2 ULB Amin'ny alalan'izany filazantsara izany no havoavonjy anareo, raha mihazona mafy amin'ny teny notoriako taminareo ianareo, raha tsy hoe ninonino foana. BSB BSB: By this gospel you are saved, if you hold firmly to the word I preached to you. Otherwise, you have believed in vain.
4 ULB ary nalevina Izy, ary Izy dia natsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina. BSB BSB: that He was buried, that He was raised on the third day according to the Scriptures,
5 ULB Kristy dia niseho tamin'i Kefasy, ary avy eo tamin'ireo roa ambin'ny folo; BSB BSB: and that He appeared to Cephas and then to the Twelve.
7 ULB Avy eo Izy niseho tamin'i Jakoba, avy eo tamin'ireo apostoly rehetra. BSB BSB: Then He appeared to James, then to all the apostles.
8 ULB Farany indrindra, dia niseho tamiko Izy, toy ny hoe tamin'ny zaza teraka tsy tonga volana. BSB BSB: And last of all He appeared to me also, as to one of untimely birth.
9 ULB Fa izaho no kely indrindra amin'ireo apostoly. Izaho dia tsy mendrika ny antsoina hoe apostoly satria nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra aho. BSB BSB: For I am the least of the apostles and am unworthy to be called an apostle, because I persecuted the church of God.
10 ULB Fa nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra no naha toy izaho ahy, ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko. Fa kosa, niasa mafy kokoa noho izy rehetra aho. Nefa tsy izaho izany, fa ny fahasoavan'Andriamanitra izay miaraka amiko. BSB BSB: But by the grace of God I am what I am, and His grace to me was not in vain. No, I worked harder than all of them—yet not I, but the grace of God that was with me.
13 ULB Nefa raha tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, dia tsy natsangana akory Kristy; BSB BSB: If there is no resurrection of the dead, then not even Christ has been raised.
15 ULB Koa, dia hita ho vavolombelona diso momban' Andriamanitra izahay satria nijoro vavolombelona nanohitra an'Andriamanitra, niteny hoe natsangany Kristy rehefa tsy nanao izany Izy. BSB BSB: In that case, we are also exposed as false witnesses about God. For we have testified about God that He raised Christ from the dead, but He did not raise Him if in fact the dead are not raised.
16 ULB Raha tsy natsangana ny maty, dia na Kristy aza tsy natsangana; BSB BSB: For if the dead are not raised, then not even Christ has been raised.
17 ULB ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo ary dia mbola ao amin'ny fahotanareo ianareo. BSB BSB: And if Christ has not been raised, your faith is futile; you are still in your sins.
18 ULB Ary izay rehetra maty ao amin'i Kristy dia efa very ihany koa. BSB BSB: Then those also who have fallen asleep in Christ have perished.
19 ULB Raha amin'ity fiainana ity ihany no ananantsika toky amin'ny ho avy ao amin'i Kristy, dia isika no mampahonena indrindra amin'ny olona rehetra. BSB BSB: If our hope in Christ is for this life alone, we are to be pitied more than all men.
22 ULB Fa toy ny nahafatesan'ny rehetra tao amin'i Adama, dia ho velomina ao amin'i Kristy ihany koa ny rehetra. BSB BSB: For as in Adam all die, so in Christ all will be made alive.
23 ULB Kanefa samy ao amin'ny filaharany manokana ny tsirairay: Kristy, ilay voaloham-bokatra, ary avy eo ireo izay an'i Kristy dia ho atao velona amin'ny fiaviany. BSB BSB: But each in his own turn: Christ the firstfruits; then at His coming, those who belong to Him.
24 ULB Avy eo dia ho tonga ny farany, rehefa homen'i Kristy ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana. Izany dia rehefa hanafoana ny fitsipika rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery Izy. BSB BSB: Then the end will come, when He hands over the kingdom to God the Father after He has destroyed all dominion, authority, and power.
25 ULB Fa tsy maintsy manjaka Izy mandra-pametrany ny fahavalony rehetra ao ambanin'ny tongony. BSB BSB: For He must reign until He has put all His enemies under His feet.
