1 ULB Rehefa nankeo aminareo aho, ry rahalahy, dia tsy tonga niaraka tamina lahateny na fahendrena raha nanambara ny misitery momban'Andriamanitra. BSB BSB: When I came to you, brothers, I did not come with eloquence or wisdom as I proclaimed to you the testimony about God.
2 ULB Fa nanapa-kevitra tsy hahalala na inona na inona aho rehefa teo aminareo, afa-tsy Jesosy Kristy, sy Izy voahombo. BSB BSB: For I resolved to know nothing while I was with you except Jesus Christ and Him crucified.
3 ULB Ary niaraka taminareo aho teo amin'ny fahalemena, sy teo amin'ny tahotra, ary teo amin'ny fangovitana lehibe. BSB BSB: I came to you in weakness and fear, and with much trembling.
4 ULB Ary ny hafatro sy ny fanambarako dia tsy tamin'ny teny fandresen-dahatry ny fahendrena. Fa kosa, ireo dia tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy hery, BSB BSB: My message and my preaching were not with persuasive words of wisdom, but with a demonstration of the Spirit’s power,
5 ULB mba tsy ho ao amin'ny fahendren'ny olombelona ny finoanareo, fa ao amin'ny herin'Andriamanitra. BSB BSB: so that your faith would not rest on men’s wisdom, but on God’s power.
6 ULB Ankehitriny dia miresaka fahendrena eo amin'ireo matotra isika, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ireo mpanapak'izao vaninandro izao, izay mandalo ihany. BSB BSB: Among the mature, however, we speak a message of wisdom—but not the wisdom of this age or of the rulers of this age, who are coming to nothing.
7 ULB Fa kosa, milaza ny fahendren' Andriamanitra amin'ny fahamarinana miafina isika, ilay fahendrena miafina izay notendren'Andriamanitra mialoha talohan'ireo vaninandro rehetra ho voninahintsika. BSB BSB: No, we speak of the mysterious and hidden wisdom of God, which He destined for our glory before time began.
8 ULB Tsy nisy tamin'ireo mpanapak'izao andro izao no nahafantatra io fahendrena io, fa raha nahatakatra izany izy ireo tamin'izany fotoana izany, dia tsy ho nomboin'izy ireo ilay Tompon'ny voninahitra. BSB BSB: None of the rulers of this age understood it. For if they had, they would not have crucified the Lord of glory.
9 ULB Fa araka izay voasoratra hoe: "Ireo zavatra izay tsy nisy maso nahita, tsy nisy sofina nandre, tsy nisy eritreritra nahazo an-tsaina, ireo zavatra izay nomanin' Andriamanitra ho an'ireo tia Azy." BSB BSB: Rather, as it is written: “No eye has seen, no ear has heard, no heart has imagined, what God has prepared for those who love Him.”
10 ULB Ireo no zavatra nasehon'Andriamanitra taminay tamin'ny alalan'ny Fanahy. Fa ny Fanahy dia mitady ny zavatra rehetra, na dia ireo zavatra lalin'Andriamanitra aza. BSB BSB: But God has revealed it to us by the Spirit. The Spirit searches all things, even the deep things of God.
11 ULB Fa iza no mahafantatra ny fisainan'ny olona iray afa-tsy ny fanahin'ny olona ao aminy? Araka izany koa, tsy misy mahafantatra ireo zavatra lalin'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra. BSB BSB: For who among men knows the thoughts of man except his own spirit within him? So too, no one knows the thoughts of God except the Spirit of God.
12 ULB Fa tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao isika, fa ny Fanahy izay avy amin'Andriamanitra, mba hafahantsika mahafantatra ireo zavatra omena antsika maimaimpoana avy amin'Andriamanitra. BSB BSB: We have not received the spirit of the world, but the Spirit who is from God, that we may understand what God has freely given us.
13 ULB Miteny momba ireo zavatra ireo amin'ny teny izay tsy hain'ny fahendren'ny olombelona ampianarina izahay, fa izay ampianarin'ny Fanahy anay. Ny Fanahy no mandika ny teny ara-panahy miaraka amin'ny fahendrena ara-panahy. BSB BSB: And this is what we speak, not in words taught us by human wisdom, but in words taught by the Spirit, expressing spiritual truths in spiritual words.
14 ULB Ny olona izay tsy ara-panahy dia tsy mandray ireo zavatra izay an'ny Fanahin'Andriamanitra, satria fahadalana aminy ireny. Tsy afa-mahalala an'ireny izy satria famantarana ara-panahy ireny. BSB BSB: The natural man does not accept the things that come from the Spirit of God. For they are foolishness to him, and he cannot understand them, because they are spiritually discerned.
15 ULB Izay ara-panahy dia mitsara ny zavatra rehetra, fa tsy iharan'ny fitsaran'ny hafa izy. BSB BSB: The spiritual man judges all things, but he himself is not subject to anyone’s judgment.
16 ULB "Fa iza no afa-mahalala ny fisainan'ny Tompo, no ho afaka hampianatra Azy?" Fa izahay dia manana ny fisainan'i Kristy. BSB BSB: “For who has known the mind of the Lord, so as to instruct Him?” But we have the mind of Christ.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.