy manana fampiharana hafa izahay, na ireo fiangonan'Andriamanitra. BSB BSB: If anyone is inclined to dispute this, we have no other practice, nor do the churches of God.
17 ULB Fa anatin’ireo torolalana manaraka, dia tsy midera anareo aho. Fa rehefa miara-tonga ianareo, dia tsy ho amin'ny tsara izany fa ho amin'ny ratsy indrindra. BSB BSB: In the following instructions I have no praise to offer, because your gatherings do more harm than good.
18 ULB Fa tamin'ny voalohany indrindra, dia reko fa rehefa miaraka miangona ao amin'ny fiangonana ianareo, dia misy fizarazarana eo aminareo, ary mino izany amin'ny ampahany aho. BSB BSB: First of all, I hear that when you come together as a church, there are divisions among you, and in part I believe it.
19 ULB Fa tsy maintsy misy fitsitokotokoana eo aminareo, mba hankasitrahana eo aminareo ireo izay nekena. BSB BSB: And indeed, there must be differences among you to show which of you are approved.
20 ULB Fa rehefa miangona ianareo, dia tsy ny Fanasan'ny Tompo no hoaninareo. BSB BSB: Now then, when you come together, it is not the Lord’s Supper you eat.
21 ULB Rehefa mihinana ianareo, dia samy mihinana ny sakafony manokana ny tsirairay alohan'ny hisakafoan'ireo hafa. Noana ny iray, ary ny hafa lasa mamo. BSB BSB: For as you eat, each of you goes ahead without sharing his meal. While one remains hungry, another gets drunk.
22 ULB Tsy manana trano isakafoana sy isotroana ve ianareo? Ho tsinontsiniavinareo ve ny fiangonan'Andriamanitra ka hahetrinareo izay tsy manana na inona na inona? Inona no tokony ho teneniko aminareo? Tokony hidera anareo ve aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho! BSB BSB: Don’t you have your own homes in which to eat and drink? Or do you despise the church of God and humiliate those who have nothing? What can I say to you? Shall I praise you for this? No, I will not!
23 ULB Fa noraisiko avy amin'ny Tompo ihany koa izay ampitaiko anareo, fa Jesosy Tompo, tamin'ny alina izay namadihana Azy, dia naka mofo. BSB BSB: For I received from the Lord what I also passed on to you: The Lord Jesus, on the night He was betrayed, took bread,
24 ULB Rehefa avy nisaotra Izy, dia nanapaka izany ary niteny hoe: "Ity ny vatako, izay ho anareo. Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy." BSB BSB: and when He had given thanks, He broke it and said, “This is My body, which is for you; do this in remembrance of Me.”
25 ULB Mitovy amin'izay koa dia noraisiny ny kapoaka rehefa avy nisakafo hariva, ary niteny Izy hoe: "Ity kapoaka ity no fanekena vaovao ao amin'ny ràko. Ataovy izao na oviana na oviana ianareo no misotro, ho fahatsiarovana Ahy." BSB BSB: In the same way, after supper He took the cup, saying, “This cup is the new covenant in My blood; do this, as often as you drink it, in remembrance of Me.”
26 ULB Amin'ny fotoana rehetra izay hinananareo ity mofo ity sy hisotronareo amin'ity kapoaka ity, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny ianareo. BSB BSB: For as often as you eat this bread and drink this cup, you proclaim the Lord’s death until He comes.
27 ULB Na iza na iza, noho izany, mihinana ny mofo na misotro amin'ny kapoakan'ny Tompo amin'ny fomba tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny vatana sy ny ràn'ny Tompo. BSB BSB: Therefore, whoever eats the bread or drinks the cup of the Lord in an unworthy manner will be guilty of sinning against the body and blood of the Lord.
28 ULB Aoka handinika ny tenany aloha ny olona, ary amin'izany dia aoka hihinana ny mofo ary hisotro amin'ny kapoaka izy. BSB BSB: Each one must examine himself before he eats of the bread and drinks of the cup.
29 ULB Fa izy izay mihinana sy misotro ka tsy mahafantatra ny vatana, dia mihinana sy misotro fitsarana ho an'ny tenany. BSB BSB: For anyone who eats and drinks without recognizing the body eats and drinks judgment on himself.
30 ULB Izany no mahatonga ny maro aminareo ho osa sy marary, ary ny sasany aminareo ho faty. BSB BSB: That is why many among you are weak and sick, and a number of you have fallen asleep.
31 ULB Fa raha mandinin-tena isika, dia tsy ho tsaraina. BSB BSB: Now if we judged ourselves properly, we would not come under judgment.
32 ULB Fa rehefa voatsaran'ny Tompo isika, dia mpanara-dalàna, mba tsy ho voaheloka miaraka amin'izao tontolo izao. BSB BSB: But when we are judged by the Lord, we are being disciplined so that we will not be condemned with the world.
33 ULB Noho izany, ry rahalahiko, rehefa miangona mba hihinana ianareo, dia mifampiandrasa. BSB BSB: So, my brothers, when you come together to eat, wait for one another.
34 ULB Raha misy olona iray noana, aoka izy hihinana any an-trano, amin'izay rehefa miangona ianareo dia tsy ho amin'ny fitsarana izany. Ary mahakasika ireo zavatra hafa izay nosoratanareo, dia hanome toro-lalana aho rehefa tonga. BSB BSB: If anyone is hungry, he should eat at home, so that when you come together it will not result in judgment. And when I come, I will give instructions about the remaining matters.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.