26 ULB Ny fahavalo farany ho haringana dia ny fahafatesana. BSB BSB: The last enemy to be destroyed is death.
27 ULB Fa "Napetrany teo ambanin'ny tongony avokoa ny zavatra rehetra." Fa voalaza fa: "Izy no nametraka ny zavatra rehetra," dia mazava tsara fa tsy tafiditra ao anatin'izany ilay iray nametraka ny zavatra rehetra hanaiky ny tenany. BSB BSB: For “God has put everything under His feet.” Now when it says that everything has been put under Him, this clearly does not include the One who put everything under Him.
28 ULB Rehefa manaiky Azy ny zavatra rehetra, dia ny Zanaka mihitsy no hanaiky ilay iray izay nampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Hiseho izany mba ho rehetra ao amin'ny rehetra ny Andriamanitra Ray. BSB BSB: And when all things have been subjected to Him, then the Son Himself will be made subject to Him who put all things under Him, so that God may be all in all.
29 ULB Na koa inona no ilaina ireo izay vita batisa ho an'ny maty? Raha tsy natsangana mihitsy ny maty, nahoana izy ireo no natao batisa ho an'izy ireo? BSB BSB: If these things are not so, what will those do who are baptized for the dead? If the dead are not raised at all, why are people baptized for them?
30 ULB Nahoana ary, isika no am-bava loza isan'ora? BSB BSB: And why do we endanger ourselves every hour?
31 ULB Miatrika fahafatesana isan'andro aho! Izany dia azo antoka tahaka ny fireharehako ny aminareo, izay azoko ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. BSB BSB: I face death every day, brothers, as surely as I boast about you in Christ Jesus our Lord.
32 ULB Inona no tombony azoko, avy amin'ny fomba fijerin'ny olombelona, raha niady tamin'ny biby tao Efesosy aho, raha tsy natsangana ny maty? "Aoka isika hihinana sy hisotro satria ho faty isika rahampitso." BSB BSB: If I fought wild beasts in Ephesus for human motives, what did I gain? If the dead are not raised, “Let us eat and drink, for tomorrow we die.”
33 ULB Aza mety ho fitahana hoe: "Manimba ny fisainana tsara ny naman-dratsy." BSB BSB: Do not be deceived: “Bad company corrupts good character.”
34 ULB Mandiniha! Miainà am-pahamarinana! Aza manohy manota! Fa ny sasany aminareo dia tsy manana fahalalana an'Andriamanitra. Milaza izany ho amin'ny fahamenaranareo aho. BSB BSB: Sober up as you ought, and stop sinning; for some of you are ignorant of God. I say this to your shame.
36 ULB Tsy mahalala na inona na inoana ianareo! Izay hafafinareo dia tsy hanomboka hitombo raha tsy maty izany. BSB BSB: You fool! What you sow does not come to life unless it dies.
37 ULB Izay nafafinareo dia tsy ny vatana izay ho avy, fa voa fostiny. Izany dia mety ho lasa vary na zavatra hafa. BSB BSB: And what you sow is not the body that will be, but just a seed, perhaps of wheat or something else.
38 ULB Fa homen'Andriamanitra azy ny vatana araka izay safidiany, ary samy amin'ny vatany avy ny voa tsirairay. BSB BSB: But God gives it a body as He has designed, and to each kind of seed He gives its own body.
39 ULB Tsy ny nofo rehetra no mitovy. Fa kosa, iray ny nofon'ny olombelona, dia hafa ny nofon' ireo biby, ary nofo hafa ny an'ireo vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano. BSB BSB: Not all flesh is the same: Men have one kind of flesh, animals have another, birds another, and fish another.
40 ULB Misy ihany koa ireo vatana any an-danitra sy ireo vatan'ny eto an-tany. Fa karazana iray ihany ny voninahitry ny vatana any an-danitra ary hafa ny voninahitry ny eto an-tany. BSB BSB: There are also heavenly bodies and earthly bodies. But the splendor of the heavenly bodies is of one degree, and the splendor of the earthly bodies is of another.
41 ULB Iray ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary voninahitra hafa ny an'ireo kintana. Fa ny kintana iray miavaka amin'ny kintana iray hafa amin'ny voninahitra. BSB BSB: The sun has one degree of splendor, the moon another, and the stars another; and star differs from star in splendor.
43 ULB Afafy tamin'ny fahafaham-baraka izany; dia natsangana am-boninahitra. Afafy tamin'ny fahalemena izany; dia natsangana amin'ny hery. BSB BSB: It is sown in dishonor; it is raised in glory. It is sown in weakness; it is raised in power.
44 ULB Afafy amin'ny vatana voajanahary izany; dia atsangana ho vatana ara-panahy. Raha misy vatana voajanahary, dia misy vatana ara-panahy ihany koa. BSB BSB: It is sown a natural body; it is raised a spiritual body. If there is a natural body, there is also a spiritual body.
45 ULB Ary efa voasoratra ihany koa fa: "Lasa fanahy velona Adama ilay lehilahy voalohany" Ilay Adama farany dia lasa fanahy manome fiainana. BSB BSB: So it is written: “The first man Adam became a living being”; the last Adam a life-giving spirit.
46 ULB Fa tsy ny ara-panahy no tonga voalohany fa ny voajanahary, ary avy eo ny ara-panahy. BSB BSB: The spiritual, however, was not first, but the natural, and then the spiritual.
47 ULB Ny olona voalohany dia avy amin'ny tany, namboarina tamin'ny vovoka. Ny olona faharoa dia avy any an-danitra. BSB BSB: The first man was of the dust of the earth, the second man from heaven.
48 ULB Toy ilay iray namboarina tamin'ny vovoka, toy izany koa ilay olona any an-danitra, ary tahaka izany ihany koa ireo izay avy any an-danitra. BSB BSB: As was the earthly man, so also are those who are of the earth; and as is the heavenly man, so also are those who are of heaven.
49 ULB Toy ny nitondrantsika ny endrik'ilay olon'ny vovoka, dia hitondra ny endrik'ilay olon'ny lanitra ihany koa isika. BSB BSB: And just as we have borne the likeness of the earthly man, so also shall we bear the likeness of the heavenly man.
50 ULB Ary izao no lazaiko, ry rahalahy, fa ny nofo aman-drà dia tsy afaka ny handova ny fanjakan'Andriamanitra. Na izay mety simba handova izay tsy mety simba. BSB BSB: Now I declare to you, brothers, that flesh and blood cannot inherit the kingdom of God, nor does the perishable inherit the imperishable.
51 ULB Indro! Zava-marina miafina no ho lazaiko anareo hoe: Tsy ho faty avokoa isika rehetra, fa hovaina avokoa isika rehetra. BSB BSB: Listen, I tell you a mystery: We will not all sleep, but we will all be changed—
52 ULB Hiova isika amin'ny fotoana iray, ao anatin'ny indray mipi-maso, amin'ny trompetra farany. Haneno ny trompetra, ary ireo maty dia hatsangana ho tsy mety lo, ary dia hovaina isika. BSB BSB: in an instant, in the twinkling of an eye, at the last trumpet. For the trumpet will sound, the dead will be raised imperishable, and we will be changed.
53 ULB Fa ity vatana mety simba ity dia tsy maintsy hitafy izay tsy mety lo, ary ity vatana mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana. BSB BSB: For the perishable must be clothed with the imperishable, and the mortal with immortality.
54 ULB Fa rehefa mitafy ny tsy mety simba ity vatana mety simba ity, ary rehefa mitafy ny tsy fahafatesana ity vatana mety maty ity, dia ho tonga amin'ilay teny izay voasoratra hoe, "Voatelina tamin'ny fandresena ny fahafatesana." BSB BSB: When the perishable has been clothed with the imperishable and the mortal with immortality, then the saying that is written will come to pass: “Death has been swallowed up in victory.”
55 ULB "Ry fahafatesana, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana, aiza ny fanindronanao?" BSB BSB: “Where, O Death, is your victory? Where, O Death, is your sting?”
56 ULB Ny ota no fanindron'ny fahafatesana, ary ny herin'ny ota dia ny lalàna. BSB BSB: The sting of death is sin, and the power of sin is the law.
57 ULB Fa isaorana Andriamanitra, izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika! BSB BSB: But thanks be to God, who gives us the victory through our Lord Jesus Christ!
58 ULB Noho izany, ry rahalahy malalako, miorena tsara ary aza miozongozona. Miroboroboa mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maina ny asanareo ao amin'ny Tompo. BSB BSB: Therefore, my beloved brothers, be steadfast and immovable. Always excel in the work of the Lord, because you know that your labor in the Lord is not in vain.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.